Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TANTARAM-PIAINANA

Tena Misy Dikany ny Fiainanay

Tena Misy Dikany ny Fiainanay

VAO teraka i Gary zanako lahy tamin’ny 1958, dia hitako hoe nanana aretina izy. Folo volana anefa vao hitan’ny dokotera ilay izy, ary dimy taona tatỳ aoriana vao tena nahazo antoka ny manam-pahaizana tany Londres hoe inona ilay aretina. Niteraka an’i Louise aho rehefa sivy taona i Gary, ary nalahelo be satria voan’io aretina io koa izy, ary mbola mafy kokoa aza.

Hoy ny dokotera tamiko: “Samy voan’ny aretin’i LMBB * ny zanakao mianadahy, ary malahelo aho milaza aminao fa mbola tsy misy fanafany izy io.” Tsy fahita firy io aretina manaranaka io, ary tsy dia nisy zavatra fantatra momba azy io tamin’izany. Matetika ny olona voan’izy io no lasa tsy mahita tsara ary mety ho lasa jamba mihitsy, lasa matavy be, mihoatra iray ny rantsany, tsy mitombo tsara izy, tsy voabaikony tsara ny fihetsiny, voan’ny diabeta, voan’ny aretin’ny vanin-taolana, ary marary voa. Fantatro àry hoe ho sahirana aho hikarakara ny zanako. Hita vao haingana hoe olona 1 ao anatin’ny 125 000 no voan’izy io any Grande-Bretagne, ary mbola maro kokoa no voa fa tsy ilay karazany mahery be.

NANOHANA ANAY I JEHOVAH

Nahita Vavolombelon’i Jehovah aho tamin’izaho nanambady kelikely, ary tonga dia fantatro hoe nampianatra ny marina izy ireo. Tsy liana tamin’ny fahamarinana mihitsy anefa ny vadiko. Nifindrafindra foana izahay noho ny asany, ka tsy afaka nivory mihitsy aho. Namaky Baiboly sy nivavaka tamin’i Jehovah foana anefa aho. Tena nampahery ahy ny namaky an’ilay andinin-teny hoe: “Ho toy ny tendrombohitra fandosirana i Jehovah, ho an’izay torotoro fo, eny, ho toy ny tendrombohitra fandosirana amin’ny fotoam-pahoriana”, sy ilay hoe ‘tsy hahafoy an’izay mitady azy i Jehovah.’—Sal. 9:9, 10.

Tsy nahita tsara i Gary, ka nalefa tany amin’ny sekoly manokana tany amin’ny morontsiraka atsimon’i Angletera, tamin’izy enin-taona. Kilasimandry izy tany. Niantso ahy matetika an-telefaonina izy rehefa nisy nampanahy azy, ka afaka nanampy azy hahatakatra ny toro lalan’ny Baiboly aho. Izaho indray anefa no narary, taona vitsivitsy taorian’ny nahaterahan’i Louise. Voan’ny aretin’ny rafi-pitatitra sy aretin-kozatra aho. Nody i Gary tatỳ aoriana, tamin’izy 16 taona. Nihatsy nahita anefa izy, ka lasa jamba tamin’ny 1975. Nandao anay ny vadiko tamin’ny 1977.

Nanatrika fivoriana izahay taoriana kelin’ny nodian’i Gary, ary natao batisa aho tamin’ny 1974. Be fitiavana ilay fiangonana nisy anay. Tena faly, ohatra, aho fa nisy anti-panahy iray nanampy an’i Gary hiatrika an’ireo fiovana teo amin’ny vatany tamin’izy tanora. Nisy mpiara-manompo koa nanampy ahy nanao raharaha, ary nokaramain’ny fikambanana iray hanampy anay mihitsy ny dimy tamin’izy ireo tatỳ aoriana. Nanampy be anay izany!

Nandroso tsara i Gary, ary natao batisa tamin’ny 1982. Tiany be ny asan’ny mpisava lalana mpanampy, ka nanapa-kevitra aho fa hiaraka aminy hanao an’ilay izy koa. Nanao izany nandritra ny taona maromaro izahay. Faly be izy rehefa nanontany azy ny mpiandraikitra ny faritra hoe: “Ary maninona moa ianao raha manao mpisava lalana maharitra?” Izany mihitsy ny fampaherezana nilainy, ka  nirotsaka ho mpisava lalana maharitra izy tamin’ny 1990.

Nosoloana indroa ny maojan’i Gary: Tamin’ny 1999 ny voalohany, ary tamin’ny 2008 ny faharoa. Mbola mafy kokoa anefa ny nanjo an’i Louise. Vao teraka izy dia efa jamba, ary rehefa hitako hoe nihoatra iray ny rantsantongony ilany, dia fantatro hoe voan’ny LMBB koa izy. Hita tamin’ny fitiliana hoe tena voa mafy ny ankamaroan’ny taovany, ka imbetsaka izy no nanaovana fandidiana lehibe. Indimy, ohatra, no nodidiana ny voany. Ary voan’ny diabeta toa an’i Gary koa izy.

Fantatr’i Louise hoe mety hahita olana momba ny fampidiran-dra izy rehefa hodidiana, ka nohazavainy mialoha tamin’ny mpandidy sy mpanao fanatoranana ary ny tompon’andraikitra tao amin’ny hopitaly hoe nahoana izy no tsy manaiky hampidiran-dra. Mifandray tsara izy sy ireo rehetra mikarakara azy, vokatr’izany.

MISY DIKANY NY FIAINANAY

Be atao izahay ao an-trano, ary ny fanompoana an’i Jehovah no tena maharevo anay. Namaky teny nandritra ny ora maro ho azy mianadahy aho taloha, tamin’ny mbola tsy nisy ny fitaovana maoderina. Efa eo anefa izao ireo CD, DVD, ary zavatra noraisim-peo avy ao amin’ny Internet, ka samy mianatra amin’ny fotoana mety aminay avy izahay. Afaka manome valin-teny tsara daholo àry izahay any am-pivoriana.

Tena mankasitraka an’ireo fahamarinana sarobidy ao amin’ny Tenin’i Jehovah izahay!

Ianaran’i Gary tsianjery ny valin-teniny indraindray, ary rehefa manana anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana izy, dia vitany amin’ny fomba fiteniny izany. Voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana izy tamin’ny 1995. Tena be atao izy ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Mandray an’ireo olona tonga mivory izy, ary manampy amin’ny fanamafisam-peo.

Mitondra an’i Gary manompo ireo ranadahy, ka matetika no manosika azy amin’ny seza misy kodiarana, satria voan’ny aretin’ny tonon-taolana izy. Nampian’ny anadahy iray izy, ka nahavita nampianatra Baiboly olona liana iray. Nampahery Vavolombelona iray tsy nivory intsony nandritra ny 25 taona koa izy. Samy mivory izao ireo olona ireo.

Nampianatra an’i Louise hanao peta-kofehy izaho sy ny vehivavy iray mikarakara azy. Nampianarin’ny bebeny hanao akanjo ba na zavatra hafa vita amin’ny ba koa izy, tamin’izy sivy taona. Tena tiany ilay izy, ka manao lambam-pandriana milokoloko vita amin’ny ba izy, ho an’ny zazakely sy ny zokiolona ao amin’ny fiangonana. Nianatra nanao karta kely koa izy, ka sary apetapetaka no ataony haingon’ilay izy. Tian’ny olona erỳ ny mahazo azy ireny. Nianatra nitendry milina fanoratana koa i Louise, ary mampiasa ordinatera manokana izy izao, mba hifandraisana tsy tapaka amin’ireo namany amin’ny alalan’ny e-mail. Natao batisa izy tamin’izy 17 taona, ary miara-manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy izahay sy izy, rehefa misy ezaka manokana ataon’ny fandaminana. Manao tsianjery an’ireo andinin-teny entiny mitory koa i Louise, toa an’i Gary. Anisan’izany ilay andinin-teny hoe “hampahiratina ny mason’ny jamba” sy ilay hoe “tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ”—Isaia 33:24; 35:5.

Tena mankasitraka an’ireo fahamarinana sarobidy ao amin’ny Tenin’i Jehovah izahay! Tena isaoranay koa ny fiangonana, noho izy ireo manohana anay amim-pitiavana. Betsaka ny zavatra tsy ho vitanay, raha tsy teo izy ireo. I Jehovah anefa no tena isaoranay, satria noho izy dia tena misy dikany ny fiainanay.

^ feh. 5 Ny hoe aretin’i LMBB dia fanafohezana ny hoe aretin’i Laurence-Moon-Bardet-Biedl. Ireo no anaran’ireo dokotera efatra nahita an’io aretina io. Voan’io aretina io ny olona iray, raha misy an’io aretina io ao amin’ny fototarazon’ny ray sy reniny. Antsoina hoe aretin’i Bardet-Biedl izy io izao, ary tsy misy fanafany.