Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Miala Amin’ny Tsy Fahamarinana’ ny Vahoakan’i Jehovah

‘Miala Amin’ny Tsy Fahamarinana’ ny Vahoakan’i Jehovah

“Aoka hiala amin’ny tsy fahamarinana izay rehetra manonona ny anaran’i Jehovah.” —2 TIM. 2:19.

1. Inona no mitana toerana lehibe eo amin’ny fivavahantsika?

MATETIKA isika no mahita ny anarana hoe Jehovah, any an-tranon’ny olona na eny ambony fiara fitateram-bahoaka. Azo antoka fa faly ianao rehefa mahita an’izany. Mitana toerana lehibe eo amin’ny fivavahantsika mantsy ny anaran’Andriamanitra. Antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah isika. Isika ihany no vahoaka tena mampiasa ny anaran’Andriamanitra eran-tany. Voninahitra ny mitondra ny anarany, nefa misy andraikitra koa mifandray amin’izany.

2. Inona no andraikitra ananantsika, noho isika mitondra ny anaran’Andriamanitra?

2 Tsy ampy ny mampiasa ny anaran’Andriamanitra raha te hahazo sitraka aminy. Tsy maintsy manaraka ny fitsipiny koa isika, ka ‘miala amin’ny ratsy.’ (Sal. 34:14) Niresaka mazava tsara momba izany ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Aoka hiala amin’ny tsy fahamarinana izay rehetra manonona ny anaran’i Jehovah.” (Vakio ny 2 Timoty 2:19.) Fantatry ny rehetra hoe manonona ny anaran’i Jehovah isika, satria Vavolombelony. Ahoana anefa no ampisehoantsika hoe miala amin’ny tsy fahamarinana isika?

 ‘MIALÀ’ AMIN’NY RATSY

3, 4. Inona no andinin-teny nanitikitika ny sain’ny manam-pahaizana momba ny Baiboly, ary nahoana?

3 Miresaka momba “ny fototra mafy nataon’Andriamanitra” i Paoly ao amin’ny 2 Timoty 2:19. Misy fehezanteny roa nosoratana tamin’ny tombo-kase eo amin’io fototra io. Izao no voalohany: “Fantatr’i Jehovah ny azy.” Nalaina tao amin’ny Nomery 16:5 izy io. (Jereo ilay lahatsoratra teo aloha.) Ahoana kosa ilay faharoa hoe: “Aoka hiala amin’ny tsy fahamarinana izay rehetra manonona ny anaran’i Jehovah”? Efa ela izy io no nanitikitika ny sain’ny manam-pahaizana momba ny Baiboly. Nahoana?

4 Toa nalaina tao amin’ny Soratra Hebreo koa io fehezanteny io, rehefa jerena ny teny nampiasain’i Paoly. Toa tsy ahitana andinin-teny milaza azy io anefa ao. Tsara homarihina fa avy ao amin’ny Nomery toko faha-16 ilay fehezanteny voalohany, ary mitantara ny fikomian’i Kora io toko io. Mety hifandray amin’io zava-nitranga io koa àry ve ilay fehezanteny faharoa hoe: “Aoka hiala amin’ny tsy fahamarinana izay rehetra manonona ny anaran’i Jehovah”?

5-7. Inona no zava-nitranga tamin’ny andron’i Mosesy, izay mifandray amin’ny tenin’i Paoly ao amin’ny 2 Timoty 2:19? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

5 Nanohana an’i Kora i Datana sy Abirama, zanak’i Eliaba. Niara-nitarika ny vahoaka hikomy tamin’i Mosesy sy Arona izy ireo. (Nom. 16:1-5) Nampiseho ampahibemaso ny tsy fanajany an’i Mosesy izy ireo, ary nanohitra ny fahefana nomen’Andriamanitra azy. Mbola niara-nipetraka tamin’ny vahoakan’i Jehovah izy ireo, ka natahorana hanimba ny finoan’ireo tsy nivadika. Navahan’i Jehovah tamin’ireo mpikomy àry ny mpanompony tsy nivadika. Nisy didy mazava tsara nomeny tamin’izay.

6 “Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: ‘Lazao amin’ny vahoaka hoe: “Mialà eny akaikin’ny tranolain’i Kora sy Datana ary Abirama!”’ Taorian’izay dia nitsangana i Mosesy ka nankany amin’i Datana sy Abirama, ary niaraka tamin’i Mosesy ny anti-panahin’ny Israely. Ary hoy izy tamin’ny vahoaka: ‘Miangavy anareo aho mba hiala eo anoloan’ny tranolain’ireo olona ratsy fanahy ireo, ary aza mikasika an’izay rehetra azy, sao ho ringana noho ny fahotany ianareo.’ Dia niala avy hatrany teny akaikin’ny tranolain’i Kora sy Datana ary Abirama ny olona.” (Nom. 16:23-27) Naringan’i Jehovah daholo ireo mpikomy, taorian’izay. Narovany kosa ireo tsy nivadika, satria nihataka tamin’ireo mpikomy ka hita fa niala tamin’ny tsy fahamarinana.

7 Mahita ny ao am-po tokoa i Jehovah! Fantany ny mpanompony tsy mivadika. Nila nanao zavatra hentitra anefa ireo Israelita tsy nivadika. Tsy maintsy nisaraka tamin’ireo nanao ny tsy fahamarinana, na ireo nanao ratsy, izy ireo. Mety ho ilay zava-nitranga tantaraina ao amin’ny Nomery 16:5, 23-27 àry no tian’i Paoly horesahina, rehefa nilaza izy hoe: “Aoka hiala amin’ny tsy fahamarinana izay rehetra manonona ny anaran’i Jehovah.” Mifanaraka tsara amin’ilay tenin’i Paoly teo aloha izany fanatsoahan-kevitra izany. Hoy izy: “Fantatr’i Jehovah ny azy.”—2 Tim. 2:19.

HALAVIRO NY ADIHEVITRA TSY MISY DIKANY

8. Nahoana no tsy ampy ny mampiasa ny anaran’i Jehovah na ny hoe anisan’ny fiangonana kristianina?

8 Nampiasa an’ireo zava-nitranga tamin’ny andron’i Mosesy ireo i Paoly, mba hampahatsiahivana an’i Timoty fa mila manao zavatra hentitra izy mba hiarovana ny fifandraisany amin’i Jehovah. Tsy ampy ny nanonona ny anaran’i Jehovah, tamin’ny andron’i Mosesy. Toy izany koa fa tsy ampy ny hoe anisan’ny fiangonana kristianina, tamin’ny andron’i Timoty. Tsy maintsy tapa-kevitra hiala amin’ny tsy fahamarinana ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika. Ahoana no nampiharan’i Timoty  an’izany? Inona no ianarantsika avy amin’ny torohevitra nomen’i Paoly?

9. Inona no vokatry ny adihevitra “adaladala” sy “tsy misy dikany”, teo amin’ny Kristianina voalohany?

9 Misy torohevitra mazava ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, momba ny karazana tsy fahamarinana tokony hialan’ny Kristianina. Nilaza tamin’i Timoty, ohatra, i Paoly eo amin’ny andinin-teny manodidina ny 2 Timoty 2:19 mba ‘tsy hiady teny’ sy ‘hiala amin’ny resaka tsy misy fotony.’ (Vakio ny 2 Timoty 2:14, 16, 23.) Nampiely fampianaran’ny mpivadi-pinoana ny olona sasany teo anivon’ny fiangonana. Nisy koa nampiely hevitra niteraka fifandirana, izay tsy tena nifanohitra tamin’ny Soratra Masina nefa nampisaratsaraka. Nahatonga ny mpiara-manompo hifanditra sy hiady teny izany, ka natahorana hisara-bazana ny fiangonana. Izany no nahatonga an’i Paoly hanantitrantitra hoe tokony ‘holavina ny fanontaniana’ na ny adihevitra “adaladala” sy “tsy misy dikany.”

10. Ahoana no ampisehoantsika fa miala amin’ny fivadiham-pinoana isika?

10 Mahalana no misy mpivadi-pinoana eo anivon’ny fiangonana ankehitriny. Tsy maintsy tapa-kevitra ny handa ny fampianarana tsy araka ny Soratra Masina anefa isika, na avy aiza izany na avy aiza. Tsy fahendrena ny miady hevitra amin’ny mpivadi-pinoana, na mivantana izany na ao amin’ny Internet na amin’ny fomba hafa. Mandika ny toromariky ny Soratra Masina dinihintsika eto isika raha manao izany, na dia ny hanampy an’ilay olona aza no tanjontsika. Vahoakan’i Jehovah isika ka tokony hiala amin’ny fivadiham-pinoana, izany hoe hanalavitra tanteraka an’izany.

Aza miady hevitra amin’ny mpivadi-pinoana mihitsy (Fehintsoratra 10)

11. Inona no mety hahatonga adihevitra “adaladala”, ary inona no azon’ny anti-panahy atao mba ho modely izy?

11 Misy zavatra hafa mety handrava ny fihavanana eo anivon’ny fiangonana, ankoatra ny fivadiham-pinoana. Mety hiteraka adihevitra “adaladala” sy “tsy misy dikany”, ohatra, ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny resaka fialam-boly. Marina fa raha misy Kristianina mampirisika ny hafa hanao fialam-boly mandika ny fitsipik’i Jehovah, dia tsy milefitra amin’izany ny anti-panahy satria fotsiny hoe tsy te hiady hevitra. (Sal. 11:5; Efes. 5:3-5) Mitandrina anefa ny anti-panahy mba tsy hampirisika ny hafa hanaraka ny heviny manokana. Manaraka akaiky an’ity torohevitra ao amin’ny Soratra Masina ity izy ireo: “Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra eo ambany fiandraiketanareo, ... tsy manjakazaka amin’ny lovan’Andriamanitra, fa ho modely ho an’ny andian’ondry.”—1 Pet. 5:2, 3; vakio ny 2 Korintianina 1:24.

12, 13. a) Inona no tsy ataon’ny fandaminana, eo amin’ny resaka fialam-boly? Inona no toro lalan’ny Baiboly ampiharintsika rehefa mifidy fialam-boly? b) Ahoana no azontsika ampiharana an’ireo toro lalan’ny Baiboly eo amin’ny fehintsoratra faha-12, eo amin’ny raharaha mahakasika antsika manokana?

12 Tsy manadihady momba ny filma, lalao video, boky, na hira ny fandaminana, ary avy eo manapa-kevitra hoe inona amin’ireo no tsy maintsy halavirintsika. Nahoana? Mampirisika ny tsirairay ny Baiboly mba hanazatra ny sainy hahay “hanavaka ny tsara sy ny ratsy.” (Heb. 5:14) Manome toro lalana ankapobeny ny Soratra Masina, mba hanampiana ny Kristianina handinika tsara rehefa mifidy fialam-boly. Tokony hiezaka ‘hamantatra tsara foana izay ankasitrahan’ny Tompo’ isika, na inona na inona ataontsika. (Efes. 5:10) Milaza ny Baiboly fa manana fahefana ny loham-pianakaviana. Azony atao àry ny mandrara ny ao an-tranony mba tsy hanao fialam-boly sasany. *1 Kor. 11:3; Efes. 6:1-4.

13 Tsy ny resaka fialam-boly ihany no tokony hampiharana an’ireo toro lalan’ny Baiboly  ireo. Mety hiteraka adihevitra koa ny resaka fitafiana sy taovolo, fahasalamana sy sakafo, ary ny zavatra hafa mahakasika antsika manokana. Fahendrena àry ny tsy miady hevitra momba an’ireo zavatra ireo, raha tsy misy toro lalan’ny Soratra Masina voadika. Milaza mantsy ny Baiboly fa “tsy tokony hiady ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy [hahay handanjalanja, f.a.p.] amin’ny rehetra.”—2 Tim. 2:24.

HALAVIRO NY NAMAN-DRATSY

14. Inona no fanoharana nolazain’i Paoly mba hampisehoana fa mila manalavitra ny naman-dratsy isika?

14 Ahoana koa no azon’ny mpanompon’i Jehovah ‘ialana amin’ny tsy fahamarinana’? Tsy mifandray akaiky amin’ny olona zatra manao ratsy isika. Nilaza fanoharana momba izany i Paoly, rehefa avy niresaka an’ilay “fototra mafy nataon’Andriamanitra.” Hoy izy: “Tsy fitaovana volamena sy volafotsy ihany no ao amin’ny trano lehibe, fa fitaovana hazo sy tany koa. Ny sasany natao hampiasaina amin-javatra mendri-kaja, fa ny sasany kosa amin-javatra tsy mendri-kaja.” (2 Tim. 2:20, 21) Nampirisika ny Kristianina izy avy eo mba ‘hanalavitra’ an’ireo fitaovana natao hampiasaina amin-javatra “tsy mendri-kaja.”

15, 16. Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharana momba ny “trano lehibe”?

15 Inona no dikan’io fanoharana io? Oharin’i Paoly amin’ny “trano lehibe” ny fiangonana kristianina, ary ohariny amin’ny “fitaovana” ao an-tokantrano ny olona tsirairay eo anivon’ny fiangonana. Voaloto ny fitaovana sasany ao an-trano, rehefa mipetraka amin’ny toerana maloto na mifampikasoka amin’ny zavatra maloto. Tsy ampiarahin’ny olona amin’ny fitaovana madio, toy ny fitaovana fandrahoan-tsakafo, izy ireny.

16 Toy izany koa isika vahoakan’i Jehovah. Miezaka hadio fitondran-tena isika, ka raha misy olona eo anivon’ny fiangonana mandika foana ny toro lalan’i Jehovah, dia tsy mifandray be amin’izy ireny isika. (Vakio ny 1 Korintianina 15:33.) Koa raha ny olona sasany eo  anivon’ny fiangonana aza tsy ifaneraserantsika akaiky, mainka fa ny olona eny ivelany? Maro amin’izy ireny mantsy no ‘tia vola, tsy mankatò ray aman-dreny, tsy mena-mivadika, mpanendrikendrika, masiaka be, tsy tia ny tsara, mpamadika, ary tia fahafinaretana fa tsy tia an’Andriamanitra.’—2 Tim. 3:1-5.

TAHIN’I JEHOVAH IZAY MANDRAY FANAPAHAN-KEVITRA HENTITRA

17. Inona no mampiseho fa nanohitra tanteraka ny tsy fahamarinana ireo Israelita tsy mivadika?

17 Nanao zavatra hentitra ny Israelita rehefa nahazo toromarika avy amin’i Jehovah. “Niala avy hatrany teny akaikin’ny tranolain’i Kora sy Datana ary Abirama” izy ireo, rehefa nasaina nanao izany. (Nom. 16:24, 27) Tsy nisalasala na nangataka andro izy ireo. Nankatò an-tsakany sy an-davany koa ireo Israelita tsy mivadika. Voalaza fa ‘niala teny akaikin’ny’ tranolain-dry Kora ireo Israelita ireo. Nihataka tanteraka izy ireo mba ho azo antoka fa tsy hiharan-doza, ary nankatò tanteraka sy tamin’ny fo manontolo. Nasehony mazava tsara fa niandany tamin’i Jehovah izy ireo ary nanohitra ny tsy fahamarinana. Inona no ianarantsika avy amin’izany?

18. Inona no tian’i Paoly hambara rehefa nilaza tamin’i Timoty izy hoe: “Andosiro ny faniriana mpitranga eo amin’ny tanora”?

18 Mila mandray fanapahan-kevitra hentitra sy haingana isika, rehefa misy zavatra mitady hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Izany no tian’i Paoly hambara rehefa nampirisika an’i Timoty izy hoe: “Andosiro ny faniriana mpitranga eo amin’ny tanora.” (2 Tim. 2:22) Marina fa efa lehilahy lehibe i Timoty tamin’izany, angamba 30 taona mahery. Na ny olon-dehibe aza anefa mety hanana an’ireo fanirian-dratsy “mpitranga eo amin’ny tanora.” Tsy maintsy ‘nandositra’ an’ireny faniriana ireny i Timoty, izany hoe ‘niala tamin’ny tsy fahamarinana.’ Mitovitovy amin’izany ilay tenin’i Jesosy hoe: ‘Raha mahatonga anao hanota ny masonao, dia esory ka ario lavitra anao.’ (Mat. 18:9) Mankatò an’io torohevitra io ny Kristianina ankehitriny, ka manao zavatra hentitra raha vao misy zavatra mitady hanimba ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Tsy misalasala izy na mangataka andro.

19. Inona no ataon’ny Kristianina sasany mba hiarovana ny fifandraisany amin’i Jehovah?

19 Zatra nisotro tafahoatra na niankin-doha tamin’ny toaka ny olona sasany talohan’ny naha Vavolombelona azy, ka nanapa-kevitra fa tsy hikasika zava-pisotro misy alkaola intsony. Tsy mety manao fialam-boly sasany koa ny Kristianina hafa, na dia tsy ratsy aza ilay izy. Mety hampirongatra ny fanirian-dratsy ao anatiny mantsy ilay izy, noho ny fahalemeny. (Sal. 101:3) Tia nandeha nandihy tany amin’ireny toerana ahitana olona maloto fitondran-tena ireny, ohatra, ny rahalahy iray tamin’izy mbola tsy Vavolombelona. Rehefa nianatra ny fahamarinana anefa izy, dia tsy nety nandihy intsony, na dia amin’ny fiarahan’ny samy Kristianina aza. Matahotra mantsy izy sao hanaitra indray ny fanirian-dratsiny na ny eritreri-dratsiny izany. Marina fa tsy voatery ho ratsy ny zavatra sasany, toy ny misotro toaka sy ny mandihy. Tsy rarana tsy hanao an’ireo ny Kristianina. Tokony handray fanapahan-kevitra hentitra anefa isika rehetra, rehefa misy zavatra mitady hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah.

20. Inona no mampahery antsika na dia tsy mora aza indraindray ny ‘miala amin’ny tsy fahamarinana’?

20 Voninahitra ny mitondra ny anaran’Andriamanitra, nefa misy andraikitra aterak’izany. Tsy maintsy ‘miala amin’ny tsy fahamarinana’ sy ‘miala amin’ny ratsy’ isika. (Sal. 34:14) Marina fa tsy mora izany indraindray. Mampahery anefa ny mahalala fa ho tian’i Jehovah foana “ny azy”, izany hoe ireo tsy mivadika aminy sy mankatò ny fitsipiny marina.—2 Tim. 2:19; vakio ny 2 Tantara 16:9a.

^ feh. 12 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Misy Filma na Hira na Boky ve Tsy Avelanareo Hojeren’ny Mpivavaka ao Aminareo?” ao amin’ny jw.org, ao amin’ny MOMBA ANAY > FANONTANIANA FAMETRAKY NY OLONA.