Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tilikambo Fiambenana Amin’ny Teny Anglisy Notsorina

Tilikambo Fiambenana Amin’ny Teny Anglisy Notsorina

EFA hatramin’ny taona maro ny olona eran-tany no mandray soa amin’ny fanazavana ara-baiboly ao amin’ny Tilikambo Fiambenana, ary mankasitraka izany. Nanomboka natao tamin’ny teny anglisy notsorina ny gazety fianarana, tamin’ny Jolay 2011. Izao no voalaza tao amin’ny laharana voalohany: “Andrana ihany aloha no hatao mandritra ny herintaona. Hotohizina ny fanontana an’ilay gazety raha hita fa tena manampy izy io.”

Faly àry izahay mampahafantatra fa hotohizina ny fanontana an’io gazety io. Hivoaka amin’ny teny espaniola sy frantsay ary portogey notsorina koa ny gazety fianarana any aoriana any.

INONA NO ITIAVAN’NY OLONA AZY IO?

Hoy ny rahalahy sy anabavy sasany any amin’ireo nosy any amin’ny Pasifika Atsimo: “Mahazo tsara izay voalazan’ny Tilikambo Fiambenana izao ireo rahalahy sy anabavy.” Hoy koa ny anabavy iray: “Lany nijerena diksionera ny fotoana taloha, mba hahazoana ny dikan’ireo teny. Lasa betsaka kokoa anefa izao ny fotoana handinihana ny andinin-teny sy ny ifandraisany amin’ilay lahatsoratra.”

“Lany nijerena diksionera ny fotoana taloha, mba hahazoana ny dikan’ireo teny. Lasa betsaka kokoa anefa izao ny fotoana handinihana ny andinin-teny sy ny ifandraisany amin’ilay lahatsoratra”

Hoy ny anabavy iray any Etazonia, izay nianatra teny amin’ny oniversite taloha: ‘Nampiasa teny sarotra fampiasan’ny olona avara-pianarana aho, nandritra ny 18 taona lasa, rehefa nanoratra sy niresaka. Na ny fomba fisainako aza hitako hoe sarotra, ary hitako hoe nila niova aho. Tena manampy ahy hilaza zavatra amin’ny fomba tsotra ilay gazety notsorina, satria tsotra ny teny ampiasaina ao.’

Nanoratra momba an’ilay gazety koa ny anabavy iray any Angletera, natao batisa tamin’ny 1972. Izao no tsapany tamin’izy namaky ny laharana voalohany: “Toy ny hoe nipetraka teo akaikiko i Jehovah sady namihina ahy, ary niara-namaky an’ilay gazety tamiko. Tsy misy hafa amin’ny raim-pianakaviana mamaky tantara amin’ny zanany alohan’ny hatory.”

Tena tia an’ilay gazety ny anabavy iray manompo ao amin’ny Betelan’i Etazonia, izay natao batisa 40 taona lasa izay. Nilaza izy fa nanampy azy hahazo kokoa izay voalazan’ny Baiboly izy io. Misy efajoro manazava ny dikan’ny teny sasany mantsy ao amin’ilay gazety amin’ny teny anglisy notsorina. Nilaza ilay anabavy fa lasa mazava kokoa aminy ilay hoe vavolombelona “toy ny rahona” ao amin’ny Hebreo 12:1, satria nohazavaina tao amin’ny gazety notsorina 15 Septambra 2011 hoe “maro be ireo vavolombelona ireo ka tsy voaisa.” Hoy koa izy: “Tsy mitovy ny teny ao amin’ny gazety mahazatra sy gazety notsorina, ka na dia mamaky an’ilay gazety notsorina fotsiny aza ny ankizy rehefa manome valin-teny, dia mahafinaritra ny mandre an’ilay izy.”

Hoy ny Betelita iray hafa: “Tsy andriko foana izay handrenesana ny valin-tenin’ny ankizy. Manampy azy ireo hanome valin-teny vokatry ny fo ilay gazety notsorina, ary mampahery ahy ny mihaino azy ireo.”

Hoy koa ny anabavy iray natao batisa tamin’ny 1984: “Natao ho ahy mihitsy ilay gazety. Lasa mora kokoa amiko ny mahazo ny zavatra vakiko, ary tsy matahotahotra intsony aho mamaly any am-pivoriana.”

FITAOVANA TENA TIAN’NY RAY AMAN-DRENY

Hoy ny anabavy iray manan-janaka lahy fito taona: “Ela be izahay mianaka taloha vao nahavita nanomana. Be dia be mantsy ny fehezanteny tsy maintsy nohazavaina taminy, dia nandreraka be ilay izy.” Nanampy azy mianaka ilay gazety notsorina. Hoy ilay anabavy: “Gaga aho fa sady afaka mamaky an’ireo fehintsoratra ny zanako izao, no mahazo tsara izay vakiny koa. Mahafinaritra azy ilay gazety, satria tsy sarotra ny teny ampiasaina ao, sady fohy ny fehezanteny ao anatiny. Efa manomboka manomana valin-teny irery izy izao, ary manaraka tsara ao amin’ilay gazety izy mandritra ny fianarana manontolo.”

“Gaga aho fa sady afaka mamaky an’ireo fehintsoratra ny zanako izao, no mahazo tsara izay vakiny koa”

Hoy koa ny anabavy iray manan-janakavavy sivy taona: “Tsy maintsy nampianay izy taloha mba hanomana valin-teny. Manomana irery anefa izy izao, ary mahalana izahay vao mila manazava zavatra aminy. Tsy sarotra aminy ilay izy, ka lasa tiany kokoa izao ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana.”

AHOANA HOY NY ANKIZY?

Maro ny ankizy mahatsapa hoe natao ho azy ireo mihitsy ilay gazety notsorina. Hoy i Rebecca, 12 taona: “Tohizo foana ny famoahana an’io gazety io! Tena tiako ilay efajoro manazava teny. Tsotra be ho an’ny ankizy ilay izy.”

Hoy koa i Nicolette, fito taona: “Sarotra be tamiko taloha ny nianatra Ny Tilikambo Fiambenana. Afaka mamaly imbetsaka kokoa anefa aho izao, sady izaho ihany no manomana ny valin-teniko.” Hoy koa i Emma, sivy taona: “Tena manampy ahy sy ny zandriko lahy enin-taona ilay izy. Lasa betsaka kokoa izao ny zavatra mazava aminay! Misaotra betsaka!”

Maro tokoa no mandray soa amin’ilay gazety fianarana amin’ny teny anglisy notsorina, izay mampiasa teny sy fehezanteny tsotra. Hotohizina àry ny famoahana azy io sy ilay gazety mahazatra, izay efa nanampy olona maro nanomboka tamin’ny 1879.