Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Ianao no Resy Lahatra hoe Nahita ny Marina?

Nahoana Ianao no Resy Lahatra hoe Nahita ny Marina?

‘Diniho tsara ka fantaro ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.ROM. 12:2.

1. Inona no nataon’ny mpitondra fivavahana milaza fa Kristianina, nandritra ny ady?

TIAN’ANDRIAMANITRA handeha hiady ve ny tena Kristianina, ka hamono olona avy amin’ny firenen-kafa? Imbetsaka no nisy an’izany tao anatin’ny 100 taona lasa, ary maro tamin’ireo olona niady no nilaza fa Kristianina. Nitso-drano an’ireo miaramila sy ny fitaovam-piadiany ny mpitondra fivavahana katolika, nefa hiady amin’ny Katolika any amin’ny firenen-kafa ihany izy ireo. Toy izany koa no nataon’ny mpitondra fivavahana protestanta. Izany no nitranga tamin’ny Ady Lehibe II, ka ra mandriaka no vokany.

2, 3. Inona no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny Ady Lehibe II sy taorian’izay, ary nahoana?

2 Ary ahoana no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra an’io ady io? Asehon’ny tantara fa tsy nandray anjara tamin’izany izy ireo. Nahoana? Satria nanaraka ny modely sy ny fampianaran’i Jesosy. Hoy i Jesosy: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Nandray lesona avy tamin’izay nosoratan’ny apostoly  Paoly ho an’ny Kristianina tao Korinto koa izy ireo, ka nampihatra izany.—Vakio ny 2 Korintianina 10:3, 4.

3 Tsy mianatra ady na mandray anjara amin’ny ady àry ny tena Kristianina, satria nozariny hanaraka an’izay lazain’ny Baiboly ny feon’ny fieritreretany. Inona no vokany? Vavolombelona an’arivony no nenjehina, ka nisy lehilahy, vehivavy, tanora, ary antitra. Maro no nijaly tany amin’ny toby fiasana an-terivozona sy tany am-ponja. Nisy aza novonoina ho faty nandritra ny fitondran’ny Nazia tany Alemaina. Nenjehina mafy ireo Vavolombelona tany Eoropa, nefa tsy hadinon’izy ireo mihitsy ny nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’i Jehovah. Nitory foana izy ireo, na tany am-ponja na tany amin’ny toby fitanana na tany an-tsesitany. * Tsy nandray anjara tamin’ilay fandripahana foko tany Rwanda koa ny Vavolombelona, tamin’ny 1994. Nisy ra nandriaka koa tany amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Eoropa rehefa nizara i Iogoslavia, nefa tsy nidikiditra tamin’ilay ady izy ireo.

4. Inona no eken’ny olona rehefa fantany fa tsy mandray anjara amin’ny ady isika?

4 Miaiky ny olona maro eran-tany fa tena tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy ny Vavolombelon’i Jehovah, matoa tsy mandray anjara amin’ny ady. Hitan’ireny olona ireny fa tena Kristianina izy ireo. Misy zavatra hafa ataon’ny Vavolombelona anefa mahatonga ny olona hiaiky fa tena Kristianina izy ireo.

ASA FAMPIANARANA LEHIBE INDRINDRA

5. Inona no fiovana niainan’ireo mpianatr’i Kristy voalohandohany?

5 Vao nanomboka ny fanompoany i Jesosy dia nanantitrantitra fa zava-dehibe ny mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nifidy apostoly 12 izy mba hanomboka an’io asa io, izay hatao eran-tany. Nampiofana mpianatra 70 koa izy. (Lioka 6:13; 10:1) Vonona hitory ny vaovao tsara izy ireo ka ny Jiosy no nitoriany voalohany. Nasaina nitory tamin’ny hafa firenena ny mpianatr’i Jesosy tatỳ aoriana. Azo antoka fa fiovana be ho an’ireo Jiosy nazoto nitory ireo izany.—Asa. 1:8.

6. Nahoana i Petera no niaiky fa tsy mizaha tavan’olona i Jehovah?

6 Nirahina ho any an-tranon’i Kornelio, hafa firenena tsy voafora, ny apostoly Petera. Niaiky àry izy fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra. Natao batisa i Kornelio sy ny ankohonany. Afaka nandre sy nanaiky ny fahamarinana ny olona tany amin’ny firenena rehetra, ka niely tamin’ny faritra midadasika ny Fivavahana Kristianina. (Asa. 10:9-48) Izao tontolo izao no faritany nitoriana nanomboka teo.

7, 8. Inona no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampiana ny olona handre ny vaovao tsara? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

7 Tena mazoto ireo mitarika ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, ka manao izay hielezan’ny fitoriana sy fampianarana eran-tany. Efa ho valo tapitrisa izao ny Vavolombelona, ary manao izay rehetra azo atao mba hitoriana ny hafatr’i Kristy. Maherin’ny 600 izao ny fiteny itoriana, ary mbola hiampy izany. Amantarana ny Vavolombelona ny fitoriana isan-trano sy eny an-dalana. Mampiasa latabatra fampirantiana sy fitoerana boky azo afindrafindra izy ireo indraindray.

8 Misy mpandika teny 2 900 mahery ampiofanina mba handika Baiboly sy boky ara-baiboly. Tsy amin’ireo fiteny malaza eran-tany ihany no andikana an’ireny boky ireny. Misy  fiteny an-jatony tsy dia be mpahalala, nefa ampiasain’ny olona an-tapitrisany, ary adika amin’ireny fiteny ireny koa ny bokintsika. Miteny catalan, ohatra, ny olona an-tapitrisany any Catalogne, any Espaina, rehefa miresaka andavanandro. Lasa fampiasa any Andorre, Alicante, Valence, ary any amin’ny Nosy Baléares io fiteny io, tato ho ato. Mamoaka boky amin’ny teny catalan izao ny Vavolombelon’i Jehovah, ary manao fivoriana amin’io fiteny manohina ny fon’ny mponin’i Catalogne io.

9, 10. Inona no manaporofo fa tian’ny fandaminan’i Jehovah hahalala ny marina ny olona rehetra?

9 Adika amin’ny fiteny maro ny bokintsika ary ampianarina Baiboly amin’ny fiteniny ny olona eran-tany. Miteny espaniola, ohatra, ny olona any Meksika, nefa maro koa no mampiasa fiteny hafa. Anisan’izany ny foko Maya. Nasain’ny sampan’i Meksika hipetraka any amin’ny faritra miteny maya ny ekipa mpandika teny maya. Amin’izay izy ireo afaka miteny sy mandre an’ilay fiteny isan’andro. Mandika boky ara-baiboly amin’ny teny népali koa isika. Fiteny ampiasaina any Népal, firenena misy mponina 29 tapitrisa mahery, ny népali. Misy fiteny 120 eo ho eo ampiasaina any, nefa ny népali no tena fitenin’ny olona folo tapitrisa mahery. Miteny népali koa ny olona maro hafa efa manana ny fiteniny.

10 Manohana an’ireo ekipa mpandika teny eran-tany ny fandaminan’i Jehovah, ka hita fa tena zava-dehibe aminy ilay andraikitra hitory ny vaovao tsara any amin’ny firenena rehetra. Taratasy mivalona sy bokikely ary gazety an-tapitrisany no efa nozaraina maimaim-poana eran-tany. Ny fanomezana an-tsitrapo ataon’ireo Vavolombelona no ahafahana manao izany. Hoy mantsy i Jesosy: “Efa nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.”—Mat. 10:8.

Ekipa mpandika teny manomana bokikely amin’ny tenim-paritra alemà (Fehintsoratra 10)

Mahasoa ny olona any Paragoay ny boky amin’ny tenim-paritra alemà (Jereo koa ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra)

11, 12. Inona no tsapan’ny olona rehefa fantany ny fitoriana eran-tany ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah?

11 Tena mazoto mitory sy mampianatra ny Vavolombelona. Resy lahatra tanteraka izy ireo hoe nahita ny marina, ka mahafoy zavatra betsaka mba hitoriana amin’ny olona avy amin’ny firenena sy foko samihafa. Maro no manatsotra ny fiainany sy mianatra fiteny hafa ary mizatra kolontsaina hafa, mba handraisana anjara amin’io asa mamonjy aina io. Io fitoriana sy fampianarana eran-tany io koa no mahatonga olona maro hiaiky fa tena  mpanara-dia an’i Kristy Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah.

12 Manao an’izany rehetra izany ny Vavolombelon’i Jehovah satria miaiky fa nahita ny marina. Hodinihintsika izao hoe nahoana ny rahalahy sy anabavy sasany no resy lahatra toy izany.—Vakio ny Romanina 14:17, 18.

NAHOANA IZY IREO NO RESY LAHATRA?

13. Inona no ataon’ny Vavolombelona mba hadio foana ny fandaminan’izy ireo?

13 Mahasoa antsika ny mandinika izay nolazain’ny Kristianina sasany fa naharesy lahatra azy. Hoy ny Vavolombelona iray efa ela: “Manao izay rehetra azo atao ny Vavolombelon’i Jehovah mba hahatonga ny fandaminan’i Jehovah tsy hisy tsiny sy hadio foana, eo amin’ny resaka fitondran-tena. Toroana hevitra na anarina àry ireo tokony hahitsy, na iza izy na iza.” Inona no manampy ny Vavolombelona mba hadio fitondran-tena foana? Manaraka ny fitsipiky ny Baiboly izy ireo, ary manahaka an’i Jesosy sy ny mpianany. Azo lazaina hoe vitsy ihany no noroahina tsy ho anisan’ny fiangonana noho izy tsy nety nanaraka ny fitsipik’Andriamanitra. Madio fitondran-tena ny ankamaroan’ny Vavolombelona, anisan’izany ireo ratsy fitondran-tena taloha nefa niova.—Vakio ny 1 Korintianina 6:9-11.

14. Inona no nataon’ny olona maro efa voaroaka, ary inona no vokatr’izany?

14 Ary ahoana ny amin’ireo tsy maintsy noroahina tsy ho anisan’ny fiangonana, araka ny toromariky ny Soratra Masina? Maro amin’izy ireny no nibebaka, ka nekena ho anisan’ny fiangonana indray. (Vakio ny 2 Korintianina 2:6-8.) Matoky àry ny Vavolombelon’i Jehovah fa ankasitrahan’Andriamanitra ny fandaminana misy azy ireo, satria manaraka foana ny fitsipiky ny Baiboly ny fiangonana ka madio. Mankatò ny fitsipik’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy toy ny fivavahana maro izay milefitra loatra. Maro àry no resy lahatra hoe manaraka ny fahamarinana izy ireo.

15. Nahoana ny rahalahy iray no resy lahatra hoe nahita ny marina?

15 Nahoana koa ny Vavolombelona hafa no mino hoe nahita ny marina izy? Hoy ny rahalahy iray 54 taona: “Mbola tovolahy aho dia efa nino fa miorina amin’ny zavatra telo ny finoako: 1) Misy Andriamanitra, 2) izy no nampanoratra ny Baiboly, ary 3) mampiasa sy mitahy ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Niezaka aho hatramin’izay, isaky ny nianatra, mba hitady porofo manamarina an’ireo zavatra telo ireo. Mihabetsaka foana ny porofo hitako isan-taona, ka mihamatanjaka ny finoako ary vao mainka aho resy lahatra fa nahita ny marina isika.”

16. Inona no naharesy lahatra ny anabavy iray?

16 Nilaza ny zavatra naharesy lahatra azy ny anabavy iray manambady, izay manompo any  amin’ny foibentsika any New York. Hoy izy: “Ny fandaminan’i Jehovah ihany no manambara foana ny anaran’i Jehovah. Mety tsara izany satria miseho im-7 000 eo ho eo ao amin’ny Baiboly izy io. Tena mampahery ahy ny 2 Tantara 16:9 hoe: ‘Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.’ ” Hoy ihany izy: “Rehefa nianatra ny fahamarinana aho, dia fantatro hoe ahoana no hanompoako an’i Jehovah amin’ny fo manontolo, ka hahatonga azy hampiseho ny heriny hamonjena ahy. Sarobidy be amiko ny fifandraisako amin’i Jehovah. Mankasitraka an’i Jesosy koa aho, satria nanampy ahy izy mba hahalala tsara an’Andriamanitra. Mampahery ahy izany fahalalana izany.”

17. Inona no lasa ninoan’ny lehilahy iray, ary nahoana?

17 Hoy ny rahalahy iray izay tsy nino an’Andriamanitra taloha: “Nandinika ny zavaboary aho, ka lasa mino fa tian’Andriamanitra hankafy ny fiainana ny olombelona. Midika izany fa tsy havelany hitohy mandrakizay ny fijaliana. Miharatsy ny olona eto amin’ity tontolo ity, fa ny vahoakan’i Jehovah kosa vao mainka manam-pinoana sy be zotom-po ary be fitiavana. Ny fanahin’i Jehovah ihany no mahavita an’izany fahagagana izany!”—Vakio ny 1 Petera 4:1-4.

18. Inona no naharesy lahatra ny rahalahy roa, ary inona no tsapanao momba izany?

18 Misy Vavolombelona iray efa ela nilaza ny antony inoany hoe marina ny zavatra torintsika. Hoy izy: “Takatro tamin’ny fianarako tao anatin’ny taona maro, fa niezaka mafy ny Vavolombelona mba hanaraka ny modely navelan’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Hitako tamin’ny dia nataoko eran’izao tontolo izao koa fa miray saina ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Lasa faly sy sambatra aho noho ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.” Niresaka momba an’i Jesosy Kristy ny rahalahy iray 60 taona mahery, rehefa nanontaniana hoe inona no naharesy lahatra azy. Hoy izy: “Nandinika tsara ny fiainana sy ny fanompoan’i Jesosy isika, ka mazava tsara amintsika ny modely navelany. Nampian’i Kristy Jesosy hanitsy ny fomba fiainantsika isika, ka lasa akaiky kokoa an’Andriamanitra. Hitantsika hoe mila ny sorom-panavotan’i Kristy isika mba ho voavonjy. Fantatsika koa fa natsangana tamin’ny maty izy, satria maro ny vavolombelona azo itokisana nahita maso azy.”—Vakio ny 1 Korintianina 15:3-8.

AMPITAO AMIN’NY HAFA NY FAHAMARINANA

19, 20. a) Inona ilay andraikitra tian’i Paoly hasongadina rehefa nanoratra ho an’ny fiangonana tao Roma izy? b) Inona no tombontsoan’ireo Kristianina nanokan-tena?

19 Tena tia ny mpiara-belona isika Kristianina. Tsy hazonintsika ho antsika àry ny fahamarinana sarobidy fantatsika. Hoy i Paoly tamin’ny mpiara-manompo taminy tao Roma: “Raha ambaranao ampahibemaso izany ‘teny eo am-bavanao’ izany ka lazainao fa i Jesosy no Tompo, ary inoanao ao am-po fa Andriamanitra efa nanangana azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Fa amin’ny fo no inoana mba hahatongavana ho olo-marina, ary amin’ny vava no anaovana fanambarana ampahibemaso mba hahazoana famonjena.”—Rom. 10:9, 10.

20 Miaiky isika Vavolombelon’i Jehovah nanokan-tena fa nahita ny marina. Tsapantsika koa fa manana tombontsoa hampahafantatra ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra isika. Rehefa mitory àry ianao, dia ampio ny olona hiaiky fa marina izay lazainao avy ao amin’ny Baiboly. Ataovy tsapany koa fa tena resy lahatra amin’izay lazainao ianao.