Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Iza Tokoa moa Ilay Mpanompo Mendri-pitokisana sy Malina?”

“Iza Tokoa moa Ilay Mpanompo Mendri-pitokisana sy Malina?”

“Iza tokoa moa ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina izay notendren’ny tompony hikarakara an’ireo mpanompo ao an-tranony?”—MAT. 24:45.

1, 2. Iza no ampiasain’i Jesosy mba hanome sakafo ara-panahy antsika ankehitriny, ary nahoana no tena ilaintsika ny mahafantatra hoe iza ireo olona ireo?

 NANORATRA tany amin’ny foibe any Etazonia ny anabavy iray hoe: “Efa be dia be tamin’ny lahatsoratra navoakanareo no tena nilaiko, ka tsy voaisako intsony!” Mankasitraka ny asan’ireo rahalahy any amin’ny foibe tokoa io anabavy io. Toy izany koa ve ianao? Maro no mahatsapa an’izany, ary tsy mahagaga izany.

2 Mahazo sakafo ara-panahy tokoa isika, ary tonga amin’ny fotoana ilantsika azy izany. Hita amin’izany fa mitana ny teny nataony i Jesosy, ilay Lohan’ny fiangonana. Iza anefa no ampiasainy mba hamahana antsika? Nilaza izy tao amin’ilay famantarana momba ny fanatrehany, fa hisy “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” hampiasainy, mba ‘hanome sakafo amin’ny fotoana mety’ ho an’ireo “mpanompo ao an-tranony.” a (Vakio ny Matio 24:45-47.) Io mpanompo mendri-pitokisana io no ampiasain’i Jesosy mba hanome sakafo ara-panahy ho an’ny mpanara-dia azy, amin’izao andro farany izao. Tena ilaintsika ny mahafantatra hoe iza io mpanompo io. Izy io mantsy no manampy antsika mba hatanjaka ara-panahy sy hifandray tsara amin’Andriamanitra.—Mat. 4:4; Jaona 17:3.

3. Ahoana no nanazavana an’ilay fanoharana momba ny mpanompo mendri-pitokisana tao amin’ny bokintsika taloha?

3 Inona àry no dikan’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny mpanompo mendri-pitokisana? Izao no nanazavana an’ilay izy taloha, tao amin’ny bokintsika: Tamin’ny Pentekosta taona 33 i Jesosy no nanendry an’ilay mpanompo mendri-pitokisana mba hikarakara an’ireo mpanompo ao an-tranony. Ilay mpanompo mendri-pitokisana, dia ny fitambaran’ny voahosotra rehetra eto an-tany hatramin’izay. Ireo mpanompo ao an-trano indray, dia ny tsirairay amin’ireo voahosotra ireo. Tamin’ny 1919 i Jesosy no nanendry an’ilay mpanompo mendri-pitokisana mba “hiandraikitra ny fananany rehetra”, izany hoe izay rehetra mifandray amin’ny asan’ilay Fanjakana eto an-tany. Nivavaka sy nandinika tsara an’ilay fanoharana indray anefa isika, ka hita fa mila ahitsy ny fahazoantsika an’ilay izy. (Ohab. 4:18) Handinika an’io fanoharana io isika izao, ary hijery hoe inona no dikan’izy io ho antsika, na ho any an-danitra isika na ho eto an-tany.

FOTOANA AHATANTERAHAN’ILAY FANOHARANA

4-6. Nahoana isika no milaza fa efa taorian’ny 1914 vao nanomboka tanteraka ny fanoharan’i Jesosy momba ny mpanompo mendri-pitokisana?

4 Hita avy amin’ny teny manodidina an’ilay fanoharana fa tsy tamin’ny Pentekosta taona 33 izy io no nanomboka tanteraka, fa amin’izao andro farany izao. Hodinihintsika ao amin’ny Baiboly ny porofo manamarina izany.

5 Ao amin’ilay faminanian’i Jesosy momba ny ‘famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity’ no misy an’ilay fanoharana momba ny mpanompo mendri-pitokisana. (Mat. 24:3) Ao amin’ny Matio 24:4-22 no misy ny tapany voalohany amin’ilay faminaniana. Tanteraka indroa izy io, ka ny voalohany tamin’ny taona 33 ka hatramin’ny taona 70, ary ny faharoa amin’izao androntsika izao. Midika ve izany hoe ho tanteraka indroa koa ny zavatra nolazain’i Jesosy momba ny mpanompo mendri-pitokisana? Tsia.

6 Zavatra hitranga amin’ny androntsika no tena noresahin’i Jesosy manomboka eo amin’ny Matio 24:29. (Vakio ny Matio 24:30, 42, 44.) Niresaka momba ny fahoriana lehibe, ohatra, izy ka nilaza fa ‘ho hitan’ny olona ho avy ao amin’ny rahon’ny lanitra ny Zanak’olona’ amin’izay fotoana izay. Nampirisika an’ireo olona amin’ny andro farany koa izy avy eo mba hiambina hatrany. Hoy izy: “Tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo.” Hoy koa izy: “Amin’ny ora tsy eritreretinareo no hiavian’ny Zanak’olona.” b Zavatra hitranga amin’ny andro farany no noresahiny tamin’ireo. Tamin’izay koa izy no nilaza an’ilay fanoharana momba ny mpanompo mendri-pitokisana. Midika izany fa aorian’ny fiandohan’ny andro farany tamin’ny 1914, vao manomboka tanteraka ny zavatra nolazainy momba ny mpanompo mendri-pitokisana. Mitombina tsara tokoa ve izany?

7. Inona no fanontaniana lehibe nipoitra rehefa nanomboka ny fotoam-pijinjana, ary nahoana?

7 Eritrereto ilay fanontaniana hoe: “Iza tokoa moa ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina?” Tsy nisy nila nanontany an’izany tamin’ny taonjato voalohany, satria efa niharihary hoe nampiasa an’ireo apostoly Andriamanitra. Nahavita nanao fahagagana sy nampita fahaizana mahagaga tamin’ny olon-kafa mantsy izy ireo, araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. (Asa. 5:12) Tsy hoatr’izany intsony anefa tamin’ny 1914, rehefa nanomboka ny fotoam-pijinjana. Efa lasa rakotra tsimparifary ny vary tamin’izay. (Mat. 13:36-43) Koa satria tonga tamin’io taona io ny fotoana hanavahana ny tsimparifary amin’ny vary, dia nisy fanontaniana lehibe nipoitra hoe: Ahoana no hamantarana ny vary na ny Kristianina voahosotra, satria be dia be ny Kristianina sandoka nilaza ho mpanara-dia an’i Jesosy? Voavaly ao amin’ilay fanoharana momba ny mpanompo mendri-pitokisana izany. Hita ao hoe izay ampy sakafo ara-panahy no voahosotra mpanara-dia an’i Kristy.

IZA ILAY MPANOMPO MENDRI-PITOKISANA?

8. Nahoana no mety tsara ny hoe Kristianina voahosotra ilay mpanompo mendri-pitokisana?

8 Tsy maintsy ho Kristianina voahosotra ilay mpanompo mendri-pitokisana. Nahoana? Antsoina hoe “mpisorona” sady “mpanjaka” ny voahosotra ao amin’ny 1 Petera 2:9, ary nirahina izy ireo mba ‘hanambara hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetran’ilay niantso azy ireo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.’ Nasaina hanome sakafo ara-panahy koa ny mpanompo mendri-pitokisana. Mety tsara àry raha voahosotra izy io, satria izany mihitsy no ataon’ny voahosotra. Mandray anjara mivantana amin’ny fampianarana ny mpiara-manompo aminy izy ireo, ka mampianatra azy ireo ny fahamarinana toy ny ataon’ny “mpisorona.”—Mal. 2:7; Apok. 12:17.

9.Ny voahosotra rehetra eto an-tany ve no mpanompo mendri-pitokisana? Hazavao.

9 Ny voahosotra rehetra eto an-tany ve anefa no mpanompo mendri-pitokisana? Tsia. Tsy ny voahosotra rehetra mantsy no mandray anjara amin’ny fizarana sakafo ara-panahy ho an’ny mpiara-manompo maneran-tany. Anisan’ny vary koa ireo rahalahy voahosotra, izay mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy eo anivon’ny fiangonany. Mampianatra isan-trano sy eo anivon’ny fiangonana izy ireny, ary manaraka tsara ny tari-dalana omen’ny foibe any Etazonia. Tsy anisan’ny manome sakafo ara-panahy ho an’ny mpiara-manompo maneran-tany anefa izy ireo. Misy anabavy koa amin’ireo voahosotra, ary manetry tena izy ireo ka tsy mampianatra eo anivon’ny fiangonana mihitsy.—1 Kor. 11:3; 14:34.

10. Iza ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina?

10 Iza àry ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina? Toy ny efa fanaon’i Jesosy hatramin’izay, dia olona vitsy no ampiasainy mba hanome sakafo ho an’ny olona maro. Tsy iza àry ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina fa antokona rahalahy voahosotra vitsivitsy, izay mandray anjara mivantana amin’ny fikarakarana sy fizarana sakafo ara-panahy, mandritra ny fanatrehan’i Kristy. Miara-manompo any amin’ny foibe any Etazonia ireo rahalahy voahosotra ireo, mandritra ny andro farany. Ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah io mpanompo io. Mariho anefa fa nilaza i Jesosy hoe “ilay” mpanompo, izany hoe milaza tokana. Midika izany fa vondrona ilay mpanompo, izany hoe olona maromaro mitambatra ho antoko iray. Miara-mandray fanapahan-kevitra àry ireo rahalahy rehetra ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana.

IZA IREO MPANOMPO AO AN-TRANO?

11, 12. a) Inona ireo andraikitra roa anendrena an’ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina? b) Oviana i Jesosy no nanendry an’ilay mpanompo hikarakara an’ireo mpanompo ao an-tranony, ary iza no nofidiny hanao izany?

11 Mariho fa misy andraikitra roa anendrena an’ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina, ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy. Voalohany, tendrena hikarakara an’ireo mpanompo ao an-trano izy io. Faharoa, tendrena hiandraikitra ny fananan’ny tompony rehetra izy io. Efa hitantsika fa amin’izao andro farany izao no tanteraka ilay fanoharana. Nanomboka tamin’ny 1914 anefa ny andro farany, tamin’i Jesosy nanomboka nanjaka sy nanatrika. Tsy maintsy ho aorian’izay àry vao hahazo an’ireo fanendrena ireo ilay mpanompo.

12 Oviana i Jesosy no nanendry an’ilay mpanompo mendri-pitokisana mba hikarakara an’ireo mpanompo ao an-tranony? Mba hamaliana an’izany, dia mila fantarina aloha hoe iza no nofidin’i Jesosy mba ho mpanompo mendri-pitokisana. Tadidio fa maro ny olona nilaza azy ho Kristianina tamin’ny 1914, rehefa nanomboka ny fotoam-pijinjana. Tonga hanara-maso ny tempoly ara-panahy àry i Jesosy sy ny Rainy, nanomboka tamin’ny 1914 ka hatramin’ny voalohandohan’ny 1919. c (Mal. 3:1) Tsy inona io tempoly ara-panahy io fa ny fandaharana nataon’i Jehovah mba hanompoana azy. Faly i Jehovah sy Jesosy satria nisy Mpianatra ny Baiboly vitsivitsy hitan’izy ireo hoe tia an’i Jehovah sy nankatò ny Teniny. Mbola nila nodiovina anefa ireo olona ireo, ary nozahan-toetra nandritra ny fotoana fohy. Nanetry tena izy ireo ka nanaiky nahitsy. (Mal. 3:2-4) Hita hoe vary na tena Kristianina tokoa izy ireo. Lasa nazoto be izy ireo tamin’ny 1919, ary tamin’io i Jesosy no nifidy rahalahy voahosotra mahay avy amin’izy ireo mba ho mpanompo mendri-pitokisana sy malina. Tamin’io taona io koa i Jesosy no nanendry an’ilay mpanompo mendri-pitokisana mba hikarakara an’ireo mpanompo ao an-tranony.

13. Iza no antsoina hoe mpanompo ao an-trano, ary nahoana?

13 Iza kosa ny mpanompo ao an-trano? Raha tsorina, dia ny olona omena sakafo ara-panahy. Voahosotra daholo izy ireo tamin’ny voalohany. Lasa anisan’ny mpanompo ao an-trano koa anefa ny vahoaka be anisan’ny ondry hafa tatỳ aoriana. Ondry hafa ny ankamaroan’ny olona ao amin’ilay “andiany iray” tarihin’i Kristy ankehitriny. (Jaona 10:16) Samy mandray soa amin’ny sakafo ara-panahy omen’ny mpanompo mendri-pitokisana anefa, na ny ondry hafa na ny voahosotra. Ary ahoana ny amin’ireo rahalahy ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana, izany hoe ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina? Mila sakafo ara-panahy koa izy ireo. Manetry tena àry izy ireo ka manaiky fa mpanompo ao an-trano koa ny tsirairay avy aminy, toy ny mpanara-dia an’i Jesosy hafa rehetra ihany.

Anisan’ny mpanompo ao an-trano daholo isika, ka mila sakafo ara-panahy, na ho any an-danitra isika na ho eto an-tany

14. a) Inona no andraikitra nomena ny mpanompo mendri-pitokisana, ary inona no tafiditra amin’izany? b) Inona no fampitandremana nomen’i Jesosy an’ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina? (Jereo ilay efajoro hoe “Iza Ilay ‘Mpanompo Ratsy Fanahy’?”)

14 Rehefa nisy mpanompo atokisan’ny tompony tamin’ny andro fahiny, dia nasaina niandraikitra ny tao an-tranon’ny tompony izy. Toy izany koa fa nomen’i Jesosy andraikitra lehibe ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina. Asaina miandraikitra ny fananan’ny Tompo rehetra eto an-tany izy io. (Lioka 12:42, f.a.p.) Tafiditra amin’izany ny hoe mitantana ny vola, ny trano sy ny tany, manara-maso ny fitoriana, ary manomana an’ireo fandaharana amin’ny fivoriambe. Tafiditra amin’izany koa ny famoahana boky sy gazety ara-baiboly hampiasaina eny amin’ny saha sy amin’ny fianarana samirery ary any am-pivoriana. Miantehitra amin’ny mpanompo mendri-pitokisana àry ny mpanompo rehetra ao an-trano mba hahazoana sakafo ara-panahy.

RAHOVIANA ILAY MPANOMPO NO HOTENDRENA HIANDRAIKITRA NY FANANAN’NY TOMPONY REHETRA?

15, 16. Rahoviana i Jesosy no hanendry ny mpanompo mendri-pitokisana mba hiandraikitra ny fananany rehetra?

15 Hoy i Jesosy: “Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany! Lazaiko aminareo marina tokoa fa hotendreny hiandraikitra ny fananany rehetra izy.” (Mat. 24:46, 47) Mariho fa ho tonga aloha i Jesosy mba handinika raha tena “manao izany” ilay mpanompo, izany hoe tena mizara tsara ny sakafo ara-panahy. Aorian’izay izy vao hanendry azy io hiandraikitra ny fananany rehetra. Midika izany fa misy elanelam-potoana eo antenatenan’ireo fanendrena roa. Ahoana anefa no anendren’i Jesosy an’ilay mpanompo mendri-pitokisana mba hiandraikitra ny fananany rehetra, ary rahoviana izy no hanao izany? Mba hahalalana an’izany, dia mila fantarintsika aloha hoe rahoviana izy no ho tonga, ary inona no tafiditra amin’ny hoe fananany.

16 Rahoviana i Jesosy no ho tonga? Milaza ireo andinin-teny eo alohan’ny Matio 24:46, 47 fa “ho avy” i Jesosy. Tadidio fa ny fotoana hahatongavany mba hanambara sy hampihatra didim-pitsarana amin’ny faran’ity tontolo ity no tiana holazaina amin’izany. d (Mat. 24:30, 42, 44) Noho izany, dia mandritra ny fahoriana lehibe ilay hoe i Jesosy ho “tonga” resahina ao amin’ny Matio 24:46, 47.

17. Inona avy no tafiditra amin’ny fananan’i Jesosy?

17 Inona no tafiditra amin’ny ‘fananan’i Jesosy rehetra’? Tsy nofaritan’i Jesosy ilay teny hoe “rehetra”, ka tsy voafetra amin’ny fananany eto an-tany ihany. Manana fahefana be koa izy any an-danitra. Hoy izy: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” (Mat. 28:18; Efes. 1:20-23) Anisan’ny fananany koa izao ny Fanjakan’ny Mesia. Lasa fananany izy io nanomboka tamin’ny 1914, ary hozarainy amin’ireo voahosotra mpanara-dia azy.—Apok. 11:15.

18. Nahoana no hahafaly an’i Jesosy ny hanendry an’ilay mpanompo mba hiandraikitra ny fananany rehetra?

18 Inona no tsoahantsika avy amin’izany rehetra izany? Rehefa ho avy hitsara i Jesosy mandritra ny fahoriana lehibe, dia ho hitany fa mizara tsara ny sakafo ara-panahy amin’ireo mpanompo ao an-tranony ilay mpanompo mendri-pitokisana. Ho faly erỳ izy amin’izay hanendry an’ilay mpanompo mendri-pitokisana mba hiandraikitra ny fananany rehetra. Rehefa mahazo ny valisoany any an-danitra, izany hoe lasa mpiara-manjaka amin’i Kristy io mpanompo io, no hahazo an’izany fanendrena izany.

19. Hahazo valisoa lehibe kokoa noho ny voahosotra hafa ve ny mpanompo mendri-pitokisana, rehefa tonga any an-danitra? Hazavao.

 19 Hahazo valisoa lehibe kokoa noho ny voahosotra hafa ve anefa ilay mpanompo mendri-pitokisana, rehefa tonga any an-danitra? Tsia. Misy valisoa indraindray ampanantenaina olona vitsivitsy, nefa lasa mahazo an’ilay izy koa ny olon-kafa any aoriana. Diniho, ohatra, izay nolazain’i Jesosy tamin’ny apostoliny 11, ny alina talohan’ny nahafatesany. (Vakio ny Lioka 22:28-30.) Nampanantena an’ireo olona vitsy ireo izy fa hahazo valisoa tena tsara izy ireo satria tsy nivadika. Hipetraka amin’ny seza fiandrianana izy ireo, ary hiara-manjaka aminy. Nilaza anefa i Jesosy taona maro tatỳ aoriana hoe ny voahosotra rehetra, izay miisa 144 000, no hipetraka amin’ny seza fiandrianana sy hiara-manjaka aminy. (Apok. 1:1; 3:21) Hoatr’izany koa ilay Matio 24:47. Nampanantena i Jesosy ao hoe hotendreny hiandraikitra ny fananany rehetra ny lehilahy vitsivitsy, dia ireo rahalahy voahosotra anisan’ny mpanompo mendri-pitokisana. Hozarain’i Jesosy amin’ireo voahosotra rehetra miisa 144 000 anefa ny fahefana lehibe ananany any an-danitra.—Apok. 20:4, 6.

Hozarain’i Jesosy amin’ireo voahosotra rehetra 144 000 ny fahefana lehibe ananany any an-danitra ( Fehintsoratra 19)

20. Nahoana i Jesosy no nanendry ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina, ary tapa-kevitra hanao inona ianao?

20 Mbola mampiasa olona vitsy ihany i Jesosy ankehitriny mba hanome sakafo ho an’ny olona maro, toy ny efa nataony tamin’ny taonjato voalohany. Tsy iza ireo olona vitsy ireo fa ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina. Nanendry an’io mpanompo io izy, mba hahazo sakafo ara-panahy tsy tapaka ny tena mpanara-dia azy amin’izao andro farany izao, na voahosotra izy ireo na ondry hafa. Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny hankasitraka an’ireo rahalahy voahosotra anisan’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina, ka hankatò azy ireo foana.—Heb. 13:7, 17.

 

a Fehintsoratra 2: Nilaza fanoharana mitovitovy amin’io i Jesosy talohan’izay. Nantsoiny hoe “mpiandraikitra ny ao an-trano” ilay “mpanompo mendri-pitokisana”, ary nantsoiny hoe “mpanompony hafa rehetra” ireo “mpanompo ao an-tranony.”—Lioka 12:42-44, fanamarihana ambany pejy.

b Fehintsoratra 6: Tsy mitovy ny hoe fanatrehan’i Kristy (teny grika: parosia) sy ny hoe fahatongavany na fiaviany (erkômai). Alohan’ny hahatongavany mba hampihatra didim-pitsarana no mitranga ny fanatrehany, izay tsy hita maso.

c Fehintsoratra 12: Jereo ilay lahatsoratra hoe “Homba Anareo Foana Aho”, ato amin’ity gazety ity, pejy 10-12, fehintsoratra 5-8.

d Fehintsoratra 16: Jereo ilay lahatsoratra hoe “Lazao Aminay hoe Rahoviana no Hitranga Izany”, ato amin’ity gazety ity, pejy 7-8, fehintsoratra 14-18.