NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Mey 2014

Miresaka fomba telo handresena lahatra ny olona manontany antsika io gazety io. Nahoana isika no tsy tokony hivadika amin’ny fandaminan’Andriamanitra?

‘Ny Haniko dia ny Manao ny Sitrapon’Andriamanitra’

Faly nanao ny sitrapon’i Jehovah i Davida sy Paoly ary Jesosy. Inona no hanampy antsika hazoto hanompo foana, na dia sarotra itoriana aza ny faritanintsika?

Ahoana no Tokony ‘Hamaliantsika ny Olona Tsirairay’?

Misy fomba 3 hamaliana fanontaniana sarotra ato rehefa mitory. Hanampy antsika izany hampisaintsaina ny olona amin’ny alalan’ny Baiboly sy handresy lahatra azy.

Miezaha ho Tsara Fanahy Amin’ny Olona Itorianao

Ahoana no tokony hitondrantsika ny olona tsirairay itoriantsika? Ahoana no ampiharantsika ny Matio 7:12 rehefa mitory?

TANTARAM-PIAINANA

Tena Nanampy Ahy i Jehovah

Saro-kenatra sy tsy natoky tena i Kenneth Little. Tantarainy ato fa nanampy azy handresy an’izany sy ho be herim-po i Jehovah ary nitahy ny ezaka nataony.

Andriamanitra Tia Filaminana i Jehovah

Nahoana ny tantaran’ny Israelita fahiny sy ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany no mampiseho fa tokony ho voalamina ny mpanompon’i Jehovah eto an-tany?

Miaraha Mandroso Amin’ny Fandaminan’i Jehovah

Ho ringana tsy ho ela ny tontolon’i Satana amin’ny Hara-magedona. Nahoana isika no tsy tokony hivadika amin’ny fandaminan’i Jehovah?

FANTARO NY TANTARANTSIKA

“Mbola Betsaka ny Asa Fijinjana Tokony Hatao”

Vavolombelon’i Jehovah 760 000 mahery no mampiely ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, any Brezila. Ahoana no niandohan’ny asa fitoriana tany Amerika Atsimo?