Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 FANTARO NY TANTARANTSIKA

Nanampy Olona Maro Hahalala ny Marina ny “Eurêka-Drame”

Nanampy Olona Maro Hahalala ny Marina ny “Eurêka-Drame”

“EURÊKA!” Ny dikan’io dia hoe “Nahita aho!” Nirohotra nitady volamena tany Kalifornia, any Etazonia, ny olona tamin’ny taonjato faha-19. Nihoraka nilaza an’io izay nahita volamena. Sarobidy kokoa anefa ny fahamarinana ara-baiboly hitan’i Charles Russell sy ny namany. May erỳ izy ireo hizara izany.

Namoaka ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena. Tantara ara-baiboly nanomboka tamin’ny namoronana ny olombelona ka hatramin’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy no aseho amin’izy io. (Apok. 20:4) Adiny valo izy io ary misy sarimihetsika mahavariana, sary mareva-doko, fitantarana mahaliana, ary mozika kilasika kanto. An-tapitrisany no nijery azy io tany amin’ny tanàn-dehibe maro, teo antenatenan’ny 1914. *

Ary ireo tany amin’ny tanàna kely sy ambanivohitra? Navoaka indray ny “Eurêka-Drame” tamin’ny Aogositra 1914 mba tsy hisy diso anjara ireo nangetaheta ny fahamarinana. Ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” ihany izy io, fa natao mora entina sy tsy misy sarimihetsika. Nisy karazany telo ilay izy ary tamin’ny fiteny maromaro. Ny “Eurêka X” misy ny fitantarana noraisim-peo rehetra sy ny feon-kira. Ny “Eurêka Y” indray misy feon-kira sy sary miloko tsara tarehy ary ny lahateny noraisim-peo rehetra. Ny “Eurêka-Drame ho An’ny Fianakaviana” kosa natao hojerena ao an-trano ary misy fitantarana nofantenana sy hira. Nisy grafofaonina sy fitaovana fandefasana sary koa azon’ny olona novidina mora.

Fitaovana nampiasaina mba hampisehoana an’ireo sary miloko

Tsy nilana efijery na fitaovana fandefasana filma ny “Eurêka-Drame”, ka azo naseho maimaim-poana tany ambanivohitra. Tonga tany amin’ny faritra mbola tsy nitoriana àry ny hafatra momba ilay Fanjakana. Azo nalefa andro aman’alina ny “Eurêka X” satria feo fotsiny. Azo nalefa koa ny “Eurêka Y” na tsy nisy elektrisite aza, satria jiro tsy mandeha amin’ny elektrisite no nampiasaina. Marina tokoa ny voalazan’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny failandey hoe: “Saika ny toerana rehetra no azo ampisehoana ireo sary.”

Tsy nila nanofa trano fijerena teatra ny Mpianatra ny Baiboly matetika, fa nahita toerana maimaim-poana toy ny sekoly, lapan’ny fitsarana,  gara, na efitrano fandraisam-bahiny tany an-tranon’olona. Imbetsaka naseho teny an-kalamanjana ny “Eurêka-Drame”, ka lamba fotsy lehibe no nahantona tamin’ny rindrin’ny trano fitehirizam-bokatra mba hijerena an’ilay izy. Hoy i Anthony Hambuch: “Nanamboatra toerana kely hijerena an’ilay izy tao amin’ny saham-boankazony ireo tantsaha. Nasiany vatan-kazo maro tao mba hipetrahana.” Sarety notarihin-tsoavaly no nitondran’i Anthony sy ny namany ny entany, ny fitaovana, ny lay fatoriana, ary ny fandrahoan-tsakafo.

Vitsy ny mpijery indraindray, fa indraindray an-jatony. Naseho imbetsaka tao amin’ny sekoly iray ny “Eurêka-Drame” tao amin’ny tanàna nisy mponina 150, tany Etazonia, ka 400 no tontalin’ny mpijery. Nisy nandeha an-tongotra valo kilaometatra nandroso sy valo kilaometatra niverina mba hijery azy io. Nihaino an’ilay izy tao amin’ny tranokelin’i Charlotte Ahlberg tany Soeda ny mpifanila trano taminy, ary ‘tena nanohina ny fon-dry zareo’ ilay izy. Nisy 1 500 teo ho eo no nijery an’ilay izy tao amin’ny tanàna misy toeram-pitrandrahana, tany Aostralia. Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana fa ‘talanjona tamin’ireo sary sy fitantarana mahafinaritra nalefa tamin’ny grafofaonina ny mpampianatra sy mpianatra’ teny amin’ny lise sy oniversite. Nalaza hatrany amin’ny toerana fijerena teatra ny “Eurêka-Drame.”

NAMPITOMBO NY VOAN’NY FAHAMARINANA

Naniraka mpandahateny tany amin’ny toerana samihafa ny kilasy na fiangonan’ny Mpianatra ny Baiboly. Nanao lahateny sy nampiseho ny “Eurêka-Drame” ireny rahalahy ireny, ka namorona kilasy vaovao. Sarotra ny mamaritra hoe firy no nijery azy io. Maro tamin’ireo fitaovana fandefasana an’ilay izy no nampiasaina imbetsaka. Ekipa 14 monja tamin’ireo ekipa 86 mpandefa an’ilay izy anefa no nandefa tatitra tsy tapaka, tamin’ny 1915. Nilaza ny tatitra tamin’ny faran’io taona io fa iray tapitrisa mahery no nahita ny “Eurêka-Drame”, na dia tsy feno aza ny tatitra voaray. Olona 30 000 teo ho eo no nangataka boky ara-baiboly.

Tsy nalaza be teo amin’ny tantara angamba ny “Eurêka-Drame.” Mety ho an-tapitrisany anefa no nahita an’io fampisehoana miavaka io, tany Aostralia ka hatrany Arzantina, tany Afrika Atsimo ka hatrany amin’ireo Nosy Britanika, ary tany Inde sy Karaiba. Maro tamin’izy ireny no nahita ny fahamarinana ara-baiboly, izay sarobidy noho ny volamena. Afaka nilaza izy ireo hoe: “Eurêka!”

^ feh. 4 Jereo ilay hoe “Fantaro ny Tantarantsika—Feno 100 Taona Ilay Sanganasa”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 2014, pejy 30-32.