Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mahazo Tsara ny Hevitry ny Soratra Masina’ ve Ianao?

‘Mahazo Tsara ny Hevitry ny Soratra Masina’ ve Ianao?

“Nosokafany tanteraka ny sain’ireo mba ho azon’izy ireo tsara ny hevitry ny Soratra Masina.”—LIOKA 24:45.

1, 2. Ahoana no nampaherezan’i Jesosy ny mpianany, tamin’ilay andro nitsanganany tamin’ny maty?

AVY natsangana tamin’ny maty i Jesosy. Nisy mpianany roa lahy nankany amin’ny tanàna iray 11 kilaometatra teo ho eo avy tao Jerosalema tamin’io andro io. Mbola tsy fantatr’izy ireo hoe efa natsangana i Jesosy, ka nalahelo be izy ireo. Nipoitra tampoka anefa i Jesosy ary niara-dalana tamin’izy ireo. Nampahery azy roa lahy izy. Inona no nataony? “Nohazavainy tsara tamin’ireo ny hevitry ny teny momba azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra, nanomboka hatrany amin’i Mosesy sy ny Mpaminany rehetra.” (Lioka 24:13-15, 27) Lasa toy ny nisy afo niredareda tao am-pon’izy ireo satria “nanazava tsara” ny Soratra Masina tamin’izy ireo izy.—Lioka 24:32.

2 Niverina tany Jerosalema izy roa lahy ny harivan’io, ka notantarainy tamin’ireo apostoly daholo izay nitranga. Niseho tamin’izy rehetra i Jesosy raha mbola niresaka izy ireo. Natahotra be anefa ireo apostoly ary nisalasala hoe i Jesosy tokoa ve io. Ahoana no nampaherezan’i Jesosy azy? “Nosokafany tanteraka ny sain’ireo mba ho azon’izy ireo tsara ny hevitry ny Soratra Masina.”—Lioka 24:45.

3. Inona avy no olana mety hatrehintsika, ary inona no hanampy antsika ho faly foana amin’ny fanompoana?

3 Mety halahelo be toa an’ireo mpianatr’i Jesosy koa isika indraindray. Angamba isika miezaka mafy manao ny asan’ny Tompo nefa tsy mahita vokatra ka kivy. (1 Kor. 15:58) Mety ho toa zara raha mandroso koa ny olona ampianarintsika, na niala tamin’i Jehovah mihitsy aza ny sasany. Inona no hanampy antsika ho faly foana amin’ny fanompoana? Ho faly foana isika raha mahazo tsara ny hevitry ny fanoharan’i Jesosy ao amin’ny Soratra Masina. Handinika fanoharana telo isika ary hijery izay azo ianarana avy amin’izany.

ILAY MPAMAFY NATORY

4. Inona no dikan’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny mpamafy natory?

4 Vakio ny Marka 4:26-29. Inona no dikan’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny mpamafy natory? Ny mpamafy dia ny mpitory tsirairay. Ilay voa kosa dia ny hafatra momba ilay Fanjakana, izay torina amin’ny olona tso-po. ‘Natory’ ilay mpamafy ‘tamin’ny alina ary nifoha tamin’ny maraina’, toy ny mahazatra. Elaela ny fitomboan’ilay voa. ‘Maniry izy io ka mitombo’, manomboka eo amin’ny famafazana ka hatramin’ny fijinjana. Mitombo tsikelikely “amin’izao fotsiny” ilay izy. Mandroso ara-panahy tsikelikely koa ny olona, ary mety ho tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah amin’ny farany. Mamokatra izy rehefa manokana ny fiainany ho an’i Jehovah sy atao batisa.

5. Nahoana i Jesosy no nilaza an’ilay fanoharana momba ny mpamafy?

5 Nahoana i Jesosy no nilaza an’io fanoharana io? Tiany ho azontsika fa i Jehovah no mampitombo ny voan’ny fahamarinana ao am-pon’ireo “manana toe-po tsara.” (Asa. 13:48; 1 Kor. 3:7) Mamboly sy manondraka isika, fa tsy afaka manery an’ilay voa hitombo na manafaingana ny fitomboany. Toa an’ilay mpamafy koa isika. Tsy fantatsika mantsy ny fomba itomboan’ilay voa, ary tsy tsikaritsika izany matetika fa mitohy toy ny mahazatra ny fiainantsika. Mety hamokatra anefa ny voan’ilay Fanjakana, amin’ny farany. Lasa miara-miasa amintsika amin’ilay asa fijinjana ilay mpianatra vaovao, ary mahasoa antsika ny fanampiany.—Jaona 4:36-38.

6. Inona no tsy maintsy ekentsika momba ny fandrosoan’ny olona ampianarintsika Baiboly?

6 Inona no ianarantsika avy amin’io fanoharana io? Voalohany, mila manaiky isika fa tsy vitantsika ny manafaingana ny fandrosoan’ny mpianatra Baiboly. Tsy hanery an’ilay mpianatra mba hatao batisa isika raha manetry tena. Manao izay rehetra azo atao isika mba hanampiana sy hanohanana azy, nefa ekentsika fa anjarany ny manapa-kevitra raha hanokan-tena izy na tsia. Tokony ho vokatry ny fo sy ny fitiavana an’Andriamanitra ny fanokanan-tena. Tsy eken’i Jehovah ilay izy raha tsy izany.—Sal. 51:12; 54:6; 110:3.

7, 8. a) Inona koa no ianarantsika avy amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ilay mpamafy natory? Manomeza ohatra. b) Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah sy Jesosy avy amin’io fanoharana io?

7 Faharoa, raha azontsika ny hevitr’ilay fanoharana dia tsy ho kivy isika raha tsy tonga dia misy vokany ny ezaka ataontsika eo amin’ny fanompoana. Mila manana faharetana isika. (Jak. 5:7, 8) Mety ho efa manao izay tsara indrindra vitantsika isika mba hanampiana an’ilay mpianatra, nefa tsy mamoa ilay voa nafafintsika. Tsy midika izany hoe tsy manao tsara ny asantsika isika. Tsy havelan’i Jehovah haniry ao am-pon’ny olona iray ny voan’ny fahamarinana raha tsy manetry tena sy vonona hiova izy. (Mat. 13:23) Tsy ny isan’ny olona nampiantsika ho vita batisa àry no amaritana hoe mahomby ny fanompoantsika. Tsy ny fandrosoan’ny olona ampianarintsika no amaritan’i Jehovah an’izany. Ny ezaka mafy ataontsika kosa no sarobidy aminy, na inona na inona vokatr’ilay izy.—Vakio ny Lioka 10:17-20; 1 Korintianina 3:8.

8 Fahatelo, mety tsy ho hitantsika ny fiovana ao am-pon’ny olona. Nilaza tamin’ny misionera nampianatra azy, ohatra, ny mpivady iray fa te hitory. Nampahatsiahy azy ireo ilay misionera fa mila miala amin’ny sigara aloha izy mivady vao mahafeno fepetra. Nilaza izy ireo fa efa volana maromaro no tsy nifoka, ka gaga be ilay misionera. Nahoana izy mivady no tsy nifoka intsony? Takany fa hitan’i Jehovah foana izy ireo rehefa mifoka, ary halany ny fihatsarambelatsihy. Nanapa-kevitra àry izy ireo hoe: Na izy hifoka eo imason’ilay misionera na tsy hifoka intsony. Vao haingana izy ireo no lasa tia an’i Jehovah, nefa nanampy azy ireo handray fanapahan-kevitra tsara izany. Nandroso ara-panahy izy ireo na tsy fantatr’ilay misionera aza.

NY HARATO TARIHINA

9. Inona no dikan’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny harato tarihina?

9 Vakio ny Matio 13:47-50. Inona no dikan’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny harato tarihina? Nampitovin’i Jesosy tamin’ny fandatsahana harato lehibe iray ao an-dranomasina ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny olona eran-tany. Mahazo trondro maro be sy isan-karazany io harato io. Toy izany koa fa mahasarika olona an-tapitrisany ny fitoriantsika ary mahasarika ny karazan’olona rehetra. (Isaia 60:5) Manaporofo izany ireo olona maro tonga manatrika ny fivoriambentsika sy ny Fahatsiarovana isan-taona. Toy ny trondro “tsara” ny sasany amin’izy ireny ary lasa anisan’ny fiangonana kristianina. Ny hafa kosa toy ireo trondro “ratsy.” Tsy izay rehetra voangona mantsy no eken’i Jehovah.

Vakio ny Matio 13:47-50, dia...

10. Nahoana i Jesosy no nilaza an’ilay fanoharana momba ny harato tarihina?

10 Nahoana i Jesosy no nilaza an’io fanoharana io? Tsy ny fitsarana farany amin’ny fahoriana lehibe ilay fanavahana trondro voaresaka eo. Zava-mitranga mandritra ny andro faran’ity tontolo ity kosa izy io. Nasehon’i Jesosy fa tsy izay rehetra liana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana no ho lasa mpanompon’i Jehovah. Maro no efa miara-mivory amintsika. Eo koa ireo vonona hianatra Baiboly fa tsy vonona hanokan-tena. (1 Mpanj. 18:21) Misy indray tsy mivory miaraka amin’ny fiangonana kristianina intsony. Notezain’ny ray aman-dreny kristianina koa ny tanora sasany, saingy mbola tsy tia ny fitsipik’i Jehovah. Nasongadin’i Jesosy fa ny tsirairay no mila manapa-kevitra. Ho ‘sarobidy’ amin’i Jehovah ireo mandray fanapahan-kevitra tsara.—Hag. 2:7.

... eritrereto ny hevitr’izy io ankehitriny

11, 12. a) Ahoana no andraisantsika soa avy amin’ilay fanoharana momba ny harato tarihina? b) Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah sy Jesosy avy amin’io fanoharana io?

11 Ahoana no andraisantsika soa avy amin’io fanoharana io? Raha azontsika tsara ny lesona ampitain’io fanoharana io, dia tsy ho kivy na ho diso fanantenana loatra isika raha tsy te hanompo an’i Jehovah ny olona ampianarintsika Baiboly na ny zanatsika. Mety hitranga izany na miezaka mafy aza isika. Tsy voatery hifandray tsara amin’i Jehovah ny olona iray raha mianatra Baiboly na tezaina ao amin’ny fahamarinana. Hosarahina amin’ny vahoakan’Andriamanitra izay tsy mety manaiky ny fahefan’i Jehovah, amin’ny farany.

Ho lasa mpanompon’i Jehovah ny sasany amin’ireo tia ny fahamarinana (Fehintsoratra 9-12)

12 Midika ve izany fa tsy mahazo miverina ho anisan’ny fiangonana intsony ireo niala tamin’ny fahamarinana, na hoe tsy misy antenaina intsony ny amin’ireo mbola tsy nanokan-tena ho an’i Jehovah? Tsia. Mbola afaka mifandray tsara amin’i Jehovah ireny olona ireny raha mbola tsy tonga ny fahoriana lehibe. Toy ny miantso azy ireo i Jehovah hoe: “Miverena amiko, dia hiverina aminareo aho.” (Mal. 3:7) Manasongadina an’izany ilay fanoharana nolazain’i Jesosy momba ny zanaka adala.—Vakio ny Lioka 15:11-32.

ILAY ZANAKA ADALA

13. Inona no dikan’ilay fanoharana momba ny zanaka adala?

13 Inona no dikan’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny zanaka adala? I Jehovah Raintsika be fitiavana any an-danitra no oharina amin’ilay ray be fangorahana, ao amin’ilay fanoharana. Mifanitsy amin’ireo olona tsy miaraka amin’ny fiangonana intsony ilay zanaka nangataka ny lovany sy nandanilany izany. Toy ny hoe nankany “an-tany lavitra” izy ireo, izany hoe nankany amin’ny tontolon’i Satana, izay lavitra an’i Jehovah. (Efes. 4:18; Kol. 1:21) Tonga saina anefa ny sasany ka toy ny hoe manao dia lavitra sy sarotra mba hiverenana ao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Mandray tsara an’ireny olona manetry tena sy mibebaka ireny ilay Raintsika tia mamela heloka.—Isaia 44:22; 1 Pet. 2:25.

14. Nahoana i Jesosy no nilaza an’ilay fanoharana momba ny zanaka adala?

14 Nahoana i Jesosy no nilaza an’io fanoharana io? Kanto erỳ ny fomba nilazan’i Jesosy fa tian’i Jehovah hiverina aminy ireo nandao azy. Nanantena foana ilay ray tao amin’ilay fanoharana fa hiverina ny zanany. Nody tokoa ilay zanany ary tazany raha “mbola lavitra”, ka nihazakazaka nitsena azy izy. Tena mandrisika an’ireo niala tamin’ny fahamarinana mba hiverina amin’i Jehovah tsy misy hataka andro izany. Marina fa mety halemy ara-panahy tanteraka izy, ary sarotra aminy ny hiverina sady mahamenatra azy. Hovalian-tsoa anefa ny ezaka ataony ary hahafaly an’i Jehovah sy Jesosy ary ny anjely.—Lioka 15:7.

15, 16. a) Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharana momba ny zanaka adala? Manomeza ohatra. b) Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah sy Jesosy avy amin’io fanoharana io?

15 Ahoana no andraisantsika soa avy amin’io fanoharana io? Tokony hanahaka an’i Jehovah isika. Tsy mety mihitsy ny miseho ho “marina loatra” ka tsy mandray tsara an’ireo mpanota mibebaka. Hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah izany. (Mpito. 7:16) Misy lesona hafa koa. Toy ny “ondry very” no tokony hiheverana an’ireo nandao ny fiangonana, fa tsy toy ny hoe tsy misy antenaina intsony ny aminy. (Sal. 119:176) Inona no hataontsika raha sendra mahita olona tsy miaraka amin’ny fiangonana intsony isika? Haneho fitiavana azy ve isika ka hanampy azy hiverina? Hiresaka avy hatrany amin’ny anti-panahy ve isika mba hanampian’izy ireo azy? Hanao izany isika raha mampihatra ny lesona avy amin’ilay fanoharana.

16 Mankasitraka ny famindram-pon’i Jehovah ireo olona toa an’ilay zanaka adala, sady mankasitraka ny fitiavana sy ny fanohanan’ny fiangonana. Hoy, ohatra, ny rahalahy iray voaroaka nandritra ny 25 taona: “Mitombo foana ny fifaliako hatramin’ny naha voaray ahy, satria tsapako hoe ‘mamelombelona’ ahy i Jehovah. (Asa. 3:19) Tena manampy ahy ny rehetra sady be fitiavana! Manana fianakaviana ara-panahy mahafinaritra be aho izao.” Hoy koa ny anabavy tanora iray tsy nitory intsony ary niverina tamin’i Jehovah rehefa afaka dimy taona: “Tena tsapako hoe nanehoana an’ilay fitiavana noresahin’i Jesosy aho, ka tsy hitako izay hilazana ny fihetseham-poko. Tsy misy hoatran’ny ao amin’ny fandaminan’i Jehovah!”

17, 18. a) Inona no nianarantsika avy tamin’ireo fanoharana telo nodinihina tato? b) Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

17 Inona no nianarantsika avy tamin’ireo fanoharana telo tato? Voalohany, mila manaiky isika fa tsy vitantsika ny manafaingana ny fandrosoan’ny olona ampianarintsika Baiboly. I Jehovah ihany no afaka manao izany. Faharoa, tsy afaka manantena isika hoe ho lasa mpanompon’i Jehovah daholo izay olona mivory sy mianatra Baiboly. Farany, aoka isika hanantena foana fa mbola hiverina amin’i Jehovah ny olona nandao azy sy niala tamin’ny fahamarinana. Ary rehefa miverina izy ireny, dia tokony horaisintsika tsara, toy ny ataon’i Jehovah.

18 Enga anie isika ka hiezaka foana hitady fahalalana sy fahiratan-tsaina ary fahendrena. Eritrereto ireto rehefa mamaky ny fanoharan’i Jesosy ianao: Inona no dikan’ilay izy? Nahoana izy io no nosoratana ao amin’ny Baiboly? Ahoana no ampiharana ny lesona ao amin’ilay izy? Ary inona no ianarantsika momba an’i Jehovah sy Jesosy avy amin’ilay izy? Izany no ahitana fa azontsika tsara ny hevitry ny tenin’i Jesosy.