Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Naorina indray ve ny tempolin’i Jerosalema taorian’ny taona 70?

Nilaza i Jesosy fa ho rava ny tempolin’i Jehovah ka tsy hisy vato hifanaingina mihitsy eo amin’izy io. Tanteraka io faminaniana io rehefa nandrava an’i Jerosalema ny miaramila romanina notarihin’i Titus, tamin’ny taona 70. (Mat. 24:2) Nikasa hanorina azy io indray anefa i Julien, mpanjaka romanina.

I Julien no nolazaina hoe mpanjaka mpanompo sampy farany tao Roma. Zana-drahalahin’i Constantin Lehibe, mpanjaka tao Roma, izy io. Nampianarin’ireo milaza azy ho Kristianina i Julien, kanefa nolaviny ampahibemaso ny zavatra nampianarin’izy ireo rehefa lasa mpanjaka izy, tamin’ny taona 361. Nomeny vahana kosa ny fanompoan-tsampy. Antsoin’ny bokin-tantara hoe “ilay Mpivadi-pinoana” izy.

Nankahala ny Fivavahana Kristianina i Julien, angamba satria olona milaza azy ho Kristianina no hitany namono ny rainy sy ny havany, tamin’izy enin-taona. Milaza ireo mpahay tantara ara-pivavahana fa nampirisihin’i Julien ny Jiosy hanorina ny tempolin’i Jerosalema, mba hanaporofoana fa mpaminany sandoka i Jesosy. *

Azo antoka fa naniry hanorina indray ny tempoly i Julien. Miady hevitra anefa ny mpahay tantara raha efa nanomboka an’ilay fanorenana izy. Ary raha nanao izany tokoa izy, inona no nahatonga azy hanajanona an’ilay asa? Izao anefa no azo antoka: Nisy namono i Julien roa taona latsaka taorian’ny naha mpanjaka azy, ary maty niaraka taminy ny tetikasany.

Teo ny toerana nisy ny tempoly tamin’ny andron’i Jesosy

^ feh. 5 Nilaza i Jesosy hoe horavana ny tempoly, fa tsy hoe tsy haorina intsony izy io. Rava tokoa ny tempoly tamin’ny taona 70.