Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TANTARAM-PIAINANA

Tena Nanampy Ahy i Jehovah

Tena Nanampy Ahy i Jehovah

Mpivady vao izahay sy Evelyn tamin’ny 1957. Vao maraina ny andro tamin’izay ary nangatsiaka be. Niala lamasinina tao Hornepayne izahay. Tanàna ambanivohitra izy io, ary any amin’ny faritra avaratr’i Ontario, eto Kanada. Notsenain’ny rahalahy iray izahay, ary niara-nisakafo maraina tamin’izy mivady sy ny zanany. Namakivaky lanezy izahay avy eo mba hitory isan-trano. Ny tolakandron’io aho no nanao ny lahateny ho an’ny besinimaro voalohany, taorian’ny nanendrena ahy ho mpiandraikitra ny faritra. Izahay dimy ihany no nanatrika.

TSY nampaninona ahy na dia vitsy aza ny mpanatrika. Saro-kenatra be mantsy aho. Niafina foana aho tamin’ny mbola kely, rehefa nisy vahiny tonga tao an-trano, ary na dia fantatro aza izy ireo.

Gaga angamba ianareo raha ilazako fa matetika aho no voatery nifanerasera tamin’ny olona maro, rehefa nanao ny andraikitro teo anivon’ny fandaminana. Namako ny sasany, fa ny hafa tsy fantatro. Mbola saro-kenatra sy tsy matoky tena anefa aho, ka tsy afaka mirehareha na dia nahomby tamin’ireny andraikitra ireny aza. Tena marina ilay fampanantenan’i Jehovah hoe: “Hanatanjaka anao aho ka hanampy anao. Hihazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako feno fahamarinana.” (Isaia 41:10) Anisan’ny tena nampiasain’i Jehovah hanampy ahy ny mpiara-manompo ary nanohana ahy foana. Horesahiko aminareo ny sasany aminy, ka hatomboko hatramin’ny fahazazako ny tantara.

NAMPIASA BAIBOLY SY KARINE MAINTY IZY

Tao amin’ny toeram-piompian’ny fianakavianay, any amin’ny faritra atsimoandrefan’i Ontario

Tonga tao amin’ny toeram-piompianay tany amin’ny faritra atsimoandrefan’i Ontario i Elsie Huntingford,  indray alahady maraina, taoriana kelin’ny 1940. I Neny no nanokatra varavarana. Izaho sy Dada kosa saro-kenatra ka nihaino avy tao an-trano. Nihevitra i Dada hoe mpivarotra ilay anabavy ary natahorany hividy zavatra tsy ilaina i Neny, ka nankeo am-baravarana ihany izy ary nilaza fa tsy hividy izahay. Hoy ny Ranabavy Huntingford: “Tsy te hianatra Baiboly ve ianareo?” Namaly i Dada hoe: “Raha izany indray dia tianay ka!”

Tonga tamin’ny fotoana nety ilay anabavy. Vao niala tao amin’ny Fiangonana Mitambatra teto Kanada mantsy i Dada sy Neny, nefa mpivavaka be tao. Nanao lisitr’ireo nanome rakitra ny mpitondra fivavahana tao, ary nataony peta-drindrina tao am-piangonana izany. Nalahany arakaraka izay nanome vola be indrindra ny anarana. Sahirankirana anefa i Dada sy Neny, ka matetika no tany amin’ny faramparan’ny lisitra ny anarany. Noteren’ny lohandohany tao am-piangonana mba hanome betsaka kokoa izy ireo. Niaiky koa ny mpitondra fivavahana iray tao fa nanaiky hampianatra zavatra tsy tena ninoany izy satria tsy te hiala tamin’ny asany. Niala tao amin’io fiangonana io àry izahay, nefa mbola nitady fomba ifandraisana tamin’Andriamanitra.

Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Kanada tamin’izany, ka Baiboly sy karine mainty misy fanazavana vitsivitsy no nampiasain’ny Ranabavy Huntingford rehefa nampianatra anay. Nitondrany boky ara-baiboly izahay tatỳ aoriana, rehefa fantany fa tsy hitory azy any amin’ny manam-pahefana. Nafeninay tsara ireny boky ireny isaky ny avy nianatra izahay. *

Fitoriana isan-trano no nahalalan’i Dada sy Neny ny fahamarinana. Natao batisa izy ireo tamin’ny 1948

Nazoto nitory ny Ranabavy Huntingford, na teo aza ny fanoherana sy ny olana hafa. Nampiaiky ahy izany ka nanaraka ny fahamarinana aho. Nanokan-tena ho an’i Jehovah aho ary natao batisa tao anaty tavy vy lehibe fisotroan’ny biby rano, tamin’izaho 17 taona. Tamin’ny 27 Febroary 1949 izany, herintaona taorian’ny batisan’i Dada sy Neny. Tapa-kevitra ny hanompo manontolo andro aho, taorian’izay.

NANAMPY AHY HO BE HERIM-PO I JEHOVAH

Tsy nampoiziko fa nasaina hiasa teto amin’ny Betela aho tamin’ny 1952

Tsy sahy nanao mpisava lalana avy hatrany aho. Nieritreritra aho fa nila vola hanaovako  an’izany, ka niasa tany amin’ny banky sy tany amin’ny birao iray aho aloha. Tonga dia laniko anefa izay vola azoko, satria mbola tanora loatra aho ka tsy nahay nitantam-bola. Nampirisika ahy ny Rahalahy Ted Sargent mba ho be herim-po sy hitoky amin’i Jehovah. (1 Tan. 28:10) Nirotsaka ho mpisava lalana àry aho tamin’ny Novambra 1951. Tsy nanana afa-tsy vola 40 dolara sy bisikileta efa niasa ary kitapo vaovao iray aho. Nomen’i Jehovah ahy foana anefa izay nilaiko. Tena faly aho fa nampirisika ahy ho mpisava lalana i Ted. Nahazo fitahiana hafa aho, vokatr’izany.

Nitelefaonina ahy ny biraon’ny sampan’i Kanada tany Toronto, indray hariva tamin’ny faramparan’ny Aogositra 1952. Nasaina hanompo tany aho nanomboka ny volana Septambra. Saro-kenatra aho ary mbola tsy tany mihitsy, nefa nazoto be satria nilaza tamiko ny mpisava lalana hafa hoe mahafinaritra be ny Betela. Vao tonga aho dia tamana!

“ASEHOY FA MIAHY AZY IREO IANAO”

Nandimby an’i Bill Yacos aho ka lasa mpikarakara fiangonana (anti-panahy mpandrindra) tao Toronto, roa taona taorian’ny nahatongavako tao amin’ny Betela. * Vao 23 taona aho ary nihevi-tena ho tambanivohitra kely tsy ampy traikefa. Be fitiavana sy nanetry tena anefa ny Rahalahy Yacos, ka nanoro ahy an’izay tokony hatao. Tena nanampy ahy koa i Jehovah.

Tia olona ny Rahalahy Yacos ary fonentana sy mitsikitsiky lava. Tia an’ireo rahalahy izy sady tian’izy ireo. Namangy azy ireo matetika izy, fa tsy tamin’izy ireo nanana olana ihany. Nampirisika ahy izy mba hanao toy izany sy hiara-manompo amin’ireo rahalahy sy anabavy. Hoy izy: “Asehoy fa miahy azy ireo ianao. Hanarona fahadisoana maro izany.”

TSY NIVADIKA MIHITSY NY VADIKO

Nomen’i Jehovah fanampiana hafakely aho, tamin’ny Janoary 1957. Tamin’izay aho no nanambady an’i Evelyn, izay anisan’ny kilasy faha-14 amin’ny Sekolin’i Gileada. Nanompo tao Québec, faritra miteny frantsay, izy talohan’ny mariazinay. Ny Eglizy Katolika no tena nifehy an’i Québec tamin’izany. Tena sarotra tamin’i Evelyn ny nanompo tao, nefa tsy niala tao izy sady tsy nivadika tamin’i Jehovah.

Mariazinay sy Evelyn, tamin’ny 1957

Tsy nivadika tamiko koa izy. (Efes. 5:31) Mafy ny nanjo azy raha vao nivady izahay. Nasain’ny sampana hanatrika fivoriana herinandro teto amin’ny Betelan’i Kanada mantsy aho, ny ampitson’ny mariazinay. Izahay anefa efa nikasa ho any Floride, any Etazonia. Voahelingelina ny fikasanay, nefa vonona hanao izay asain’i Jehovah atao izahay. Tsy nanao volan-tantely indray àry izahay. Nanompo teny akaikin’ny sampana i Evelyn tamin’io herinandro io. Tena tsy toy ny tany Québec ny faritany, nefa niaritra izy.

Tsy nampoiziko fa voatendry ho mpiandraikitra ny faritra tany amin’ny faritra avaratr’i Ontario aho, rehefa nifarana ilay herinandro. Vao nampaka-bady aho, ary 25 taona monja sady tena tsy ampy traikefa. Natoky an’i Jehovah anefa izahay ka nandeha. Ririnina be tamin’izay. Nandeha  lamasinina nandritra ny alina izahay, ary tafaraka tamin’ny mpiandraikitra mpitety faritany za-draharaha hiverina any amin’ny faritaniny. Nampahery be ry zareo! Nisy rahalahy iray aza nisisika hanome anay ny toerana efa nofandrihany ho azy tao amin’ny vagao misy fandriana. Amin’izay izahay tsy voatery mipetraka ao amin’ny vagao tsotra mandritra ny alina. Nitsidika an’i Hornepayne izahay ny ampitson’iny, araka ilay notantaraiko terỳ aloha. Tapa-bolana taorian’ny mariazinay izany.

Nisy fiovana hafa koa tamin’izahay nanao ny asan’ny vondrom-paritra. Nasaina nanatrika ny kilasy faha-36 tamin’ny Sekolin’i Gileada aho, tamin’ny faramparan’ny taona 1960. Naharitra folo volana izy io ary nanomboka ny Febroary 1961 tany Brooklyn, any New York. Faly be aho nefa nalahelo koa satria tsy voantso i Evelyn. Toy ny vadin’ny rahalahy hafa nahazo fanasana, dia nasaina nanoratra izy hoe tsy mampaninona azy ny hisaraka amiko folo volana, fara fahakeliny. Nitomany i Evelyn, nefa samy nanaiky izahay fa tokony hanatrika an’ilay sekoly aho. Faly izy fa hahazo fiofanana sarobidy aho any Gileada.

Nanompo tao amin’ny sampan’i Kanada i Evelyn tamin’izaho tsy teo. Nanana tombontsoa hiray efitra tamin’i Margaret Lovell, anabavy voahosotra, izy. Nalahelo be azy aho, ary izy koa nalahelo be ahy. Nampian’i Jehovah anefa izahay ka nahavita ny asa nanendreny anay. Vonona hamoy ny fotoana tokony hiarahanay i Evelyn, mba ho azon’i Jehovah sy ny fandaminany ampiasaina kokoa izahay. Tena nanohina ny foko izany.

Nahazo fanasana manokana avy tamin’ny Rahalahy Nathan Knorr aho, telo volana taorian’ny nanombohan’ny sekoly. Izy no nitarika ny asan’ny vahoakan’i Jehovah eran-tany tamin’izany. Nanontany ahy izy raha tiako ny hody teto Kanada mba hampianatra amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, tato amin’ny sampana. Nilaza izy fa tsy voatery hanaiky aho. Afaka mamita ny Sekolin’i Gileada aho ary mety ho voatendry ho misionera. Nilaza koa izy fa mety tsy hasaina hanao ny Sekolin’i Gileada intsony aho, raha manaiky hiverina eto Kanada, sady mety tsy ho voatazona ato amin’ny Betela. Nasainy niresaka tamin’ny vadiko aho vao manapa-kevitra.

Efa nolazain’i Evelyn tamiko ny fiheverany ny fanendrena avy amin’ny fandaminana, ka tonga dia namaly aho hoe: “Faly foana izahay manao izay asain’ny fandaminan’i Jehovah ataonay, na inona izany na inona.” Manana ny zavatra tianay manokana izahay, nefa nino foana fa tokony hankany amin’izay asain’ny fandaminan’i Jehovah halehanay.

Niala tao Brooklyn àry aho ny Aprily 1961, ary nody teto Kanada mba hampianatra tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana. Lasa mpianakavin’ny Betela izahay mivady tatỳ aoriana.  Tsy nampoiziko fa nasaina hanatrika ny Sekolin’i Gileada kilasy faha-40 aho, ary hanomboka ny taona 1965 izany. Tsy maintsy nanoratra indray i Evelyn hoe nanaiky hisaraka tamiko. Faly be anefa izahay fa nasaina hanatrika an’ilay sekoly koa izy, herinandro vitsivitsy taorian’izay.

Nilaza ny Rahalahy Knorr rehefa tonga tany izahay, fa halefa any Afrika izay misionera mianatra teny frantsay toa anay. Teto Kanada anefa no nanendrena anay, tamin’ny fizarana diplaoma. Notendrena ho mpiandraikitra ny sampana (mpandrindra ny Komitin’ny Sampana) aho. Vao 34 taona aho, ka hoy aho tamin’ny Rahalahy Knorr: “Mbola kely ange aho e!” Nanome toky ahy anefa izy. Efa hatramin’ny voalohany aho no zatra nanontany ny rahalahy manana traikefa sy zokiko teto amin’ny Betela, isaky ny handray fanapahan-kevitra lehibe.

SADY NIANATRA NO NAMPIANATRA

Faly aho fa niana-javatra tamin’ny Betelita hafa. Anisan’izany ireo rahalahy anisan’ny Komitin’ny Sampana, izay tena hajaiko sy ankasitrahako. Maro koa ny rahalahy sy anabavy, tanora sy antitra, nihaona tamiko teto amin’ny Betela sy tany amin’ny fiangonana notsidihinay. Nahasoa ahy ny nifanerasera tamin’ireny mpiray finoana mahafinaritra ireny.

Mitarika fotoam-pivavahana maraina eto amin’ny Betelan’i Kanada

Afaka nampianatra ny hafa koa aho teto, ka nanatanjaka ny finoan’izy ireo. Hoy ny apostoly Paoly tamin’i Timoty: “Mahareta amin’ny zavatra nianaranao.” Hoy koa izy: “Izay renao tamiko sady nohamafisin’ny vavolombelona maro, dia atolory an’ireo lehilahy mendri-pitokisana, izay hahay hampianatra ny hafa kosa avy eo.” (2 Tim. 2:2; 3:14) Manontany ahy indraindray ny mpiara-manompo hoe inona no lesona nianarako tao anatin’izay 57 taona nanompoako teto amin’ny Betela izay. Tsotra ny valiny: “Ataovy an-tsitrapo sy tsy misy hataka andro izay asain’ny fandaminana ataonao, ary miantehera amin’i Jehovah.”

Toy ny vao omaly aho no tonga teto amin’ny Betela. Tovolahy saro-kenatra sy tsy ampy traikefa aho tamin’izany. ‘Nitantana ahy tamin’ny tanako ankavanana’ foana anefa i Jehovah. Manome toky ahy foana izy hoe: “Aza matahotra fa hanampy anao aho.” (Isaia 41:13) Tena tsapako izany rehefa tsara fanahy amiko ny mpiara-manompo sady manampy ahy amin’ny fotoana ilako azy.

^ feh. 10 Afaka ilay fandrarana tamin’ny 22 Mey 1945.

^ feh. 16 Tao amin’ny toeram-piompian’ny fianakavianay, any amin’ny faritra atsimoandrefan’i Ontario