Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mijanòna eo Amin’ilay Lohasaha Nataon’i Jehovah Hiarovana Antsika

Mijanòna eo Amin’ilay Lohasaha Nataon’i Jehovah Hiarovana Antsika

‘Hiady amin’ireo firenena ireo i Jehovah, toy ny tamin’ny andro nanafihany, dia tamin’ny andro niadiany.’ —ZAK. 14:3.

1, 2. Inona ny ady mananontanona ny olombelona ankehitriny, ary tsy mila manao inona ny mpanompon’i Jehovah amin’io ady io?

NISY fandaharana iray be mpitia nandeha tamin’ny radio tany Etazonia tamin’ny 30 Oktobra 1938, ary nisy tantara nolalaovina tao amin’izy io. Nilaza ny mpilaza vaovao tao amin’ilay tantara hoe hipoaka ny ady, satria manafika ny Tany ny mponina avy any amin’ny planeta Marsa. Olona an-tapitrisany no nihaino an’io fandaharana io, ary maro no nihevitra fa tena izy ilay ady, na dia efa nolazaina aza hoe tantara fotsiny. Raiki-tahotra izy ireo, ka nisy tamin’izy ireo nanao zavatra mba hiarovan-tena tamin’ireo mpanafika avy eny amin’ny Marsa.

2 Misy ady tena izy anefa mananontanona ny olombelona ankehitriny. Voaresaka ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy io, fa tsy ao amin’ny tantara noforonina. Tsy miraharaha azy io anefa ny ankamaroan’ny olona. Tsy inona izany fa ny Ady Hara-magedona, izany hoe ilay ady hataon’Andriamanitra amin’ity tontolo ratsy ity. (Apok. 16:14-16) Tsy hisy fanafihana avy any amin’ny planeta hafa amin’io ady io, ka tsy mila miaro tena ny mpanompon’i Jehovah. Na izany aza anefa, dia ho talanjona isika hahita an’ireo zava-mahagaga hitranga amin’izany, sy ny fomba hampiasan’i Jehovah ny heriny.

3. Inona ny faminaniana hodinihintsika ato, ary nahoana izy io no mahaliana antsika?

3 Miresaka betsaka momba ny Hara-magedona ny Zakaria toko faha-14. Mahakasika antsika io faminaniana io, na dia efa 2 500 taona teo ho eo aza no nanoratana azy. (Rom. 15:4) Resahina ao ny zava-nitranga tamin’ny mpanompon’i Jehovah, nanomboka tamin’ny nanjakan’i Kristy tany an-danitra tamin’ny 1914. Hita ao koa izay hitranga amin’ny hoavy tsy ho ela. Resahina ao koa anefa ny momba ny “lohasaha tena lehibe” iray sy ny “rano velona.”  (Zak. 14:4, 8) Ho hitantsika ato amin’ity lahatsoratra ity hoe inona io lohasaha io, ary inona no tokony hataontsika mba hahazoana fiarovana ao amin’izy io. Inona ilay rano velona, ary ahoana no andraisantsika soa avy amin’izy io? Ho takatrao fa tena ilaina io rano velona io ka haniry hisotro amin’izy io ianao. Diniho tsara àry izao ilay faminaniana.—2 Pet. 1:19, 20.

NANOMBOKA “NY ANDRON’I JEHOVAH”

4. a) Oviana no nanomboka ilay “andron’i Jehovah” noresahin’i Zakaria? b) Inona no nolazain’ny mpanompon’i Jehovah mialoha momba ny taona 1914, ary inona no nataon’ireo mpitondra ho setrin’izany?

4 Misy firesahana “andron’i Jehovah”, eo am-piandohan’ny Zakaria toko faha-14. (Vakio ny Zakaria 14:1, 2.) Inona ilay andron’i Jehovah tiana horesahina eo? Tsy inona izy io fa ny “andron’ny Tompo”, izay nanomboka tamin’ny 1914. Lasa ‘fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny ny fanjakan’izao tontolo izao’ tamin’izay, satria lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra i Jesosy. (Apok. 1:10; 11:15) Nilaza ny Kristianina voahosotra, am-polony taona talohan’izay, hoe hifarana amin’ny taona 1914 “ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena”, ary hisy olana lehibe mbola tsy nisy toy izany manomboka eo. (Lioka 21:24) Tsy niraharaha izany fampitandremana izany anefa ireo firenena. Naneso sy nanenjika an’ireo voahosotra ny mpitondra fanjakana sy ny mpitondra fivavahana. Toy ny hoe naneso an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra izy ireo tamin’izany, satria anisan’i “Jerosalema any an-danitra” (izany hoe anisan’ny Fanjakan’ny Mesia) ireo voahosotra ireo, sady solontenan’izy io.—Heb. 12:22, 28.

5, 6. a) Nataon’ireo firenena ahoana ilay “tanàna” sy ny ‘olom-pirenen’izy io’? b) Iza no antsoina hoe “olona sisa”?

5 Naminany i Zakaria hoe hataon’ireo firenena ‘babo ilay tanàna’, izany hoe i Jerosalema. Ny Fanjakan’Andriamanitra io tanàna an’ohatra io, ary misolo tena azy io eto an-tany ireo sisa voahosotra, izay ‘olom-pirenen’izy io.’ (Fil. 3:20) Tanteraka ilay faminaniana nandritra ny Ady Lehibe I, satria nosamborin’ny fahavalo ireo mpiandraikitra voahosotra teo anivon’ny fandaminan’i Jehovah, ary nalefany nigadra tany Atlanta, any Etazonia. Toy ny hoe nentina ho “babo” izy ireo tamin’izay. Milaza koa ilay faminaniana fa “horobaina ny trano.” Tanteraka koa izany rehefa niharan’ny tsy rariny sy nampijalina ireo mpiandraikitra ireo sy ny olon-kafa tsy nivadika. Nalaina ny boky navoakan’izy ireo sady norarana, ary nosakantsakanana ny asa fitoriana nataony.

6 Tsy fongotra anefa ny fivavahana marina, na dia noharatsina aza ny mpanompon’i Jehovah, nenjehina, ary vitsy kokoa noho ny fahavalo. Mbola nisy “olona sisa” tsy nety niala tao amin’ilay “tanàna”, ka ‘tavela tao.’ Tsy iza izany fa ireo sisa voahosotra tsy nivadika.

7. Nahoana ireo Kristianina voahosotra no ohatra tsara ho antsika?

7 Tsy nanenjika ny vahoakan’i Jehovah intsony ve ny fahavalo rehefa vita ny Ady Lehibe I? Mbola nenjehin’ireo firenena ihany ny sisa voahosotra sy ireo namany manantena hiaina eto an-tany. (Apok. 12:17) Nitranga, ohatra, izany tamin’ny Ady Lehibe II. Tsy nivadika mihitsy anefa ireo voahosotra, ary mampahery antsika ny ohatra navelan’izy ireo. Mandrisika antsika izany mba hiaritra ny fitsapana rehetra mitranga, anisan’izany ny fanoheran’ny fianakaviana, ny mpiara-miasa, ary ny mpiara-mianatra izay maneso antsika noho ny finoantsika. (1 Pet. 1:6, 7) Ary vao mainka isika tapa-kevitra fa hiezaka foana mba ho ‘mafy orina sy hiray saina’, ary tsy hanaiky “hampitahorin’ireo mpanohitra”, na aiza na aiza misy antsika. (Fil. 1:27, 28) Aiza anefa no ahitantsika fiarovana eto amin’ity tontolo mankahala antsika ity?—Jaona 15:17-19.

 NANAO “LOHASAHA TENA LEHIBE” IRAY I JEHOVAH

8. a) Inona indraindray no dikan’ny hoe tendrombohitra ao amin’ny Baiboly? b) Inona ilay antsoina hoe “tendrombohitry ny hazo oliva”?

8 Tsy ara-bakiteny ilay hoe “tanàna”, na Jerosalema, resahin’ilay faminaniana, fa manondro an’i Jerosalema any an-danitra. Midika izany fa tsy ara-bakiteny koa ilay hoe ‘tendrombohitry ny hazo oliva, tandrifin’i Jerosalema.’ Inona io tendrombohitra io? Inona no dikan’ilay hoe “hitresaka eo afovoany” izy io, ka ho lasa tendrombohitra roa? Nahoana i Jehovah no milaza hoe “tendrombohitro” ireo tendrombohitra roa ireo? (Vakio ny Zakaria 14:3-5.) Antsoin’ny Baiboly hoe tendrombohitra indraindray ny fanjakana na fitondram-panjakana. Ampifandraisina amin’ny fitahiana sy ny fiarovana koa ny hoe tendrombohitr’i Jehovah. (Sal. 72:3; Isaia 25:6, 7) Ilay tendrombohitry ny hazo oliva ijoroan’i Jehovah àry dia ny fanjakan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao.

9. Inona no dikan’ilay hoe nizara roa ilay “tendrombohitry ny hazo oliva”?

9 Rehefa nitresaka ilay tendrombohitry ny hazo oliva, dia nizara ka lasa tendrombohitra roa. Midika izany hoe ankoatra an’ilay fanjakan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao, dia mbola nanangana fanjakana iray hafa izy. Antsoina hoe Fanjakan’ny Mesia izy io, ary i Jesosy Kristy no mpanjakany. Koa satria an’i Jehovah ireo fanjakana roa ireo, dia izay no niantsoany an’ireo tendrombohitra roa hoe “tendrombohitro.”—Zak. 14:4.

10. Inona ilay “lohasaha tena lehibe” eo anelanelan’ny tendrombohitra roa?

10 Rehefa nizara roa ilay tendrombohitry ny hazo oliva, ka nikisaka nianavaratra ny antsasany, ary nianatsimo ny antsasany, dia mbola nijoro teo ambonin’ireo tendrombohitra roa ny tongotr’i Jehovah. Lasa nisy “lohasaha tena lehibe” àry teo anelanelan’ny tongony. Inona io lohasaha io? Mahazo fiarovana ny olona rehefa eo amin’ny lohasaha, anelanelan’ny tendrombohitra roa. Midika hoe fiarovan’i Jehovah àry ilay hoe lohasaha, satria voaro ny vahoakan’i Jehovah eo ambanin’ny fitondran’Andriamanitra sy ny fitondran’ny Zanany. Ataon’i Jehovah azo antoka hoe tsy ho fongotra mihitsy ny fivavahana marina. Oviana anefa no nizara roa ilay tendrombohitry ny hazo oliva? Tamin’ny 1914. Tapitra ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena tamin’izay, ary nanomboka ny Fanjakan’ny Mesia. Oviana kosa no nanomboka nandositra nankao amin’ilay lohasaha ny mpanompon’i Jehovah?

NANOMBOKA NANDOSITRA NANKAO AMIN’ILAY LOHASAHA NY VAHOAKAN’I JEHOVAH

11, 12. a) Oviana no nanomboka ny fandosirana nankao amin’ilay lohasaha lehibe? b) Inona no manaporofo fa mampiasa ny sandriny mahery i Jehovah mba hanampiana ny vahoakany?

11 Nampitandrina an’ireo mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.” (Mat. 24:9) Nihamafy izany fankahalana izany nanomboka tamin’ny 1914, rehefa nanomboka ny andro farany. Na dia nisy fanenjehana mivaivay aza anefa tamin’ny Ady Lehibe I, dia tsy nety ripaka ny sisa voahosotra. Tsy izay ihany, fa nafahana teo ambany fifehezan’i Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso, izy ireo, tamin’ny 1919. (Apok. 11:11, 12) * Tamin’io taona io ny vahoakan’i Jehovah no nanomboka nandositra nankao amin’ilay lohasaha.

12 Mbola miaro ny mpanompon’i Jehovah maneran-tany foana io lohasaha nataon’i Jehovah io, hatramin’izao. Nosakantsakanana ny asa fitoriana ataontsika Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany maro, ary norarana ny bokintsika. Mbola izany no mitranga ankehitriny any amin’ny firenena sasany. Tsy hahavita hamongotra ny fivavahana marina anefa ny  fahavalo, na hiezaka toy inona aza! Mahery ny sandrin’i Jehovah, ka hanampy ny vahoakany izy.—Deot. 11:2.

13. Inona no dikan’ny hoe mijanona ao amin’ilay lohasaha nataon’i Jehovah, ary nahoana isika no tena mila mijanona ao amin’io lohasaha io dieny izao?

13 Toy ny hoe mijanona ao amin’ilay lohasaha nataon’i Jehovah isika, raha tsy mivadika aminy mihitsy ary tsy miala amin’ny fahamarinana. Hiaro antsika i Jehovah sy Jesosy, ka tsy havelany hisy na inona na inona ‘haharombaka antsika eny an-tanany.’ (Jaona 10:28, 29) Vonona hanome izay fanampiana rehetra ilaintsika i Jehovah, mba hahafahantsika mankatò azy ka tsy hivadika amin’ny fitondrany sy ny fitondran’ny Zanany. Tsy maintsy mijanona ao amin’ilay lohasaha foana isika, satria efa tena akaiky ny fahoriana lehibe, ka hila fiarovana kokoa isika.

NY ZAVATRA HITRANGA AMIN’NY ‘ANDRO FANAFIHAN’I JEHOVAH’

14, 15. Hanao ahoana ireo any ivelan’ilay lohasaha, mandritra ny ‘andro fanafihan’i Jehovah’?

14 Vao mainka hampijaly ny vahoakan’i Jehovah i Satana, arakaraka ny anatonan’ny faran’ity tontolo ity. Hisy fanafihana farany hataony tsy ho ela. Ho tonga anefa amin’izay ‘ny andro fanafihan’i Jehovah.’ Horinganin’i Jehovah ny fahavalon’ny vahoakany rehetra. Efa nisy ‘andro niadian’i Jehovah’ talohan’io, kanefa amin’io fotoana io no tena hiharihary fa Mpiady lehibe tokoa ilay Mpanjakan’izao rehetra izao.—Zak. 14:3.

15 Hanao ahoana ireo olona any ivelan’ilay ‘lohasaha lehibe’, mandritra an’io ady io? Tsy hisy “hazavana mamirapiratra” eo amin’izy ireo, izany hoe tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra izy ireo. Milaza koa ilay faminaniana hoe “hivaingana ny zava-drehetra.” Anisan’izany “ny soavaly, ny ramole, ny rameva, ny ampondralahy, ary ny karazam-biby fiompy rehetra.” Tsy ara-bakiteny ireo, fa manondro an’ireo fitaovam-piadiana ampiasain’ny firenena. “Hivaingana” izy ireny, toy ny hoe hivaingan’ny hatsiaka, ka tsy ho azo ampiasaina. Handefa “loza”, na areti-mandringana koa i Jehovah. Na ara-bakiteny ilay areti-mandringana na tsia, dia ho voatampina ny vavan’ireo fahavalo be fandrahonana. ‘Ho lo ny mason’izy ireo sy ny lelany’, izany hoe hamely an-jambany fotsiny izy ireo, ary tsy ho afaka hiteny hanohitra an’i Jehovah intsony. (Zak. 14:6, 7, 12, 15) Tena maro be ny mpomba an’i Satana, kanefa tsy ho afaka hitsoaka an’ilay fandringanana izy ireo, na aiza na aiza misy azy. (Apok. 19:19-21) “Hiampatrampatra hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ka hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ny voavonon’i Jehovah, amin’izany andro izany.”—Jer. 25:32, 33.

16. Efa kely sisa dia ho tonga ny andro fanafihan’i Jehovah, ka inona no fanontaniana tokony hosaintsainintsika? Inona no tokony hataontsika mandritra ny fahoriana lehibe?

16 Mijaly foana ny olona mandritra ny ady, eny fa na dia ireo hahazo fandresena aza. Mety hijaly koa isika mandritra ny fahoriana lehibe. Mety tsy ho ampy ny sakafo, na ho very fananana isika, na hidina be ny fari-piainana. Mety ho tsy tena afaka manao izay tiantsika koa isika. Ahoana no hataontsika raha izany no mitranga? Ho raiki-tahotra ve isika? Hiala amin’ny finoantsika ve isika rehefa tena mafy ny manjo antsika? Ho kivy be ve isika, ka hamoy fo tanteraka? Tena mila matoky isika mandritra ny fahoriana lehibe hoe manana hery hamonjena antsika i Jehovah. Tena ilaina koa amin’izay fotoana izay ny mijanona ao amin’ilay lohasaha lehibe nataon’i Jehovah hiarovana antsika.—Vakio ny Habakoka 3:17, 18.

 HISY “RANO VELONA” BE DIA BE HIKORIANA

17, 18. a) Inona no atao hoe “rano velona”? b) Inona no tiana holazaina amin’ilay hoe “ranomasina atsinanana” sy “ranomasina andrefana”? d) Tapa-kevitra hanao inona ianao rehefa misaintsaina ny hoavy?

17 Hisy “rano velona” be dia be hikoriana avy amin’ny Fanjakan’ny Mesia, aorian’ny Hara-magedona. Io “rano velona” io dia izay rehetra omen’i Jehovah mba hahafahantsika hiaina mandrakizay. Miresaka momba ny “ranomasina atsinanana” sy ny “ranomasina andrefana” koa ilay faminanian’i Zakaria. Ny Ranomasina Maty no atao hoe “ranomasina atsinanana”, ary ny tiana holazaina amin’izy io dia ireo olona ao amin’ny fasana misy ny maty rehetra. Ny Ranomasina Mediterane kosa no antsoina hoe “ranomasina andrefana.” Koa satria misy zavamananaina maro be ao amin’ny Ranomasina Mediterane, dia ny “vahoaka be” tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona no tiana horesahina amin’izany. (Vakio ny Zakaria 14:8, 9; Apok. 7:9-15) Samy hisotro amin’ilay rano velona an’ohatra, izany hoe hisotro amin’ny “reniranon’ny ranon’aina”, ireo antokon’olona roa ireo, ka ho afaka amin’ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama.—Apok. 22:1, 2.

Aoka ianao ho tapa-kevitra hijanona foana ao amin’ilay lohasaha nataon’i Jehovah hiarovana antsika

18 Harovan’i Jehovah isika vahoakany, ka ho tafavoaka velona amin’ny faran’ity tontolo ratsy ity, ary hiditra ao amin’ny tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana. Marina fa ankahalain’ny firenena rehetra isika, kanefa tapa-kevitra isika fa tsy hivadika amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hijanona foana ao amin’ilay lohasaha nataon’i Jehovah hiarovana antsika.

^ feh. 11 Jereo ny boky Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka! pejy 169-170.