NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Aprily 2013

Hazavaina ato hoe ahoana no fomba hianarana ny Baiboly mba hahazoana fahendrena, ka hahaizantsika mampiasa azy io eo amin’ny fiainantsika sy eny amin’ny fanompoana.

Nahafoy Tena Izy Ireo: Meksika

Ho hitanao ato hoe ahoana no ataon’ny tanora maro, mba hiatrehana an’ireo zava-tsarotra amin’ny fanitarana fanompoana.

Ahoana no Handraisan-tsoa Amin’ny Famakiana Baiboly?

Tsy hahasoa antsika ny Baiboly raha tsy ianarantsika sy ampiharintsika. Hohazavaina ato hoe inona no azonao atao mba handraisanao soa amin’ny famakiana Baiboly.

Ampiasao ny Tenin’Andriamanitra mba Hanampiana ny Tenanao sy ny Olon-kafa

Sarobidy aminao ve ny Baiboly? Hanampy anao mba hatoky kokoa an’io fanomezana avy amin’i Jehovah io ny fandinihana ny 2 Timoty 3:16.

TANTARAM-PIAINANA

Nanompo Manontolo Andro Tany Akaikin’ny Faribolan-tendrontany Avaratra

Vakio ato ny tantaran’i Aili sy Annikki Mattila, mpisava lalana manokana any amin’ny faritra avaratr’i Failandy. Nianatra nitoky tamin’i Jehovah izy ireo.

‘Fantaro Izay Zava-dehibe Kokoa’

Tombontsoa be ho antsika ny hoe anisan’ny fandaminan’Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao. Ahoana no ampisehoantsika fa manohana ny asa ataon’izy io isika?

Aza Reraka Manompo An’i Jehovah

Inona no hanampy antsika hazoto foana amin’ny fanompoana sy hiara-mandeha foana amin’ny fandaminan’i Jehovah?

Fantatrao Ve?

Nilaza i Jesosy fa horavana tanteraka ny tempolin’i Jehovah. Mbola naorina indray ve izy io taorian’ny taona 70?