Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpanompo Atokisan’i Jehovah Ianao!

Mpanompo Atokisan’i Jehovah Ianao!

‘Tsy anareo intsony ny tenanareo.’ —1 KOR. 6:19.

1. Inona matetika no tonga ao an-tsaina rehefa mandre ny teny hoe andevo?

HOY ny mpanoratra grika iray, 2 500 taona teo ho eo izay: “Tsy misy olona manaiky an-tsitrapo hatao andevo.” Miombon-kevitra amin’izany ny ankamaroan’ny olona ankehitriny. Inona no tonga ao an-tsaintsika rehefa mandre ny teny hoe andevo, na mpanompo? Olona ampijalina, ampanaovina asa an-terivozona, ary miasa mafy mba ho tombontsoan’ny tompony fa tsy ho tombontsoan’ny tenany.

2, 3. a) Inona no mampiavaka ny Kristianina na dia antsoina hoe mpanompo aza? b) Inona no fanontaniana hovaliana ato?

2 Nilaza i Jesosy hoe ho mpanompo izay olona manara-dia azy. Tsy hoe lasa ambany na ampijalina anefa ny tena Kristianina, na dia antsoina hoe mpanompo aza. Omena voninahitra sy atokisana ary hajaina kosa aza izy ireo. Nilaza, ohatra, i Jesosy taloha kelin’ny nahafatesany, fa homeny andraikitra ny mpanompo “mendri-pitokisana sy malina.”—Mat. 24:45-47.

3 Miantso an’ireo voahosotra hoe “mpanompo” koa ny bokin’i Lioka. (Vakio ny Lioka 12:42-44.) Tsy anisan’ireo voahosotra ireo ny ankamaroan’ny Kristianina tsy mivadika ankehitriny, kanefa milaza ny Soratra Masina fa mpanompo nomena andraikitra daholo ny Kristianina rehetra. Inona àry ny andraikitsika tsirairay? Ahoana no tokony hiheverantsika ny andraikitsika? Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia hodinihintsika ny anjara asan’ireo mpanompo nomena andraikitra lehibe tamin’ny andro fahiny.

NY ANJARA ASAN’IREO MPANOMPO NOMENA ANDRAIKITRA LEHIBE FAHINY

4, 5. Inona no andraikitra nankinina tamin’ny mpanompo sasany fahiny? Manomeza ohatra.

4 Natokisan’ny tompony ny mpanompo sasany tamin’ny andro fahiny, ka nasainy niandraikitra ny tao an-tranony sy ny raharaham-barotra nataony. Nanana fahefana be izy io, ka nitantana ny fananan’ny tompony sy ny volany ary ny mpanompony hafa. Toy izany i Eliezera, mpanompon’i Abrahama. Izy no nitantana ny fananan’i Abrahama, izay tena betsaka tokoa. Mety ho izy koa no nirahin’i Abrahama ho any Mezopotamia mba hitady vady ho an’i Isaka. Andraikitra lehibe tokoa izany!—Gen. 13:2; 15:2; 24:2-4.

5 Tsaroanao koa angamba i Josefa, zafiafin’i Abrahama. Mpanompon’i Potifara izy, ary niandraikitra ny tao an-tranony. (Gen. 39:1, 2) Nanana mpanompo niandraikitra ny ‘tao an-tranony’ koa i Josefa tatỳ aoriana. Izy io no nikarakara an’ireo rahalahin’i Josefa folo lahy, rehefa tonga tany amin’i Josefa izy ireo. Nandray anjara lehibe koa izy io, rehefa nitsapa an’ireo rahalahiny tamin’ny alalan’ilay kaopy volafotsy i Josefa. Hitantsika amin’izany fa tena natokisana ireny mpanompo fahiny nomena andraikitra lehibe ireny.—Gen. 43:19-25; 44:1-12.

6. Inona avy ny karazana andraikitra ankinina amin’ireo anti-panahy?

6 Nampitahain’ny apostoly Paoly tamin’ireny mpanompo nahazo andraikitra lehibe ireny ny anti-panahy, rehefa nilaza izy hoe “mpanompon’Andriamanitra” izy ireo. (Tit. 1:7) Voatendry hikarakara “ny andian’ondrin’Andriamanitra” izy ireo, ary manome tari-dalana ho an’ny fiangonana. (1 Pet. 5:1, 2) Marina fa tsy mitovy ny andraikitr’izy ireo. Manompo ao amin’ny fiangonana iray ny ankamaroan’ny anti-panahy. Ny mpiandraikitra mpitety faritany indray mikarakara fiangonana maromaro. Ary ny Komitin’ny Sampana miandraikitra ny fiangonana rehetra ao amin’ny firenena iray. Samy antenaina hanao tsara ny andraikiny anefa izy rehetra, ary mbola “hatao ampamoaka” eo anatrehan’Andriamanitra daholo.—Heb. 13:17.

7. Inona no mampiseho fa manana andraikitra daholo ny mpanompon’Andriamanitra rehetra?

7 Ahoana anefa ny amin’ireo Kristianina tsy mivadika maro be, izay tsy anisan’ny anti-panahy? Nanoratra taratasy ho an’ny Kristianina rehetra ny apostoly Petera, ary nilaza hoe: “Ampiasao mba hifanompoana izay rehetra nomena anareo, arakaraka izay noraisinareo tsirairay avy. Ianareo mantsy no mpanompo tsara miandraikitra ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra. Ary niseho tamin’ny fomba maro samihafa izany hatsaram-panahiny izany.” (1 Pet. 1:1; 4:10) Tsara fanahy tokoa i Jehovah, ka nomeny fahaizana sy talenta ary tombontsoa sasany isika tsirairay, mba hahafahantsika hanampy ny mpiray finoana amintsika. Manana andraikitra lehibe daholo àry ny mpanompon’Andriamanitra rehetra satria nahazo an’ireo fanomezana ireo. Mampahery fa manaja sy matoky antsika i Jehovah, ary manantena fa hampiasa tsara an’ireny fanomezana ireny isika.

FANANAN’I JEHOVAH ISIKA

8. Inona no zava-dehibe mila tadidintsika, noho isika mpanompo?

8 Misy zava-dehibe telo tokony hotadidintsika, noho isika mpanompo. Voalohany, fananan’i Jehovah isika rehetra, ary mbola hataony hampamoaka. Hoy i Paoly: ‘Tsy anareo intsony ny tenanareo, fa voavidy ianareo’, voavidy tamin’ny ran’i Kristy. (1 Kor. 6:19, 20) Fananan’i Jehovah isika, ka tsy maintsy mankatò ny didiny, ary tsy mavesatra ny didiny. (Rom. 14:8; 1 Jaona 5:3) Mpanompon’i Kristy koa isika. Marina fa manana safidy isika, ka afaka manao zavatra betsaka, toa an’ireo mpanompo nomena andraikitra lehibe fahiny. Tsy afaka manao izay rehetra tiantsika anefa isika, na izany aza. Mila manaraka ny toromarika omena antsika isika rehefa manao ny andraikitsika. Mbola mpanompo foana isika, na inona na inona tombontsoam-panompoana ananantsika. Mpanompon’i Jehovah sy Kristy foana isika.

9. Araka ny fitantaran’i Jesosy, ahoana no tokony ho toe-tsain’ny mpanompo rehefa manao ny anjara asany?

9 Nasehon’i Jesosy hoe ahoana no tokony ho toe-tsain’ny mpanompo rehefa manao ny anjara asany. Niresaka momba ny mpanompo avy niasa tontolo andro izy, indray mandeha. Nanontany izy hoe rehefa nody ilay mpanompo, hilaza ve ny tompony hoe: “Avia haingana ianao eto, ary mandria ilika hisakafo”? Tsy hanao izany ilay tompo. Hilaza kosa izy hoe: “Karakarao ny sakafo harivako, ary anaovy ny aron’akanjonao ka rosoy hanina aho mandra-pitsahatro mihinana sy misotro, ary rehefa vita izany, dia mahazo mihinana sy misotro kosa ianao.” Inona no lesona tian’i Jesosy hampitaina? Hoy izy: “Toy izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nasaina nataonareo, dia lazao hoe: ‘Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tokony ho nataonay no nataonay.’ ”—Lioka 17:7-10.

10. Ahoana no ahafantarantsika fa ankasitrahan’i Jehovah ny ezaka ataontsika mba hanompoana azy?

10 Mankasitraka ny ezaka ataontsika mba hanompoana azy i Jehovah. “Andriamanitra mantsy tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany.” (Heb. 6:10) Tsy mitaky zavatra tsy ho vitantsika mihitsy i Jehovah. Tsy vitan’izay fa mahasoa antsika foana ny zavatra asainy ataontsika, sady tsy sarotra loatra. Asehon’ilay fanoharan’i Jesosy anefa fa tsy manao izay hampifaly ny tenany ny mpanompo. Tsy ny tombontsoany no eritreretiny voalohany. Toy izany koa isika. Rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah isika, dia nanao safidy hoe ny tombontsoan’i Jehovah no hataontsika loha laharana. Sa tsy izany?

INONA NO TAKIN’I JEHOVAH AMINTSIKA REHETRA?

11, 12. Inona no toetra tokony hananantsika, ary inona no tsy tokony hataontsika?

11 Faharoa, mila tadidintsika hoe mpanompo daholo isika, ka manaraka fitsipika mitovy ihany. Marina fa misy vitsivitsy amintsika manana andraikitra manokana eo anivon’ny fiangonana. Mitovy anefa ny ankamaroan’ny zavatra takin’i Jehovah amintsika. Tokony hifankatia, ohatra, ny mpanompon’i Jehovah rehetra. Nilaza i Jesosy fa ny fitiavana no amantarana ny tena Kristianina. (Jaona 13:35) Tsy ny mpiray finoana amintsika ihany anefa no tokony hotiavintsika. Miezaka koa isika mba ho tia ny olon-kafa. Takina amintsika rehetra izany, sady azontsika atao tsara.

12 Samy tokony hanana fitondran-tena tsara koa isika rehetra, ary tsy tokony hanao an’ireo zavatra ratsy raran’ny Baiboly. Hoy i Paoly: “Na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpanitsakitsa-bady, na lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana, na lehilahy miray amin’ny lehilahy, na mpangalatra, na olona manana faniriana tsy mety afa-po, na mpimamo, na mpanevateva, na mpanao an-keriny, dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.” (1 Kor. 6:9, 10) Marina fa mitaky ezaka ny fanarahana ny fitsipik’Andriamanitra. Mandray soa be dia be anefa isika rehefa mankatò azy ireny. Lasa salama kokoa isika, mifandray tsara amin’ny olona, ary ankasitrahan’i Jehovah.—Vakio ny Isaia 48:17, 18.

13, 14. Inona no andraikitra ananan’ny Kristianina rehetra, ary ahoana no tokony hiheverantsika an’io andraikitra io?

13 Tadidio koa fa misy asa tsy maintsy ataon’ny mpanompo. Toy izany koa isika. Nomena zava-tsarobidy isika, dia ny fahamarinana. Tian’Andriamanitra hozaraintsika amin’ny hafa izy io. (Mat. 28:19, 20) Hoy i Paoly: “Aoka ny olona hanaiky anay ho mpanompo eo ambany fahefan’i Kristy sy mpanompo miandraikitra ny zava-miafina masin’Andriamanitra.” (1 Kor. 4:1) Nilaza i Paoly fa mpanompo miandraikitra ny ‘zava-miafina masina’ izy, izany hoe miandraikitra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Fantany àry fa mila mizara azy io amin’ny olon-kafa izy, araka ny didin’i Jesosy Kristy Tompo.—1 Kor. 9:16.

14 Mila mizara ny fahamarinana koa isika. Fomba iray anehoana fitiavana ny mpiara-belona izany. Marina fa samy hafa ny toe-javatra misy antsika, ka tsy mitovy ny zavatra azontsika atao eo amin’ny fanompoana. Mahatakatra an’izany koa i Jehovah. Ny zava-dehibe anefa dia ny hoe manao izay rehetra azontsika atao isika. Hita hoe tena tia an’i Jehovah sy ny mpiara-belona amintsika isika, rehefa manao izany.

Ataovy tsara izay andraikitra omena anao

TOKONY HO MENDRI-PITOKISANA ISIKA

15-17. a) Nahoana ny mpanompo no tena tokony ho mendri-pitokisana? b) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa ratsy ny vokany rehefa tsy mendri-pitokisana isika?

15 Fahatelo, mila tadidintsika hoe tsy tokony hivadika isika ary ho mendri-pitokisana. Na manana toetra tsara sy mahay zavatra betsaka toy inona aza ny mpanompo iray, dia tsy hisy dikany izany raha tsy mankatò an’ilay tompony izy ary tsy mivaky loha amin’ny andraikitra omena azy. Tena tokony ho mendri-pitokisana ny mpanompo, raha te hanao tsara ny asany sy hampifaly ny tompony. Tadidio ilay tenin’i Paoly hoe: ‘Takina amin’ny mpanompo ny ho olona mendri-pitokisana.’—1 Kor. 4:2.

16 Azo antoka fa hovalian-tsoa isika, raha mendri-pitokisana. Ho loza kosa ny vokany raha tsy mendri-pitokisana isika. Izany no asehon’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny talenta. “Nampiasa” tsara ny vola nomen’ny tompony ireo mpanompo mendri-pitokisana, ka nahazo teny fiderana sy valisoa be dia be. Nisy mpanompo iray kosa anefa tsy nanao tsara ny asany, ka nantsoin’ny tompony hoe mpanompo “ratsy fanahy”, “kamo”, ary “tsy misy ilana azy.” Nesorina taminy àry ilay talenta nomena azy, ary noroahina izy.—Vakio ny Matio 25:14-18, 23, 26, 28-30.

17 Nisy fanoharana iray hafa koa nolazain’i Jesosy. Nilaza izy fa nisy lehilahy manankarena, nanana mpanompo iray niandraikitra ny tao an-tranony rehetra. Ren’ilay lehilahy anefa fa mandanilany foana ny fananany ilay mpanompo. Nantsoiny àry ilay mpanompo, ary noteneniny hoe: “Inona izany reko momba anao izany? Avereno amiko ny tatitra momba ny asa nampiandraiketina anao, fa tsy hiadidy ny ato an-tranoko intsony ianao.” (Lioka 16:1, 2) Noroahin’ny tompony ilay mpanompo, satria nandanilany foana ny fananany. Andraisantsika lesona lehibe izany. Tena tokony ho mendri-pitokisana isika, ka hanatontosa tsara foana izay asain’i Jehovah ataontsika.

METY VE NY MAMPITAHA TENA AMIN’NY HAFA?

18. Nahoana isika no tsy tokony hampitaha ny tenantsika amin’ny hafa?

18 Tsara ny mandini-tena hoe ahoana no fomba anaovantsika ny andraikitra omena antsika. Tsy mety anefa raha mampitaha ny tenantsika amin’ny hafa isika. Hoy ny Baiboly: ‘Aoka ny tsirairay samy handinika izay ataony avy. Amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa.’ (Gal. 6:4) Ny tokony hoeritreretintsika dia hoe inona no zavatra azontsika atao, fa tsy tokony hampitaha ny zava-bitantsika amin’izay vitan’ny hafa isika. Hisakana antsika tsy hirehareha izany, sady hanampy antsika tsy ho kivy. Miova koa ny fiainana indraindray. Mety hoe lasa tsy mahavita be toy ny taloha isika, satria marary, na mihantitra, na nitombo ny andraikitsika. Na mety hoe lasa malalaka kokoa isika izao, ka afaka manao zavatra bebe kokoa. Raha izany no izy, nahoana raha manararaotra mampitombo ny fanompoanao?

19. Nahoana isika no tsy tokony ho kivy, raha misy tombontsoa sasany irintsika nefa mbola tsy azontsika?

19 Ahoana kosa raha misy andraikitra tiantsika ho azo? Mety hoe te ho lasa anti-panahy, ohatra, ny rahalahy iray, na te hahazo lahateny amin’ny fivoriambe. Tsara ny miezaka mafy mba hahafeno fepetra hahazo an’ireo tombontsoa ireo. Tsy tokony ho kivy anefa ianao raha elaela vao tanteraka ny fanirianao. Mety ho misy antony matoa mbola miandry elaela ianao, na dia tsy fantatrao aza izany antony izany. Tadidio i Mosesy. Nieritreritra izy hoe efa vonona izy hitarika ny Israelita hiala tao Ejipta. Tsy maintsy niandry 40 taona anefa izy vao afaka nanao izany. Nanjary nanana ny toetra tsara nilainy mba hitarihana ny Israelita izy, tao anatin’izany fotoana izany. Tena nilainy izany satria vahoaka mafy hatoka sy mpikomy no nasaina notarihiny.—Asa. 7:22-25, 30-34.

20. Inona no ianarantsika avy amin’i Jonatana?

20 Misy tombontsoa sasany anefa mety tsy homena antsika mihitsy. Izany no nitranga tamin’i Jonatana. Zanak’i Saoly izy, ary izy no tokony handimby ny rainy ka ho mpanjakan’ny Israely. I Davida, izay mbola zandriny be, anefa no nofidin’i Jehovah ho mpanjaka. Ahoana no nataon’i Jonatana? Nanaiky ny safidin’i Jehovah izy, ary nanao vivery ny ainy mihitsy mba hanampiana an’i Davida. Niteny tamin’i Davida izy hoe: “Ianao no ho mpanjakan’ny Israely, ary izaho no hanarakaraka anao.” (1 Sam. 23:17) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy nitaraina momba ny toe-javatra nisy azy i Jonatana, ary tsy nialona an’i Davida toy ny nataon’ny rainy. Toy izany koa fa tsy tokony hialona ny andraikitra omena ny hafa isika, fa tokony hanao tsara an’izay andraikitra ampanaovina antsika. Azo antoka hoe hotanterahin’i Jehovah ny faniriana tsara rehetra ao am-pon’ny mpanompony, any amin’ny tontolo vaovao.

21. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fanompoantsika an’Andriamanitra?

21 Tsara àry ny hitadidiantsika fa na dia mpanompo aza isika, dia tsy toy ny andevo na mpanompo ampijalina. Mifanohitra amin’izany kosa fa matoky sy manome voninahitra antsika i Jehovah, ka manome antsika asa mahafa-po. Manome antsika asa tsy hiverina intsony izy, dia ny fitoriana ny vaovao tsara amin’izao andro farany izao. Avelan’i Jehovah hisafidy koa isika hoe ahoana no hanatontosantsika ny andraikitra omeny antsika. Aoka àry isika ho mpanompo azo itokisana, ary tsy hanadino na oviana na oviana fa tombontsoa be ny manompo an’ilay Avo Indrindra eran’izao rehetra izao.