Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Azontsika Anampiana ny Hafa Hahazo Izay Ilainy?

Ahoana no Azontsika Anampiana ny Hafa Hahazo Izay Ilainy?

HOY i François, anti-panahy any amin’ny tany iray an-dalam-pandrosoana: “Nisy herisetra be teto aminay, satria nisy tsy nanaiky ny voka-pifidianana. Vavolombelon’i Jehovah maro no voatery nitsoaka niala ny tranony. Tsy ampy ny sakafo sy ny fanafody ary lafo be raha mba nisy aza. Nikatona ny banky, ary maty ny milina fakana vola na tsy nisy vola intsony tao anatiny.”

Avy hatrany ny biraon’ny sampana dia nandefa vola sy fanampiana tany amin’ireo Vavolombelona nialokaloka tany amin’ny Efitrano Fanjakana eran’ilay firenena. Nanao barazy ireo antoko mpifahavalo, nefa matetika no navelany handeha ny fiaran’ny sampana, satria fantany fa tsy manao politika ny Vavolombelona.

Hoy i François: “Nisy mpitifitra niafina nitifitra ny fiaranay, tamin’izahay ho any amin’ny Efitrano Fanjakana iray. Nandalo fotsiny teny anelanelanay anefa ireo bala. Nihazakazaka nanatona anay ny miaramila iray nirongo fiadiana, ka nahodinay avy hatrany ny fiara ary niverina haingana tany amin’ny sampana izahay. Misaotra an’i Jehovah izahay fa tsy maty fo aman’aina. Tafafindra tany amin’ny toerana azo antoka ireo rahalahy sy anabavy 130 tao amin’ilay efitrano ny ampitso. Nankany amin’ny sampana ny sasany, ary nomenay izay nilainy teo amin’ny lafiny ara-panahy sy tamin’ny lafiny hafa, mandra-pahatapitr’ilay korontana.”

Hoy ihany i François: “Tena nankasitraka ny fanampiana azony ireo rahalahy sy anabavy, ka maro be no nanoratra ho an’ny sampana. Vao mainka natoky an’i Jehovah izy ireo rehefa nahita an’ireo rahalahiny tany an-toeran-kafa nanampy azy.”

Tena manampy an’ireo rahalahy sy anabavy isika, rehefa misy loza voajanahary na vokatry ny ataon’ny olombelona. Tsy miteny fotsiny isika hoe: “Enga anie ka hafana sy ho voky tsara foana ianareo!” (Jak. 2:15, 16) Rehefa fantatry ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany hoe hisy mosary, dia ‘tapa-kevitra izy ireo fa samy handefa fanampiana araka izay vitany, ho an’ny rahalahy tany Jodia.’—Asa. 11:28-30.

Mpanompon’i Jehovah isika ka vonona hanampy ny sahirana. Mila mifandray amin’Andriamanitra koa anefa ny olona. (Mat. 5:3) Naniraka ny mpianany hanao mpianatra i Jesosy, mba hanampiana ny olona hahatsapa fa mila an’Andriamanitra izy ireo, sy hanampiana azy hifandray aminy. (Mat. 28:19, 20) Tsy mitsitsy fotoana sy hery ary fananana isika, mba hanatanterahana an’io asa io. Marina fa ampiasain’ny fandaminana hanampiana ny sahirana ny vola sasany ataontsika fanomezana. Atokana mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana sy hanelezana ny vaovao tsara anefa ny ankamaroan’ireny vola ireny. Asehontsika amin’ny fanomezana ataontsika fa tiantsika Andriamanitra sy ny mpiara-belona.—Mat. 22:37-39.

Mahazo matoky ireo manome vola hanohanana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany fa ampiasaina araka ny tokony ho izy ilay vola. Afaka manao zavatra hanampiana an’ireo rahalahy sahirana ve ianao? Te hanohana ny asa fanaovana mpianatra ve ianao? “Aza miahotra manao soa amin’izay tokony hanaovan-tsoa” àry, “raha mbola azon’ny tananao atao ihany.”—Ohab. 3:27.