Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Velona ny Tenin’Andriamanitra ka Ampiasao

Velona ny Tenin’Andriamanitra ka Ampiasao

“Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.”—HEB. 4:12.

1, 2. Nirahin’i Jehovah hanao inona i Mosesy, ary inona no toky nomeny azy?

ERITRERETO hoe misolo tena ny vahoakan’Andriamanitra eo anatrehan’ny mpitondra mahery indrindra eto an-tany ianao. Inona no ho tsapanao? Azo inoana fa hitaintaina be ianao, hatahotra, ary tsy hatoky tena. Ahoana no anomananao izay holazainao? Inona no azonao atao mba hanan-kery kokoa ny teninao, rehefa misolo tena an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ianao?

2 Izany no nanjo an’i Mosesy, ilay “lehilahy be fandeferana indrindra.” (Nom. 12:3) Nirahin’i Jehovah tany amin’i Farao izy mba hanafaka ny vahoakany tamin’ny fampahoriana sy ny fanandevozana tany Ejipta. Nasain’i Jehovah nilaza tamin’i Farao izy hoe tokony hafahana ireo Israelita an-tapitrisany. Lehilahy miavonavona sy mpanivaiva olona anefa i Farao. (Eks. 5:1, 2) Tsy mahagaga raha nanontany an’i Jehovah i Mosesy hoe: “Fa mba iza moa aho no handeha hankany amin’i Farao, ka hitondra ny zanak’Israely hivoaka avy any Ejipta?” Azo antoka fa nahatsiaro ho tsy ampy fahaizana izy. Hoy anefa i Jehovah mba hanomezana toky azy fa tsy irery izy: “Izaho no homba anao.”—Eks. 3:9-12.

3, 4. a) Nahoana i Mosesy no natahotra? b) Nahoana no mety hitovy amin’ny zavatra tsapan’i Mosesy ny zavatra tsapanao?

3 Nahoana i Mosesy no natahotra? Satria nieritreritra izy fa mety tsy horaharahain’i Farao na tsy horaisiny ny solontenan’i Jehovah  Andriamanitra. Natahotra koa izy sao tsy hino ny Israelita hoe i Jehovah no nanendry azy hitarika azy ireo hiala any Ejipta. Hoy àry i Mosesy tamin’i Jehovah: “Aoka anefa hatao hoe tsy mino ahy ry zareo sady tsy mihaino ny teniko, fa hilaza hoe: ‘Tsy niseho taminao i Jehovah.’ ”—Eks. 3:15-18; 4:1.

4 Misy lesona lehibe ianarantsika avy amin’ny valin-tenin’i Jehovah sy ny zava-nitranga taorian’izay. Marina fa mety tsy hiresaka amin’ny manam-pahefana ambony ianao. Efa nahatsapa ve anefa ianao hoe sarotra taminao ny niresaka momba an’i Jehovah sy ny Fanjakany, na dia tamin’ny olon-tsotra aza? Diniho àry izay azo ianarana avy amin’i Mosesy.

“INONA INY ENY AN-TANANAO INY?”

5. Inona no nataon’i Jehovah teny an-tanan’i Mosesy, ary nahoana izany no nanampy azy mba tsy hatahotra? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

5 Rehefa nilaza i Mosesy fa matahotra, dia nanomana azy hiatrika an’izay hitranga i Jehovah. “Hoy i Jehovah: ‘Inona iny eny an-tananao iny?’ Dia hoy izy: ‘Tehina.’ Ary hoy izy tamin’i Mosesy: ‘Atsipazo amin’ny tany iny.’ Koa natsipiny tamin’ny tany ilay izy ka niova ho bibilava. Dia nandositra an’ilay bibilava i Mosesy. Ary hoy i Jehovah taminy: ‘Atsory ny tananao ka raiso amin’ny rambony izy.’ Dia natsotrany ny tanany ary noraisiny ilay izy, ka niova ho tehina teny an-tanany. Ary hoy koa Izy: ‘Amin’izay dia hino izy ireo fa niseho taminao i Jehovah.’ ” (Eks. 4:2-5) Nataon’i Jehovah teny an-tanan’i Mosesy ny fitaovana ahafahany manaporofo fa irak’i Jehovah izy. Tehina tsotra fotsiny ilay izy tamin’ny olona, nefa lasa zavamananaina noho ny herin’Andriamanitra. Azo antoka fa hanan-kery kokoa ny tenin’i Mosesy rehefa hiampy an’io fahagagana io, ka ho voaporofo fa nirahin’i Jehovah izy. Hoy i Jehovah taminy: “Ento iny tehina iny, mba hanaovanao ireo famantarana.” (Eks. 4:17) Tsy natahotra ny hisolo tena an’Andriamanitra teo anatrehan’ny Israelita sy teo anatrehan’i Farao intsony i Mosesy taorian’izay, satria efa nanana porofo teny an-tanany.—Eks. 4:29-31; 7:8-13.

6. a) Inona no tokony ho eny an-tanantsika rehefa mitory isika, ary nahoana? b) Nahoana no azo lazaina fa “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra”?

6 Inona koa no eny an-tanantsika rehefa miresaka ny hafatr’Andriamanitra isika? Matetika no eny an-tanantsika ny Baiboly, ka vonona hampiasa azy io isika. Mihevitra ny olona sasany fa boky tsotra fotsiny ny Baiboly. Mirakitra ny tenin’Andriamanitra anefa izy io. (2 Pet. 1:21) Resahina ao ny zavatra ampanantenain’Andriamanitra fa hitranga rehefa hanjaka ny Fanjakany. Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hilaza hoe: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.” (Vakio ny Hebreo 4:12.) “Velona” ny tenin’Andriamanitra, satria tsy maintsy tanteraka ny fampanantenany rehetra. Miasa foana mantsy izy mba hahatanteraka an’izany. (Isaia 46:10; 55:11) Hisy heriny lehibe eo amin’ny olona iray izay vakiny ao amin’ny Baiboly, rehefa takany fa mirakitra ny tenin’Andriamanitra izy io ary ho tanteraka izay voalaza ao.

7. Inona no hanampy antsika ‘hanazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara’?

7 Nomen’i Jehovah antsika ny Teniny, ary azontsika ampiasaina izy io mba hanaporofoana fa azo itokisana sy avy amin’Andriamanitra ny hafatra entintsika. Tsy mahagaga raha nampirisika an’i Timoty i Paoly hoe: ‘Ataovy izay rehetra azonao atao mba hanazavana ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.’ (2 Tim. 2:15) Ahoana no ampiharantsika an’izany? Mila mifidy andinin-teny manohina ny fo isika, ary mamaky izany amin’ny olona itoriantsika. Izany no antony namoahana an’ireo taratasy mivalona tamin’ny 2013.

MAMAKIA ANDININ-TENY VOAFIDY TSARA

8. Inona no nolazain’ny mpiandraikitra ny fanompoana iray momba ireo taratasy mivalona vaovao?

8 Mitovy daholo ny endrik’ireo taratasy mivalona  vaovao. Raha vao mahay mampiasa ny iray àry ianao dia hahay hampiasa azy rehetra. Hoy ny mpiandraikitra ny fanompoana iray any Hawaii, any Etazonia: “Tsy nampoizinay hoe mety tsara mba hitoriana isan-trano sy eny amin’ny toerana be olona ireo fitaovana vaovao ireo.” Nahoana no mora ampiasaina izy ireo? Tsapan’io rahalahy io fa mahatonga ny olona hazoto kokoa hamaly ny fomba nanoratana azy ireo, ka matetika no lasa misy resadresaka mahaliana. Ny fanontaniana eo amin’ny pejy voalohany sy ireo valiny azo isafidianana, hoy izy, no mahatonga izany. Tsy matahotra ny olona hoe sao dia ho diso ny valin-teniny.

9, 10. a) Nahoana no azo lazaina fa mandrisika antsika hampiasa Baiboly ireo taratasy mivalona? b) Iza amin’ireo taratasy mivalona vaovao no hitanao hoe tena ahitana vokatra tsara, ary nahoana?

9 Mandrisika antsika hamaky andinin-teny voafidy tsara ny taratasy mivalona tsirairay. Diniho, ohatra, ilay hoe Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any? Na inona na inona valin-teny fidin’ilay olona eo amin’ny pejy voalohany, dia asehoy azy ny pejy manaraka ary milazà avy hatrany hoe: “Izao no lazain’ny Baiboly.” Vakio avy eo ny Apokalypsy 21:3, 4.

10 Toy izany koa ilay hoe Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly? Na inona na inona valin-teny fidin’ilay olona, dia avadiho eo amin’ny pejy manaraka ilay izy ary milazà hoe: “Milaza ny Baiboly hoe: ‘Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.’ ” Afaka miteny ianao avy eo hoe: “Mbola misy hevitra hafa resahin’io andininy io.” Sokafy avy eo ny Baibolinao ary vakio manontolo ny 2 Timoty 3:16, 17.

11, 12. a) Nahoana no vao mainka mahafaly ny manompo, rehefa mampiasa taratasy mivalona? b) Nahoana ireo taratasy mivalona no manampy anao hanomana fiverenana mitsidika?

11 Ny fihetsik’ilay olona itoriana no amaritana ny habetsahan’ny zavatra horesahina aminy avy ao amin’ilay taratasy mivalona. Na manao ahoana na manao ahoana ny fihetsiny, dia ho afa-po ianao satria tsy hoe nametraka taratasy mivalona fotsiny, fa namaky ny Tenin’Andriamanitra koa, na dia andininy iray na roa monja aza. Afaka manohy ny resaka ianao amin’ny manaraka.

12 Misy an’ilay hoe “Fanontaniana Hosaintsainina” eo amin’ny pejy farany amin’ireo taratasy mivalona. Misy fanontaniana sy andinin-teny eo, azo resahina rehefa miverina mitsidika. Diniho, ohatra, ilay hoe Hanao  Ahoana ny Fiainana Amin’ny Hoavy? Izao ilay fanontaniana ao: “Inona no hataon’Andriamanitra mba hanatsarana ny fiainantsika?” Ny Matio 6:9, 10 sy ny Daniela 2:44 no andinin-teny eo. Izao kosa ny fanontaniana ao amin’ilay hoe Mbola ho Velona Indray ve ny Maty?: “Nahoana isika no mihantitra sy maty?” Ny Genesisy 3:17-19 sy ny Romanina 5:12 no andininy voatonona eo.

13. Ahoana no azontsika ampiasana an’ireo taratasy mivalona mba hanombohana fampianarana Baiboly?

13 Ampiasao hanombohana fampianarana Baiboly ireo taratasy mivalona. Ho tafiditra ao amin’ny tranokalantsika ny olona, raha mampiasa an’ilay kaody QR any amin’ny faran’ilay taratasy mivalona. Hisy fanasana hianatra Baiboly ao. Aseho ao amin’ilay taratasy mivalona koa ny bokikely Vaovao Tsara Natao ho Anao!, ary misy lesona asainy vakina ao. Mampirisika ny olona hijery ny lesona fahadimy, ohatra, ilay taratasy mivalona hoe Iza no Tena Mpitondra An’izao Tontolo Izao? Ny lesona fahasivy kosa no asaina jerena ao amin’ilay hoe Inona no Tena Mahasambatra ny Fianakaviana? Ho lasa zatra mampiasa Baiboly ianao rehefa mitory sy miverina mitsidika, raha mampiasa an’ireo taratasy mivalona araka ny tokony ho izy. Mety hitombo koa ny isan’ny fampianarana hatombokao. Ahoana koa no azonao ampiasana ny Tenin’Andriamanitra mba hahitana vokatra kokoa amin’ny fanompoana?

MIRESAHA HEVITRA MITANA NY SAIN’NY OLONA

14, 15. Ahoana no anahafantsika an’i Paoly rehefa manompo?

14 Niezaka nahatakatra ny fomba fihevitry ny “olona maro araka izay azo atao” i Paoly teo amin’ny fanompoany. (Vakio ny 1 Korintianina 9:19-23.) Nanantena izy fa ‘hahazo an’ireo Jiosy, ireo teo ambanin’ny lalàna, ireo tsy manan-dalàna, ary ireo malemy.’ Te hanampy ny “karazan’olona rehetra” izy, mba ‘hisy hovonjeny na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.’ (Asa. 20:21) Ahoana no hanahafantsika an’i Paoly, rehefa miomana hiresaka ny fahamarinana amin’ny “karazan’olona rehetra” ao amin’ny faritanintsika isika?—1 Tim. 2:3, 4.

15 Misy fomba fitory aseho ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana isam-bolana. Andramo izy ireny. Ahoana anefa raha zavatra hafa no mitana ny sain’ny olona ao amin’ny faritaninareo? Manomàna fomba fitory mahaliana mifandray amin’izany. Eritrereto ireo olona ireo sy ny zavatra iainany ary ny tena mampanahy azy, ka mitadiava andinin-teny mifanaraka amin’izany. Niezaka nampiasa bebe kokoa ny Baiboly ny mpiandraikitra ny faritra iray sy ny vadiny. Hoy ilay rahalahy: “Matetika ny olona no mamela anay hamaky andinin-teny iray, rehefa fohy sy mivantana ny resakay. Efa eny an-tananay ny Baiboly, ka rehefa avy miarahaba izahay, dia mamaky an’ilay andinin-teny.” Ireto misy foto-kevitra sy fanontaniana ary andinin-teny efa hita hoe nahomby, ka azonao andramana ao amin’ny faritaninareo.

Mampiasa tsara ny Baiboly sy ny taratasy mivalona ve ianao rehefa mitory? (Fehintsoratra 8-13)

16. Ahoana no azo ampiasana ny Isaia 14:7 rehefa mitory?

16 Raha misy heloka bevava matetika ao amin’ny faritaninareo, dia afaka milaza ianao hoe: “Ahoana ny hevitrao raha izao no hitanao amin’ny gazety: ‘Milamina ny tany manontolo, tsy misy intsony ny korontana. Falifaly daholo ny olona’? Izany mihitsy no resahin’ny Baiboly ao amin’ny Isaia 14:7. Lazain’ny Baiboly fa mampanantena Andriamanitra hoe hilamina tanteraka ny tany amin’ny hoavy.” Anontanio izy avy eo raha tiany ny hamakiana andinin-teny iray momba izany.

17. Inona no fampidiran-dresaka mety raha hampiasa ny Matio 5:3 rehefa mitory?

17 Sahirana mitady vola ve ny olona maro ao amin’ny faritaninareo? Raha izany no izy, dia afaka manontany ianao hoe: “Araka ny hevitrao, mila mikarama ohatrinona ny lehilahy  iray raha tiany ho sambatra ny fianakaviany?” Rehefa avy mamaly izy, dia tohizo hoe: “Mbola be lavitra noho izany ny karaman’ny lehilahy maro, nefa mbola tsy sambatra ny fianakaviany. Inona àry no tena mahasambatra?” Vakio avy eo ny Matio 5:3 ary asao hianatra Baiboly izy.

18. Ahoana no azo ampiasana ny Jeremia 29:11 mba hampiononana ny hafa?

18 Ahoana indray raha vao avy nisy loza lehibe tao amin’ny faritaninareo? Afaka milaza ianao hoe: “Tonga hitondra fampiononana ho anao aho. (Vakio ny Jeremia 29:11.) Voamarikao ve ireo zavatra telo ampanantenain’Andriamanitra antsika eo? Milaza izy fa hanome ‘fiadanana’, ary hanana ‘hoavy’ sy ‘fanantenana’ isika. Tena faly isika hoe tian’Andriamanitra hanana fiainana tsara. Ahoana anefa no hampisy an’izany?” Asehoy azy avy eo ny lesona mifandray amin’izany ao amin’ny bokikely Vaovao Tsara.

19. Ahoana no azo ampiasana ny Apokalypsy 14:6, 7 rehefa miresaka amin’ny olona tia mivavaka?

19 Tia mivavaka ve ny olona ao amin’ny faritaninareo? Afaka miteny àry ianao hoe: “Raha misy anjely milaza zavatra aminao, hanaiky izay lazainy ve ianao? (Vakio ny Apokalypsy 14:6, 7.) Koa satria mandidy antsika mba ‘hatahotra an’Andriamanitra’ ilay anjely, tsy tokony hofantarintsika ve aloha hoe iza io Andriamanitra io? Nilaza ilay anjely hoe ‘Ilay nanao ny lanitra sy ny tany’ izy io. Fantatrao ve ny anarany?” Vakio avy eo ny Salamo 124:8, manao hoe: “Ny anaran’i Jehovah no ahazoantsika fanampiana. Fa izy no Mpanao ny lanitra sy ny tany.” Lazao izy avy eo fa afaka manazava bebe kokoa momba an’i Jehovah Andriamanitra ianao, raha tiany.

20. a) Ahoana no azo ampiasana ny Ohabolana 30:4 mba hampahafantarana ny anaran’Andriamanitra? b) Inona no andinin-teny hitanao hoe mandaitra rehefa mitory?

20 Afaka milaza toy izao ianao raha manombo-dresaka amin’ny ankizy na tanora: “Misy fanontaniana lehibe ao amin’ity andinin-teny ity, mba tiako hovakina aminao. (Vakio ny Ohabolana 30:4.) Tsy misy olombelona mahavita an’izany mihitsy ka azo antoka fa ny Mpamorona no tiana horesahina eo. * Ahoana anefa ho ahafantarantsika ny anarany? Tiako haseho anao ato amin’ny Baiboly izany anarana izany.”

MAHERY NY TENIN’ANDRIAMANITRA KA AMPIASAO REHEFA MANOMPO

21, 22. a) Inona no mety ho vokany raha mamaky andinin-teny voafidy tsara isika rehefa manompo? b) Tapa-kevitra ny hanao inona ianao rehefa manompo?

21 Tsy fantatsika mihitsy ny mety ho fihetsiky ny olona amakiantsika andinin-teny voafidy tsara. Nisy Vavolombelona roa, ohatra, nandondòna tao an-tranon’ny tovovavy iray tany Aostralia. Nanontany azy ny iray tamin’izy ireo hoe: “Fantatrao ve ny anaran’Andriamanitra?” Novakin’ilay mpitory avy eo ny Salamo 83:18. Hoy ilay tovovavy: “Gaga be aho. Vao lasa ry zareo dia nandeha 56 kilaometatra aho, mba hijery fandikan-tenin’ny Baiboly hafa tany amin’ny trano fitehirizam-boky. Nojereko tao amin’ny rakibolana ilay anarana avy eo. Resy lahatra aho hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Lasa saina àry aho hoe inona koa no mbola tsy fantatro.” Nanomboka nianatra Baiboly izy sy ilay fofombadiny tsy ela taorian’izay, ary natao batisa tatỳ aoriana.

22 Mahavita manova ny fiainan’ny olona ny Tenin’Andriamanitra, raha mamaky azy io ilay olona ary mino ny fampanantenan’i Jehovah. (Vakio ny 1 Tesalonianina 2:13.) Mety hiezaka isika hanohina ny fon’ny olona, kanefa mbola misy heriny kokoa noho ny tenintsika ny voalazan’ny Baiboly. Tokony hampiasa ny Tenin’Andriamanitra àry isika, isaky ny afaka manao izany. Tena velona tokoa izy io!