Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miaraha Mandroso Amin’ny Fandaminan’i Jehovah

Miaraha Mandroso Amin’ny Fandaminan’i Jehovah

Ny mason’i jehovah mitsinjo ny olo-marina.1 PET. 3:12.

1. Iza no lasa fandaminan’i Jehovah rehefa nivadi-pinoana ny firenen’Israely? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

MANOMPO an’i Jehovah araka izay takiny ny vahoakany ankehitriny. Ny firenen’Israely no vahoaka voafidin’Andriamanitra tamin’ny lasa, nefa nivadi-pinoana izy ireo. Ny mpanara-dia an’i Kristy indray àry no nofidin’i Jehovah mba ho vahoakany. Izy ireo no lasa fandaminany. Tena nankasitrahany io fandaminana vaovao io, ka tsy rava rehefa noravana i Jerosalema tamin’ny taona 70. (Lioka 21:20, 21) Toy izay nitranga tamin’ny taonjato voalohany no hitranga amin’ny andro farany. (2 Tim. 3:1) Horavana tsy ho ela ny tontolon’i Satana, fa mbola ho eo foana ny fandaminan’i Jehovah. Nahoana isika no matoky an’izany?

2. Inona no nolazain’i Jesosy momba ny “fahoriana lehibe”, ary inona no hitranga rehefa manomboka izy io?

2 Nilaza izay hitranga mandritra ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity i Jesosy. Hoy izy: “Hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.” (Mat. 24:3, 21) Hanomboka io fahoriana lehibe io rehefa horinganin’ i Jehovah i “Babylona Lehibe”, izany hoe ny fivavahan-diso rehetra. Ny fitondram-panjakan’olombelona no hampiasainy hanao izany. (Apok. 17:3-5, 16) Inona no hitranga aorian’izay?

HANAFIKA I SATANA KA HIPOAKA NY HARA-MAGEDONA

3. Inona no hitranga amin’ny vahoakan’i Jehovah, rehefa ringana ny fivavahan-diso?

3 Hanafika ny mpanompon’i Jehovah i Satana sy ny tontolony, rehefa ringana ny fivavahan-diso. (1 Jaona 5:19) Hoy ny Baiboly momba izay hataon’i “Goga avy any amin’ny tany Magoga”: “Tsy maintsy hiakatra ianao ka ho avy toy ny oram-baratra. Ho toy ny rahona handrakotra an’ilay tany ianao sy ny miaramilanao rehetra ary ny firenena maro miaraka aminao.” Ho toy ny hoe mora tafihina ny Vavolombelon’i Jehovah, satria tsy manana tafika sady tena tia fihavanana. Ho diso tetika anefa izay manafika azy ireo.—Ezek. 38:1, 2, 9-12.

4, 5. Inona no hataon’i Jehovah rehefa hanafika ny vahoakany i Satana?

4 Ahoana no hataon’Andriamanitra rehefa mitady handripaka ny vahoakany i Satana? Izy no Mpanjakan’izao Rehetra Izao, ka hampiasa ny fahefany izy mba hamonjena ny vahoakany. Heverin’i Jehovah ho toy ny manafika azy izay manafika ny vahoakany. (Vakio ny Zakaria 2:8.) Hanao zavatra avy hatrany àry ilay Raintsika any an-danitra mba hamonjena antsika. Horinganina ny tontolon’i Satana amin’ny farany, izany hoe mandritra ny Hara-magedona, dia ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.”—Apok. 16:14, 16.

5 Hoy ny Baiboly momba ny Hara-magedona: “ ‘Hifandahatra amin’ireo firenena i Jehovah. Izy mihitsy no hifandresy lahatra amin’ny nofo rehetra, ka hatolony ho amin’ny sabatra ny ratsy fanahy’, hoy i Jehovah. Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Hisy loza hitety firenena, ary hisy tafio-drivotra mahery hifofofofo avy any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany. Ary hiampatrampatra hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ka hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ny voavonon’i Jehovah, amin’izany andro izany. Tsy hitomaniana na hangonina na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin’ny tany.’ ” (Jer. 25:31-33) Ho ringana ny tontolon’i Satana amin’ny Hara-magedona. Mbola ho eo kosa ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminan’i Jehovah.

NAHOANA NO MIROBOROBO NY FANDAMINAN’I JEHOVAH?

6, 7. a) Avy aiza ny “vahoaka be”? b) Inona no fitomboana hita tato ho ato?

6 Miroborobo foana ny fandaminan’i Jehovah, satria ankasitrahan’Andriamanitra ireo olona anisan’izy io. Manome toky ny Baiboly hoe: “Ny mason’i Jehovah mitsinjo ny olo-marina, ary ny sofiny mihaino ny fitalahoany.” (1 Pet. 3:12) Anisan’ireo olo-marina ireo ny “vahoaka be” izay ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe.” (Apok. 7:9, 14) Tsy “vahoaka” fotsiny no voalaza eo fa “vahoaka be” na olona be dia be. Eritrereto ange hoe anisan’izy ireo ianao e! Hanao ahoana ny fihetseham-ponao?

7 Avy amin’ny firenena rehetra ny vahoaka be. Ahoana no anangonana azy ireo? Amin’ny alalan’ny fitoriana. Efa naminany i Jesosy hoe: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Mat. 24:14) Io asa fitoriana io no tena ifantohan’ny fandaminan’Andriamanitra ankehitriny. Nianatra nivavaka tamin’i  Jehovah “araka ny fanahy sy ny fahamarinana” ny olona an-tapitrisany, noho ny fitoriana sy fampianarana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. (Jaona 4:23, 24) Olona 2 707 000 mahery, ohatra, no nanokan-tena ho an’i Jehovah ka natao batisa, nandritra ny taom-panompoana 2003 ka hatramin’ny 2012. Misy Vavolombelon’i Jehovah 7 900 000 mahery izao eran-tany. Olona an-tapitrisany koa no miara-mivory amin’izy ireo, indrindra amin’ny Fahatsiarovana isan-taona. Mahafaly tokoa ny mahita fa mitombo isan-taona ny vahoaka be. Tsy mirehareha noho ireny isa ireny isika, satria ‘Andriamanitra no tsy mitsahatra mampitombo.’—1 Kor. 3:5-7.

8. Nahoana no misy fitomboana miavaka eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah ankehitriny?

8 Tohanan’i Jehovah ireo Vavolombelony, ary izany no mahatonga an’ilay fitomboana miavaka ankehitriny. (Vakio ny Isaia 43:10-12.) Efa voalaza mialoha io fitomboana io araka ny Isaia 60:22, manao hoe: “Ny vitsy ho lasa arivo, ary ny kely ho lasa firenena mahery. Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoanany.” “Vitsy” ny sisa voahosotra taloha, nefa nitombo ny isany rehefa nisy voahosotra hafa lasa anisan’ny fandaminan’i Jehovah. (Gal. 6:16) Nangonina koa ny vahoaka be tatỳ aoriana, ary mitombo foana ny isan’ny mpanompon’i Jehovah, noho ny fitahiany.

INONA NO TAKIN’I JEHOVAH AMINTSIKA?

9. Inona no tsy maintsy ataontsika, raha te hahazo an’ireo fitahiana amin’ny hoavy isika?

9 Afaka manantena an’ilay hoavy tena tsara ampanantenain’ny Tenin’Andriamanitra isika, na voahosotra na anisan’ny vahoaka be. Mila manao izay takin’i Jehovah amintsika anefa isika, raha te hahazo an’izany fitahiana izany. (Isaia 48:17, 18) Nasaina nankatò ny Lalàn’i Mosesy, ohatra, ny Israelita. Natao hiarovana azy ireo io Lalàna io, izay mirakitra fitsipika mahasoa momba ny firaisana, ny varotra, ny fitaizana, ny fifandraisana amin’olona, ary ny maro hafa. (Eks. 20:14; Lev. 19:18, 35-37; Deot. 6:6-9) Mahasoa antsika koa ny didin’Andriamanitra ankehitriny, ary tsy sarotra loatra ny mankatò azy. (Vakio ny 1 Jaona 5:3.) Ho voaro sy “hatanjaka amin’ny finoana” isika, raha manaraka ny lalàn’i Jehovah sy ny toro lalany.—Tit. 1:13.

10. Nahoana isika no tokony hanokana fotoana hianarana ny Baiboly sy hanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana isan-kerinandro?

10 Mandroso foana ny fandaminan’Andriamanitra, ary maro ny fomba isehoan’izany. Mihamazava hatrany, ohatra, ny fahazoantsika ny fahamarinana. Efa nilaza mantsy ny Baiboly hoe: ‘Ny lalan’ny marina dia tahaka ny hazavan’ny maraina izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.’ (Ohab. 4:18) Mila mieritreritra anefa isika hoe: ‘Maharaka ny fanazavana farany momba ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ve aho? Mamaky Baiboly isan’andro ve aho? Mazoto mamaky ny zavatra rehetra avoakan’ny fandaminana ve aho? Manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana ve izaho sy ny ankohonako isan-kerinandro?’ Manaiky ny ankamaroantsika fa tsy sarotra loatra ny manao an’ireo zavatra ireo. Mila manokana fotoana fotsiny isika. Tadidio fa tena ilaina ny miezaka hahalala tsara ny Soratra Masina, sy mampihatra izay ianarana, ary miara-mandroso amin’ny fandaminana, indrindra fa amin’izao fahoriana lehibe efa akaiky izao.

11. Nahoana no mahasoa toa an’ireo fety fahiny ny fivoriana sy fivoriambe ankehitriny?

11 Tena mitady izay hahasoa antsika ny fandaminan’i Jehovah, matoa mampirisika antsika hanaraka an’ilay torohevitry ny apostoly  Paoly hoe: ‘Aoka isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa, indrindra fa hitanareo hoe manakaiky ny andro.’ (Heb. 10:24, 25) Nanatanjaka ny finoan’ny Israelita ireo fety fanao isan-taona sy ny fivoriana hafa mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Nahafaly koa ireny fety ireny, toy ilay Fetin’ny Trano Rantsankazo tamin’ny andron’i Nehemia, izay tena niavaka. (Eks. 23:15, 16; Neh. 8:9-18) Tsy misy hafa amin’izany fa mahasoa antsika ny fivoriana sy ny fivoriambe. Atreho àry ireny fotoam-pivoriana rehetra ireny, satria manatanjaka finoana sady mahafaly.—Tit. 2:2.

12. Inona no tokony ho tsapantsika, noho isika mitory ilay Fanjakana?

12 Mitory koa ireo anisan’ny fandaminan’i Jehovah. Faly isika manao an’io “asa masina momba ny vaovao tsaran’Andriamanitra” io. (Rom. 15:16) ‘Miara-miasa’ amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra “Masina”, isika rehefa manao an’io asa io. (1 Kor. 3:9; 1 Pet. 1:15) Mandray anjara amin’ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra koa isika rehefa mitory ny vaovao tsara. Voninahitra lehibe ho antsika àry ny mitory “ny vaovao tsara be voninahitr’ilay Andriamanitra falifaly.”—1 Tim. 1:11.

13. Inona no tokony hataontsika, raha te hanana finoana matanjaka sy ho velona foana isika?

13 Tian’Andriamanitra hanana finoana matanjaka foana isika, ka asainy mifikitra aminy sy manohana ny fandaminany amin’ireo zavatra samihafa ataony. Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita: “Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona hiampanga anareo, fa efa nataoko teo anatrehanareo tokoa ny fiainana sy ny fahafatesana, ary ny fitahiana sy ny ozona. Koa mifidiana ny fiainana mba ho velona ianao sy ny taranakao, ka tiavo i Jehovah Andriamanitrao, henoy ny feony, ary mifikira aminy. Fa izy no manome anao fiainana sy andro maro, mba honenanao eo amin’ilay tany nianianan’i Jehovah homena an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao.” (Deot. 30:19, 20) Ilaintsika àry ny manao ny sitrapon’i Jehovah, tia azy, mihaino sy mankatò ny feony, ary mifikitra aminy, raha te ho velona foana isika.

14. Ahoana no fiheveran’ny rahalahy iray ny fandaminan’i Jehovah?

14 Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy ny Rahalahy Pryce Hughes, ary niara-nandroso tamin’ny fandaminany foana. Hoy izy: ‘Tena faly aho hoe nahalala ny fikasan’i Jehovah, taloha kelin’ny 1914. Anisan’ny zava-dehibe indrindra amiko ny mifandray akaiky foana amin’ny fandaminan’i Jehovah. Hitako tamin’ny zavatra niainako fa tsy fahendrena ny mitoky amin’ny hevitr’olombelona. Tapa-kevitra aho nanomboka teo fa tsy hiala amin’ny fandaminan’i Jehovah. Izany ihany no hahazoana sitraka amin’i Jehovah sy hahazoana ny fitahiany.’

MIARAHA MANDROSO AMIN’NY FANDAMINAN’I JEHOVAH FOANA

15. Inona no tokony hataontsika rehefa ahitsy ny fahazoantsika an’izay voalazan’ny Baiboly? Inona no ohatra mampiseho izany?

15 Tsy maintsy manohana ny fandaminan’i Jehovah isika, raha te hahazo sitraka aminy sy hotahiny. Mila manaiky koa isika rehefa ahitsin’ny fandaminana ny fahazoantsika an’izay voalazan’ny Baiboly. Nisy Kristianina jiosy an’arivony, ohatra, mbola nazoto nitandrina ny Lalàna, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Sarotra tamin’izy ireo ny niala  tamin’izany. (Asa. 21:17-20) Nanampy azy ireo anefa ny taratasin’i Paoly ho an’ny Hebreo. Lasa neken’izy ireo fa tsy ny sorona “natolotra araka ny Lalàna” no nanamasinana azy, fa ny “nanolorana ny vatan’i Jesosy Kristy indray mandeha monja.” (Heb. 10:5-10) Azo inoana fa nanaiky torohevitra ny ankamaroan’ireo Kristianina jiosy ireo, ka nanitsy ny fomba fisainany. Mila mazoto mianatra koa isika ary vonona hanova ny fisainantsika, rehefa ahitsy ny fahazoantsika an’izay voalazan’ny Baiboly na misy fanovana mifandray amin’ny asa fitoriana.

16. a) Nahoana ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao no tena hahafinaritra? b) Inona no tena tianao amin’ireo zavatra hitranga ao amin’ny tontolo vaovao?

16 Hotahin’i Jehovah foana izay tsy mivadika aminy sy amin’ny fandaminany. Hahazo tombontsoa lehibe ireo voahosotra tsy mivadika, satria hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. (Rom. 8:16, 17) Hiaina ao amin’ny Paradisa kosa ireo manantena hiaina mandrakizay eto an-tany. Tena mahafaly antsika vahoakan’i Jehovah ny miresaka amin’ny hafa momba ny tontolo vaovao. (2 Pet. 3:13) Alao sary an-tsaina ange ny fiainana amin’izany e! Hoy ny Baiboly: ‘Ny mpandefitra no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.’ (Sal. 37:11) “Hanao trano ny olona ka honina ao”, ary hifaly amin’ny “asan’ny tanany” izy. (Isaia 65:21, 22) Tsy hisy intsony ny fampahoriana sy ny fahantrana ary ny mosary. (Sal. 72:13-16) Tsy hamitaka olona intsony i Babylona Lehibe satria tsy ho eo intsony. (Apok. 18:8, 21) Hatsangana ny maty ary ho afaka hiaina mandrakizay. (Isaia 25:8; Asa. 24:15) Hoavy tena tsara tokoa no miandry an’ireo olona an-tapitrisany nanokan-tena ho an’i Jehovah! Hahazo an’ireo fitahiana ireo ianao, raha miezaka mifandray tsara amin’i Jehovah foana sady miara-mandroso amin’ny fandaminany.

Alao sary an-tsaina ny tenanao ao amin’ny Paradisa (Fehintsoratra 16)

17. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

17 Tena efa akaiky ny faran’ity tontolo ity. Aoka àry isika hanana finoana matanjaka foana sy hankasitraka lalina ny fandaharana ataon’i Jehovah mba hanompoantsika azy. Izany no tsapan’i Davida mpanao salamo, ka nihira izy hoe: “Zavatra iray monja no angatahiko amin’i Jehovah, eny, izay ihany no hotadiaviko, dia ny honina ao an-tranon’i Jehovah mandritra ny androm-piainako. Amin’izay aho dia hahita ny hatsaran’i Jehovah sy ho finaritra hijery ny tempoliny.” (Sal. 27:4) Aoka àry isika hifikitra amin’i Jehovah sy hiara-mandroso foana amin’ny fandaminany.