NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Febroary 2014

Hita ato ireo zava-mitranga mahafaly resahin’ny Salamo 45. Hita ato koa fa Mpanome izay ilaintsika sy Mpiaro antsika ary Namantsika akaiky indrindra i Jehovah.

Derao i Kristy, Ilay Mpanjaka Be Voninahitra!

Nahoana no mahakasika antsika ny zava-mitranga resahin’ny Salamo 45?

Mifalia Amin’ny Fampakaram-badin’ny Zanak’ondry!

Iza ilay ampakarina, ary ahoana no nanomanan’i Kristy azy? Iza no hiara-mifaly, amin’ilay fampakaram-bady?

Novalian-tsoa Noho ny Finoany Ilay Mpitondratena tao Zarefata

Anisan’ny tena nanatanjaka ny finoan’ilay mpitondratena ny nananganana ny zanany tamin’ny maty. Inona no ianarantsika avy aminy?

Mpanome Izay Ilaintsika sy Mpiaro Antsika i Jehovah

Ho hitanao ato fa Raintsika any an-danitra i Jehovah Andriamanitra, ary Mpanome izay ilaintsika sy Mpiaro antsika. Hanampy anao hifandray kokoa aminy izany.

I Jehovah no Namantsika Akaiky Indrindra

Ho hitanao ato ny ohatr’i Abrahama sy Gideona, izay naman’i Jehovah akaiky. Ho hitanao ato koa izay tokony hataontsika mba ho naman’i Jehovah.

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany no “efa niandriandry” ny Mesia?

Mifantoha Amin’ny “Hatsaran’i Jehovah”

Nankasitraka ny fandaharana nataon’Andriamanitra hanompoana azy i Davida Mpanjaka. Inona no hanampy antsika hankafy ny fanompoana an’i Jehovah?

FANTARO NY TANTARANTSIKA

Feno 100 Taona Ilay Sanganasa

Feno 100 taona amin’ity taona ity ny nivoahan’ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, izay nanampy ny olona mba hino fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly.