Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifantoha Amin’ny “Hatsaran’i Jehovah”

Mifantoha Amin’ny “Hatsaran’i Jehovah”

Mety hisy vokany tena ratsy eo amintsika ny zavatra mampahory. Mety hiady saina sy ho reraka isika, ary hiova ny fahitantsika ny fiainana. Maro ny olana nahazo an’i Davida Mpanjaka. Ahoana no niatrehany azy ireny? Hoy izy ao amin’ny salamo iray mampihetsi-po: “Nanandratra ny feoko tamin’i Jehovah aho, mba hiantso vonjy. Nanandratra ny feoko tamin’i Jehovah aho, mba hitalaho famindram-po. Teo anatrehany no namborahako ny zavatra mampanahy ahy, ary izy foana no nilazako ny fahoriako. Izany no nataoko rehefa rera-tsaina aho. Koa ianao no nahafantatra izay nalehako.” Nanetry tena i Davida, ka nitady ny fanampian’Andriamanitra.Sal. 142:1-3.

Nitady ny fanampian’i Jehovah i Davida, tao anatin’ny fotoan-tsarotra

Nihira toy izao koa izy: “Zavatra iray monja no angatahiko amin’i Jehovah, eny, izay ihany no hotadiaviko, dia ny honina ao an-tranon’i Jehovah mandritra ny androm-piainako. Amin’izay aho dia hahita ny hatsaran’i Jehovah sy ho finaritra hijery ny tempoliny.” (Sal. 27:4) Tsy Levita i Davida nefa alao sary an-tsaina izy mijoro eo ivelan’ny tokotanin’ny tranolay masina, izay foiben’ny fivavahana marina. Tena tiany ny tranon’i Jehovah ka te hijanona tao nandritra ny androm-piainany izy mba “hahita ny hatsaran’i Jehovah.”

Mifandray amin’ny hoe “mahafinaritra ny fo sy ny saina ary ny vavahadin-tsaina” ilay hoe ‘hatsarana.’ Nankasitrahan’i Davida foana ny fandaharana nataon’i Jehovah mba hanompoana azy. Toy izany koa ve ianao?

AOKA ISIKA HO “FINARITRA” AMIN’NY FANDAHARAN’I JEHOVAH

Tsy trano na zavatra hita maso intsony no ampiasain’i Jehovah mba hanatonantsika azy. Mampiasa ny tempoly ara-panahy lehibe kosa izy, dia ny fandaharana masina ataony mba hanompoantsika azy. * “Hahita ny hatsaran’i Jehovah” isika, toa an’i Davida, raha ‘finaritra mijery’ na mankasitraka an’io fandaharana io.

Nisy alitara varahina fanolorana fanatitra dorana, teo anoloan’ny fidirana amin’ny tranolay. (Eks. 38:1, 2; 40:6) Izy io dia mifanitsy amin’ny fahavononan’Andriamanitra hanaiky ny sorona nataon’i Jesosy. (Heb. 10:5-10) Mandray soa amin’izany isika. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Fony mbola fahavalo isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany.’ (Rom. 5:10) Ho lasa naman’i Jehovah isika raha maneho finoana ny soron’i Jesosy, ka hahazo sitraka aminy sy hatokisany. Lasa ‘mifandray akaiky aminy’ isika, vokatr’izany.—Sal. 25:14.

‘Novonoina ny fahotantsika’, ka mahazo ‘famelombelomana avy amin’i Jehovah’ isika. (Asa. 3:19) Eritrereto hoe misy voafonja voaheloka ho faty, nefa manenina noho ny ratsy nataony ka miova be. Mangoraka azy àry ny mpitsara iray, ka manafaka azy madiodio ary manafoana ny saziny. Tsy ho maivamaivana sy ho faly be ve ilay voafonja? Toa an’io voafonja io isika, ary toa an’ilay mpitsara i Jehovah. Mangoraka ny olona mibebaka izy ary manafoana ny fanamelohana azy ho faty.

ANKAFIZO NY FANOMPOANA AN’I JEHOVAH

Maro ny zavatra natao mba hanompoana an’i Jehovah tao an-tranony, ary nahita ny sasany tamin’izany i Davida. Teo ny fivorian’ny Israelita, ny famakiana sy fanazavana ny Lalàna, ny fandoroana emboka manitra, ary ny fanompoana  masina nataon’ny mpisorona sy ny Levita. (Eks. 30:34-38; Nom. 3:5-8; Deot. 31:9-12) Misy mifanitsy amin’ireo ankehitriny.

Mbola marina foana ireto teny ireto: “Tsara sy mahafinaritra erỳ rehefa miara-monina amim-piraisan-tsaina ny mpirahalahy!” (Sal. 133:1) Mitombo be ny isan’ny ‘rahalahy ao amin’ny finoana’ eran-tany. (1 Pet. 2:17) Vakina sy hazavaina any amin’ireo fivoriantsika ny Tenin’Andriamanitra. Misy fandaharam-pampianarana isan-karazany ataon’i Jehovah, amin’ny alalan’ny fandaminany. Be dia be koa ny sakafo ara-panahy ao amin’ny boky sy gazety, ka azo ampiasaina rehefa mianatra samirery sy manao fianaram-pianakaviana. Hoy ny rahalahy iray anisan’ny Filan-kevi-pitantanana: ‘Mahazo fitahiana be dia be aho sady sambatra foana, satria misaintsaina ny Tenin’i Jehovah sy mieritreritra izay tiany hambara ary miezaka hahazo fahalalana sy fahendrena.’ “Mahafinaritra” tokoa “ny fahalalana.”—Ohab. 2:10.

Mivavaka isan’andro koa ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Toy ny fofona mamerovero avy amin’ny emboka manitra ireny vavaka ireny amin’i Jehovah. (Sal. 141:2) Mampahery ny mahalala hoe tena faly izy rehefa mivavaka amim-panetren-tena isika.

Nivavaka i Mosesy hoe: “Ho aminay anie ny fankasitrahan’i Jehovah Andriamanitray! Ataovy mafy orina ny asan’ny tananay.” (Sal. 90:17) Tahin’i Jehovah ny fanompoantsika rehefa mazoto isika. (Ohab. 10:22) Angamba ianao efa nanampy olona hahalala ny fahamarinana. Efa an-taonany maro koa angamba ianao no niaritra ka nanompo foana na dia tsy miraika aza ny olona, na marary ianao, na enjehina, na misy zavatra mampahory anao. (1 Tes. 2:2) Azo antoka anefa fa hitanao “ny hatsaran’i Jehovah” ary tsapanao hoe tena faly amin’ny ezaka ataonao izy.

Nihira toy izao i Davida: “I Jehovah no anjara nomena ahy ary nofenoiny ny kaopiko. Hazoninao ho ahy ny anjara lovako. Toerana mahafinaritra no voafaritra ho ahy tamin’ny tady fandrefesana.” (Sal. 16:5, 6) Nankasitrahan’i Davida ny “anjara” nomena azy, izany hoe ny fifandraisany tsara tamin’i Jehovah sy ny tombontsoany nanompo azy. Mahazo fitahiana ara-panahy be dia be koa isika na dia miatrika olana aza, toa an’i Davida. Aoka àry isika hankafy foana ny fanompoana an’i Jehovah ary ho “finaritra” hatrany amin’ilay tempoly ara-panahy.

^ feh. 6 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1996, pejy 14-24.