Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANTARO NY TANTARANTSIKA

Niposaka Tany Japon ny Hazavana

Niposaka Tany Japon ny Hazavana

Fanasana hanatrika lahateny, nozaraina tao Tokyo sy naparitaky ny fiaramanidina eran’i Osaka

LASA misionera tany Japon ny rahalahy japoney mpitety fiangonana (mpiandraikitra mpitety faritany) tany Etazonia. Tonga tany izy ny 6 Septambra 1926. Niandry azy ny olona iray efa nampianatra Baiboly olona maromaro tao Kobe. Izy io irery no nanao famandrihana tamin’ny Tilikambo Fiambenana, tany Japon. Tamin’ny 2 Janoary 1927 no nanao fivoriambe voalohany tany ny Mpianatra ny Baiboly ary tao Kobe izany no natao, ka 36 ny mpanatrika ary 8 no natao batisa. Efa tsara izany nefa mbola nisy olona 60 tapitrisa nila nahita ny fahazavan’ny fahamarinana tany Japon. Ahoana no nanampiana azy ireo?

Nahita hevitra ny Mpianatra ny Baiboly ka nanao ezaka manokana hanasana olona hanatrika lahateny ara-baiboly maromaro, tamin’ny Mey 1927. Tao Osaka ny lahateny voalohany. Nasiana takelaka misy fanasana teny amoron’arabe ary nametrahana tabilao lehibe eran’ny tanàna. Nanaterana fanasana 3 000 ny olona ambony ary 150 000 no nozaraina tamin’olon-kafa. Nasiana fanasana koa tao amin’ny gazety malaza tao Osaka sy tamin’ny tapakila miisa 400 000 ho an’ny mpandeha lamasinina. Nisy fiaramanidina roa nanaparitaka fanasana 100 000 tao an-tanàna, tamin’ny andro nanaovana an’ilay lahateny. Olona 2 300 teo ho eo no tonga nihaino ilay lahateny hoe “Akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra”, tao amin’ny efitrano lehibe iray tao Osaka. Feno ilay trano ka arivo teo ho eo no tsy tafiditra. Nisy famaliana fanontaniana taorian’ilay lahateny, ka 600 mahery no mbola nijanona. Nisy lahateny natao koa tany Kyoto sy ny tanàna hafa tany amin’ny faritra andrefan’i Japon, nandritra ny volana nanaraka.

Nisy lahateny maromaro natao koa tao Tokyo, tamin’ny Oktobra 1927. Nomena fanasana indray ny olo-manan-kaja, toy ny praiminisitra, ireo anisan’ny Parlemanta, ary ny mpitondra fivavahana sy ny manamboninahitry ny tafika. Nanao peta-drindrina sy filazana an-gazety ireo rahalahy ary nizara fanasana 710 000, ka 4 800 no nanatrika ny lahateny telo natao tao Tokyo.

MPISAVA LALANA BE ZOTOM-PO

Katsuo sy Hagino Miura

Ny mpisava lalana no tena nitory tany an-tranon’olona. Anisan’ny mpisava lalana voalohany tany Japon i Matsue Ishii. Nitety ny telo ampahefatr’i Japon izy sy Jizo vadiny mba hitory. Niainga tany Sapporo any avaratra izy ireo ka tonga hatrany Sendai, Tokyo, Yokohama, Nagoya, Osaka, Kyoto, Okayama, ary Tokushima. Nitsidika olona ambony tao amin’ny fitondrana ny Anabavy Ishii sy Sakiko Tanaka anabavy be taona, ary nanao akanjo japoney mihaja. Nangataka ny boky Ny Harpan’Andriamanitra sy Fanafahana miisa 300 avy ny iray tamin’izy ireny mba hatao tao amin’ny fitehirizam-bokin’ny fonja.

Nandray boky tamin’ny Anabavy Ishii i Katsuo sy Hagino Miura ary tonga dia niaiky fa nahita ny marina. Natao batisa izy ireo tamin’ny 1931 ary lasa mpisava lalana. Nanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana koa i Haruichi sy Tane Yamada sy ny havany maro, taloha kelin’ny 1930. Lasa mpisava lalana izy mivady ary nanompo tao amin’ny Betelan’i Tokyo i Yukiko zanany vavy.

JEHO BE SY JEHO KELY

Jeho Be iray, antonona mpisava lalana enina

Lafo be ny fiara ary ratsy ny lalana, ka nampiasa tranofiara tsy misy maotera i Kazumi Minoura sy ny mpisava lalana tanora hafa. Jeho no niantsoany azy ireny, toy ilay mpitondra kalesy niriotra mafy, izay lasa mpanjakan’ny Israely. (2 Mpanj. 10:15, 16) Nisy Jeho Be telo ka 2,2 metatra ny lavany, 1,9 metatra ny sakany, ary 1,9 metatra ny haavony. Omby olona enina ny Jeho Be iray. Nisy Jeho Kely 11 namboarina koa tao amin’ny biraon’ny sampana. Antonona olona roa avy izy ireo ary notarihina tamin’ny bisikileta. Hoy i Kiichi Iwasaki, anisan’ny nanamboatra an’ireo Jeho: “Nisy tranolay ireo Jeho sady nasiana bateria mba hampirehitra ny jiro.” Nanosika sy nitarika an’ireo Jeho niaka-nidina tendrombohitra sy namakivaky lohasaha ireo mpisava lalana, tany Hokkaido any avaratra ka hatrany Kyushu any atsimo. Nampamirapiratra ny hazavan’ny fahamarinana eran’i Japon izy ireo.

Jeho Kely iray, antonona mpisava lalana roa

Hoy i Ikumatsu Ota, mpisava lalana: “Najanonay teo amoron-drano na teo amin’ny toerana malalaka ny Jehonay rehefa tonga tao amin’ny tanàna iray izahay. Nankany amin’ny olona ambony aloha izahay, ohatra hoe ny ben’ny tanàna. Nampiseho ny bokintsika tany an-tranon’olona izahay avy eo. Nifindra izahay rehefa vita ilay faritany.”

Tsy nisy afa-tsy 36 no nanatrika ny fivoriambe voalohany tany Kobe. “Andron’ny zava-madinika” tamin’izany. (Zak. 4:10) Lasa 103 anefa ny mpisava lalana sy mpitory namerina tatitra tany Japon tamin’ny 1932, dimy taona tatỳ aoriana. Nametraka boky 14 000 mahery izy ireo. Misy fitoriana alamina izao eny amin’ny toerana be olona any amin’ny tanàn-dehibe any, ary efa ho 220 000 ny mpitory mampamirapiratra ny hazavana eran’i Japon.—Avy any amin’ny tahirintsika any Japon.