Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitandrema Amin’ny Finoanoam-poana Momba ny Baiboly

Mitandrema Amin’ny Finoanoam-poana Momba ny Baiboly

“VELONA sy mahery ny tenin’Andriamanitra”, hoy ny apostoly Paoly. (Heb. 4:12) Misy heriny lehibe tokoa izy io, ka afaka manohina ny fon’ny olona sy manova ny fiainany.

Nanjary nanana hevi-diso momba ny Baiboly anefa ny olona, rehefa nahazo vahana ny fivadiham-pinoana, taorian’ny nahafatesan’ny apostoly. (2 Pet. 2:1-3) Nampianarin’ireo mpitondra fivavahana hoe manana hery hafakely ny Tenin’Andriamanitra, ka nampiasa an’ireo andinin-teny tamin’ny fomba hafahafa ny olona. Nilaza toy izao, ohatra, i Origène, Rain’ny Eglizy tamin’ny taonjato fahatelo: “Mahasoa na dia ny mandre teny masina fotsiny aza. Raha ny teny tononin’ny mpanao mazia aza misy heriny, mainka fa ny teny masina avy amin’Andriamanitra.” Nilaza koa i Jean Chrysostome, mpitondra fivavahana tamin’ny taonjato fahefatra, fa “tsy ho sahin’ny Devoly ny hanatona trano iray, raha misy Filazantsara ao.” Nisy olona aza, hono, niambozona andinin-teny avy ao amin’ny Filazantsara, mba hatao ody fiaro. Nanoratra koa ny Profesora Harry Gamble fa nisy mpitondra fivavahana katolika atao hoe Augustin, nilaza fa “raha marary andoha ianao, dia azonao atao ao ambany ondana ny Filazantsaran’i Jaona, rehefa matory.” Noheverin’ny olona hoe manana hery miafina ny Baiboly, vokatr’izany. Ary ahoana ny hevitrao? Toy ny ody fiaro ve ny Baiboly aminao, ka manana hery hiarovana amin’ny ratsy, na manampy anao ho tsara vintana?

Fanaon’ny olona maro koa ny hoe manokatra Baiboly, ary mamaky izay andinin-teny sendra ny masony. Mino izy ireo hoe izay teny hitany eo no hahazoany ny tari-dalana ilainy. Mitantara i Gamble hoe sahiran-tsaina i Augustin indray mandeha. Nisy feon’ankizy iray anefa avy tao amin’ny trano teo akaikin’izy ireo, nilaza hoe: “Raiso dia vakio. Raiso dia vakio.” Nino izy hoe baikon’Andriamanitra ilay izy, nandidy azy hanokatra ny Baiboly ka hamaky izay andinin-teny sendra ny masony.

Efa nahare olona nanao toy izany ve ianao? Mivavaka izy rehefa manana olana, ary avy eo manokatra Baiboly, ka izay andinin-teny hitany voalohany no heveriny hoe hanampy azy. Tsy ratsy ny mitady tari-dalana ao amin’ny Soratra Masina. Tsy hoatr’izany anefa no fomba tokony hitadiavan’ny Kristianina tari-dalana ao amin’izy io.

Nanome toky an’ireo mpianany i Jesosy fa handefa ny “fanahy masina” izy mba hanampy azy ireo. Hoy koa izy: “Izy io no hampianatra anareo ny zava-drehetra, ary hampahatsiaro anareo izay rehetra nolazaiko taminareo.” (Jaona 14:26) Ny zavatra efa nianarantsika tao amin’ny Baiboly àry no hanampy antsika, fa tsy hoe izay andinin-teny sendra ny masontsika.

Maro tokoa ny finoanoam-poana momba ny Baiboly. Milaza anefa izy io fa tsy mety ny mitady fambara toy izany, mba hahazoana tari-dalana sy fanampiana. (Lev. 19:26; Deot. 18:9-12; Asa. 19:19) Marina fa “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra”, kanefa mila haintsika ny fomba ampiasana azy io. Tsy hoe ny fampiasana ny Baiboly amin’ny fomba hafahafa, toy ny noresahintsika teo, akory no manatsara ny fiainantsika, fa ny fahalalana marina tsara ny Baiboly. Niezaka hahazo izany fahalalana izany ny olona maro, ka lasa tsara fitondran-tena, afaka tamin’ny fahazaran-dratsy, manana fianakaviana sambatra, ary mifandray tsara amin’ilay nampanoratra ny Baiboly.