NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Desambra 2013

Hita ato ny fomba hiarovantsika ny finoantsika mba tsy hihena, ary ny fotoana tokony hankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo sy ny maha zava-dehibe azy io.

Narovan’i Jehovah teo Ambany Aloky ny Tendrombohitra

Ahoana no nahazoan’ireo Vavolombelona alemà boky ara-baiboly, tamin’ny andron’ny Nazia? Inona no zava-tsarotra natrehin’izy ireo?

“Aza Malaky Mikorontan-tsaina”

Inona no fampitandremana nomen’i Paoly ao amin’ny Tesalonianina Faharoa? Inona no hanampy antsika tsy ho voafitaka?

Vonona Hanao Sorona ho An’ilay Fanjakana ve Ianao?

Hita ato hoe ahoana no azo ampiasana ny fotoana, vola, hery, ary fahaizana mba hanohanana ny Fanjakan’Andriamanitra.

Tadidinao Ve?

Novakinao tsara ve ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha tadidinao ny valin’ireo fanontaniana ato.

“Ho Fahatsiarovana ho Anareo” Izany

Inona no tokony ho fantatry ny Kristianina momba ny Paska? Midika ho inona ho antsika ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

‘Ataovy Izao ho Fahatsiarovana Ahy’

Ahoana no ahalalana ny datin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo? Inona no dikan’ny mofo sy divay?

Fanampiana ho An’ireo Maty Vady

Mangidy ny hoe maty vady ary maharitra ela ny fahoriana aterany. Ho hitanao ato fa mampahery ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty.

Fanondroana Foto-kevitra: Ny Tilikambo Fiambenana 2013

Ato ny fanondroana an’ireo lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 2013, ary milahatra araka ny loha hevitra.