Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Hadinoina Ireo Manompo Manontolo Andro

Aza Hadinoina Ireo Manompo Manontolo Andro

‘Tadidinay foana izay ataonareo noho ny finoanareo sy ny asa mafy ataonareo amim-pitiavana.’—1 TES. 1:3.

1. Inona no nolazain’i Paoly momba an’ireo mazoto manompo an’i Jehovah?

NAHATSIARO an’ireo niasa mafy mba hampielezana ny vaovao tsara ny apostoly Paoly. Hoy izy: ‘Tadidinay foana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika izay ataonareo noho ny finoanareo, sy ny asa mafy ataonareo amim-pitiavana, ary ny fiaretanareo vokatry ny fanantenanareo an’i Jesosy Kristy Tompontsika.’ (1 Tes. 1:3) Tadidin’i Jehovah koa ny asa mafy ataon’ny mpanompony amim-pitiavana, na be izany na kely, arakaraka ny zavatra iainany.—Heb. 6:10.

2. Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

2 Maro amin’ny mpiray finoana amintsika taloha sy ankehitriny no nahafoy zavatra betsaka mba hanompoana an’i Jehovah manontolo andro. Handinika ny fanompoan’ny olona sasany tamin’ny taonjato voalohany isika. Hodinihintsika koa hoe inona avy ny fanompoana manontolo andro misy ankehitriny, ary ahoana no ampisehoantsika fa mahatsiaro an’ireo mpanompo manontolo andro isika.

TAMIN’NY TAONJATO VOALOHANY

3, 4. a) Inona no fanompoana nataon’ny rahalahy sy anabavy sasany tamin’ny taonjato voalohany? b) Ahoana no nahazoan’izy ireo izay nilainy?

3 Nanomboka ny fitoriana izay hatao eran-tany i Jesosy, tsy ela taorian’ny batisany. (Lioka 3:21-23; 4:14, 15, 43) Ny apostoliny no nitarika  an’io asa io rehefa maty izy, ary nitatra foana ilay izy. (Asa. 5:42; 6:7) Mpitory ny vaovao tsara sy misionera tany Palestina ny Kristianina sasany toa an’i Filipo. (Asa. 8:5, 40; 21:8) I Paoly sy ny olon-kafa kosa nanompo tany amin’ny faritra lavitra kokoa. (Asa. 13:2-4; 14:26; 2 Kor. 1:19) Nisy koa mpitan-tsoratra na mpanoratra, toa an’i Silvano (Silasy) sy Marka ary Lioka. (1 Pet. 5:12) Nisy anabavy niara-niasa tamin’ireny rahalahy tsy mivadika ireny. (Asa. 18:26; Rom. 16:1, 2) Tena mahafinaritra ny mamaky ny Soratra Grika Kristianina, noho ny tantaran’ireny olona ireny. Hita amin’ireny fa mahatsiaro sy mankasitraka ny mpanompony i Jehovah.

4 Ahoana no niveloman’ireny Kristianina ireny? Indraindray nisy Kristianina nampiantrano azy na nanampy azy tamin’ny fomba hafa. Tsy nitaky an’izany anefa izy ireo. (1 Kor. 9:11-15) Nanampy azy ireo an-tsitrapo ny olona sasany sy ny fiangonana. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 16:14, 15; Filipianina 4:15-18.) Niasa tapa-potoana koa i Paoly sy ireo niara-dia taminy mba hahazoana izay nilainy.

AMIN’NY ANDRO ANKEHITRINY

5. Inona no tsapan’ny mpivady iray manompo manontolo andro?

5 Isan-karazany ny fanompoana manontolo andro ankehitriny, ary maro no miezaka mafy mandray anjara amin’izany. (Jereo ilay efajoro hoe “ Karazana Fanompoana Manontolo Andro.”) Ahoana no fahitan’izy ireny ny fanompoana nofidiny hatao? Handray soa ianao raha manontany azy ireny. Nisy rahalahy iray, ohatra, efa mpisava lalana maharitra sy mpisava lalana manokana ary misionera. Betelita manompo any an-tany hafa izy izao. Hoy izy: “Anisan’ny safidy tsara indrindra nataoko ny nanompo manontolo andro. Sahiran-tsaina aho tamin’izaho 18 taona satria nila nanapa-kevitra, na hianatra teny amin’ny oniversite, na hiasa tontolo andro, na hanao mpisava lalana. Hitako tamin’ny zavatra niainako fa tsy hadinon’i Jehovah ny sorona atao mba hanompoana azy manontolo andro. Afaka mampiasa ny talenta sy ny fahaizana nomen’i Jehovah aho mba hanaovana zavatra maro. Tsy ho afaka nanao izany mihitsy aho raha nifidy asa teo amin’ity tontolo ity.” Hoy koa ny vadiny: “Nanampy ahy hihamatotra ny fanendrena tsirairay. Tsapanay hoe niaro sy nitari-dalana anay foana i Jehovah. Tsy ho nahatsapa an’izany izahay raha nianina tamin’izay fiainana efa nety taminay. Misaotra an’i Jehovah isan’andro aho fa manompo manontolo andro izahay.” Tianao ho toy izany koa ve ny fiainanao?

6. Inona no toky ananantsika rehetra?

6 Tsy afaka manompo manontolo andro ny sasany amintsika izao, noho ny zava-misy. Matoky anefa isika fa sarobidy amin’i Jehovah koa ny fanompoana ataon’izy ireo amin’ny fo manontolo. Niresaka momba an’ireo rehetra anisan’ny fiangonana tao Kolosia i Paoly, ary notononiny tamin’ny anarany ny sasany. (Vakio ny Filemona 1-3.) Nankasitraka azy ireo izy, ary toy izany koa i Jehovah. Mankasitraka ny fanompoanao koa ilay Raintsika any an-danitra. Ahoana anefa no azonao anampiana ny mpanompo manontolo andro?

AZA MANADINO AN’IREO MPISAVA LALANA

7, 8. Inona no ataon’ny mpisava lalana, ary inona no azon’ny tsirairay anampiana azy ireny?

7 Tena mampahery ny fiangonana ny mpisava lalana be zotom-po, toy ny mpitory ny vaovao tsara tamin’ny taonjato voalohany. Maro amin’izy ireny no manokana 70 ora isam-bolana mba hanompoana. Ahoana no azonao anampiana azy ireny?

8 Hoy i Shari, anabavy mpisava lalana: “Manompo isan’andro ny mpisava lalana, ka matanjaka ara-panahy sy matanja-tsaina no fahitana azy. Mila fampaherezana anefa izy ireny.” (Rom. 1:11, 12) Niresaka momba ny mpisava lalana ao amin’ny fiangonany ny anabavy iray efa mpisava lalana nandritra ny taona maro. Nilaza izy fa  miasa mafy izy ireo ary tsy mitsahatra mihitsy. Faly izy ireo, hoy izy, rehefa misy manasa azy hisakafo, na misy manome vola kely hatao saran-dalana na hividianana zavatra. Hitany amin’izany hoe tena misy miahy izy.

9, 10. Inona no nataon’ny Kristianina sasany mba hanampiana ny mpisava lalana ao amin’ny fiangonany?

9 Te hanampy ny mpisava lalana hahavita ny fanompoany ve ianao? Hoy ny anabavy mpisava lalana iray: “Mila namana kokoa izahay amin’ny andavanandro.” Hoy koa ny mpisava lalana iray miara-mivory aminy: “Tena sarotra ny mitady namana hiara-manompo amin’ny tolakandro.” Faly erỳ ny anabavy iray manompo ao amin’ny Betelan’i Brooklyn, rehefa mitantara ny fiainany tamin’izy mpisava lalana. Hoy izy: “Nilaza tamiko ny rahavavy iray nanana fiara hoe: ‘Antsoy aho isaky ny tsy misy namana ianao, dia miara-manompo isika.’ Tena nanampy ahy hahavita ny asan’ny mpisava lalana izy.” Hoy koa i Shari: “Matetika ny mpisava lalana mpitovo no mahatsiaro ho irery rehefa avy manompo. Azonao asaina tsindraindray amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakavianareo izy ireny. Azonao asaina hanao zavatra hafa miaraka aminao koa izy ireny, mba hatanjaka ara-panahy sy hatanja-tsaina foana.”

10 Efa nanompo manontolo andro nandritra ny 50 taona teo ho eo ny anabavy iray. Nanao jery todika ny fiainany tamin’izy mpisava lalana niaraka tamin’ny anabavy mpitovo maromaro izy. Hoy izy: “Nitsidika ny mpisava lalana ny anti-panahinay isaky ny roa volana teo ho eo. Nanontany momba ny fahasalamanay sy ny asa fivelomanay izy ireo, ary nanontany raha nisy nampanahy anay. Tena vokatry ny fony izany. Tonga tany an-tranonay izy ireo mba hahitana raha nila fanampiana izahay.” Mety hampahatsiahy anao ny fanampiana azon’i Paoly avy tamin’ny loham-pianakaviana iray tany Efesosy izany. Tena nankasitrahan’i Paoly izany fanampiana izany.—2 Tim. 1:18.

11. Inona no ataon’ny mpisava lalana manokana?

11 Mahazo tombony ny fiangonana sasany satria manana mpisava lalana manokana. Maro amin’izy ireny no manompo mandritra ny 130 ora isam-bolana. Be atao amin’ny fanompoana sy ny asa eo anivon’ny fiangonana izy  ireny, ka kely fotsiny ny fotoana azony anaovana asa fivelomana na tsy misy mihitsy. Mahazo vola fanampiana kely avy amin’ny biraon’ny sampana izy ireny isam-bolana, mba hahafahany hifantoka amin’ny fanompoana.

12. Inona no azon’ny anti-panahy sy ny hafa atao mba hanampiana ny mpisava lalana manokana?

12 Ahoana no azontsika anampiana ny mpisava lalana manokana? Mifandray amin’ny maro amin’izy ireny ny anti-panahy iray miasa ao amin’ny biraon’ny sampana. Hoy izy: “Mila miresaka amin’izy ireo ny anti-panahy, mamantatra ny zavatra iainany, ary mijery izay fomba azony anampiana azy. Misy rahalahy sy anabavy mieritreritra hoe efa manana izay rehetra ilainy ny mpisava lalana manokana, satria mahazo vola fanampiana. Maro anefa ny zavatra azon’ny mpiara-manompo eo an-toerana atao mba hanampiana azy ireny.” Toa an’ireo mpisava lalana maharitra, dia faly koa ny mpisava lalana manokana rehefa manana namana miara-manompo aminy. Afaka miaraka aminy ve ianao?

TOHANO NY MPIANDRAIKITRA MPITETY FARITANY

13, 14. a) Inona no tokony hotadidintsika momba ny mpiandraikitra ny faritra? b) Inona no mety ho azonao anampiana an’ireo manao asa fitetezam-paritany?

13 Matetika ny mpiandraikitra ny faritra sy ny vadiny no heverin’ny olona ho matanjaka ara-panahy. Matanjaka ara-panahy tokoa izy ireny, nefa mila fampaherezana sy namana hiara-manompo aminy. Tiany koa raha asaintsika hiara-miala voly amintsika izy. Ary ahoana raha marary izy ireny na miditra hopitaly, satria angamba mila fandidiana na fitsaboana hafa? Mampahery azy ireny isika rehefa manome izay ilainy sy miahy azy. Azo inoana fa nikarakara an’i Paoly sy ireo niara-dia taminy i Lioka, ilay “dokotera malala” nanoratra ny Asan’ny Apostoly.—Kol. 4:14; Asa. 20:5–21:18.

14 Tian’ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny sady tena ilainy ny hoe mana-namana akaiky. Hoy ny mpiandraikitra ny faritra iray: “Hoatran’ny tonga dia fantatry ny namako rehefa mila fampaherezana aho. Mahay manontany izy ireo ary manampy ahy izany mba hiresaka an’izay mampanahy ahy. Na mihaino tsara fotsiny aza izy ireo dia efa manampy be ahy.” Tena ankasitrahan’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny vadiny ny fiahian’ny rahalahy sy anabavy.

AMPIO IREO MPIANAKAVIN’NY BETELA

15, 16. Inona no ataon’ireo manompo ao amin’ny Betela sy any amin’ny Efitrano Fivoriambe, ary ahoana no azontsika anampiana azy ireny?

15 Tena ilaina ny asan’ireo manompo ao amin’ny Betela sy any amin’ny Efitrano Fivoriambe. Mampandroso ny asan’ilay Fanjakana eo amin’ny faritra iandraiketan’ny biraon’ny sampana misy azy izy ireo. Raha misy Betelita àry eo anivon’ny fiangonanao na ao amin’ny faritra misy anao, ahoana no ampisehoanao fa tsy manadino azy ireny ianao?

16 Mety halahelo ny any aminy ireo Betelita vaovao, satria nandao ny fianakaviany sy ny namany. Tena faly izy ireny raha minamana aminy ny Betelita hafa sy ny fiangonany vaovao. (Mar. 10:29, 30) Mety tsara ny fandaharam-potoana ao amin’ny Betela, ka afaka mivory sy manompo isan-kerinandro ny Betelita. Mety hila hanao asa fanampiny ao amin’ny Betela anefa izy ireo indraindray. Rehefa mitadidy an’izany ny fiangonana sady mankasitraka an’ireo Betelita sy ny asa ataony, dia mandray soa ny rehetra.—Vakio ny 1 Tesalonianina 2:9.

AMPIO IREO MANOMPO ANY AN-TANY HAFA

17, 18. Inona avy no ataon’ireo manompo any an-tany hafa?

17 Ahoana indray ireo manaiky hanompo any an-tany hafa? Mety ho vaovao be amin’izy ireo ny sakafo, ny fiteny, ny fanao, ary ny fomba fiainan’ny olona. Nahoana izy ireo no manaiky hiatrika an’izany fiovana sarotra izany?

18 Eritrereto ireo misionera. Manompo eny  amin’ny saha ny ankamaroany, ary maro no mandray soa avy aminy satria nahazo fiofanana manokana izy ireny. Manampy azy hanana trano tsotsotra ny biraon’ny sampana ary manome azy vola fanampiana hividianany izay tena ilainy. Eo koa ireo manompo any amin’ny biraon’ny sampana any ivelan’ny taniny, na mankany an-tany hafa mba hanampy amin’ny fanorenana biraon’ny sampana, na biraon’ny fandikan-teny mitokana, na Efitrano Fivoriambe. Omena sakafo sy trano tsotsotra ary izay zavatra hafa ilainy izy ireo. Mivory sy manompo tsy tapaka izy ireo any, toy ny mpianakavin’ny Betela ihany. Mitondra soa maro izy ireo, noho izany.

19. Inona no tokony hotadidintsika momba an’ireo vahiny tonga manompo eto amintsika?

19 Ahoana no azonao anampiana an’ireo rahalahy sy anabavy vahiny tonga manompo manontolo andro ao amin’ny taninao? Tadidio fa tsy mahazatra azy ny sakafo sasany, indrindra amin’ny voalohany. Aza hadinoina izany rehefa manasa azy hisakafo ianao. Afaka manontany azy mialoha ianao hoe sao mba misy sakafo azoazony na tiany handramana. Mila fotoana koa izy mba hahaizany ny fiteny sy ny fanao eo an-toerana, ka manàna faharetana. Mety ho elaela izy vao hahazo ny zavatra rehetra lazainao. Afaka manampy azy amin-katsaram-panahy anefa ianao mba hahaizany hanonona ny fiteninao. Tena te hianatra an’izany izy.

20. Ahoana no azontsika anampiana ny mpanompo manontolo andro sy ny ray aman-dreniny?

20 Mandroso taona ny mpanompo manontolo andro, ary toy izany koa ny ray aman-dreniny. Raha Vavolombelona ny ray aman-dreniny, dia azo antoka fa tena tiany hanohy ny fanompoana nanendrena azy ny zanany. (3 Jaona 4) Ary raha mila fikarakarana ny ray aman-drenin’ireo mpanompo manontolo andro? Marina fa hanao izay fara heriny mba hanampiana azy ireo ny zanany ary hitsidika matetika araka izay azo atao. Afaka manampy an’ireo mpanompo manontolo andro koa anefa ny mpiara-manompo mipetraka any akaikin’ireo ray aman-dreny, ka hikarakara izay ilain’izy ireo. Tadidio fa mandray anjara betsaka amin’ilay asa lehibe indrindra atao ankehitriny ny mpanompo manontolo andro. (Mat. 28:19, 20) Afaka manome tanana àry ve ianao na ny fiangonanao, raha sendra mila fanampiana ny ray aman-drenin’izy ireny?

21. Ahoana no tsapan’ny mpanompo manontolo andro rehefa manampy sy mampahery azy ireo ny hafa?

21 Tsy hoe te hahazo vola ireo rahalahy sy anabavy matoa manompo manontolo andro. Manao izany kosa izy ireo satria te hanome ho an’i Jehovah sy ho an’ny hafa. Ankasitrahan’izy ireo eram-po eran-tsaina izay fanampianao azy. Hoy ny anabavy iray manompo any an-tany hafa: “Na taratasy kely fankasitrahana aza dia efa ahitana hoe mahatsiaro anao ny hafa ary mahafaly azy ny zavatra ataonao.” Maro koa no mahatsapa toy izany.

22. Ahoana no fahitanao ny fanompoana manontolo andro?

22 Ny manompo an’i Jehovah manontolo andro no mahafa-po indrindra. Marina fa tsy mora ilay izy nefa ianaran-javatra sy mahafinaritra. Ho faly hanompo an’i Jehovah mandrakizay ireo tsy mivadika aminy rehefa ao amin’ny tontolo vaovao. Manomana antsika ho amin’izany ny fanompoana manontolo andro. Enga anie isika rehetra ka hitadidy foana ny asa mafy ataon’ny mpanompo manontolo andro, noho izy ireo be fitiavana sy manam-pinoana.—1 Tes. 1:3.