NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Aogositra 2014

Ho hitanao ato ny lahatsoratra hianarana manomboka ny 29 Septambra ka hatramin’ny 26 Oktobra 2014.

Mandray Sakafo “Amin’ny Fotoana Mety” ve Ianao?

Tsy maintsy mahazo ny sakafo ara-panahy rehetra avoakan’ny mpanompo mendri-pitokisana ve ny olona iray vao hatanjaka ara-panahy?

Ny Anjara Asan’ny Vehivavy eo Amin’ny Fikasan’i Jehovah

Inona no vokatry ny fahotan’i Adama? Inona no nataon’ny vehivavy sasany tsy nivadika? Inona no anjara asan’ny vehivavy eo amin’ny fitoriana ankehitriny?

Velona ny Tenin’Andriamanitra ka Ampiasao

Te hahita vokatra ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mitory. Misy soso-kevitra ato hanampy anao hampiasa tsara ny Baiboly sy ireo taratasy mivalona.

Inona no Nataon’i Jehovah mba Hifandraisana Akaiky Amintsika?

Mila mifandray akaiky amin’i Jehovah isika. Hita ato fa tian’i Jehovah hifandray akaiky aminy isika, ka nanome ny vidim-panavotana sy ny Baiboly izy.

Henoy ny Feon’i Jehovah na Aiza Ianao na Aiza

Ilaina ny mihaino ny feon’i Jehovah sy miresaka aminy. Inona no hanampy anao handre foana ny feony, na eo aza ny fandrik’i Satana sy ny fahalemenao?

‘Miarena ary Ampaherezo ny Rahalahinao’

Raha natsahatra tsy ho anti-panahy ny rahalahy iray, mbola afaka miezaka ho lasa mpiandraikitra ve izy?

Fanontanian’ny Mpamaky

Nilaza i Jesosy fa “tsy mba mampaka-bady na avoaka hampakarina” ireo hatsangana amin’ny maty. Fitsanganana eto an-tany ve no tiany hambara?

FANTARO NY TANTARANTSIKA

Nanampy Olona Maro Hahalala ny Marina ny “Eurêka-Drame”

“Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” ihany ny “Eurêka-Drame” saingy fohy kokoa. Na ny toerana mitokana tsy misy elektrisite aza azo nandefasana azy.