Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifalia Amin’ny Fampakaram-badin’ny Zanak’ondry!

Mifalia Amin’ny Fampakaram-badin’ny Zanak’ondry!

Aoka isika hifaly sy hiravoravo fa tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.’APOK. 19:7.

1, 2. a) Ny fampakaram-badin’iza no tena hahafaly an’ireo any an-danitra? b) Inona no fanontaniana hodinihintsika?

ELAELA foana ny fanomanana fampakaram-bady. Fampakaram-bady miavaka anefa no horesahintsika ato, satria fampakaram-badin’ny mpanjaka iray. Efa 2 000 taona teo ho eo izay no nanomanana azy io, ary efa ho tafaraka ilay mpampakatra sy ny ampakarina. Hanako eran’ny lapa ny mozika mahafinaritra atsy ho atsy, ary hihira toy izao ireo any an-danitra: “Miderà an’i Jah, satria efa nanomboka nanjaka i Jehovah Andriamanitsika, ilay Mahery Indrindra. Aoka isika hifaly sy hiravoravo, ary aoka isika hanome voninahitra azy, fa tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry sady efa niomana ny vadiny.”—Apok. 19:6, 7.

2 I Jesosy Kristy ilay “Zanak’ondry”, ary tena hahafaly an’ireo any an-danitra ny fampakaram-badiny. (Jaona 1:29) Manao ahoana ny fitafiany? Iza ilay ampakarina, ary ahoana no nanomanana azy? Rahoviana ilay fampakaram-bady? Hiara-mifaly amin’ireo any an-danitra koa ve ireo manantena hiaina eto an-tany?  Tsy andrintsika izao ny handinika ny tohin’ny Salamo faha 45 mba hahalalana ny valin’ireo.

‘MANITRA NY AKANJONY’

3, 4. a) Manao ahoana ny fitafian’ilay Mpampakatra, ary inona no vao mainka mahafaly azy? b) Iza ireo antsoina hoe “zanakavavin’ireo mpanjaka” ary iza ilay “vadin’ny mpanjaka”?

3 Vakio ny Salamo 45:8, 9. Manao akanjo tsara tarehy fanaon’ny mpanjaka amin’ny fampakaram-bady i Jesosy Kristy, ilay Mpampakatra. Ara-dalàna ny fitafiany raha manentohento “zava-manitra tsara indrindra”, toy ny miora sy kasia. Nampiasain’ny Israelita mba hanamboarana menaka masina fanosorana ireo.—Eks. 30:23-25.

4 Vao mainka faly ilay Mpampakatra mandre ny mozika manakoako eran’ny lapany, rehefa mihamanatona ilay fampakaram-bady. Miara-mifaly aminy ny ampahany any an-danitra amin’ny fandaminan’Andriamanitra, izay antsoina hoe “vadin’ny mpanjaka.” Anisan’izy ireo “ny zanakavavin’ireo mpanjaka”, izany hoe ny anjely masina. Mahafinaritra ny mandre an’ireo feo any an-danitra manao hoe: ‘Aoka isika hifaly sy hiravoravo fa tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry’!

NOMANINA ILAY AMPAKARINA

5. Iza ilay “vadin’ny Zanak’ondry”?

5 Vakio ny Salamo 45:10, 11. Efa fantatsika izao ilay Mpampakatra, fa iza ilay ampakarina? Ny fitambaran’ny Kristianina voahosotra 144 000. I Jesosy Kristy no lohan’io fiangonan’ny voahosotra io. (Vakio ny Efesianina 5:23, 24.) Ho anisan’ny Fanjakan’ny Mesia izy ireo. (Lioka 12:32) ‘Manaraka foana ny Zanak’ondry’ izy ireo, ‘na aiza na aiza alehany.’ (Apok. 14:1-4) Lasa “vadin’ny Zanak’ondry” izy ireo, ka miara-mipetraka aminy any amin’ny fonenany any an-danitra.—Apok. 21:9; Jaona 14:2, 3.

6. Nahoana ny voahosotra no antsoina hoe “zanakavavin’ny mpanjaka”, ary nahoana izy ireo no asaina ‘manadino ny fireneny’?

6 Sady antsoina hoe “zanakavavy” ilay ampakarina, no antsoina hoe “zanakavavin’ny mpanjaka.” (Sal. 45:13) Iza io “mpanjaka” io? I Jehovah izy io, ary natsangany ho “zanaka” ny Kristianina voahosotra. (Rom. 8:15-17) Asaina ‘manadino ny fireneny sy ny ankohonan-drainy’ eto an-tany izy ireo, satria ho vadin’i Kristy any an-danitra. Tsy maintsy ‘mampifantoka ny sainy amin’ny zavatra any ambony izy ireo, fa tsy amin’ny zavatra etỳ an-tany.’—Kol. 3:1-4.

7. a) Ahoana no nanomanan’i Kristy an’ilay ho vadiny? b) Ahoana no fiheveran’ilay ampakarina an’ilay Mpampakatra?

7 Efa taonjato maro i Kristy no nanomana an’ilay ampakariny ho amin’ilay fampakaram-bady any an-danitra. Nilaza ny apostoly Paoly fa ‘tia ny fiangonana i Kristy ary nanolotra ny tenany hamonjy azy, mba hanamasinany azy, ka hanadiovany azy amin’ny rano fandroana, amin’ny alalan’ny teny. Izany dia mba hanolorany azy io ho an’ny tenany ihany ho fiangonana ao anatin’ny famirapiratany, sy tsy misy pentina na ketrona na zavatra toy izany, fa mba ho fiangonana masina sy tsy misy tsiny kosa.’ (Efes. 5:25-27) Hoy koa i Paoly tamin’ireo voahosotra tany Korinto: “Fahasarotam-piaro toy ny an’Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo. Fa ny tenako mihitsy no nanolotra anareo ho fofombadin’ny lehilahy iray, mba hatolotro ho virjiny madio ho an’i Kristy ianareo.” (2 Kor. 11:2) Madio sy ankasitrahan’Andriamanitra ny fanompoana ataon’ilay ampakarina, ka ‘tsara tarehy’ amin’i Jesosy Kristy Mpanjaka izy. Manaiky an’i Jesosy ho ‘tompo’ ilay ampakarina ary ‘miankohoka’ eo anatrehany.

‘ENTINA EO AMIN’NY MPANJAKA’ ILAY AMPAKARINA

8. Nahoana no mety ny hilazana fa “be voninahitra” ilay ampakarina?

8 Vakio ny Salamo 45:13, 14a. “Be voninahitra” na tena tsara tarehy ilay ampakarina, rehefa tonga ao amin’ilay fampakaram-bady. Oharina amin’ny tanàna antsoina hoe Jerosalema Vaovao izy ao amin’ny Apokalypsy 21:2. Voalaza ao fa “mihaingo hihaona amin’ny vadiny” izy. Manana ny “voninahitr’Andriamanitra” io tanàna any an-danitra io, ary manjelatra ‘toy ny vatosoa faran’izay tsara, dia tahaka ny vato jaspa mamirapiratra toy ny kristaly.’ (Apok. 21:10, 11) Kanto erỳ ny fomba ilazan’ny Apokalypsy ny hatsaran’i Jerosalema Vaovao. (Apok. 21:18-21) Tsy mahagaga raha nilaza ilay mpanao salamo fa “be voninahitra” ilay ampakarina. Any an-danitra rahateo ilay fampakaram-bady.

9. Iza ilay “mpanjaka” itondrana an’ilay ampakarina, ary manao ahoana ny fitafian’ilay ampakarina?

9 Ny Mesia Mpanjaka ilay Mpampakatra itondrana an’ilay ampakarina. Efa nanomana an’ilay ampakarina izy, ka ‘nanadio azy tamin’ny rano fandroana, amin’ny alalan’ny teny.’ “Masina sy tsy misy tsiny” ilay ampakarina. (Efes. 5:26, 27) Tena mifanentana amin’ilay raharaha koa ny fitafiany. ‘Voaravaka volamena ny akanjony’, ary “akanjo tsara tenona no hanaovany, rehefa hoentina eo amin’ny mpanjaka izy.” “Navela hanao akanjo vita amin’ny lamba rongony mamirapiratra sy madio ary tena tsara ravehivavy. Tsy inona ilay lamba rongony tena tsara fa ny asa marina nataon’ny olona masina.”—Apok. 19:8.

‘TONGA ILAY FAMPAKARAM-BADY’

10. Rahoviana ilay fampakaram-badin’ny Zanak’ondry?

10 Vakio ny Apokalypsy 19:7. Rahoviana ilay fampakaram-badin’ny Zanak’ondry? Voalazan’io andininy io hoe “efa niomana ny vadiny”, nefa tsy miresaka an’ilay fampakaram-bady ireo andinin-teny manaraka. Ny tapany farany amin’ny fahoriana lehibe kosa no resahiny. (Apok. 19:11-21) Midika ve izany fa atao ilay fampakaram-bady, izay vao hamita ny fandreseny ilay Mpanjaka sady Mpampakatra? Tsia. Tsy milahatra araka ny fotoana isehoany ireo fahitana ao amin’ny Apokalypsy. Hita ao amin’ny Salamo faha 45 fa rehefa avy manao ny sabany eo amin’ny andilany sy ‘mandresy’ ny fahavalony i Jesosy Kristy Mpanjaka, izay vao hatao ny fampakaram-badiny.—Sal. 45:3, 4.

11. Ahoana no ho filaharan’ny zavatra hitranga, alohan’ny hahazoan’i Kristy fandresena?

11 Toy izao àry no ho filaharan’ny zavatra hitranga: Voalohany, horinganina ilay “mpivaro-tena lehibe”, na Babylona Lehibe, izany hoe ny fivavahan-diso rehetra. (Apok. 17:1, 5, 16, 17; 19:1, 2) Faharoa, horinganin’i Kristy ny sisa amin’ny tontolon’i Satana amin’ny Hara-magedona, izany hoe amin’ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.” (Apok. 16:14-16; 19:19-21) Farany, hamita ny fandreseny ilay Mpanjaka sady Mpiady, ka hanipy an’i Satana sy ny demoniany ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka. Tsy ho afaka hanao na inona na inona toy ny maty izy ireo amin’izay.—Apok. 20:1-3.

12, 13. a) Rahoviana ilay fampakaram-badin’ny Zanak’ondry? b) Iza amin’ireo any an-danitra no hifaly amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry?

12 Hatsangana amin’ny maty any an-danitra ny voahosotra mahavita ny fanompoany eto an-tany, mandritra ny fanatrehan’i Kristy. Aorian’ny fandringanana an’i Babylona Lehibe kosa no hangonin’i Jesosy ho any aminy ireo voahosotra mbola eto an-tany. (1 Tes. 4:16, 17) Ho efa any an-danitra daholo àry ireo anisan’ilay “ampakarina”, alohan’ny ady Hara-magedona. Aorian’io ady io no hatao ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry. Ho fotoam- pifaliana amin’izay! Hoy ny Apokalypsy 19:9: “Sambatra izay nasaina ho amin’ny sakafo hariva amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.” Ho sambatra tokoa ireo 144 000 anisan’ilay ampakarina. Tena ho faly koa ilay Mpanjaka sady Mpampakatra, satria ho tafaraka aminy daholo ny mpiara-manjaka aminy, ka “hihinana sy hisotro” amin’ny heviny an’ohatra ‘eo amin’ny latabany ao amin’ny Fanjakany.’ (Lioka 22:18, 28-30) Tsy izy ireo ihany anefa no hifaly.

13 Hitantsika teo aloha fa mihira toy izao ireo any an-danitra: “Aoka isika hifaly sy hiravoravo, ary aoka isika hanome voninahitra [an’i Jehovah], fa tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry sady efa niomana ny vadiny.” (Apok. 19:6, 7) Ary ahoana ny amin’ny mpanompon’i Jehovah eto an-tany? Hiara-mifaly amin’ireo any an-danitra koa ve izy ireo?

‘AO ANATIN’NY FIFALIANA NO  HITONDRANA AZY IREO’

14. Iza ireo “virjiny” naman’ilay ampakarina resahin’ny Salamo faha 45

14 Vakio ny Salamo 45:12, 14b, 15. Nilaza i Zakaria mpaminany fa ho faly hiaraka amin’ny sisa amin’ny Israely ara-panahy ny olona avy amin’ireo firenena, amin’ny andro farany. Hoy izy: “Amin’izany andro izany, dia hisy olona folo avy amin’ny fiteny rehetran’ireo firenena hihazona ny akanjon’ny Jiosy iray, ka hanao hoe: ‘Mba handeha hiaraka aminareo izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.’ ” (Zak. 8:23) “Zanakavavin’i Tyro” sy “mpanankarena” no iantsoana an’ireo “olona folo” ireo ao amin’ny Salamo 45:12. Manohana ny voahosotra izy ireo ary matoky fa hanampy azy hanompo an’i Jehovah ny voahosotra. Olona an-tapitrisany no nanaiky hotarihin’ireo sisa  voahosotra “ho amin’ny fahamarinana”, nanomboka tamin’ny 1935. (Dan. 12:3) Nanadio ny fiainany ireo naman’ny voahosotra ireo, ka lasa toy ny virjiny. Nanokan-tena ho an’i Jehovah izy ireo, ary tsy mivadika amin’ilay Mpanjaka sady Mpampakatra.

15. Inona no asa ataon’ny sisa voahosotra ka anampian’ireo “virjiny” namany azy?

15 Tena mankasitraka an’ireo “virjiny” namany ny sisa voahosotra, satria izy ireo mazoto manampy azy hitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” eran-tany. (Mat. 24:14) Tsy “ny fanahy sy ny ampakarina” ihany no ‘miteny tsy an-kijanona hoe: “Avia!”’, fa ny olona mandre azy ireo koa. (Apok. 22:17) Nandre an’ireo voahosotra milaza hoe: “Avia!” ny “ondry hafa”, ka milaza amin’ny mponina eran-tany koa hoe: “Avia!”—Jaona 10:16.

16. Inona no tombontsoa omen’i Jehovah ny ondry hafa?

16 Tia an’ireo ondry hafa namany eto an-tany ny sisa voahosotra. Faly izy ireo satria mamela ny ondry hafa hiara-mifaly amin’izy ireo ny Rain’ny Mpampakatra, mandritra an’ilay fampakaram-badin’ny Zanak’ondry any an-danitra. Voalaza fa ‘hoentina ao anatin’ny fifaliana sy firavoravoana’ ireo namany ireo. Hiara-mifaly amin’ny mpanompon’i Jehovah any an-danitra àry ny ondry hafa manantena hiaina mandrakizay eto an-tany, rehefa hatao ilay fampakaram-bady. Milaza ny Apokalypsy fa ‘mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry’ ny vahoaka be. Manao fanompoana masina ho an’i Jehovah eto an-tany izy ireo, ao amin’ny tokotanin’ilay tempoly ara-panahy.—Apok. 7:9, 15.

Mifaly amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry ireo “virjiny” naman’ilay ampakarina (Fehintsoratra 16)

“HISOLO TOERANA AN’IREO RAZANAO NY ZANAKAO”

17, 18. Inona no vokatry ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry, ary ho lasa rain’iza i Kristy mandritra ny Fanjakana Arivo Taona?

17 Vakio ny Salamo 45:16. Vao mainka ho faly ireo “virjiny” naman’ny ampakarina rehefa hahita ny vokatr’ilay fampakaram-bady, ao amin’ny tontolo vaovao. Hanangana ny ‘razany’, izany hoe ny razambeny teto an-tany, ilay Mpampakatra. Ho lasa ‘zanany’ eto an-tany izy ireo. (Jaona 5:25-29; Heb. 11:35) Hotendreny ho “andriana manerana ny tany” ny sasany amin’izy ireo. Azo inoana fa hisy amin’ireo anti-panahy tsy mivadika ankehitriny koa hotendren’i Kristy hitarika, ao amin’ny tontolo vaovao.—Isaia 32:1.

18 Ho lasa rain’ny olon-kafa koa i Kristy, mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Hiaina mandrakizay eto an-tany mantsy ireo mino ny sorom-panavotany. (Jaona 3:16) Ho lasa “Ray mandrakizay” ho azy ireo i Jesosy.—Isaia 9:6, 7.

MAZOTO ‘MANAMBARA NY ANARANY’

19, 20. Nahoana no mahakasika ny Kristianina rehetra ny zava-mitranga resahin’ny Salamo faha 45?

19 Vakio ny Salamo 45:1, 17. Mahakasika ny Kristianina rehetra tokoa ny zava-mitranga resahin’ny Salamo faha 45. Tena faly ny voahosotra mbola eto an-tany mieritreritra fa tsy ho ela izy ireo dia ho any an-danitra, ka ho tafaraka amin’ireo rahalahiny sy amin’ilay Mpampakatra. Lasa vonona kokoa hankatò an’ilay Mpanjaka be voninahitra ny ondry hafa, ary mankasitraka ny tombontsoany hanohana ny sisa voahosotra mbola eto an-tany. Handrotsaka fitahiana be dia be amin’ny mponina eto an-tany i Kristy sy ireo mpiara-manjaka aminy, rehefa vita ny fampakaram-badin’izy ireo.—Apok. 7:17; 21:1-4.

20 Eo am-piandrasana an’ilay “zavatra tsara” misy ifandraisany amin’ny Mesia Mpanjaka, moa ve ianao tsy maniry ‘hanambara ny anarany’? Enga anie isika ka ho anisan’ireo ‘hidera an’ilay Mpanjaka mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.’