Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nilaza tamin’ny Sadoseo i Jesosy fa “tsy mba mampaka-bady na avoaka hampakarina” ireo hatsangana amin’ny maty. (Lioka 20:34-36) Ny fitsanganana amin’ny maty eto an-tany ve no tiany horesahina?

Fanontaniana lehibe io, indrindra ho an’ireo namoy ny vady malalany. Angamba tena tian’izy ireo raha mbola vadiny ilay vadiny, rehefa hitsangana amin’ny maty ao amin’ny tontolo vaovao. Hoy ny lehilahy iray maty vady: “Tsy safidinay mivady ny hosarahin’ny fahafatesana. Ny fanirianay dia ny hiara-manompo an’i Jehovah mandrakizay. Mbola izany foana ny faniriako.” Misy antony marim-pototra ve mahatonga antsika hanantena fa mbola ho afaka hanambady ireo hatsangana amin’ny maty? Raha tsorina, dia tsy afaka mamaly an’izany isika.

Efa ela ny bokintsika no nilaza fa ny fitsanganana amin’ny maty eto an-tany no tian’i Jesosy horesahina tamin’ireo teniny ireo, ary azo inoana fa tsy hanambady ireo hatsangana amin’ny maty ao amin’ny tontolo vaovao. * (Mat. 22:29, 30; Mar. 12:24, 25; Lioka 20:34-36) Mety ho te hiresaka momba ny fitsanganana ho any an-danitra ve anefa i Jesosy teo? Tsy afaka manizingizina isika hoe eny na tsia. Andao hodinihintsika ny teniny.

Jereo ny teny manodidina. (Vakio ny Lioka 20:27-33.) Tsy nino ny Sadoseo hoe hatsangana ny maty, ka nametrahany fanontaniana momba izany sy momba ny fitondrana loloha i Jesosy mba ho voafandrika. * Namaly azy ireo i Jesosy hoe: “Ny zanak’ity tontolo ity no mampaka-bady sy avoaka hampakarina. Fa tsy mba mampaka-bady na avoaka hampakarina kosa izay atao mendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin’ny maty. Tsy ho faty intsony izy ireo fa ho tahaka ny anjely, ary zanak’Andriamanitra izy ireo, satria zanaky ny fitsanganana amin’ny maty.”—Lioka 20:34-36.

Nahoana ny bokintsika no nilaza fa mety ho ny fitsanganana eto an-tany no tian’i Jesosy holazaina eo? Voalohany, satria fitsanganana amin’ny maty eto an-tany angamba no tao an-tsain’ny Sadoseo, ka nataon’i Jesosy nifanaraka tamin’izany ny valin-teniny. Faharoa, niresaka momba an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba i Jesosy rehefa namarana ny teniny, ary anisan’ny olona tsy mivadika hitsangana eto an-tany izy ireo.—Lioka 20:37, 38.

Nety ho nieritreritra ny fitsanganana ho any an-danitra anefa i Jesosy, rehefa jerena ireto fehezanteny roa nolazainy ireto:

“Izay atao mendrika hahazo ... ny fitsanganana amin’ny maty.” Ny voahosotra tsy mivadika no “mendrika ny fanjakan’Andriamanitra.” (2 Tes. 1:5, 11) Ambara ho marina ho amin’ny fiainana izy ireo noho ny vidim-panavotana, ka tsy toy ny mpanota tokony homelohina rehefa maty. (Rom. 5:1, 18; 8:1) Lazaina hoe “sambatra sy masina” izy ireo, ary mendrika ny hatsangana ho any an-danitra. (Apok. 20:5, 6) Anisan’ireo hatsangana eto an-tany kosa “ny tsy marina.” (Asa. 24:15) Azo lazaina ho “mendrika” ny hatsangana amin’ny maty ve anefa izy ireo?

 “Tsy ho faty intsony izy ireo.” Izao no andikana an’io ao amin’ny Baiboly hafa: “Tsy manan-kery amin’izy ireo intsony ny fahafatesana” na hoe “tsy mety maty intsony izy.” Akarina any an-danitra ireo voahosotra tsy mivadika rehefa maty. Lasa tsy mety maty izy ireo, izany hoe tsy manam-petra ny fiainany sady tsy azo foanana. (1 Kor. 15:53, 54) Tsy manan-kery intsony amin’ireo hatsangana ho any an-danitra ny fahafatesana. *

Inona no azo tsoahana avy amin’izany rehetra izany? Mety ho ny fitsanganana ho any an-danitra no tao an-tsain’i Jesosy, tamin’izy nilaza fa tsy hampaka-bady na havoaka ampakarina ireo hatsangana amin’ny maty. Raha izany no izy, dia tsy hanambady ireo hatsangana ho any an-danitra, ho lasa tsy mety maty izy ireo, ary hisy zavatra itovizany amin’ny anjely. Mahatonga fanontaniana maromaro anefa izany.

Voalohany, nety ho ny fitsanganana eto an-tany no tao an-tsain’ny Sadoseo, koa nahoana i Jesosy no hiresaka fitsanganana ho any an-danitra rehefa namaly azy ireo? Tsy namaly ny mpanohitra azy araka ny fomba fisainan’izy ireo i Jesosy indraindray. Nisy Jiosy nangataka famantarana, ohatra, indray mandeha ka hoy izy: “Ravao ity tempoly ity, fa hatsangako izy ao anatin’ny telo andro.” Azo inoana fa fantatr’i Jesosy hoe ilay tempoly ara-bakiteny no noeritreretin’izy ireo. “Ny vatany anefa ilay tempoly noresahiny.” (Jaona 2:18-21) Nihevitra angamba i Jesosy tamin’izy niresaka tamin’ireo Sadoseo mpihatsaravelatsihy fa tsy nila namaly azy ireo izy. Ry zareo aza mantsy tsy nino hoe hitsangana ny maty ary misy ny anjely. (Ohab. 23:9; Mat. 7:6; Asa. 23:8) Tiany hampahafantarina ny mpianany kosa angamba ny marina momba ny fitsanganana ho any an-danitra. Anisan’ireo hatsangana ho any an-danitra ireo mpianatra tso-po ireo.

Faharoa, nahoana i Jesosy no niresaka momba an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba rehefa namarana ny teniny, nefa hatsangana eto an-tany izy ireo? (Vakio ny Matio 22:31, 32.) Mariho fa nilaza i Jesosy hoe “raha ny amin’ny fitsanganan’ny maty”, talohan’ny niresahany momba an’ireo mpanompon’i Jehovah fahiny ireo. Nampiasa an’ireo teny ireo izy, angamba satria te hampiditra resaka momba ny fitsanganana eto an-tany indray. Fantatr’i Jesosy fa nanaiky ny asa soratr’i Mosesy ny Sadoseo. Nanonona an’ilay teny nolazain’Andriamanitra tamin’i Mosesy teo amin’ilay voaroy nirehitra àry izy, mba hanaporofoana fa tena mikasa hanangana ny maty eto an-tany Andriamanitra.—Eks. 3:1-6.

Fahatelo, raha mihatra amin’ireo hatsangana ho any an-danitra ilay tenin’i Jesosy, midika ve izany fa ho afaka hanambady ireo hatsangana amin’ny maty eto an-tany? Tsy misy valiny mazava momba an’izany ao amin’ny Baiboly. Ary na dia atao aza hoe ny fitsanganana ho any an-danitra tokoa no noresahin’i Jesosy, dia tsy afaka manatsoaka hevitra avy amin’ireo teniny ireo isika hoe ho afaka hanambady na tsia ireo hatsangana eto an-tany, ao amin’ny tontolo vaovao.

Milaza mazava tsara ny Tenin’Andriamanitra fa tsy mpivady intsony ny olona roa rehefa maty ny iray. Tsy tokony hanamelo-tena àry ny olona maty vady raha manapa-kevitra ny hanambady indray. Safidin’ny tsirairay izany, ary tsy misy tokony hanakiana azy raha mitady vady izy mba ho namany.—Rom. 7:2, 3; 1 Kor. 7:39.

Ara-dalàna raha betsaka ny fanontaniantsika momba ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao. Aleo anefa tsy manombantombana ny valin’izy ireny. Mila miandry fotsiny an’izay hitranga isika. Azo antoka fa ho sambatra ny olona mankatò satria homen’i Jehovah an’izay ilainy sy iriny izy ireo. Hanao izay tsara indrindra vitany izy mba hahafa-po azy ireo.—Sal. 145:16.

^ feh. 4 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1987, pejy 30-31.

^ feh. 5 Fanao fahiny ny fitondrana loloha, izay tsy inona fa fanambadian’ny lehilahy iray ny vady navelan’ny rahalahiny maty tsy nitera-dahy, mba tsy ho lany taranaka ilay rahalahiny.—Gen. 38:8; Deot. 25:5, 6.

^ feh. 9 Ho afaka hiaina mandrakizay ireo hatsangana eto an-tany, kanefa tsy ho lasa tsy mety maty.