Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tafaray ao Amin’ny Fivavahana Marina Ireo “Mpivahiny”

Tafaray ao Amin’ny Fivavahana Marina Ireo “Mpivahiny”

“Ny hafa firenena no ho mpambolinareo sy mpikarakara ny tanimboalobokareo. Ary hantsoina hoe mpisoron’i Jehovah ianareo.”—ISAIA 61:5, 6.

1. Ahoana no fiheveran’ny olona sasany ny vahiny, nefa nahoana izany no tsy mety?

HITANTSIKA tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa tsy tia vahiny na olona avy any an-tany hafa ny olona sasany, ary mihevitra azy ireny ho ambany noho ny olona ao amin’ny taniny. Tsy tsara fanahy anefa isika, raha mihevitra toy izany. Tsy misy olona ambony noho ny hafa, raha ny marina. Milaza ny boky hoe Ireo Firazanan’olombelona (anglisy), fa “marina ny lazain’ny Baiboly hoe mpirahalahy daholo ireo olona samy hafa firazanana maneran-tany.” Tena tsy mitovy ny mpirahalahy matetika, kanefa mpirahalahy foana izy ireo na izany aza.

2, 3. Ahoana no fiheveran’i Jehovah an’ireo hafa firenena?

2 Nisy vahiny avy tany amin’ny firenen-kafa koa teo amin’ny Israely fahiny. Nanana fifandraisana manokana tamin’i Jehovah ny Israelita noho ny fifaneken’ny Lalàna, kanefa nasaina nanaja ny vahiny izy ireo ary tsy tokony hanavakavaka. Misy olona tsy mitovy fiaviana amintsika koa na aiza na aiza misy antsika ankehitriny, ka tsy tokony hanavakavaka isika na hitsara an-tendrony azy ireny. Nahoana? Hoy ny apostoly Petera: “Hitako marina izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”—Asa. 10:34, 35.

3 Afaka nifandray akaiky tamin’ireo Israelita ny vahiny, ary nandray soa tamin’izany. Hita tamin’izany hoe tia an’ireo hafa firenena i Jehovah. Mampiseho izany koa ny tenin’ny apostoly Paoly tatỳ aoriana, nanao hoe: “Andriamanitry ny Jiosy ihany ve izy? Tsy Andriamanitry ny hafa firenena koa ve izy? Eny, an’ny hafa firenena koa.”—Rom. 3:29; Joela 2:32.

4. Nahoana no azo lazaina hoe tsy misy vahiny na hafa firenena eo anivon’ny “Israelin’Andriamanitra”?

4 Nanao ny fifanekena vaovao i Jehovah tatỳ aoriana, ka ireo Kristianina voahosotra indray no lasa manana fifandraisana manokana aminy, fa tsy ny Israely ara-nofo intsony. Izany no antony iantsoana an’ireo voahosotra hoe “Israelin’Andriamanitra.” (Gal. 6:16) Nohazavain’i Paoly fa mitovy daholo ny olona ao amin’io firenena vaovao io. ‘Tsy misy hoe Grika na Jiosy, na voafora na tsy voafora, na hafa firenena, na Skytianina, na andevo, na tsy andevo. Fa i Kristy no zava-drehetra sady ao amin’ny rehetra.’ (Kol. 3:11) Noho izany, dia tsy misy olona heverina hoe hafa firenena, na vahiny eo anivon’ireo Kristianina voahosotra.

5, 6. a) Inona no fanontaniana mipetraka momba ny Isaia 61:5, 6? b) Iza no “mpisoron’i Jehovah” sy “hafa firenena” resahin’io Isaia io? d) Inona no iombonan’ireo antokon’olona roa ireo?

5 Mety hisy hieritreritra anefa hoe ahoana ny amin’ilay faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-61, izay tanteraka amin’ny fiangonana kristianina? Milaza ny andininy faha-6 ao amin’izy io, fa misy olona ho lasa “mpisoron’i Jehovah.” Milaza anefa ny andininy faha-5 fa hisy “hafa firenena”, hiara-miasa amin’ireo mpisorona ireo. Inona no tiana holazaina amin’izany?

6 Ny Kristianina voahosotra no atao hoe “mpisoron’i Jehovah.” Manana anjara amin’ny “fitsanganana voalohany” izy ireo, ary ho ‘mpisoron’Andriamanitra sy Kristy, ka hiara-manjaka aminy arivo taona.’ (Apok. 20:6) Misy Kristianina maro hafa tsy mivadika koa anefa manantena hiaina eto an-tany. Tsy anisan’ny “Israelin’Andriamanitra” izy ireo, na dia miara-miasa akaiky amin’ny voahosotra aza, ka toy ny hoe “hafa firenena”, na vahiny. Faly izy ireo manohana an’ireo “mpisoron’i Jehovah”, ka ‘mamboly sy mikarakara ny tanimboalobok’izy ireo’, izany hoe manampy azy ireo amin’ny asa fijinjana ara-panahy mba ho voninahitr’i Jehovah. Samy mitady an’ireo olona tso-po àry ny voahosotra sy ny “ondry hafa”, ary manampy an’ireo maniry hanompo an’i Jehovah mandrakizay.—Jaona 10:16.

“MPIVAHINY” TOA AN’I ABRAHAMA

7. Inona no itovizan’ny Kristianina ankehitriny amin’i Abrahama sy ireo olona tsy nivadika fahiny?

7 Araka ny nodinihina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha anefa, dia mpivahiny, izany hoe toy ny “hafa firenena” ny tena Kristianina rehetra, raha mbola eto amin’ity tontolo ity. Toy izany koa ireo olona tsy nivadika fahiny, anisan’izany i Abrahama. Milaza ny Baiboly fa “vahiny sy mpivahiny teo amin’ilay tany” izy ireo. (Heb. 11:13) Manana tombontsoa be isika ankehitriny, satria afaka mifandray akaiky amin’i Jehovah toa an’i Abrahama, na manantena ho any an-danitra isika, na ho eto an-tany. Nilaza i Jakoba hoe ‘naneho finoana an’i Jehovah i Abrahama, ka neken’Andriamanitra ho isan’ny olo-marina, ary nantsoina hoe “naman’i Jehovah.”’ (Jak. 2:23) Afaka ny ho naman’i Jehovah koa àry isika.

8. Inona no nampanantenain’i Jehovah an’i Abrahama, ary ahoana no fiheveran’i Abrahama an’izany fampanantenana izany?

8 Nampanantena i Jehovah hoe handray fitahiana ny firenena rehetra, amin’ny alalan’i Abrahama sy ny taranany. Tsy firenena iray monja no handray fitahiana, fa ny firenena rehetra. (Vakio ny Genesisy 22:15-18.) Natoky an’izany fampanantenana izany i Abrahama, na dia mbola tsy tamin’ny androny aza ilay izy no tanteraka. Nifindrafindra monina foana izy sy ny fianakaviany nandritra ny zato taona. Niezaka ho naman’Andriamanitra foana anefa izy nandritra izany fotoana izany.

9, 10. a) Ahoana no azontsika anahafana an’i Abrahama? b) Inona no fanasana ampitaintsika amin’ny olona avy amin’ny firenena rehetra?

9 Tia an’i Jehovah sy nanompo azy foana i Abrahama, na dia tsy fantany aza hoe rahoviana no ho tanteraka ilay fampanantenan’i Jehovah. Notadidiny foana hoe mpivahiny izy, ka tsy nanao izay hahametimety ny fiainany tao amin’ny firenena iray sy hanorim-ponenana tao. (Heb. 11:14, 15) Hendry isika raha manahaka an’i Abrahama, ka manana fiainana tsotra. Tsy tokony hieritreritra isika hoe ny hanan-karena, na hahazo toerana ambony na asa tsara no tena zava-dehibe. Nahoana tokoa moa isika no hikatsaka an’izay heverin’ny olona hoe tena fiainana, eto amin’ity tontolo efa ho ringana ity? Nahoana no dia hiraiki-po amin-javatra efa fantatsika fa mihelina ihany? Manantena fiainana tsara lavitra noho izao fiainana izao isika, toa an’i Abrahama ihany. Vonona ny hiandry isika, ka hanam-paharetana foana mandra-pahatanteraky ny fanantenantsika.—Vakio ny Romanina 8:25.

Hanahaka an’i Abrahama ve ianao, ka hitadidy foana fa ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah?

10 Mbola manasa ny olona any amin’ny firenena rehetra i Jehovah ankehitriny, mba handray ny fitahiana nampanantenainy amin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama. Mampita an’io fanasana io amin’ny olona eran-tany ireo “mpisoron’i Jehovah” sy ireo “hafa firenena”, izany hoe ny voahosotra sy ny ondry hafa. Mampiasa fiteny 600 mahery izy ireo mba hampitana an’io hafatra io.

TIAVO NY OLONA AMIN’NY FIRENENA REHETRA

11. Inona no tian’i Solomona hataon’ny olona amin’ny firenena rehetra?

11 Nivavaka toy izao i Solomona rehefa nitokana ny tempoly tamin’ny taona 1026 T.K.: “Raha misy koa vahiny, izay tsy anisan’ny Israely olonao, nefa tonga avy any an-tany lavitra noho ny amin’ny anaranao, satria ho reny ny momba ny anaranao be voninahitra sy ny tananao mahery ary ny sandrinao nahinjitra, ka tonga mivavaka manandrify an’ity trano ity izy, dia enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan’ny vahiny anao, mba hahafantaran’ny firenena rehetra eto an-tany ny anaranao, sy hatahorany anao toy ny atahoran’ny Israely olonao anao.” (1 Mpanj. 8:41-43) Hitantsika amin’io vavaka io, fa nivavaka ho an’ny vahiny i Solomona. Tiany hidera an’i Jehovah ny olona avy amin’ny firenena rehetra, ka hahazo an’ilay fitahiana nampanantenain’i Jehovah an’i Abrahama.

12. Nahoana no azo lazaina hoe vahiny ny Vavolombelon’i Jehovah?

12 Inona no atao hoe vahiny? Olona avy any an-tany hafa fa tsy tompon-tany no atao hoe vahiny. Azo lazaina hoe vahiny ny Vavolombelon’i Jehovah eto amin’ity tontolo ity. Mipetraka miparitaka maneran-tany izy ireo, nefa ny Fanjakana tarihin’i Kristy any an-danitra ihany no tohanany. Noho izany, dia tsy mitsabaka amin’ny raharaha politika eo amin’ny tany ipetrahany izy ireo, na dia hafahafa aza izany amin’ny olona.

Toy ny firenena iray ny olona rehetra amin’i Jehovah, fa tsy misy hoe vahiny na hafa firenena

13. a) Inona no afaka manampy antsika mba tsy hanavakavaka an’ireo hafa firenena? b) Efa fikasan’i Jehovah tany am-boalohany ve ny hoe hisy firenena samihafa eto an-tany? Hazavao.

13 Tsy izay anefa ilay vahiny tena tiantsika horesahina, fa olona avy any amin’ny firenen-kafa mipetraka ao amin’ny tany iray tsy azy. Mora fantatra izy ireny matetika, satria misy zavatra tsy itovizany amin’ny tompon-tany. Mety ho hafa ny fiteniny, na ny fombafombany, na ny bika aman’endriny, na ny fomba fitafiny. Misy zavatra itovizan’ny olombelona rehetra anefa, na inona na inona fireneny, ary zava-dehibe kokoa noho ny fahasamihafantsika ireny zavatra iombonantsika ireny. Tsy hanavakavaka ny olona avy amin’ny firenen-kafa isika, raha miezaka mba tsy hifantoka amin’ireny fahasamihafana ireny. Raha fitondrana iray ihany no mitondra ny olombelona rehetra, dia ho lasa firenena iray ihany no eto an-tany, ka tsy hisy ny hoe hafa firenena. Izany no fikasan’i Jehovah tany am-boalohany. Tiany ho lasa fianakaviana iray ny olombelona rehetra, ka ho eo ambany fitondrana iray ihany, dia ny fitondrany. Efa azo tanterahina ankehitriny ve ny hoe olona samy hafa firenena nefa tsy mifanavakavaka?

14, 15. Inona no zavatra miavaka vitan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitambarany?

14 Marina fa maro ny olona tia tena sy manindrahindra ny fireneny eto amin’ity tontolo ity, nefa misy ihany ny olona tsy manavakavaka fa mandray tsara ny olona avy any amin’ny firenena rehetra. Mitaky ezaka izany, nefa misy olona mahavita ihany. Niara-niasa tamin’ny olona manan-talenta avy any amin’ny firenena samihafa, ohatra, i Ted Turner, izay namorona ny televiziona CNN any Etazonia. Hoy izy: “Tena nahafinaritra ny niaraka tamin’ireny olona ireny. Lasa tsy nihevitra azy ireny ho toy ny hoe ‘hafa firenena’ aho, fa toy ny hoe iray firenena ihany izahay satria samy mponina eto an-tany. Nanomboka tsapako hoe tsy mety ny mampiasa an’ilay teny hoe ‘avy any an-tany hafa’ na hoe ‘vahiny.’ Hitako fa somary manambany io teny io, ka namorona lalàna aho hoe tsy azo ampiasaina intsony io teny io, na amin’ny fandaharana ataonay, na ao am-piasana.”

15 Ny Vavolombelon’i Jehovah irery ihany no antokon’olona manaraka ny fomba fihevitr’Andriamanitra momba ny olona samy hafa firenena. Nanova ny fony sy ny sainy izy ireo mba tsy hanavakavaka intsony, ka toy ny hoe nofoanany ny sisin-tany manasaraka an’ireo firenena. Tsy miahiahy na mankahala ny olona tsy mitovy fiaviana aminy izy ireo. Mahafinaritra azy ireo kosa aza ny mahita an’ireo lafiny mampiavaka ny olona sy ny fahaizana samihafa ananan’izy ireny. Tsy hitanao hoe tena miavaka ve izany? Efa noeritreretinao koa ve ny soa noraisinao, rehefa tsy nanavakavaka ny olona tsy mitovy fiaviana aminao ianao?

TSY HISY INTSONY NY HOE HAFA FIRENENA

16, 17. Hanao ahoana ny fiainanao rehefa ho tanteraka ny Apokalypsy 16:16 sy ny Daniela 2:44?

16 Tsy ho ela ny firenena rehetra dia hifanandrina amin’i Jesosy Kristy sy ny tafiky ny lanitra, mba hanoherana ny fitondran’Andriamanitra. “Antsoina amin’ny teny hebreo hoe Hara-magedona” io ady io. (Apok. 16:14, 16; 19:11-16) Hanao ahoana ny ho vokatr’izany amin’ny fitondran’olombelona? Hoy i Daniela mpaminany, 2 500 taona mahery lasa izay: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo, dia hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra, ary tsy ho lasan’olon-kafa izany fanjakana izany. Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo, fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.”—Dan. 2:44.

17 Alao sary an-tsaina ange ny ho vokatr’izany eo amin’ny fiainanao e! Tsy hisy intsony ireo sisin-tany nataon’olombelona, izay mahatonga antsika rehetra antsoina hoe vahiny na hafa firenena, rehefa miala ao amin’ny tany misy antsika. Marina fa mety ho mbola samy hafa ihany ny endritsika na ny volon-koditsika, kanefa izany mampiseho fotsiny ny fahasamihafana mahafinaritra hita eo amin’ny zavaboarin’i Jehovah. Hoavy tena tsara tokoa no miandry antsika, ary tokony handrisika antsika rehetra izany mba hanao izay tsara indrindra vitantsika, mba hiderana ny Mpamorona sy hanomezam-boninahitra azy.

Efa tsy andrinao ve ny hahafoana an’ireo sisin-tany mampisaraka ny olombelona, ka tsy hisy intsony ny hoe vahiny na “hafa firenena”?

18. Inona no zava-nitranga vao haingana, manaporofo fa azo atao tsara ny tsy manavakavaka?

18 Tena azo inoana ve hoe hisy izany fiovana izany maneran-tany? Izany tokoa! Na amin’izao fotoana izao aza, dia toy ny firenena iray ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy misy olona samy hafa firenena. Tsy dia zava-dehibe amin’izy ireo ny firenena niavian’ny mpiray finoana aminy. Vao haingana, ohatra, dia natambatra ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany maromaro, mba ho mora kokoa ny mitantana ny asa, ary mba hanatsarana ny asa fitoriana. (Mat. 24:14) Tsy olana tamin’izy ireo ny fahasamihafan’ny firenena niaviana, fa tonga dia natao ilay tetikasa, rehefa tsy nisy olana teo amin’ny lalàna. Hita amin’izany fa toy ny hoe efa nandrodana an’ireo sisin-tany nataon’olombelona i Jesosy Kristy, ilay mpanjaka voatendrin’i Jehovah, ary tsy ho ela izy dia “hamita ny fandreseny.”—Apok. 6:2.

19. Inona no vokatry ny fiteny madio eo amin’ny vahoakan’i Jehovah?

19 Miezaka mampiasa ny fiteny madio ny Vavolombelon’i Jehovah, izany hoe mampihatra ny fahamarinana. Lasa misy fatorana tsy azo ravana mihitsy eo amin’izy ireo vokatr’izany, na dia avy amin’ny firenena sy fiteny samy hafa aza izy ireo. (Vakio ny Zefania 3:9.) Toy ny fianakaviambe iray iraisam-pirenena izy ireo, ary miaina eo anivon’ity tontolo ity, nefa tsy anisan’izy io. Tafaray tsara izy ireo, ary manome antoka antsika izany fa tsy hisy intsony ny hoe vahiny, na hafa firenena ao amin’ny tontolo vaovao. Tsy hisy intsony ny fanavakavahana amin’izay, fa hanaiky ny voalazan’ilay boky terỳ am-piandohana ny rehetra hoe: “Mpirahalahy daholo ireo olona samy hafa firazanana maneran-tany.”