Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andriamanitra Tia Filaminana i Jehovah

Andriamanitra Tia Filaminana i Jehovah

Andriamanitra tsy Andriamanitry ny fikorontanana, fa Andriamanitry ny filaminana.”1 KOR. 14:33.

1, 2. a) Iza no noforonin’Andriamanitra voalohany, ary inona no asa nampanaovin’i Jehovah azy? b) Inona no manaporofo fa voalamina tsara ny anjely?

VOALAMINA tsara foana ny zavatra ataon’i Jehovah, ilay Mpamorona an’izao rehetra izao. I Jesosy, Zanany lahitokana, no noforoniny voalohany. Antsoina hoe “ny Teny” i Jesosy, satria lehibe indrindra amin’ny mpitondra tenin’Andriamanitra. Efa nanompo an’i Jehovah nandritra ny an-tapitrisany taona izy, satria hoy ny Baiboly: “Tany am-piandohana ny Teny, ary ny Teny dia niaraka tamin’Andriamanitra.  . . . Tamin’ny alalany no nisian’ny zava-drehetra, ary raha tsy noho izy dia tsy nisy na zavatra iray monja aza.” Naniraka ny Teny tetỳ an-tany i Jehovah, 2 000 taona mahery izay. Lavorary izy ary nanao ny sitrapon’ny Rainy foana.—Jaona 1:1-3, 14.

2 Nanompo an’i Jehovah foana ny Zanany talohan’ny nahatongavany teto an-tany ary ‘mpiasa tena nahay.’ (Ohab. 8:30) Tamin’ny alalany no namoronan’i Jehovah an’ireo anjely an-tapitrisany maro any an-danitra. (Kol. 1:16) Hoy ny Baiboly momba an’ireny anjely ireny: “Arivoarivo no nanompo azy [i Jehovah], ary iray alina ampitomboina iray alina no nijoro teo anatrehany.” (Dan. 7:10) Antsoina  hoe ‘tafik’i Jehovah’ izy ireo, ary voalamina tsara ny tafika.—Sal. 103:21.

3. Firy ny isan’ny kintana sy planeta, ary ahoana no nandaminana azy ireny?

3 Ary ahoana ny amin’ireo zavaboary hita maso, toy ny kintana sy planeta? Milaza ny gazety iray any Houston, any Texas, fa hita tamin’ny fandinihana vao haingana hoe “avo telo heny noho ny isa efa hitan’ny mpahay siansa ny tena isan’ny kintana sy ny planeta. Misy 3 tapitrisa tapitrisa ampitomboana 1 hetsy tapitrisa ny isany, izany hoe 3 arahina zero 23.” Voalamina ho vahindanitra ny kintana, ka ny vahindanitra tsirairay dia misy planeta maro sy kintana an’arivony tapitrisa na an-tapitrisa tapitrisany. Voalamina tsara koa ny vahindanitra, ka ny ankamaroany dia mitambatra ho vondrom-bahindanitra. Ny vondrom-bahindanitra indray mitambatra ho vondrom-bahindanitra lehibe.

4. Nahoana no ara-dalàna raha voalamina ny mpanompon’Andriamanitra eto an-tany?

4 Tena voalamina tsara toa an’ireo anjely ny kintana sy planeta. (Isaia 40:26) Ara-dalàna àry raha mandamina ny mpanompony eto an-tany koa i Jehovah. Tena ilaina izany mba hahafahan’izy ireo hamita ny asa lehibe asaina ataony. Voalamina tsara izy ireo matoa nahavita nanompo an’i Jehovah sy tsy nivadika taminy nandritra ny an’arivony taona lasa. Hita tokoa hoe nanohana azy ireo i Jehovah, ary “Andriamanitry ny filaminana” izy fa “tsy Andriamanitry ny fikorontanana.”—Vakio ny 1 Korintianina 14:33, 40.

VOALAMINA NY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA FAHINY

5. Inona no nanelingelina an’ilay fikasan’Andriamanitra momba ny tany?

5 Hoy i Jehovah tamin’ireo olombelona voalohany noforoniny: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany, ary aoka hanaiky anareo ny trondro any an-dranomasina sy ny biby manidina eny amin’ny lanitra ary ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.” (Gen. 1:28) Tokony ho voalamina tsara ny olombelona rehefa nitombo isa, mba ho afaka hameno ny tany sy hanitatra ny Paradisa ho eran-tany. Voahelingelina kely izany fikasan’Andriamanitra izany rehefa tsy nankatò i Adama sy Eva. (Gen. 3:1-6) Hitan’i Jehovah tatỳ aoriana “fa be ny faharatsian’ny olona teto an-tany, ary zava-dratsy foana koa no nalehan’ny sainy.” Lasa “simba sy feno herisetra ny tany.” Nikasa handefa safodrano eran-tany àry Andriamanitra mba handringanana ny ratsy fanahy.—Gen. 6:5, 11-13, 17.

6, 7. a) Nahoana i Noa no nahazo sitraka tamin’i Jehovah? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no nanjo an’ireo ratsy fanahy tamin’ny andron’i Noa?

6 “I Noa kosa nankasitrahan’i Jehovah”, satria ‘olo-marina ary tsy nisy tsiny teo amin’ny mpiara-belona taminy.’ “Niara-nandeha tamin’Andriamanitra izy”, ka nasainy nanorina sambofiara goavana. (Gen. 6:8, 9, 14-16) Natao ho afaka hitsingevana eny ambony rano ilay sambofiara, mba hiarovana ny olona sy ny biby tao anatiny. “Nanao araka izay rehetra nandidian’i Jehovah azy i Noa.” Niara-nanorina an’ilay sambofiara izy sy ny fianakaviany, ary voalamina tsara ny fomba nanaovan’izy ireo azy. “Nohidian’i Jehovah ny varavarana”, rehefa tafiditra tao ireo zavamananaina.—Gen. 7:5, 16.

7 Tonga ny Safodrano tamin’ny 2370 T.K. ka ripaka ny zavamananaina rehetra teto an-tany. Narovan’i Jehovah tao amin’ny sambofiara kosa ry Noa mianakavy. (Gen. 7:23) Taranak’i Noa sy ny fianakaviany daholo ny olona ankehitriny. Maty daholo kosa ireo tany ivelan’ny sambofiara, satria tsy nihaino an’i Noa, “mpitory ny fahamarinana.”—2 Pet. 2:5.

Nisy olona valo tafavoaka velona tamin’ny Safodrano, satria nisy fandaharana voalamina tsara natao (Fehintsoratra 6, 7)

8. Inona no manaporofo fa voalamina tsara ny Israelita, rehefa hiditra ny Tany Nampanantenaina?

 8 Nandamina ny Israelita mba ho lasa firenena Andriamanitra, 800 taona mahery taorian’ny Safodrano. Nalamina tsara ny lafiny rehetra tamin’ny fiainan’izy ireo, indrindra fa ny fanompoany an’i Jehovah. Nisy, ohatra, notendrena ho mpisorona sy Levita. Nisy vehivavy maromaro koa “nanao ny fanompoana voalamina teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.” (Eks. 38:8) Nandidy ny Israelita mba hiditra tao Kanana i Jehovah tatỳ aoriana. Tsy nankatò anefa ny ankamaroany, ka hoy izy: “Na dia efa nanangan-tanana aza aho ka nianiana fa hanome anareo an’ilay tany nampanantenaiko, dia tsy hisy hiditra ao ianareo, afa-tsy i Kaleba zanak’i Jefone, sy Josoa zanak’i Nona.” (Nom. 14:30, 37, 38) Izy roa lahy mantsy no nanao tatitra tsara rehefa avy nijery taratra ny Tany Nampanantenaina. Nasain’i Jehovah notendren’i Mosesy handimby azy i Josoa tatỳ aoriana. (Nom. 27:18-23) Hoy i Jehovah tamin’i Josoa rehefa hitarika ny Israelita hiditra an’i Kanana izy: “Mahereza sy matanjaha. Aza mivadi-po na mihorohoro, fa momba anao i Jehovah Andriamanitrao na aiza na aiza alehanao.”—Jos. 1:9.

9. Ahoana no niheveran’i Rahaba an’i Jehovah sy ny vahoakany?

9 Nomba an’i Josoa foana i Jehovah Andriamanitra na taiza na taiza nalehany. Diniho izay nitranga rehefa nitoby teo akaikin’i Jeriko, tanàna kananita, ny Israelita. Naniraka lehilahy roa hijery taratra an’i Jeriko i Josoa tamin’ny 1473 T.K. Nihaona tamin’i Rahaba mpivaro-tena izy ireo tany. Nafenin’i Rahaba tany an-tampon-trano izy ireo, mba tsy ho voasambotr’ireo lehilahy nirahin’ny mpanjakan’i Jeriko. Hoy i Rahaba tamin’ireo iraka: ‘Fantatro fa homen’i Jehovah anareo ity tany ity. Renay mantsy ny fomba nandritan’i Jehovah ny ranon’ny Ranomasina Mena teo anoloanareo. Renay koa ny nanaovanareo ny mpanjaka roan’ny Amorita.’ Hoy koa izy: “I Jehovah Andriamanitrareo dia Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany.” (Jos. 2:9-11)  Nanohana ny fandaminan’Andriamanitra tamin’izany andro izany i Rahaba, ka narovan’i Jehovah izy sy ny fianakaviany rehefa nanafika an’i Jeriko ny Israelita. (Jos. 6:25) Nanam-pinoana i Rahaba, nanaja lalina an’i Jehovah, ary nanaja ny vahoakany.

VOALAMINA NY KRISTIANINA TAMIN’NY TAONJATO VOALOHANY

10. Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ny mpitondra fivavahana jiosy tamin’ny androny, ary nahoana?

10 Nandresy tsikelikely an’ireo tanàna tao Kanana ny Israelita notarihin’i Josoa, ary lasan’izy ireo ilay tany manontolo tamin’ny farany. Nandika matetika ny lalàn’Andriamanitra anefa ny Israelita tatỳ aoriana. Naharitra taonjato maro izany. Tena niharihary hoe tsy nankatò an’Andriamanitra izy ireo sady tsy nihaino ny olona nirahiny, rehefa nirahin’i Jehovah tetỳ an-tany ny Zanany. Nantsoin’i Jesosy hoe “mpamono ny mpaminany” àry i Jerosalema. (Vakio ny Matio 23:37, 38.) Nolavin’i Jehovah ireo mpitondra fivavahana jiosy satria nivadika taminy. Hoy àry i Jesosy tamin’izy ireo: “Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra voa mendrika an’ilay fanjakana no homena azy.”—Mat. 21:43.

11, 12. a) Inona no manaporofo fa fandaminana hafa indray no notahin’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany, fa tsy ny firenena jiosy intsony? b) Iza no anisan’ilay fandaminana vaovao ankasitrahan’Andriamanitra?

11 Nolavin’i Jehovah tsy ho vahoakany ny firenen’Israely tamin’ny taonjato voalohany. Mbola nisy mpanompony tsy nivadika anefa, izay nankatò an’i Jesosy sy ny fampianarany. Izy ireo indray no lasa anisan’ny fandaminan’i Jehovah. Tamin’ny Pentekosta taona 33 no niforona io fandaminana vaovao io, ary notahin’i Jehovah. Nivory tao Jerosalema ny mpianatr’i Jesosy 120 teo ho eo tamin’izay. “Nisy feo mafy tonga tampoka avy tany an-danitra toy ny rivotra mahery nifofofofo, ka nanenika ilay trano.” Avy eo dia “nisy lela maro toy ny afo niseho tamin’izy ireo, ary nizarazara ireny ka nisy iray avy nankeo ambonin’ny tsirairay. Ary samy feno fanahy masina izy rehetra, ka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka izay nampitenenan’ny fanahy azy.” (Asa. 2:1-4) Porofo tsy azo lavina iny zava-nitranga mampitolagaga iny hoe nanohana an’ilay fandaminana vaovao nisy an’ireo mpianatr’i Kristy i Jehovah.

12 “Niampy olona tokony ho telo arivo” ny mpanara-dia an’i Jesosy, tamin’iny andro tena nahafaly iny. “Nisy olona voavonjy nentin’i Jehovah isan’andro hanatevin-daharana azy ireo” koa. (Asa. 2:41, 47) Tena nisy vokany ny fitorian’ireo mpianatr’i Jesosy ireo. “Tsy nitsahatra niroborobo ny tenin’Andriamanitra, ka nihamaro be ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema.” Nisy “mpisorona maro be” aza “nanjary nanaiky ny finoana.” (Asa. 6:7) Maro tokoa ny olona tso-po nanaiky ny fahamarinana notorin’ireo anisan’ilay fandaminana vaovao. Navelan’i Jehovah ho anisan’ny fiangonana kristianina ny “hafa firenena” tatỳ aoriana, ka mbola nasehony tamin’izany fa nanohana an’ilay fandaminana izy.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 10:44, 45.

13. Inona no asa nataon’ilay fandaminana vaovao?

13 Nazava tsara ny asa nampanaovin’Andriamanitra ny mpanara-dia an’i Kristy. I Jesosy mihitsy no nanome modely. Nanomboka nitory momba “ny fanjakan’ny lanitra” mantsy izy, taoriana kelin’ny batisany. (Mat. 4:17) Nampianatra ny mpianany hanao io asa io izy, ary nilaza tamin’izy ireo hoe: “Ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.” (Asa. 1:8) Nahafantatra tsara an’izay notakin’Andriamanitra taminy ny Kristianina voalohany. Rehefa nisy Jiosy nanohitra an’i Paoly sy Barnabasy, ohatra, tany Antiokia, any Pisidia, dia hoy izy roa lahy: “Tsy maintsy notorina taminareo aloha ny tenin’Andriamanitra.  Koa satria lavinareo izany ka mihevitra ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay ianareo, dia hitodi-doha ho any amin’ny hafa firenena izahay. Fa nandidy anay tamin’izao teny izao i Jehovah: ‘Notendreko ho fahazavan’ny hafa firenena ianao, mba hamonjena ny olona hatrany amin’ny faran’ny tany.’ ” (Asa. 13:14, 45-47) Efa hatramin’ny taonjato voalohany ny fandaminan’i Jehovah no nanambara an’izay nataon’Andriamanitra mba hamonjena ny olombelona.

TAFAVOAKA VELONA NY MPANOMPON’ANDRIAMANITRA

14. Inona no nitranga tao Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany? Iza anefa no tafavoaka velona?

14 Tsy nanaiky ny vaovao tsara ny ankamaroan’ny Jiosy, ka nisy loza nanjo azy ireo. Efa nampitandrina ny mpianany i Jesosy hoe: “Rehefa hitanareo fa misy miaramila mitoby manodidina an’i Jerosalema, dia fantaro fa manakaiky ny fandravana azy. Koa izay any Jodia, aoka handositra any an-tendrombohitra, ary izay ao Jerosalema aoka hiala ao, ary izay eny ambanivohitra aoka tsy hiditra ao Jerosalema intsony.” (Lioka 21:20, 21) Tanteraka ny tenin’i Jesosy. Nikomy ny Jiosy, ka nitoby nanodidina an’i Jerosalema ny tafika romanina notarihin’i Cestius Gallus, tamin’ny taona 66. Niala tampoka anefa ireo tafika ireo, ka afaka niala tao Jerosalema sy Jodia ny mpanara-dia an’i Jesosy. Nilaza i Eusèbe mpahay tantara fa maro no niampita ny Reniranon’i Jordana ary nankany Pela, any Pere. Niverina indray ny tafika romanina notarihin’ny Jeneraly Titus, tamin’ny taona 70, ary nandrava an’i Jerosalema. Tafavoaka velona anefa ireo Kristianina tsy nivadika, satria nanaraka ny fampitandreman’i Jesosy.

15. Niroborobo foana ny fiangonana kristianina, na dia nisy inona aza?

15 Mbola maro ihany ny olona lasa Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, na dia teo aza ny fanenjehana sy ny fitsapana hafa. (Asa. 11:19-21; 19:1, 19, 20) Niroborobo ny fiangonana kristianina satria notahin’Andriamanitra.—Ohab. 10:22.

16. Inona no tsy maintsy nataon’ny Kristianina tsirairay mba hananany finoana matanjaka?

16 Tsy maintsy niezaka ny Kristianina tsirairay tamin’ny taonjato voalohany mba hanana finoana matanjaka. Nila nazoto nianatra ny Soratra Masina izy ireo, nivory tsy tapaka, ary nazoto nitory ilay Fanjakana. Nanampy azy ireo mba ho salama ara-panahy sy hiray saina izany, ary toy izany koa ankehitriny. Nisy anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana teo anivon’ireo fiangonana voalamina tsara. Vonon-kanampy izy ireny, ary nandray soa be tamin’ny asa mafy nataony ny mpiray finoana taminy. (Fil. 1:1; 1 Pet. 5:1-4) Azo inoana koa fa tena nahafinaritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra mpitety faritany, toa an’i Paoly. (Asa. 15:36, 40, 41) Mahavariana fa misy itovizany be amin’ny fomba nanompoana an’i Jehovah tamin’izany ny fomba anompoantsika azy ankehitriny. Tena faly isika fa nalamin’i Jehovah ny vahoakany, taloha sy ankehitriny! *

17. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Miaina amin’ny andro farany isika izao, ary ho ringana tsy ho ela ny tontolon’i Satana. Mandroso haingana noho ny hatramin’izay ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminan’i Jehovah. Miara-mandroso amin’izy io ve ianao? Mandroso ara-panahy ve ianao? Hanampy anao amin’izany ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 16 Jereo ireo lahatsoratra hoe “Mivavaka Amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana ny Kristianina” sy “Mandeha Araka ny Fahamarinana Hatrany Izy Ireo”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2002. Misy fanazavana amin’ny an-tsipiriany momba ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminan’i Jehovah koa ao amin’ilay boky hoe Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra.