NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Septambra 2014

Ho hitanao ato ny lahatsoratra hianarana manomboka ny 27 Oktobra ka hatramin’ny 30 Novambra 2014.

“Miezaka” Hahazo Andraikitra ve Ianao?

Inona no tokony hatao raha te hahazo andraikitra?

Nahoana Ianao no Resy Lahatra hoe Nahita ny Marina?

Hita ao ny antony sasany inoan’ny olona maro fa nahita ny marina ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny antony inoan’ny Vavolombelona hoe nahita ny marina izy ireo.

Aza Mivadika na Misy “Fahoriana Maro” Aza

Miatrika fahoriana isika rehetra satria miaina eto amin’ny tontolon’i Satana. Ahoana no anafihan’i Satana antsika? Ahoana no hiomanantsika amin’izany?

Ry Ray Aman-dreny, Karakarao Tsara ny Ondrinareo

Andraikitry ny ray aman-dreny ny mitaiza ny zanany araka ny fomba fisainan’i Jehovah. Misy fomba 3 itaizana zanaka sy anampiana azy ho tia an’i Jehovah ao.

Fanontanian’ny Mpamaky

Midika ve ny Salamo 37:25 sy ny Matio 6:33 hoe tsy havelan’i Jehovah ho noana mihitsy ny Kristianina?

Hofoanana ny Fahafatesana, Izay Fahavalo Farany

Mampijaly ny olona ny fahafatesana. Nahoana ny olona no maty? Ahoana no hanafoanana ny fahafatesana, izay fahavalo farany? (1 Kor. 15:26) Asehon’ny valin’ireo fa manao ny rariny sy hendry ary be fitiavana i Jehovah.

Aza Hadinoina Ireo Manompo Manontolo Andro

Maro no mikely aina manompo manontolo andro. Ahoana no ampisehoantsika fa tsaroantsika ny asa mafy ataon’izy ireny noho ny finoany sy ny fitiavany?—1 Tes. 1:3.