Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

I Jehovah no Namantsika Akaiky Indrindra

I Jehovah no Namantsika Akaiky Indrindra

‘Nantsoina hoe “naman’i Jehovah” i Abrahama.’—JAK. 2:23.

1. Inona avy no haintsika noho isika noforonina araka ny endrik’Andriamanitra?

“MANAHAKA ny rainy ity zaza ity!” Efa naheno olona niteny an’izany angamba ianao. Maro tokoa ny ankizy mitovy amin’ny rainy na ny reniny, satria ireo no niteraka azy. I Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, no nanome aina antsika. (Sal. 36:9) Zanany isika ka misy itovizana aminy. Noforonina araka ny endriny isika ka mahay misaina sy manatsoaka hevitra, ary afaka ny hanana namana sy hifandray tsara foana amin’ny namantsika.—Gen. 1:26.

2. Nahoana i Jehovah no afaka ny ho Namantsika akaiky indrindra, nefa inona koa no ilaintsika hatao?

2 Afaka ny ho Namantsika akaiky indrindra i Jehovah. Nahoana? Satria tia antsika izy. Mila mino azy sy ny Zanany koa anefa isika, raha te hinamana aminy. Hoy i Jesosy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Maro ny olona lasa nifandray akaiky tamin’i Jehovah. Handinika roa amin’izy ireo isika.

“ABRAHAMA NAMAKO”

3, 4. Inona no tsy nampitovy an’i Abrahama sy ny taranany?

3 “Abrahama namako” no niantsoan’i Jehovah an’i Abrahama, razamben’ny Israelita. (Isaia 41:8) Inona no nahatonga an’io  lehilahy tsy nivadika io ho naman’ilay Mpamorona foana? Ny finoany.—Gen. 15:6; vakio ny Jakoba 2:21-23.

4 Ny firenen’Israely no taranak’i Abrahama. Rain’izy ireo sy Namany koa i Jehovah. Nampalahelo anefa fa tsy naman’i Jehovah intsony izy ireo tatỳ aoriana, satria lasa tsy nino ny fampanantenany.

5, 6. a) Inona no nahatonga anao ho lasa Naman’i Jehovah? b) Inona avy no fanontaniana tsara hoeritreretintsika?

5 Arakaraka ny ianaranao momba an’i Jehovah no hahatonga anao hino azy sy ho tia azy bebe kokoa. Tsaroanao angamba ny fihetseham-ponao rehefa nahalala ianao fa tena misy Andriamanitra ary afaka mifandray akaiky aminy ianao. Lasa fantatrao fa vao teraka isika rehetra dia mpanota satria tsy nankatò i Adama, ary tafasaraka amin’Andriamanitra ny olombelona. (Kol. 1:21) Nianaranao anefa fa tsy hoe lavitra antsika na tsy miraharaha antsika ilay Ray be fitiavana any an-danitra. Nanomboka ninamana taminy ianao rehefa fantatrao fa nahafoy ny Zanany ho sorona izy, ary naneho finoana an’io sorona io ianao.

6 Tsara anefa izao ny mieritreritra hoe: ‘Mihatsara ve ny fifandraisako amin’Andriamanitra? Tena matoky azy ve aho, ary mitombo isan’andro ve ny fitiavako an’io Namana tena tiako io?’ Nifandray akaiky tamin’i Jehovah koa i Gideona. Andeha isika handinika ny tantarany mba ho afaka hanahaka azy.

“JEHOVAH DIA FIADANANA”

7-9. a) Inona no zavatra niavaka nitranga tamin’i Gideona, ary inona no vokatr’ilay izy? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no tokony hataontsika raha te ho naman’i Jehovah isika?

7 Mpitsara teo amin’ny Israely i Gideona. Efa niditra ny Tany Nampanantenaina ny Israelita, ary feno korontana teo amin’ilay firenena. Milaza ny Mpitsara toko faha-6 fa nitsidika an’i Gideona tao Ofra ny anjelin’i Jehovah. Nanjakazaka tamin’ny Israelita ny Midianita tamin’izany, ka tao amin’ny lavaka famiazam-boaloboka i Gideona no nively varimbazaha fa tsy teny an-kalamanjana. Afaka nanafina haingana an’ilay vary mantsy izy tao. Gaga izy rehefa niseho taminy ilay anjely sady niantso azy hoe “ilay matanjaka sady mahery fo.” Nisalasala izy raha hanampy azy ireo i Jehovah, toy ny nanafahany ny Israelita tany Ejipta. Nisolo tena ny Mpamorona àry ilay anjely ka nanome toky an’i Gideona hoe tena hanampy azy i Jehovah.

8 Lasa saina i Gideona hoe ahoana no ‘hamonjeny ny Israely eo am-pelatanan’ny Midianina.’ Hoy àry i Jehovah: “Homba anao aho, ka hovonoinao toy ny famono olona iray monja ny Midianina.” (Mpits. 6:11-16) Mbola nisalasala angamba i Gideona hoe ahoana no hahatanteraka an’izany, ka nangataka famantarana izy. Tsy nisalasala mihitsy anefa izy hoe tena misy i Jehovah sady azo ifandraisana.

9 Nanatanjaka ny finoan’i Gideona ny zava-nitranga taorian’izay, ka nahatonga azy ho akaiky kokoa an’Andriamanitra. Nikarakara sakafo izy ary narosony an’ilay anjely izany. Vao nokasihin’ilay anjely tamin’ny tehiny ilay sakafo dia levon’ny afo. Takatr’i Gideona àry fa solontenan’i Jehovah ilay anjely. Natahotra izy ka niteny hoe: “Lozako, ry Jehovah Tompo Fara Tampony, fa nifanatrika tamin’ny anjelin’i Jehovah aho!” (Mpits. 6:17-22) Nisakana azy tsy hifandray tamin’Andriamanitra ve anefa izany? Tsia. Vao mainka aza izy nahalala an’i Jehovah ka nihavana tsara taminy. Marina izany rehefa jerena ny anarana nomeny an’ilay alitara natsangany teo amin’ilay toerana. Nantsoiny hoe “Jehovah-saloma” izy  io, izany hoe “Jehovah dia fiadanana.” (Vakio ny Mpitsara 6:23, 24.) Lasa tsapantsika fa tena Namana i Jehovah, rehefa misaintsaina izay ataony ho antsika isan’andro isika. Vao mainka isika hiadan-tsaina sy ho akaiky kokoa azy, raha mivavaka aminy tsy tapaka.

IZA NO ‘HIVAHINY AO  AN-TRANOLAIN’I JEHOVAH’?

10. Araka ny Salamo 15:3, 5, inona no takin’i Jehovah amin’izay te ho namany?

10 Misy fepetra takin’i Jehovah amin’izay te ho namany anefa. Resahin’i Davida ao amin’ilay hira nataony ao amin’ny Salamo faha 15 izay takina amintsika raha te ‘hivahiny ao an-tranolain’i Jehovah’ isika, izany hoe te ho namany. (Sal. 15:1) Hoy i Davida: “Tsy manendrikendrika amin’ny lelany izy . . . Ary tsy mandray kolikoly hanamelohana ny tsy manan-tsiny.” (Sal. 15:3, 5) Hodinihintsika izao ilay hoe tsy manendrikendrika sy ny hoe manao ny marina amin’ny zava-drehetra.

11. Nahoana isika no tsy tokony hanendrikendrika?

11 Nampitandrina i Davida hoe: “Tandremo tsy hilaza zava-dratsy ny lelanao.” (Sal. 34:13) Ho simba ny fifandraisantsika amin’ilay Raintsika any an-danitra, raha tsy manaraka an’io torohevitra io isika. Toetran’i Satana, ilay fahavalon’i Jehovah, ny fanendrikendrehana. Avy amin’ny teny grika midika hoe “mpanendrikendrika” ny hoe “Devoly.” Hifandray akaiky amin’i Jehovah foana isika raha mitandrina izay lazaintsika momba ny hafa, indrindra fa momba an’ireo lehilahy voatendry.—Vakio ny Hebreo 13:17; Joda 8.

12, 13. a) Nahoana isika no tokony hanao ny marina amin’ny zava-drehetra? b) Inona no mety ho vokany rehefa manao ny marina isika?

12 Olona mpanao ny marina ny mpanompon’i Jehovah, fa tsy mpanararaotra. Hoy ny apostoly Paoly: “Mivavaha foana ho anay. Matoky mantsy izahay fa manana feon’ny fieritreretana tsara, satria te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra.” (Heb. 13:18) Tsy manambaka ny rahalahintsika àry isika, satria tapa-kevitra ny “hanao ny marina amin’ny zava-drehetra.” Raha misy mpiara-manompo miasa amintsika, ohatra, dia tokony hanao ny rariny aminy isika ary handoa ny karama nifanarahana. Kristianina isika ka manao ny marina amin’ny olona ampiasaintsika sy amin’ny olona rehetra. Ahoana indray raha mpiara-manompo ny mpampiasa antsika? Tsy hanararaotra azy isika ka hitaky tombontsoa manokana.

13 Imbetsaka isika no mandre teny fankasitrahana avy amin’ny olona mifampiraharaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Voamariky ny talen’ny orinasa iray mpanao trano, ohatra, fa mitana ny teniny ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Rehefa misy fifanarahana ataonareo, dia manatanteraka an’ilay izy foana ianareo.” (Sal. 15:4) Mahatonga antsika ho naman’i Jehovah foana izany, sady mitondra dera ho an’ilay Raintsika be fitiavana.

AMPIO HO NAMAN’I JEHOVAH NY OLONA

Manampy ny olona ho naman’i Jehovah isika (Fehintsoratra 14, 15)

14, 15. Inona no azontsika atao mba hanampiana ny olona ho naman’i Jehovah?

14 Maro amin’ny olona itoriantsika no mino fa misy Andriamanitra. Tsy mihevitra azy ho Namany akaiky indrindra anefa izy ireo. Ahoana no anampiantsika azy ireny? Diniho ny toromarika nomen’i Jesosy ny mpianany 70 lahy, izay nirahiny hitory tsiroaroa: “Amin’izay trano idiranareo, dia milazà aloha hoe: ‘Ho amin’ity trano ity anie ny fiadanana!’ Koa raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra eo aminy ny fiadananareo, fa raha tsy izany kosa, dia hiverina aminareo izany.” (Lioka 10:5, 6) Tokony ho tsara fanahy isika. Mety ho liana amin’ny fahamarinana ny  olona amin’izay, ary mety tsy hasiaka intsony ny mpanohitra, ka ho vonona kokoa hihaino amin’ny manaraka.

15 Tsara fanahy sy tia fihavanana foana isika, rehefa mitory amin’ny olona mafana fo amin’ny fivavahan-diso na manaraka fanao tsy ara-baiboly. Raisintsika tsara daholo ny olona tonga mivory, indrindra fa ny olona kivy noho ny fiainana eto amin’ity tontolo ity, ka te hianatra bebe kokoa momba an’ilay Andriamanitsika. Ahitana tantaran’olona toy izany ao amin’ireo lahatsoratra hoe “Manova Olona ny Baiboly.”

MIARA-MIASA AMIN’ILAY NAMANTSIKA ISIKA

16. Nahoana isika no afaka ny ho “mpiara-miasa” amin’i Jehovah sady afaka ny ho namany?

16 Matetika no lasa mpinamana akaiky ny mpiara-miasa. Manana tombontsoa be ny olona nanokan-tena ho an’i Jehovah, satria lasa namany sy “mpiara-miasa” aminy. (Vakio ny 1 Korintianina 3:9.) Lasa fantatsika kokoa mantsy ny toetra tsaran’ilay Raintsika any an-danitra, rehefa mitory sy manao mpianatra isika. Tsapantsika koa fa manampy antsika hahay hitory ny vaovao tsara ny fanahiny masina.

17. Nahoana ny sakafo ara-panahy raisintsika amin’ireo fivoriambe no manaporofo fa Namantsika i Jehovah?

17 Mahatsiaro ho akaiky kokoa an’i Jehovah isika, rehefa mazoto mitory. Hitantsika, ohatra, fa tsy avelan’i Jehovah hampitsahatra ny asa fitoriana ny mpanohitra. Diniho koa izay nitranga tato anatin’ny taona vitsivitsy. Tsy hitanao ve hoe tena mitari-dalana antsika Andriamanitra? Tena mahavariana fa mahazo sakafo ara-panahy be dia be foana isika. Hita amin’ireo fandaharana amin’ny fivoriambe fa takatr’ilay Raintsika be fitiavana ny olana mahazo antsika ary fantany izay ilaintsika. Nankasitraka ny fivoriamben’ny vondrom-paritra natrehiny ny fianakaviana iray ka nanoratra hoe: “Tena nanohina ny fonay ilay fandaharana. Tsapanay fa tena tia antsika tsirairay i Jehovah sady tiany hahomby amin’izay ataontsika isika.” Nisy mpivady iray avy any Alemaina namonjy fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana tany Irlandy. Nanoratra izy ireo fa tena nankasitrahany ny fandraisana sy ny fikarakarana tsara azy. Hoy koa izy ireo: “I Jehovah sy Jesosy Kristy Mpanjaka anefa no tena isaoranay. Nanasa anay izy ireo mba ho anisan’ny vahoaka iray tena miray saina. Tsy resaka fotsiny ilay firaisan-tsaina, fa tena iainantsika isan’andro. Tsapanay avy tamin’iny zavatra niainanay tany Dublin iny fa tombontsoa be ny manompo an’ilay Andriamanitsika miaraka aminareo rehetra ka tsy hohadinoinay mihitsy.”

MIFAMPIRESAKA NY MPINAMANA

18. Inona no tokony hoeritreretintsika momba ny fifampiresahantsika amin’i Jehovah?

18 Mihamifankatia ny mpinamana rehefa mifampiresaka tsara. Mivoatra be ny fitaovam-pifandraisana, ka maro no tia mifandefa hafatra an-telefaonina sy mifanerasera amin’ny alalan’ny Internet. Manao ahoana kosa ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, ilay Namantsika akaiky indrindra? Fantatsika fa “Mpihaino vavaka” izy. (Sal. 65:2) Impiry anefa isika no miresaka aminy?

19. Inona no afaka manampy antsika raha sarotra amintsika ny mamboraka ny ao am-pontsika amin’ilay Raintsika any an-danitra?

19 Sarotra amin’ny mpanompon’i Jehovah sasany ny mamboraka ny ao am-pony. Izany anefa no tian’i Jehovah hataontsika rehefa mivavaka. (Sal. 119:145; Fitom. 3:41) Mahazo fanampiana isika raha sarotra amintsika ny milaza ny fihetseham-pontsika. Hoy i Paoly tamin’ny Kristianina tany Roma: ‘Izao no olana: Tokony hivavaka isika nefa tsy fantatsika akory izay tokony hangatahintsika. Miangavy ho antsika anefa ny fanahy rehefa mitoloko ao am-po tsy miloaka isika. Fa fantatr’ilay mpandinika ny fo izay lazain’ny fanahy, satria araka ny sitrapon’Andriamanitra ny fiangavian’ny fanahy ho an’ny olona masina.’ (Rom. 8:26, 27) Ho afaka hamboraka ny ao am-pontsika lalina indrindra amin’i Jehovah isika, raha misaintsaina an’izay voalazan’ny bokin’i Joba, Salamo, ary Ohabolana.

20, 21. Nahoana no mampahery antsika ny tenin’i Paoly ao amin’ny Filipianina 4:6, 7?

20 Tokony hanaraka ny torohevitr’i Paoly ho an’ny Filipianina isika, rehefa ao anatin’ny toe-javatra tena sarotra. Hoy izy: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana.” Tena hampahery sy hampionona antsika ny miresaka tsara toy izany amin’ilay Namantsika akaiky indrindra. Hoy mantsy i Paoly: “Ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” (Fil. 4:6, 7) Tsy manan-tsahala ny “fiadanan’Andriamanitra”, ary tena miaro ny fontsika sy ny saintsika, ka tokony ho sarobidy amintsika foana.

Nahoana no manatsara ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ny vavaka? (Fehintsoratra 21)

21 Manampy antsika hinamana amin’i Jehovah foana ny vavaka. “Aza mitsahatra mivavaka” àry. (1 Tes. 5:17) Hatsarao foana ny fifandraisanao amin’Andriamanitra, izay tena sarobidy, ary aoka ianao ho tapa-kevitra ny hanao izay takiny. Aza hadinoina koa ny misaintsaina ireo fitahiana raisintsika, noho isika manana an’i Jehovah ho Raintsika sy Andriamanitsika ary Namantsika.