Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Novakinao tsara ve ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly an’ireto fanontaniana ireto:

Oviana i Jesosy no “nitory tamin’ireo fanahy tao am-ponja”? (1 Pet. 3:19)

Mety ho taoriana kelin’ny nitsanganany tamin’ny maty izany. Nanambara tamin’ireo fanahy ratsy izy hoe misy sazy miandry azy ireo ary ara-drariny ilay izy.15/6, pejy 23.

Inona ireo olana telo atrehin’ny olona manambady fanindroany?

1) Misy akony eo amin’ny fanambadiany ny fiainany taloha. 2) Sarotra aminy ny mifandray amin’ireo namana taloha, izay tsy mahalala an’ilay vadiny faharoa. 3) Sarotra aminy ny matoky ny vadiny satria namitaka azy ilay vadiny taloha.1/7, pejy 9-10.

Rahoviana i Jesosy no hitsara ny olona ho ondry na ho osy? (Mat. 25:32)

Ho tonga hitsara ny olona i Jesosy mandritra ny fahoriana lehibe, aorian’ny fandravana ny fivavahan-diso.15/7, pejy 6.

Rahoviana ireo mpandika lalàna voalazan’ny fanoharan’i Jesosy momba ny vary sy ny tsimparifary no hitomany sy hitoloko? (Mat. 13:36, 41, 42)

Hitranga izany mandritra ny fahoriana lehibe, rehefa ho hitan’izy ireo fa tsy ho afa-mandositra an’ilay fandringanana izy ireo.15/7, pejy 13.

Oviana no tanteraka ny tenin’i Jesosy momba ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina? (Mat. 24:45-47)

Tsy tamin’ny Pentekosta taona 33 izy io no nanomboka tanteraka, fa taorian’ny 1914. Tamin’ny 1919 i Jesosy no nanendry an’ilay mpanompo mba hikarakara an’ireo mpanompo ao an-tranony, dia ny Kristianina rehetra omena sakafo ara-panahy.15/7, pejy 21-23.

Rahoviana i Jesosy no hanendry ny mpanompo mendri-pitokisana mba hiandraikitra ny fananany rehetra?

Amin’ny hoavy izany no hitranga, izany hoe mandritra ny fahoriana lehibe, rehefa mahazo ny valisoany any an-danitra ilay mpanompo.15/7, pejy 25.

Ratsy toetra na tsy misy dikany ve ny olona sasany ao amin’ny Baiboly matoa tsy lazaina ny anarany?

Tsy izany mihitsy. Misy olona sasany tsara toetra nefa tsy lazain’ny Baiboly ny anarany, ary toy izany koa ny olona sasany ratsy toetra. (Rota 4:1-3; Mat. 26:18) Anarana anjely roa tsy mivadika ihany no voalaza ao amin’ny Baiboly.1/8, pejy 10.

Ankoatra ny hery avy amin’Andriamanitra, inona no nanampy an’ireo Vavolombelona 230 avy tao amin’ny toby fitanan’i Sachsenhausen mba ho tafavoaka velona tamin’ilay dia lavitra nampanaovina azy ireo?

Reraka izy ireo satria tsy ampy sakafo na narary. Nifampahery foana anefa izy ireo mba ho afaka hanohy an’ilay dia.15/8, pejy 18.

Nahoana no mampahery antsika ny fitantarana momba ny niampitan’ny Israelita ny Reniranon’i Jordana ka nidirany ny Tany Nampanantenaina?

Tondraka ilay renirano tamin’izay, nefa najanon’i Jehovah tsy hikoriana ilay izy mba hahafahan’ny vahoakany hiampita. Azo antoka fa nanatanjaka ny finoan’izy ireo sy ny fatokisany an’i Jehovah izany, ary mampahery antsika koa.15/9, pejy 16.

Ampiasaina imbetsaka ao amin’ny Baiboly ny loko. Inona no ahariharin’izany?

Asehon’izany fa takatr’Andriamanitra hoe misy vokany eo amin’ny fihetseham-pon’ny olombelona ny loko sady afaka manampy antsika hitadidy zavatra.1/10, pejy 14-15.

Inona no mampiseho fa tanteraka ankehitriny ny faminaniana ao amin’ny Mika 5:5 momba ny andriana sy mpiandry?

Takatsika fa mifanitsy amin’ireo anti-panahy eo anivon’ny fiangonana ireo ‘mpiandry fito sy andriana valo’, voalazan’ny Mika 5:5. Mampahery ny vahoakan’Andriamanitra izy ireo mba hahafahany hiatrika an’ilay fanafihana ho avy izay efa voalaza mialoha.15/11, pejy 20.

Nahoana isika no mila an’Andriamanitra?

Mila tari-dalana tsara sy fanazavana momba ny olana ankehitriny isika, ary manome an’izany Andriamanitra. Afaka manampy antsika mba hanana fiainana tsara sy ho sambatra izy, ary hanatanteraka ny fampanantenana ao amin’ny Teniny mba hisian’izany.1/12, pejy 4-6.