Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Novakinao tsara ve ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly an’ireto fanontaniana ireto:

Taiza ho aiza tamin’ny 14 Nisana no tokony hamonoana ny zanak’ondrin’ny Paska?

Milaza ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany hoe “eo anelanelan’ny takariva roa”, izany hoe amin’ny somambisamby na amin’ny hariva, aorian’ny filentehan’ny masoandro nefa amin’ilay mbola misy hazavana iny. (Eks. 12:6)—15/12, pejy 18-19.

Inona no toro lalan’ny Baiboly hanampy ny tanora hanao safidy tsara?

Ireto avy izany: 1) Katsaho aloha ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany. (Mat. 6:19-34) 2) Mahasambatra ny manampy olona. (Asa. 20:35) 3) Manompoa an’i Jehovah dieny mbola tanora. (Mpito. 12:1)—15/1, pejy 19-20.

Iza ireo mpitaingin-tsoavaly efatra nihazakazaka nanomboka tamin’ny 1914?

I Jesosy ilay mitaingina soavaly fotsy, ary nandroaka an’i Satana sy ny demonia avy tany an-danitra izy. Ilay mpitaingina soavaly mena indray mifanitsy amin’ny ady mampijaly ny olombelona. Ilay mpitaingina soavaly mainty mifanitsy amin’ny mosary. Mahatonga areti-mandringana kosa ilay mpitaingina soavaly hatsatra, ka mamono olona an-tapitrisany. (Apok. 6:2-8)—1/2, pejy 6-7.

Rahoviana “ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry”? (Apok. 19:7)

Ho tonga “ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry” rehefa avy mamita ny fandreseny i Jesosy Kristy Mpanjaka, izany hoe rehefa ringana i Babylona Lehibe ary tapitra ny Ady Hara-magedona.—15/2, pejy 10.

Nahoana ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany no “efa niandriandry” ny Mesia? (Lioka 3:15)

Tsy azo antoka raha toy ny fahazoantsika ny faminanian’i Daniela momba ny Mesia ny fahazoan’izy ireo azy io. (Dan. 9:24-27) Nety ho ren’izy ireo anefa ny zavatra nolazain’ny anjely iray tamin’ny mpiandry ondry, na izay nolazain’i Ana mpaminanivavy rehefa nahita an’i Jesosy zazakely tao amin’ny tempoly izy. Nisy mpanandro koa tonga nitady an’ilay “nateraka ho mpanjakan’ny Jiosy.” (Mat. 2:1, 2) Nilaza koa i Jaona Mpanao Batisa fa ho avy tsy ho ela i Kristy.—15/2, pejy 26-27.

Inona no ataontsika raha mitana ny tenintsika isika? (2 Kor. 1:18)

Marina fa mety hisy zavatra tsy azo anoarana, ka tsy ho afaka hitana ny tenintsika isika. Tokony hanao izay rehetra azo atao anefa isika mba hanatanterahana an’izay nampanantenaintsika sy izay fifanekena nataontsika.—15/3, pejy 32.

Ahoana no anoherana ny fakam-panahy hijery sary vetaveta?

1) Avilio haingana ny masonao raha sendra mahita sary manaitaitra ianao. 2) Mitandrema amin’izay eritreretinao, ka miezaha hieritreritra zavatra tsara foana ary mivavaha. 3) Mitandrema amin’izay ataonao, ka aza mijery filma na tranonkala misy sary vetaveta.—1/4, pejy 10-12.

Inona no mety ho vokany raha mandao ny fianakaviany ny Kristianina iray mba hitady vola any andafy?

Mety hisy vokany eo amin’ny fihetseham-pon’ny ankizy sy ny fitondran-tenany izany. Mety ho tezitra amin’ny rainy na ny reniny izy ireo. Mety halaim-panahy hijangajanga koa ny mpivady tsy miara-mipetraka.—15/4, pejy 19-20.

Nahoana no notapahina ny ranjon’ny mpanao heloka bevava voaheloka ho faty?

Nahanton’ny Romanina teo amin’ny hazo fijaliana ny mpanao heloka bevava sasany. Nangatahin’ny Jiosy ny hanapahana ny ranjon’ireo mpanao heloka bevava teo akaikin’i Jesosy. Tsy ho afaka hiaina tsara izy ireo amin’izay, ka ho vetivety dia ho faty. Tsy voatery hajanona eo amin’ny hazo fijaliana mandritra ny alina àry ny fatiny. (Deot. 21:22, 23)—1/5, pejy 11.

Inona ireo fanontaniana efatra mila tadidintsika rehefa mitory isika?

Iza ilay olona iresahako? Aiza ilay toerana iresahako aminy? Rahoviana no fotoana tsara indrindra iresahana aminy? Ahoana no fomba tokony hiresahako aminy?—15/5, pejy 12-15.

Tena mahafaty ve ny mifoka sigara?

Olona 100 000 000 no matin’ny sigara tamin’ny taonjato faha-20. Olona 6 000 000 eo ho eo no matin’izy io isan-taona.—1/6, pejy 3.