Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Ny Haniko dia ny Manao ny Sitrapon’Andriamanitra’

‘Ny Haniko dia ny Manao ny Sitrapon’Andriamanitra’

Inona no mahafinaritra anao indrindra? Ny mifanerasera amin’ny olona ve, ohatra hoe miaraka amin’ny vadinao na ny namanao na ny mitaiza zanaka? Azo inoana fa tianao ny miara-misakafo amin’ny havana aman-tsakaiza. Mpanompon’i Jehovah anefa ianao, ka tsy hitanao hoe tena mahafinaritra ve ny manao ny sitrapony sy mianatra ny Teniny ary mitory ny vaovao tsara?

Nihira toy izao i Davida Mpanjaka rehefa nidera ny Mpamorona: “Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy, Andriamanitra ô, ary ato anatiko ny lalànao.” (Sal. 40:8) Tena nahafinaritra an’i Davida ny nanao ny sitrapon’Andriamanitra, na dia nanana olana maro sy niady saina matetika aza izy. Tsy izy irery anefa no faly nanompo an’Andriamanitra.

Nanonona ny Salamo 40:8 ny apostoly Paoly rehefa niresaka momba ny Mesia na i Kristy. Hoy izy: “Rehefa tonga teo amin’izao tontolo izao izy [Jesosy], dia nanao hoe: ‘Tsy tianao ny sorona sy ny fanatitra, fa nanomana vatana ho ahy ianao. Tsy nankasitrahanao koa ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra noho ny ota.’ Dia hoy aho: ‘Intỳ aho tonga mba hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô! Voasoratra ao amin’ny horonam-boky ny momba ahy.’ ”Heb. 10:5-7.

Tian’i Jesosy ny nandinika ny zavaboary sy niaraka tamin’ny namany ary niara-nisakafo tamin’olona. (Mat. 6:26-29; Jaona 2:1, 2; 12:1, 2) Ny nanao ny sitrapon’ny Rainy any an-danitra anefa no tena nahafinaritra azy. Hoy mihitsy izy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ilay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jaona 4:34; 6:38) Hitan’ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny ohatra navelany hoe izany no tena mahasambatra. Nazoto nitory ny hafatra momba ilay Fanjakana àry izy ireo, ary faly be nanao izany.Lioka 10:1, 8, 9, 17.

“ATAOVY MPIANATRA NY OLONA”

Nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe: ‘Mandehana ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo. Ary homba anareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.’ (Mat. 28:19, 20) Mila mitory amin’ny olona any amin’izay  toerana ahitana azy àry isika, sady mila miverina mitsidika an’izay liana sy mampianatra Baiboly azy. Tena mahafinaritra ny manao an’io asa io.

Ny fitiavana no mandrisika antsika hitory foana, na dia tsy miraharaha aza ny olona

Ny toe-tsaintsika no tena mahatonga antsika ho faly, na liana ny olona na tsia. Nahoana tokoa moa isika no mitory ny vaovao tsara foana na dia misy tsy miraharaha aza? Satria mampiseho ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona isika, rehefa mitory sy manao mpianatra. Mamonjy ny aintsika sy ny ain’ny mpiara-belona amintsika koa io asa io. (Ezek. 3:17-21; 1 Tim. 4:16) Andao isika handinika zavatra vitsivitsy nanampy ny mpitory hafa hazoto foana, na dia sarotra itoriana aza ny faritaniny.

MITADIAVA FOANA FOMBA ITORIANA

Misy vokany tsara matetika ny fametrahana fanontaniana mety tsara. Nahita lehilahy iray namaky gazety tao amin’ny zaridainam-panjakana i Amalia, indray maraina, ka nanontany izy raha nisy vaovao tsara tao. Namaly ilay lehilahy hoe tsy nisy, ka hoy i Amalia: “Misy vaovao tsara tiako horesahina aminao anefa. Momba ny Fanjakan’Andriamanitra ilay izy.” Nahaliana an’ilay lehilahy izany, ka nanaiky hianatra Baiboly izy. Nanomboka fampianarana Baiboly telo tao amin’io zaridaina io i Amalia.

Ataon’i Janice faritany itoriana koa ny toeram-piasany. Nahaliana ny mpiambina roa ny lahatsoratra iray tao amin’ny Tilikambo Fiambenana, ka nilaza i Janice fa hitondrany gazety izy ireo isaky ny misy vaovao. Izany koa no nolazainy tamin’ny mpiara-miasa taminy iray, rehefa hitany fa nahavariana be azy io ny loha hevitra samihafa ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Nangataka gazety koa ny mpiara-miasa taminy iray rehefa nahita izany. Hoy i Janice: “Tena notahin’i Jehovah aho!” Lasa 11 ny olona fanaterany gazety tao am-piasany.

MANÀNA FIKIRIZANA

Nilaza ny mpiandraikitra mpitety faritany iray hoe rehefa mitory isan-trano isika ka handao ny olona iray, dia tsy tokony hilaza fotsiny hoe mbola hiverina amin’ny manaraka. Tsara kokoa, hoy izy, ny milaza hoe: “Tianao ve raha asehoko anao ny fomba fampianaranay Baiboly?”, na hoe: “Rahoviana ary amin’ny firy no tianao hiverenako mba hanohizantsika ny resaka?” Nilaza ilay mpiandraikitra fa nanaraka an’io soso-kevitra io ny fiangonana iray notsidihiny, ka nanomboka fampianarana Baiboly 44 tao anatin’ny herinandro.

Tsara ny mitsidika haingana ny olona. Azo atao izany na dia andro vitsivitsy aorian’ny fitoriana aza. Mety hisy vokany tsara izany, satria hita amin’izany hoe tena te hanampy an’ireo olona tso-po mba hahazo izay lazain’ny Baiboly isika. Hoy ny vehivavy iray rehefa nanontaniana hoe nahoana izy no nanaiky hianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona: “Hitako hoe tena niahy ahy sy tia ahy ry zareo.”

Afaka manontany an’ilay olona ianao hoe: “Tianao ve raha asehoko anao ny fomba fampianaranay Baiboly?”

 Nanomboka fampianarana Baiboly 15 i Madaí, taoriana kelin’ny nanatrehany ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana, ary namindra mpianatra 5. Nanomboka nivory tsy tapaka ny mpianany maromaro. Inona no nanampy an’i Madaí hahazo mpianatra be dia be? Nantitranterina tamin’ilay sekoly hoe ilaina ny miverimberina any amin’ilay olona liana, mandra-pahita azy. Hoy koa ny anabavy iray nanampy olona maro hianatra ny fahamarinana: “Hitako hoe ilaina ny manana fikirizana rehefa miverina mitsidika, raha tianao ny hanampy ny olona hahalala an’i Jehovah.”

Hita hoe tena te hanampy ny olona mba hahazo izay lazain’ny Baiboly isika raha miverina mitsidika haingana any aminy

Mitaky ezaka be tokoa ny miverina mitsidika sy mampianatra Baiboly. Ahazoana valisoa lehibe anefa izany. Raha miezaka mafy isika mitory ilay Fanjakana, dia ho afaka hanampy ny olona ‘hanana fahalalana marina tsara ny fahamarinana’, ary mety ho voavonjy izy ireo. (1 Tim. 2:3, 4) Isika kosa tena ho faly sy ho afa-po!