Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manaova Zavatra Mifanaraka Amin’ny Vavak’i Jesosy

Manaova Zavatra Mifanaraka Amin’ny Vavak’i Jesosy

‘Ray ô, omeo voninahitra ny zanakao mba hanomezany voninahitra anao.’—JAONA 17:1.

1, 2. Inona no nataon’i Jesosy rehefa avy nankalaza ny Paska niaraka tamin’ny apostoliny izy, tamin’ny taona 33?

ALIN’NY 14 Nisana taona 33 tamin’izay. Avy nankalaza ny Paska i Jesosy sy ny namany. Notsarovan’izy ireo tamin’izay hoe nanafaka ny razambeny tamin’ny fanandevozana tany Ejipta Andriamanitra. Mbola hahazo fanafahana lehibe kokoa anefa ireo mpianatr’i Jesosy tsy nivadika, satria hahazo “fanafahana mandrakizay.” Hovonoin’ny fahavalony i Jesosy ny ampitso, nefa hitondra soa ny fahafatesany. Ny rany mantsy no hanafaka ny olona amin’ny ota sy ny fahafatesana.—Heb. 9:12-14.

2 Fanomezan’Andriamanitra noho ny fitiavany io sorona io. Tsy tian’i Jesosy hanadino azy io isika, ka nisy fankalazana vaovao natombony ho solon’ny Paska, ary tokony hatao isan-taona izany. Naka mofo tsy misy lalivay izy, ary notapatapahiny ilay izy ka nomeny ny apostoliny 11 tsy nivadika. Hoy izy: “Ity no vatako izay homena ho anareo. Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” Naka kaopy nisy divay mena koa izy ary nomeny ny mpianany, sady hoy izy: “Ity kaopy ity no fifanekena vaovao miorina amin’ny rako, izay halatsaka ho anareo.”—Lioka 22:19, 20.

3. a) Inona no fiovana lehibe nitranga taorian’ny nahafatesan’i Jesosy? b) Inona avy ny fanontaniana tokony hodinihintsika, rehefa mandinika an’ilay vavak’i Jesosy ao amin’ny Jaona toko faha-17 isika?

3 Efa kely sisa tamin’izay dia tsy hanan-kery intsony ny fifaneken’ny Lalàna nifanaovan’Andriamanitra tamin’ny Israelita. Hisolo azy io ny fifanekena vaovao, izay hifanaovan’i Jehovah sy ny voahosotra mpanara-dia an’i Jesosy. Tsy tian’i Jesosy ho toy ny firenen’ny Israely io firenena vaovao io. Tsy niray saina mantsy ny Israelita teo amin’ny resaka fivavahana, ary nisara-bazana ny mpiara-monina tamin’izany, ka nanala baraka ny anaran’Andriamanitra.  (Jaona 7:45-49; Asa. 23:6-9) Tian’i Jesosy hiray saina tsara kosa ny mpanara-dia azy, mba hahafahan’izy ireo hiara-miasa ka hanome voninahitra ny anaran’Andriamanitra. Inona àry no nataony? Nivavaka tamin’ny Rainy izy, ary mbola tsy nisy vavaka kanto hoatr’izany hatramin’izay. (Jaona 17:1-26; jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) Afaka mitodika ny lasa isika izao, ka mieritreritra hoe: “Namaly ny vavak’i Jesosy ve Andriamanitra?” Tokony handini-tena koa isika ka hisaintsaina hoe: “Mampihatra an’izay voalaza ao amin’io vavaka io ve aho?”

NY ZAVA-DEHIBE INDRINDRA TAMIN’I JESOSY

4, 5. a) Inona no ianarantsika rehefa mandinika an’ireo zavatra noresahin’i Jesosy voalohany tao amin’ilay vavaka? b) Ahoana no namalian’i Jehovah an’ilay fangatahan’i Jesosy momba ny hoaviny?

4 Niresaka tamin’ny mpianany hatramin’ny alina be i Jesosy, mba hampitana fahalalana sarobidy avy amin’Andriamanitra. Niandrandra ny lanitra izy avy eo ary nanomboka nivavaka hoe: “Ray ô, tonga ny fotoana. Omeo voninahitra ny zanakao mba hanomezany voninahitra anao. Fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra izy mba hanomezany fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra nomenao azy. . . . Efa nanome voninahitra anao aho teto an-tany, satria vitako ny asa nasainao nataoko. Koa ankehitriny, Ray ô, omeo voninahitra eo anilanao aho, dia ilay voninahitra nananako teo anilanao fony mbola tsy nisy izao tontolo izao.”—Jaona 17:1-5.

5 Hitantsika eo ireo zava-dehibe indrindra tamin’i Jesosy. Ny hahazoan’ny Rainy voninahitra no voalohany indrindra. Izany no notononiny voalohany tao amin’ilay vavaka modely, manao hoe: “Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao!” (Lioka 11:2) Ny hahasoa ny mpianany no nangatahiny manaraka, dia izay hahazoan’izy ireo “fiainana mandrakizay.” Izay niriny kosa no noresahiny farany. Hoy izy: “Ray ô, omeo voninahitra eo anilanao aho, dia ilay voninahitra nananako teo anilanao fony mbola tsy nisy izao tontolo izao.” Namaly soa an’ilay Zanany tsy mivadika i Jehovah, ka nanome azy mihoatra noho izay nangatahiny. Nomeny “anarana tsara lavitra” noho ny an’ny anjely rehetra izy.—Heb. 1:4.

‘ILAINA NY MAHALALA AN’ANDRIAMANITRA’

6. Inona no tsy maintsy nataon’ny apostoly mba hahazoany fiainana mandrakizay, ary ahoana no ahalalantsika fa nahavita izany izy ireo?

6 Nolazain’i Jesosy tao amin’ilay vavaka koa izay tokony hataontsika mba hahazoana fiainana mandrakizay. (Vakio ny Jaona 17:3.) Nilaza izy fa tsy maintsy “mianatra hahalala” an’Andriamanitra sy Kristy foana isika. Mila mampiasa ny masontsika sy ny sofintsika isika, mba hianarana bebe kokoa momba an’i Jehovah sy ny Zanany. Lasa mahalala bebe kokoa an’i Jehovah koa isika, rehefa mampihatra an’izay ianarantsika ka mahatsiaro ho sambatra. Nanao izany ny apostoly, araka ilay vavak’i Jesosy hoe: ‘Ny teny nomenao ahy no nomeko azy ireo, ary noraisiny.’ (Jaona 17:8) Nila nisaintsaina ny Tenin’Andriamanitra foana anefa izy ireo sady nampihatra an’izany teo amin’ny fiainany andavanandro, raha te hiaina mandrakizay. Nahavita an’izany mandra-pahafatiny ve ny apostoly? Izany tokoa, matoa voasoratra eo amin’ny vato fototra 12 ao amin’i Jerosalema Vaovao ny anarany.—Apok. 21:14.

7. Inona no dikan’ny hoe ‘mahalala’ an’Andriamanitra, ary nahoana izany no tena ilaina?

7 Milaza ny manam-pahaizana momba ny teny grika, fa ilay teny grika nadika hoe “mianatra hahalala” dia azo adika koa hoe “tokony hahalala foana” na “tokony handray fahalalana foana.” Mifameno ireo hevitra ireo ary samy zava-dehibe. Ny hoe “mianatra hahalala” àry dia midika hoe mianatra momba  an’Andriamanitra foana, ka lasa ‘mahalala’ azy. Tsy midika fotsiny anefa izany hoe mahalala ny toetrany sy ny fikasany. Ny hoe mahalala an’i Jehovah dia midika koa hoe tia azy sy mifandray akaiky aminy, ary tia ny mpiray finoana. Hoy ny Baiboly: ‘Izay tsy tia dia mbola tsy mahalala an’Andriamanitra.’ (1 Jaona 4:8) Tsy izay ihany fa tokony hankatò an’Andriamanitra isika. (Vakio ny 1 Jaona 2:3-5.) Tombontsoa be ny hoe mahalala an’i Jehovah! Mety ho lasa tafasaraka aminy anefa isika, toa an’i Jodasy Iskariota. Miezaha mafy àry mba hifandray akaiky amin’i Jehovah foana. Hahazo fiainana mandrakizay isika amin’izay.—Mat. 24:13.

“NOHO NY AMIN’NY ANARANAO”

8, 9. Inona no zava-dehibe indrindra tamin’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany, ary inona no tsy nekeny mihitsy?

8 Hita amin’ilay vavak’i Jesosy ao amin’ny Jaona toko faha-17 fa tsy ny apostoliny ihany no tiany fa ireo mpianany atỳ aoriana koa. (Jaona 17:20) Mila takatsika koa anefa fa tsy ny famonjena antsika no zava-dehibe indrindra amin’i Jesosy. Ny hanamasina sy hanome voninahitra ny anaran’ny Rainy no tena nimasoany, tamin’izy tetỳ an-tany. Azo antoka, ohatra, fa nanonona mazava tsara ny anaran’Andriamanitra izy, rehefa namaky an’ilay voalaza ao amin’ny horonam-bokin’i Isaia hoe: “Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra izy.” (Lioka 4:16-21) Tao amin’ny synagogan’i Nazareta izy tamin’io, ary nanazava ny antony nahatongavany tetỳ an-tany.

9 Efa ela be talohan’ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany ireo mpitondra fivavahana no nampirisika ny olona tsy hampiasa ny anaran’Andriamanitra. Azo antoka fa tsy neken’i Jesosy mihitsy izany, satria tsy nifanaraka tamin’ny Soratra Masina. Hoy izy tamin’ireo mpanohitra azy: ‘Tonga tamin’ny anaran’ny Raiko aho, nefa tsy noraisinareo. Raha misy tonga amin’ny anaran’ny tenany anefa, dia horaisinareo.’ (Jaona 5:43) Nasongadiny indray ny zava-dehibe indrindra taminy, andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany. Nivavaka izy hoe: “Ray ô, omeo voninahitra ny anaranao.” (Jaona 12:28) Tsy tokony ho gaga àry isika raha naverimberin’ i Jesosy tao amin’ilay vavaka dinihintsika fa zava-dehibe aminy ny anaran’ny Rainy.

10, 11. a) Ahoana no fomba nampahafantaran’i Jesosy ny anaran’ny Rainy? b) Inona no tokony ho tanjon’ny mpianatr’i Jesosy?

10 Nivavaka i Jesosy hoe: “Ny anaranao efa nampahafantariko ny olona izay nomenao ahy avy tamin’izao tontolo izao. Anao izy ireo ka nomenao ahy, ary efa notandremany ny teninao. Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony aho, fa izy ireo kosa no eto ary izaho ho any aminao. Ray Masina ô, arovy izy ireo noho ny amin’ny anaranao izay nomenao ahy, mba ho iray tahaka antsika izy.”—Jaona 17:6, 11.

11 Tsy hoe nanonona ny anaran’Andriamanitra fotsiny i Jesosy, rehefa nampahafantatra ny anaran’ny Rainy tamin’ny mpianany. Nampiany koa izy ireo mba hahafantatra ny momba an’i Jehovah, izany hoe hahalala ny toetrany sy ny fomba itondrany antsika. (Eks. 34:5-7) Efa Mpanjaka any an-danitra izao i Jesosy, ary mbola ampiany foana ny mpianany mba hampahafantatra ny anaran’Andriamanitra eran-tany. Inona no tanjona amin’izany? Mba ho maro kokoa ny olona ho lasa mpanara-dia azy, alohan’ny handringanana an’ity tontolo ratsy ity. Hamonjy ny vavolombelony tsy mivadika i Jehovah amin’io fotoana io, ka hahalala ny anarany be voninahitra ny olon-drehetra!—Ezek. 36:23.

MBA “HINOAN’IZAO TONTOLO IZAO”

12. Inona ireo zavatra telo hanampy antsika hahomby amin’ilay asa mamonjy aina?

12 Nandidy ny mpianany mba hamita an’ilay asa natombony i Jesosy. Nivavaka izy hoe: “Toy ny nanirahanao ahy ho amin’izao tontolo izao, no hanirahako azy koa ho amin’izao tontolo izao.” Fantany fa nila fanampiana izy ireo mba hamitana an’ilay asa. Niezaka mafy àry izy nanampy azy ireo handresy ny fahalemeny. Nasongadiny tao amin’ilay vavaka nataony, fa misy zavatra telo hanampy ny mpianany mba hahomby amin’ilay asa mamonjy aina. Voalohany, tsy tokony ho anisan’ny tontolon’i Satana ny mpianany. Faharoa, tokony hohamasinina izy ireo, izany hoe hampihatra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ka ho masina foana. Fahatelo, tokony ho tafaray sy hifankatia tahaka azy sy ny Rainy ny mpianany. Mila mandini-tena àry isika tsirairay, ka hisaintsaina hoe: ‘Mampihatra an’ireo zavatra telo nolazain’i Jesosy tao amin’ilay vavaka ve aho?’ Natoky i Jesosy hoe raha manao an’ireo ny mpianany, dia ‘hino izao tontolo izao fa ny Rainy no naniraka azy.’—Vakio ny Jaona 17:15-21.

Nanaiky hotarihin’ny fanahy masina ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ka niray saina (Fehintsoratra 13)

13. Inona no manaporofo fa nivaly ny vavak’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany?

13 Hita hoe nivaly ny vavak’i Jesosy, rehefa jerena ny fitantarana ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Maro ny antony nety ho nampisara-bazana ny Kristianina voalohany. Tsy nitovy mantsy izy ireo, satria tao ny Jiosy sy ny hafa firenena, tao koa ny manankarena sy ny mahantra, ary ny andevo sy ny mpampiasa. Niray saina be anefa izy rehetra, ka lasa toy ny rantsambatana samihafa ao amin’ny vatana, ary i Jesosy no lohany. (Efes. 4:15, 16) Fahagagana tokoa izany satria voazarazara ny tontolon’i Satana! I Jehovah irery no tokony homena voninahitra amin’izany, satria izy no nampiasa ny fanahiny masina mba hampiray saina ny olony.—1 Kor. 3:5-7.

Miray saina ny vahoakan’i Jehovah eran-tany (Fehintsoratra 14)

14. Inona no mampiseho fa mivaly ny vavak’i Jesosy, ankehitriny?

14 Mampalahelo fa lasa tsy niray saina intsony ny Kristianina, rehefa maty ny apostoly. Nisy fivadiham-pinoana lehibe, araka ny faminaniana, ka nisara-bazana ny fiangonana ary lasa nisy fivavahana maro be milaza azy ho Kristianina. (Asa. 20:29, 30) Nafahan’i  Jesosy avy tao amin’ny fivavahan-diso anefa ny Kristianina voahosotra tamin’ny 1919, ary nampiraisiny tamin’ny “fatorana mampiray tonga lafatra.” (Kol. 3:14) Inona no vokatry ny fitorian’ireo voahosotra? “Ondry hafa” fito tapitrisa mahery “avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra” no lasa tafaray amin’izy ireo, ka lasa andiany iray izy rehetra. (Jaona 10:16; Apok. 7:9) Nivaly tokoa ilay vavak’i Jesosy hoe: “[Mba] ho fantatr’izao tontolo izao fa ianao [Jehovah] no naniraka ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao ahy.”—Jaona 17:23.

FAMARANAN-TENY TENA TSARA

15. Inona no nangatahin’i Jesosy ho an’ny mpianany voahosotra?

15 Nanome voninahitra ny apostoliny i Jesosy, tamin’io takarivan’ny 14 Nisana io, talohan’ny nanaovany an’ilay vavaka. Nanao fifanekena tamin’izy ireo izy hoe hiara-manjaka aminy ao amin’ny Fanjakany izy ireo. (Lioka 22:28-30; Jaona 17:22) Nivavaka toy izao ho an’izay rehetra ho lasa voahosotra àry izy: “Ray ô, mba tiako hiaraka amiko any amin’izay misy ahy ireo nomenao ahy, mba hahitany ny voninahitro izay nomenao ahy, satria ianao efa tia ahy talohan’ny nanorenana izao tontolo izao.” (Jaona 17:24) Tsy mialona an’ireo voahosotra ny ondry hafa. Faly kosa izy ireo fa hahazo izany valisoa izany ny voahosotra. Manaporofo koa izany fa miray saina ny tena Kristianina rehetra eto an-tany ankehitriny.

16, 17. a) Tapa-kevitra ny hanao inona i Jesosy, rehefa jerena ny namaranany an’ilay vavaka? b) Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

16 Miharihary hoe manana vahoaka tafaray sy tena mahalala azy i Jehovah. Tsy mino an’izany anefa ny ankamaroan’ny olona noho ny lainga aelin’ny mpitondra fivavahana. Toy izany koa tamin’ny andron’i Jesosy. Izany no nahatonga azy hilaza toy izao, teo am-pamaranana an’ilay vavaka: “Ray ô, marina ianao, ary tsy mahalala anao izao tontolo izao, fa izaho efa mahalala anao, ary ireto koa efa mahalala fa ianao no naniraka ahy. Efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ilay fitiavana izay nitiavanao ahy, ary izaho ho tafaray aminy.”—Jaona 17:25, 26.

17 Nanao izay nolazainy tamin’ny vavaka tokoa i Jesosy, satria nampahafantatra ny anaran’ny Rainy. Izy no Lohan’ny fiangonana, ary mbola manampy antsika hampahafantatra ny anaran’ny Rainy sy ny fikasany izy. Aoka àry isika hanaiky ny fahefany foana ka hazoto hitory sy hanao mpianatra, araka ny didy nomeny. (Mat. 28:19, 20; Asa. 10:42) Aoka koa isika hiezaka mafy hiaro ny firaisan-tsaintsika izay tena sarobidy. Manao zavatra mifanaraka amin’ilay vavak’i Jesosy isika raha manao an’ireo, ka hanome voninahitra ny anaran’i Jehovah ary ho sambatra mandrakizay.