Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Olona Vitsy Manome Sakafo Olona Maro

Olona Vitsy Manome Sakafo Olona Maro

‘Rehefa notapahin’i Jesosy ny mofo, dia nozarainy tamin’ny mpianany, ary ny mpianatra kosa nizara izany tamin’ny vahoaka.’—MAT. 14:19.

1-3. Ahoana no nanomezan’i Jesosy sakafo ho an’ireo olona maro be tafavory tao akaikin’i Betsaida? (Jereo ny sary eo amin’ny fiandohan’ny lahatsoratra.)

 ALAO sary an-tsaina ny zava-nitranga tao akaikin’i Betsaida, tanàna eo amin’ny morony avaratry ny Ranomasin’i Galilia. (Vakio ny Matio 14:14-21.) Taloha kelin’ny Paska taona 32 tamin’izay. Tafavory teo amin’ny toerana mitokana iray i Jesosy sy ny mpianany, niaraka tamin’ny lehilahy 5 000 teo ho eo, ankoatra ny zaza amam-behivavy.

2 Nangoraka an’ilay vahoaka i Jesosy rehefa nahita azy ireo. Nanasitrana an’izay narary àry izy sady nampianatra zavatra be dia be momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Rehefa hariva ny andro, dia nasain’ny mpianatra noravan’i Jesosy ny vahoaka mba hividy sakafo tany amin’ny tanàna teo akaiky teo. Hoy anefa i Jesosy: ‘Omeo zavatra hohaniny izy ireo.’ Azo antoka fa gaga ny mpianany tamin’izay, satria tsy nanana afa-tsy mofo dimy sy trondro kely roa izy ireo.

3 Nanao fahagagana hafa indray àry i Jesosy, satria nalahelo an’ilay vahoaka. Amin’ny fahagagana rehetra nataony, dia io ihany no indray voaresaka ao amin’ny Filazantsara efatra. (Mar. 6:35-44; Lioka 9:10-17; Jaona 6:1-13) Nasain’i Jesosy nilaza tamin’ny vahoaka ny mpianany hoe afaka mipetrapetraka eo ambony bozaka izy ireo, ary mitambatambatra ho 50 sy 100 avy. Nivavaka izy avy eo ary nanapaka ny mofo sy ny trondro. Tsy tonga dia nizara an’ilay sakafo tamin’ny vahoaka anefa i Jesosy, fa “nozarainy tamin’ny mpianany” aloha ilay izy, “ary ny mpianatra kosa nizara izany tamin’ny vahoaka.” Nahagaga fa ampy ho an’ny rehetra ilay izy, ary mbola nisy ambiny aza. Mba eritrereto ange e! Olona an’arivony no nizarana sakafo, nefa olona vitsy no nampiasain’i Jesosy hizara an’ilay izy, dia ny mpianany. a

4. a) Inona no mbola zava-dehibe kokoa tamin’i Jesosy, ary nahoana? b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity sy ny lahatsoratra manaraka?

 4 Ny hanome sakafo ara-panahy ho an’ny mpanara-dia azy anefa no zava-dehibe kokoa tamin’i Jesosy. Fantany fa ho afaka hiaina mandrakizay ny olona, raha mahazo sakafo ara-panahy, dia ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Jaona 6:26, 27; 17:3) Nangoraka ny vahoaka izy matoa nanome azy ireo mofo sy trondro, ary noho izy nangoraka koa no nahatonga azy hampianatra ny mpanara-dia azy nandritra ny ora maro. (Mar. 6:34) Fantany anefa fa vetivety ihany izy no ho eto an-tany, ary hiverina any an-danitra. (Mat. 16:21; Jaona 14:12) Ahoana àry no nataon’i Jesosy mba hahazo sakafo ara-panahy foana ny mpanara-dia azy, rehefa lasa any an-danitra izy? Toy ny efa fanaony, dia olona vitsy no nampiasainy mba hizara sakafo ho an’ny olona maro be. Iza ireo olona vitsy ireo? Hodinihintsika ato aloha izay nataon’i Jesosy rehefa nampiasa olona vitsy izy, mba hanome sakafo ara-panahy ho an’ireo voahosotra maro be tamin’ny taonjato voalohany. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka kosa hoe ahoana no hamantarantsika an’ireo olona vitsy ampiasain’i Jesosy mba hanome sakafo ara-panahy ho antsika ankehitriny.

Olona vitsy no nizara sakafo ho an’ny olona an’arivony ( Fehintsoratra 4)

NIFIDY AN’IREO OLONA VITSY I JESOSY

5, 6. a) Inona no fanapahan-kevitra lehibe noraisin’i Jesosy, mba hahazo sakafo ara-panahy foana ny mpanara-dia azy rehefa maty izy? b) Ahoana no nampiofanan’i Jesosy an’ireo apostoly mba hahafahan’izy ireo hiantsoroka andraikitra lehibe rehefa maty izy?

5 Mitsinjo lavitra ny loham-pianakaviana, ka manao zavatra mialoha mba ho voakarakara tsara foana ny vady aman-janany rahatrizay maty izy. Nanao zavatra mialoha koa i Jesosy, izay lasa Lohan’ny fiangonana tatỳ aoriana, mba hahazo sakafo ara-panahy foana ny mpanara-dia azy rehefa maty izy. (Efes. 1:22) Nisy fanapahan-kevitra lehibe noraisiny, ohatra, roa taona teo ho eo talohan’ny nahafatesany. Nanomboka nifidy an’ireo olona vitsy hasainy hanome sakafo ara-panahy ho an’ny olona maro izy tamin’izay. Diniho izay nitranga.

6 Nivavaka nandritra ny alina tontolo i Jesosy. Namory ny mpianany izy ny ampitson’iny, ka nifidy 12 tamin’ireo mba ho apostoly. (Lioka 6:12-16) Nifandray be tamin’izy 12 lahy izy nandritra ny roa taona nanaraka, ka nampianatra sy nanome modely azy ireo. Fantany fa mbola nila nianatra zavatra maro izy ireo. Raha ny marina aza, dia mbola nantsoina hoe “mpianatra” izy ireo na dia efa apostoly aza. (Mat. 11:1; 20:17) Nomen’i Jesosy torohevitra tena tsara sy fampiofanana be dia be izy ireo mba hanaovany ny fanompoana. (Mat. 10:1-42; 20:20-23; Lioka 8:1; 9:52-55) Hita hoe tiany hampiofanina izy ireo mba hahafahan’izy ireo hiantsoroka andraikitra lehibe rehefa maty izy ka hiverina any an-danitra.

7. Inona no tena tokony hifantohan’ny apostoly, ary ahoana no nampahafantaran’i Jesosy an’izany?

7 Rehefa nihananakaiky ny Pentekosta taona 33, dia hita tokoa fa hisy “andraikitra” homena an’ireo apostoly. (Asa. 1:20) Inona amin’io andraikitra io anefa no tena tokony hifantohan’izy ireo? Hita tamin’ny resaka nifanaovan’ny apostoly Petera sy Jesosy, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, ny valin’izany. (Vakio ny Jaona 21:1, 2, 15-17.) Hoy i Jesosy tamin’i Petera, teo imason’ny apostoly hafa: “Fahano ny ondrikeliko.” Nasehon’i Jesosy àry hoe ho anisan’ireo olona vitsy hasainy hanome sakafo ara-panahy ho an’ny olona maro ny apostoliny. Hita amin’izany fa sarobidy amin’i Jesosy ny ‘ondrikeliny’, ary mampihetsi-po erỳ izany. b

AHOANA NO NANOMEZANA SAKAFO HO AN’NY OLONA MARO NANOMBOKA TAMIN’NY PENTEKOSTA?

8. Inona no mampiseho fa tonga dia fantatry ny Kristianina tamin’ny Pentekosta hoe ny apostoly no ampiasain’i Kristy hanome sakafo ara-panahy?

8 Ahoana no nataon’i Kristy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty? Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33, dia ny apostoly no nampiasainy mba hanome sakafo ara-panahy ho an’ny mpianany voahosotra hafa rehetra. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:41, 42.) Tonga dia nahafantatra an’ireo olona nampiasain’i Jesosy ireo ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy, izay lasa Kristianina voahosotry ny fanahy tamin’io Pentekosta io. Tsy nisalasala àry izy ireo nanaraka ny “fampianaran’ny apostoly” sady “nifantoka” foana tamin’izany. Manazava ny manam-pahaizana iray fa ilay matoanteny grika nadika hoe ‘mifantoka’, dia midika hoe “tapa-kevitra hanao zavatra iray ary hanao an’ilay izy foana.” Tena te hahazo sakafo ara-panahy ireo olona ireo, ary fantany tsara hoe aiza no hahazoany an’izany. Nanaiky an’ireo apostoly foana izy ireo, ka ny apostoly no nantenainy hanazava ny tenin’i Jesosy, sy ny zavatra nataony, ary ny dikan’ny andinin-teny momba azy. cAsa. 2:22-36.

9. Inona no mampiseho fa ny hamahana ny ondrin’i Jesosy no nifantohan’ny apostoly?

9 Nifantoka tamin’ny andraikitra nomen’i Jesosy tokoa ny apostoly, ka namahana ny ondriny. Diniho, ohatra, ny fomba nandaminan’izy ireo ny olana iray nipoitra teo anivon’ny fiangonana, tamin’izy io vao niforona. Momba ny sakafo koa ilay olana, saingy sakafo ara-nofo. Nitady hampisaratsaraka ny Kristianina ilay izy, ka nila nitandrina be izy ireo rehefa nandamina azy. Tsy nahazo ny anjarany tamin’ny fizaran-tsakafo isan’andro mantsy ny mpitondratena miteny grika, nefa nahazo ny anjarany ny mpitondratena miteny hebreo. Ahoana àry no nataon’ireo apostoly? Nanendry rahalahy fito mahafeno fepetra izy ireo hiandraikitra an’ilay fizaran-tsakafo. Marina fa anisan’ireo nizara sakafo ho an’ny vahoaka ny ankamaroan’izy ireo, tamin’ilay fahagagana nataon’i Jesosy. Hitan’izy ireo anefa fa zava-dehibe kokoa ny fanomezana sakafo ara-panahy. Nifantoka tamin’ny “fanompoana” àry izy ireo, izany hoe ny “fampianarana ny tenin’Andriamanitra.”—Asa. 6:1-6.

10. Ahoana no nampiasan’i Kristy an’ireo apostoly sy anti-panahy tany Jerosalema?

10 Vitsy sisa ny apostoly mbola velona tamin’ny taona 49, ary efa nisy anti-panahy nahafeno fepetra nanampy azy ireo. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:1, 2.) Ny “apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema” no filan-kevi-pitantanana tamin’izany. Nampiasa an’ireo olona vitsy mahafeno fepetra ireo i Kristy, izay Lohan’ny fiangonana, mba handamina ny olana momba ny foto-pampianarana. Nampiasainy koa izy ireo mba hiandraikitra sy hitarika ny asa fitoriana sy fampianarana.—Asa. 15:6-29; 21:17-19; Kol. 1:18.

11, 12. a) Inona no manaporofo fa notahin’i Jehovah ilay fandaharana nataon’ny Zanany mba hanomezana sakafo ara-panahy? b) Nahoana no mora fantatra ny olona nampiasain’i Jesosy mba hanome sakafo ara-panahy?

11 Notahin’i Jehovah ilay fandaharana nataon’ny Zanany mba hanomezana sakafo ara-panahy ho an’ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany. Inona no manaporofo an’izany? Milaza ny Asan’ny Apostoly 16:4, 5 fa “nandeha nitety tanàna” ny apostoly Paoly sy ireo rahalahy niara-dia taminy, “ka nampita an’ilay didy navoakan’ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema mba hotandreman’ny olona. Koa nihanatanjaka ny finoan’ireo fiangonana ary nihamaro isan’andro ireo olona teo anivony.” Mariho fa niroborobo ireo fiangonana ireo, satria nankatò tsara an’ilay filan-kevi-pitantanana tany Jerosalema. Tsy hita avy amin’izany ve hoe notahin’i Jehovah ilay fandaharana nataon’ny Zanany mba hanomezana sakafo ara-panahy ho an’ny fiangonana? Tadidio fa noho i Jehovah manome fitahiana be dia be ihany no mahatonga ny fandrosoana ara-panahy.—Ohab. 10:22; 1 Kor. 3:6, 7.

 12 Hitantsika hatreto àry hoe rehefa nanome sakafo ara-panahy ho an’ny mpanara-dia azy i Jesosy, dia olona vitsy foana no nampiasainy mba hizara an’izany ho an’ny olona maro be. Mora fantatra tamin’izany hoe iza no nampiasainy. Nisy porofo mazava mantsy hoe notahin’i Jehovah ny apostoly, izay anisan’ny filan-kevi-pitantanana tamin’izany. Hoy ny Asan’ny Apostoly 5:12: “Tsy nitsahatra nanao famantarana sy zava-mahagaga maro teo amin’ny vahoaka ny apostoly.” d Tsy nila nieritreritra àry ny olona lasa Kristianina hoe: ‘Iza marina àry no ampiasain’i Kristy hamahana ny ondriny?’ Niova anefa izany tamin’ny faran’ny taonjato voalohany.

Nisy porofo mazava tamin’ny taonjato voalohany hoe iza no nampiasain’i Jesosy mba hanome sakafo ara-panahy ho an’ny fiangonana ( Fehintsoratra 12)

BETSAKA NY TSIMPARIFARY FA VITSY NY VARY

13, 14. a) Inona no nolazain’i Jesosy mialoha fa hitranga, ary oviana no tanteraka ny teniny? b) Avy aiza avy no hipoitra ireo antokon’olona roa hanimba ny fiangonana? (Jereo ny fanamarihana any amin’ny faran’ny lahatsoratra.)

13 Nampitandrina i Jesosy fa hisy zava-tsarotra hihatra amin’ny fiangonana. Tadidio fa nilaza izy tao amin’ilay fanoharany momba ny vary sy ny tsimparifary hoe ho rakotra tsimparifary, na Kristianina sandoka, ilay tanimbary vao namafazana vary, na Kristianina voahosotra. Nilaza koa izy fa havela hiara-maniry ny vary sy ny tsimparifary mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana, izay hitranga amin’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Mat. 13:24-30, 36-43) Tsy ela dia tanteraka ireo tenin’i Jesosy ireo. e

14 Nanomboka nisy ny fivadiham-pinoana tamin’ny taonjato voalohany, kanefa ‘nisakana’ azy io mba tsy hiely sy tsy hanimba ny fiangonana ireo apostoly tsy nivadika. (2 Tes. 2:3, 6, 7) Nitohy foana anefa ny fivadiham-pinoana rehefa maty ny apostoly farany, ary vao mainka aza nahazo vahana. Naharitra taonjato maro izany, ary tamin’izany no niara-naniry ny vary sy ny tsimparifary. Lasa be dia be ny tsimparifary, fa vitsy kosa ny vary. Tsy nisy olona nampiasaina manokana mba hanome sakafo ara-panahy tamin’izay. Niova anefa izany tatỳ aoriana.

IZA NO HANOME SAKAFO ARA-PANAHY MANDRITRA NY FOTOAM-PIJINJANA?

15, 16. Inona no vokatry ny fikarohana nataon’ny Mpianatra ny Baiboly, ary inona no fanontaniana tonga ao an-tsaintsika amin’izany?

15 Betsaka ny olona te hahalala ny marina avy ao amin’ny Baiboly, rehefa nanakaiky ny fotoam-pijinjana. Nisy olona tso-po vitsivitsy nitady ny fahamarinana nanomboka tamin’ny 1870, ka niara-nivory tsy tapaka mba hianatra Baiboly. Nitokana izy ireo rehefa nanao an’izany fa tsy niaraka tamin’ny tsimparifary, na ny Kristianina sandoka tao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina. Nifidy ny anarana hoe Mpianatra ny Baiboly izy ireo. Nanetry tena izy ireo, ary nandinika ny Baiboly tamin’ny saina tsy miangatra, sady nivavaka mba hahazo ny tari-dalan’Andriamanitra.—Mat. 11:25.

16 Nisy vokany tsara be dia be ny fikarohana nataon’izy ireo. Lasa hitan’izy ireo, ohatra, fa diso ny zavatra nampianarin’ireo fivavahana. Namoaka boky sy gazety ara-baiboly izy ireo, mba hampahafantarana an’izany sy hampielezana ny fahamarinana hatraiza hatraiza. Be dia be no resy lahatra tamin’ny fahamarinana noho ny nataon’izy ireo. Midika ve izany hoe ireo Mpianatra ny Baiboly niaina nandritra ny taona maromaro talohan’ny 1914 no notendren’i Kristy hamahana ny ondriny? Tsia. Mbola tao anatin’ilay fotoana anirian’ny vary sy ny tsimparifary izy ireo tamin’izany, ary mbola tsy vonona ilay antokon’olona hampiasain’i Jesosy mba hanome sakafo ara-panahy. Mbola tsy tonga tamin’izany ny fotoana hanasarahana ny tsimparifary, na Kristianina sandoka, amin’ny vary na tena Kristianina.

17. Inona ny zavatra niavaka nitranga nanomboka tamin’ny 1914?

17 Nanomboka tamin’ny 1914 ny fotoam-pijinjana, araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Nisy zavatra niavaka maromaro nitranga nanomboka tamin’io taona io. Lasa Mpanjaka i Jesosy, ary nanomboka ny andro farany. (Apok. 11:15) Niaraka nandinika sy nanadio ny tempoly ara-panahy izy sy ny Rainy, nanomboka tamin’ny 1914 ka hatramin’ny voalohandohan’ny 1919. f (Mal. 3:1-4) Nangonina ny vary avy eo, nanomboka tamin’ny 1919. Tamin’io àry ve i Kristy no nanendry an’ireo olona hizara ny sakafo ara-panahy? Izany tokoa!

18. Inona no fanendrena nolazain’i Jesosy fa hataony, ary inona no fanontaniana tena nilana valiny rehefa nanomboka elaela ny andro farany?

18 Nilaza i Jesosy tao amin’ilay faminaniany momba ny andro farany, fa hisy “mpanompo” hotendreny hizara “sakafo” ara-panahy “amin’ny fotoana mety.” (Mat. 24:45-47) Iza io “mpanompo” io? Toy ny efa nataon’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany, dia olona vitsy no hampiasainy mba hanome sakafo ara-panahy ho an’ny olona maro. Rehefa nanomboka elaela anefa ny andro farany, dia nisy fanontaniana lehibe nipetraka hoe: Iza ireo olona vitsy ireo? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany sy ny fanontaniana hafa mifandray amin’ny faminanian’i Jesosy.

 

a Fehintsoratra 3: Nanao fahagagana koa i Jesosy tatỳ aoriana mba hanomezana sakafo ho an’ny lehilahy 4 000, ankoatra ny zaza amam-behivavy. Mbola ny mpianatra ihany aloha no nomeny an’ilay sakafo, ary avy eo ‘ny mpianatra no nizara izany tamin’ny vahoaka.’—Mat. 15:32-38.

b Fehintsoratra 7: Voahosotra nanantena ho any an-danitra daholo ireo ‘ondrikely’ nomena sakafo ara-panahy tamin’ny andron’i Petera.

c Fehintsoratra 8: Milaza ilay andinin-teny fa “nifantoka tamin’ny fampianaran’ny apostoly” ireo olona lasa Kristianina. Ilay teny tany am-boalohany nadika hoe “nifantoka” dia milaza zavatra mitohy, ka midika izany fa nampianatra tsy tapaka ny apostoly. Nosoratana ao amin’ireo boky ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny fampianaran’izy ireo sasany.

d Fehintsoratra 12: Marina fa nisy olon-kafa ankoatra ny apostoly nahazo ny herin’ny fanahy masina, ka nahay nanao fahagagana. Ny apostoly anefa matetika no nampita an’izany fahaizana izany, na teo imason’izy ireo ilay olona no nomena an’izany fahaizana izany.—Asa. 8:14-18; 10:44, 45.

e Fehintsoratra 13: Hita ao amin’ireo tenin’i Paoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:29, 30 fa hisy antokon’olona roa hitady hanimba ny fiangonana. Voalohany, hisy Kristianina sandoka (“tsimparifary”) “hiditra” eo anivon’ny tena Kristianina. Faharoa, hisy mpivadi-pinoana hipoitra ‘avy amin’ny’ tena Kristianina, ka ‘hanolana hevi-teny.’

f Fehintsoratra 17: Jereo ilay lahatsoratra hoe “Homba Anareo Foana Aho”, ato amin’ity gazety ity, pejy 11, fehintsoratra 6.