Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vonona Hanao Sorona ho An’ilay Fanjakana ve Ianao?

Vonona Hanao Sorona ho An’ilay Fanjakana ve Ianao?

“Ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.”2 KOR. 9:7.

1. Inona no sorona ataon’ny olona maro, ary nahoana?

VONONA hanao sorona na hamoy zavatra sasany ho an’izay heveriny ho zava-dehibe ny olona. Mahafoy fotoana sy vola ary mandany hery, ohatra, ny ray aman-dreny mba hahasoa ny zanany. Misy indray tanora miezaka mafy manao fanazaran-tena mandritra ny ora maro isan’andro, satria te hisolo tena ny fireneny amin’ny Lalao Olympika. Ny tanora namany anefa milalao sy miala voly fotsiny. Namoy zavatra ho an’izay noheveriny ho zava-dehibe koa i Jesosy. Tsy nitady fiainana mampiadana izy ary tsy nanan-janaka. Naleony nampandroso ny asan’ilay Fanjakana. (Mat. 4:17; Lioka 9:58) Nahafoy zavatra be mba ho tombontsoan’ilay Fanjakana koa ny mpanara-dia azy. Zava-dehibe tamin’izy ireo ny fampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana, ka nanao sorona izy ireo mba handraisana anjara faran’izay betsaka tamin’izany. (Mat. 4:18-22; 19:27) Mila mieritreritra àry isika hoe: ‘Inona no tena zava-dehibe amiko?’

2. a) Inona no tsy maintsy afoin’ny Kristianina rehetra? b) Inona no sorona fanampiny ataon’ny Kristianina sasany?

2 Tsy maintsy mamoy zavatra sasany ny Kristianina rehetra, ary tena ilaina izany raha te ho naman’i Jehovah sy hifandray tsara aminy foana. Tsy maintsy mahafoy fotoana sy hery, ohatra, isika mba hivavahana, hamakiana Baiboly, hanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, hanatrehana fivoriana, ary hanompoana. * (Jos. 1:8; Mat. 28:19, 20; Heb. 10:24, 25) Mandroso haingana ny asa fitoriana, noho ny ezaka ataontsika sy ny fitahian’i Jehovah. Mbola maro ny olona mirohotra mankany amin’ny  “tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah.” (Isaia 2:2) Maro no manao sorona fanampiny mba hanohanana ny asan’ilay Fanjakana, ka manompo ao amin’ny Betela, manampy amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe, mandamina fivoriambe, ary manampy ny tra-boina. Tsy voatery hanao an’ireo isika vao hahazo fiainana mandrakizay, nefa tena ilaina ireo mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana.

3. a) Inona no soa raisintsika rehefa manao sorona ho an’ilay Fanjakana? b) Inona avy no fanontaniana tokony hodinihintsika?

3 Vao mainka ilaina izao ny manohana ny asan’ilay Fanjakana. Faly isika mahita fa maro no manao sorona an-tsitrapo ho an’i Jehovah. (Vakio ny Salamo 54:6.) Mahafaly antsika ny manome, eo am-piandrasana ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Deot. 16:15; Asa. 20:35) Mila mandini-tena tsara anefa isika tsirairay. Misy sorona fanampiny azontsika atao ho an’ilay Fanjakana ve? Ahoana no ampiasantsika ny fotoanantsika, ny volantsika, ny herintsika, ary ny fahaizantsika? Inona no tokony hotandremantsika? Andeha isika handinika ohatra fahiny izay azo tahafina rehefa manao sorona an-tsitrapo. Hitombo ny fifaliantsika raha manahaka an’ireny isika.

SORONA NATAON’NY ISRAELITA

4. Inona no soa noraisin’ny Israelita rehefa nanao sorona izy ireo?

4 Nanao sorona ny Israelita fahiny mba hahazoana famelan-keloka. Tena nilaina ireny sorona ireny mba hahazoana sitraka tamin’i Jehovah. Tsy maintsy natao ny sorona sasany, fa nisy kosa an-tsitrapo. (Lev. 23:37, 38) Anisan’ny fanatitra an-tsitrapo na fanomezana ho an’i Jehovah ny fanatitra dorana manontolo. Niavaka ny sorona natao tamin’ny fitokanana ny tempoly, tamin’ny andron’i Solomona.—2 Tan. 7:4-6.

5. Inona no navelan’i Jehovah hataon’ny sahirana?

5 Be fitiavana i Jehovah, ka fantany fa tsy hitovy ny habetsahan’ny zavatra azon’ny rehetra omena. Izay takatry ny tsirairay ihany no notakiny taminy. Nitaky ny hanaovana sorona biby, ohatra, ny lalàn’i Jehovah. Tsy maintsy nalatsaka ny ran’ilay biby, ary “aloky ny zavatra tsara ho avy” izay tanteraka tamin’ny alalan’i Jesosy izany. (Heb. 10:1-4) Tsy hentitra be anefa i Jehovah rehefa nampihatra an’io lalàna io. Navelany hanolotra domohina, ohatra, ny olona iray raha tsy afaka nanolotra ondry na osy na omby. Afaka nanao sorona tamim-pifaliana ho an’i Jehovah àry na dia ny  mahantra aza. (Lev. 1:3, 10, 14; 5:7) Mety ho tsy nitovy ny biby nataon’ny olona sorona, nefa nisy fepetra roa tsy maintsy nofenoiny rehefa nanao fanatitra an-tsitrapo izy.

6. Inona no fepetra tsy maintsy nofenoin’ny olona nanao fanatitra, ary inona no mampiseho fa tena zava-dehibe izany?

6 Voalohany, tsy maintsy nanome ny tsara indrindra ilay olona. Nilaza tamin’ilay firenena i Jehovah fa tsy tokony hisy kilema izay fanatitra hatolotr’izy ireo, raha te ‘hahazo sitraka’ aminy izy ireo. (Lev. 22:18-20) Tsy neken’i Jehovah ilay biby natao sorona raha nisy kilema. Faharoa, tokony hadio sy tsy hisy loto ilay olona. Tsy maintsy nanao fanatitra noho ny ota na fanatitra noho ny heloka ilay olona raha naloto, mba ho tsara fihavanana amin’i Jehovah indray. Taorian’izay izy vao afaka nanolotra fanatitra an-tsitrapo. (Lev. 5:5, 6, 15) Tsy azo nohamaivanina izany. Nilaza i Jehovah fa haringana ny olona iray raha naloto nefa nihinana tamin’ny sorona iombonana, anisan’izany ny fanatitra an-tsitrapo. (Lev. 7:20, 21) Ho faly sy ho afa-po kosa ilay mpanome, raha nadio teo anatrehan’i Jehovah izy ary tsy nisy tsininy ilay fanatitra.—Vakio ny 1 Tantara 29:9.

SORONA ATAONTSIKA ANKEHITRINY

7, 8. a) Inona no tsapan’ny olona maro noho izy ireo manao sorona ho an’ilay Fanjakana? b) Inona avy no ananantsika ka azontsika atao sorona?

7 Maro koa ankehitriny no mahafoy tena amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ary mahafaly an’i Jehovah izany. Mahafa-po ny manao zavatra ho an’ny mpiara-manompo. Izany no tsapan’ny rahalahy iray mpanao fanorenana Efitrano Fanjakana sady anisan’ny mpanampy tra-boina. Hoy izy: “Tena faly sy velom-pankasitrahana ireo rahalahy eo an-toerana, rehefa mahazo Efitrano Fanjakana vaovao na mahazo fanampiana aorian’ny loza. Tsapako hoe tsy very maina ny asa mafy sy ny ezaka nataoko, rehefa mahita an’izany aho.”

Natao an-tsitrapo ny fanatitra maro, tsy misy hafa amin’ny sorona ataontsika ankehitriny (Fehintsoratra 7-13)

8 Nitady fomba samihafa foana ny fandaminana hatramin’izay, mba hampandrosoana ny asan’i Jehovah. Izany no nahatonga ny Rahalahy C. Russell hampirisika toy izao, tamin’ny 1904: ‘Tokony hihevitra isika tsirairay fa notendren’ny Tompo hiandraikitra ny fotoanantsika, ny herintsika, ny volantsika, ary ny zavatra hafa ananantsika. Tokony hampiasa an’ireo araka izay azontsika atao isika, mba hanomezam-boninahitra ny Tompo.’ Marina fa mahazo fitahiana maro isika rehefa manao sorona ho an’i Jehovah. Tsy maintsy mahafoy zavatra koa  anefa isika. (2 Sam. 24:21-24) Afaka mampiasa an’izay ananantsika amin’ny fomba tsara kokoa àry ve isika?

Mpianakavin’ny Betela any Aostralia

9. Inona no toro lalana tian’i Jesosy hampitaina ao amin’ny Lioka 10:2-4, ka azontsika ampiharina amin’ny fampiasana fotoana?

9 Ny fotoanantsika. Mitaky fotoana sy ezaka be ny mandika sy manao pirinty ny bokintsika, manorina ny toeram-pivavahantsika, mandamina fivoriambe, manampy ny tra-boina, ary manao asa maro hafa tena ilaina. Voafetra anefa ny fotoana ananantsika isan’andro. Afaka manampy antsika ny toro lalana iray nomen’i Jesosy. Hoy izy tamin’ny mpianany rehefa naniraka azy ireo hitory: “Aza mandany fotoana amin’ny fombafomba fifampiarahabana eny an-dalana.” (Lioka 10:2-4) Nahoana izy no niteny an’izany? Hoy ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly: “Tsy niondrika kely fotsiny, na nifandray tanana toy ny fanaontsika ny [Jiosy fahiny], rehefa nifampiarahaba. Nifamihina imbetsaka kosa izy ireo, sady niondrika be, ary niankohoka tamin’ny tany mihitsy aza. Nitaky fotoana be izany rehetra izany.” Tsy nampirisika ny mpianany mba tsy hahalala fomba i Jesosy. Tiany ho takatr’izy ireo kosa fa voafetra ny fotoana ananan’izy ireo, ka tokony hampiasainy tsara izany mba hikarakarana an’izay zava-dehibe kokoa. (Efes. 5:16) Azontsika ampiharina ve io toro lalana io mba hananantsika fotoana bebe kokoa ho an’ny asan’ilay Fanjakana?

Mpitory ilay Fanjakana ao amin’ny Efitrano Fanjakana any Kenya, Afrika

10, 11. a) Inona avy no ampiasana ny fanomezana ataontsika ho an’ny asa maneran-tany? b) Inona ny toro lalana afaka manampy antsika, ao amin’ny 1 Korintianina 16:1, 2?

10 Ny volantsika. Betsaka ny vola ilaina mba hisahanana ny asan’ilay Fanjakana. Am-polony tapitrisa dolara isan-taona no lany hikarakarana an’izay ilain’ny mpiandraikitra mpitety faritany sy mpisava lalana manokana ary misionera. Efitrano Fanjakana 24 500 mahery no efa naorina tany amin’ny tany mahantra, nanomboka tamin’ny 1999. Mbola mila Efitrano Fanjakana 6 400 eo ho eo anefa isika. Gazety Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! 100 tapitrisa eo ho eo no atao pirinty isam-bolana. Ny fanomezana an-tsitrapo ataonao no ahavitana an’ireo rehetra ireo.

11 Azontsika ampiharina ny toro lalana nomen’ny apostoly Paoly, rehefa manao fanomezana isika. (Vakio ny 1 Korintianina 16:1, 2.) Notarihin’ny fanahy masina izy, ka nanoro hevitra an’ireo rahalahy tao Korinto hoe eo am-piandohan’ny herinandro izy ireo no tsara manokana vola hatao fanomezana, araka izay ananany, fa tsy rehefa tapitra ny herinandro vao hijery izay ambim-bolany. Manahaka an’ireny Kristianina ireny ny rahalahy sy anabavy ankehitriny, ka manomana mialoha ny vola hataony fanomezana, ary manome betsaka araka izay azony atao. (Lioka 21:1-4; Asa. 4:32-35) Tena tian’i Jehovah izany toe-tsaina tia manome izany.

Rahalahy mpiasa an-tsitrapo manao fanorenana any Tuxedo, Etazonia

12, 13. Inona no mety hahatonga ny olona sasany hiahotra hampiasa ny heriny sy ny fahaizany? Ahoana anefa no hanampian’i Jehovah azy ireny?

12 Ny herintsika sy ny fahaizantsika. Ampian’i Jehovah isika rehefa mampiasa ny herintsika sy ny fahaizantsika hanaovana ny asan’ilay Fanjakana. Mampanantena izy fa hanampy antsika rehefa reraka isika. (Isaia 40:29-31) Mahatsiaro ho tsy ampy fahaizana ve isika, ka mieritreritra fa tsy ho afaka hanampy amin’ilay asa? Mihevitra ve isika fa ny hafa no mahay kokoa? Tadidio fa afaka mampitombo izay fahaizana ananantsika i Jehovah, toy ny nataony tamin’i Bezalila sy Oholiaba.—Eks. 31:1-6; jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.

13 Mampirisika antsika i Jehovah mba tsy hiahotra hanome ny tsara indrindra. (Ohab. 3:27) Rehefa naorina indray ny tempoly, dia nampirisika ny Jiosy tao Jerosalema izy mba handinika an’izay nataon’izy ireo hanohanana an’ilay asa. (Hag. 1:2-5) Nanjary variana tamin-javatra  hafa izy ireo ka tsy nifantoka tamin’ilay asa intsony. Ilaintsika koa ny mieritreritra hoe izay zava-dehibe amin’i Jehovah ve no ataontsika loha laharana. Afaka ‘mandinika ny ataontsika’ ve isika, sao mba afaka manao bebe kokoa amin’ny asan’ilay Fanjakana, amin’izao andro farany izao?

SORONA ARAKA IZAY ANANANTSIKA

14, 15. a) Nahoana no mampahery antsika ny ataon’ireo rahalahy sy anabavintsika sahirana? b) Inona no tokony ho faniriantsika?

14 Maro no mipetraka any amin’ny tany mahantra. Miezaka ‘mameno an’izay tsy ampy’ eo amin’ireo rahalahy any amin’ireny tany ireny ny fandaminana. (2 Kor. 8:14) Na mahantra aza anefa ny rahalahy sy anabavy sasany, dia heveriny ho tombontsoa ny manome. Faly i Jehovah rehefa manome amim-pifaliana ny mpanompony sahirana.—2 Kor. 9:7.

15 Manokana ampahany amin’ny sahany, ohatra, ny rahalahy sasany any amin’ny tany iray mahantra be atsy Afrika. Ampiasain’izy ireo mba hanohanana ny asan’ilay Fanjakana ny vidin’ny vokatra avy amin’io tany io. Tena nila Efitrano Fanjakana ny faritra iray tao amin’io tany io, ka nokasaina hatomboka ny fanorenana. Te hanampy hanorina azy io ny rahalahy sy anabavy teo an-toerana, nefa tamin’ny vanim-potoana fambolena no nanaovana an’ilay izy. Tapa-kevitra hanampy foana anefa izy ireo. Nanao fanorenana àry izy ireo nandritra ny andro, ary nandeha namboly kosa tamin’ny takariva. Nahafoy tena tokoa izy ireo! Mampahatsiahy antsika an’ireo rahalahy tany Makedonia izany. “Nahantra be” izy ireo, nefa niangavy mba havela handray anjara tamin’ny fanampiana an’ireo sahirana. (2 Kor. 8:1-4) Enga anie isika rehetra ka ‘hanome arakaraka ny habetsahan’ny fitahiana nomen’i Jehovah’ antsika.—Vakio ny Deoteronomia 16:17.

16. Inona no tokony hataontsika mba hankasitrahan’i Jehovah ny sorona ataontsika?

16 Misy zavatra tokony hotandremana anefa. Tsy maintsy ataontsika azo antoka hoe ankasitrahan’Andriamanitra ny sorona an-tsitrapo ataontsika, toy ny tamin’ny andron’ny Israelita. Mila mahay mandanjalanja isika, mba tsy ho lasa tsirambina ny fikarakarana ankohonana sy ny fifandraisana amin’i Jehovah. Ireo mantsy no andraikitsika lehibe indrindra. Tsy tokony hataontsika tsirambina ny ara-panahin’ny fianakaviantsika sy izay ilainy, na dia mahafoy fotoana sy fananana ho an’ny hafa aza isika. Toy ny hoe manome izay tsy ananantsika isika raha izany no mitranga. (Vakio ny 2 Korintianina 8:12.) Tsy maintsy miaro hatrany ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra koa isika. (1 Kor. 9:26, 27) Matokia fa ho faly sy ho afa-po amin’ny sorona ataontsika isika, raha manaraka ny fitsipiky ny Baiboly. Hankasitraka an’izany koa i Jehovah.

TENA SAROBIDY NY SORONA ATAONTSIKA

17, 18. Inona no tsapantsika rehefa mieritreritra an’ireo rehetra manao sorona ho an’ilay Fanjakana, ary inona no tokony hodinihintsika rehetra?

17 Maro ny rahalahy sy anabavintsika mahafoy tena tanteraka mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana, ka toy ny hoe ‘araraka toy ny fanatitra zava-pisotro’ mihitsy izy ireny. (Fil. 2:17) Tena ankasitrahantsika ireo rehetra manana toe-tsaina tia manome. Mendri-piderana koa ny vady aman-janak’ireo mpiandraikitra rehetra, satria malala-tanana sy mahafoy tena.

18 Maro be ny asa mafy tsy maintsy atao mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Aoka àry isika rehetra handinika amim-bavaka an’izay azontsika atao mba handraisana anjara faran’izay betsaka amin’izany. Matokia fa hahazo valisoa be dia be ianao dieny izao, ary mbola ho lehibe lavitra izany “ao amin’ilay tontolo ho avy.”—Mar. 10:28-30.

^ feh. 2 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ataovy Amin’ny Fo Manontolo ny Sorona ho An’i Jehovah”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 2012, pejy 21-25.