Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mankasitraka An’izay Nomena Anao ve Ianao?

Mankasitraka An’izay Nomena Anao ve Ianao?

‘Nandray ny fanahy avy amin’Andriamanitra isika, mba hahafantarantsika ny zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin-katsaram-panahy.’—1 KOR. 2:12.

1. Ahoana no fiheveran’ny olona sasany ny zavatra ananany?

HOY ny ohabolana iray: “Teo tsy manitra ka lasa vao mamerovero.” Matetika tokoa ny olona no tsy tena mankasitraka ny zavatra iray raha efa nananany hatramin’ny mbola kely ilay izy. Efa nahatsapa an’izany ve ianao? Raha mpanankarena, ohatra, ny fianakavian’ny olona iray, dia maro amin’ny zavatra ananany no mety tsy hisy dikany firy aminy. Hoatran’izany ny tanora sasany mbola tsy nandia fiainana satria tsy fantany tsara izay tena sarobidy.

2, 3. a) Inona no tokony hotandreman’ny tanora kristianina? b) Inona no hanampy antsika hankasitraka an’izay ananantsika?

2 Raha tanora ianao, ohatra hoe 13 taona ka hatramin’ny 20 taona mahery kely, inona no zava-dehibe aminao? Vola sy harena no tena zava-dehibe amin’ny tanora maro eto amin’ity tontolo ity. Te hahazo karama be, ohatra, izy ireo, na trano tsara tarehy, na ny fitaovana elektronika nivoaka farany. Raha ireo fotsiny anefa no eritreretintsika, dia misy zava-dehibe iray tsy ampy, dia ny harena ara-panahy. Mampalahelo fa olona an-tapitrisany no tsy mieritreritra an’izany akory. Tsy maintsy mitandrina ianao raha tanora notezain’ny ray aman-dreny kristianina, mba tsy hanadino hoe sarobidy ny lova ara-panahy nomena anao. (Mat. 5:3) Mety hizaka ny vokany mandritra ny androm-piainanao ianao raha tsy mankasitraka an’izany.

3 Azonao sorohina anefa izany. Inona no hanampy anao hankasitraka ny lovanao ara-panahy? Handinika ohatra ao amin’ny Baiboly isika mba hahitana fa tena ilaina ny mankasitraka an’io lova io. Tsy ny tanora ihany no handray soa amin’izany fa ny rehetra.

TSY NAHAY NANKASITRAKA IZY IREO

4. Inona no lazain’ny 1 Samoela 8:1-5 momba ny zanak’i Samoela?

4 Resahin’ny Baiboly fa nisy olona nanana lova ara-panahy tena tsara nefa tsy nankasitraka izany. Izany no nitranga tao amin’ny fianakavian’i Samoela mpaminany, izay nanompo an’i Jehovah hatramin’ny fahazazany ary tsy nivadika mihitsy. (1 Sam. 12:1-5) Namela modely hotahafin’i Joela sy Abia zanany lahy izy. Tsy nankasitraka izany anefa izy ireo fa nanao ratsy. Milaza ny Baiboly fa “nanao fitsarana miangatra” izy ireo fa tsy toa an-drainy.—Vakio ny 1 Samoela 8:1-5.

5, 6. Inona no nataon’ny zanak’i Josia sy ny zafikeliny?

5 Hoatr’izany koa ny zanakalahin’i Josia Mpanjaka. Tena modely i Josia teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Nanao izay rehetra azony natao izy mba hampiharana ny toromarik’i Jehovah, rehefa hita ny boky misy ny Lalàn’Andriamanitra ary novakina taminy. Nesoriny tao amin’ilay tany ny fanompoan-tsampy sy ny asan’ny maizina, ary nampirisihiny hankatò an’i Jehovah ny olona. (2 Mpanj. 22:8; 23:2, 3, 12-15, 24, 25) Nahazo lova ara-panahy tsara tokoa ny zanany. Tsy nankasitraka an’izany lova izany anefa ny zanany lahy telo sy ny zafikeliny iray, rehefa lasa mpanjaka.

6 I Joahaza zanany lahy no nanjaka nandimby an’i Josia, nefa “nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah” izy. Telo volana monja izy no nanjaka dia nogadrain’i Farao, mpanjakan’i Ejipta. Nentina ho babo izy taorian’izay ka maty tany. (2 Mpanj. 23:31-34) Nanjaka 11 taona i Joiakima rahalahiny avy eo. Tsy nankasitraka ny lova ara-panahy avy tamin-drainy koa anefa izy. Nanao ratsy izy ka naminany momba azy i Jeremia hoe: “Halevina toy ny fandevina ampondra izy.” (Jer. 22:17-19) Tsy nanahaka ny ohatra tsara navelan’i Josia koa i Zedekia zanany lahy sy Joiakina zafikeliny, izay samy nandimby azy.—2 Mpanj. 24:8, 9, 18, 19.

7, 8. a) Nahoana i Solomona no azo lazaina hoe tsy nankasitraka ny lovany ara-panahy? b) Inona no ianarantsika avy amin’ireo olona tsy nahay nanararaotra ny lovany ara-panahy?

7 Nandray soa be dia be avy tamin’i Davida rainy koa i Solomona Mpanjaka. Nampianarina hanompo an’i Jehovah izy ary nanao an’izany tamin’ny voalohany. Lasa tsy nankasitraka ny toro lalan’i Jehovah anefa izy tatỳ aoriana. “Rehefa antitra i Solomona, dia voatarik’ireny vadiny ireny hanaraka andriamani-kafa ny fony. Ary tsy nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah Andriamaniny ny fony, tsy mba hoatran’ny fon’i Davida rainy.” (1 Mpanj. 11:4) Tsy nahazo sitraka tamin’i Jehovah intsony àry i Solomona.

8 Nahazo fitaizana tsara ireo lehilahy ireo ary afaka nanao zavatra tsara. Nampalahelo anefa fa tsy nahay nanararaotra izy ireo. Tsy ny tanora rehetra anefa no toy izany, na fahiny na ankehitriny. Hijery ohatra vitsivitsy azon’ny tanora kristianina tahafina isika.

NANKASITRAKA IZAY NOMENA AZY IZY IREO

9. Nahoana ny zanakalahin’i Noa no ohatra tena tsara? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

9 Ohatra tena tsara ny zanakalahin’i Noa. Nasain’i Jehovah nanamboatra sambofiara sy nampiditra ny fianakaviany tao i Noa. Azo inoana fa tsapan’ny zanany hoe ilaina ny manao ny sitrapon’i Jehovah ka niara-niasa tamin’ny rainy izy ireo. Nanampy azy hanorina an’ilay sambofiara izy ireo ary niditra tao. (Gen. 7:1, 7) Nahoana? Milaza ny Genesisy 7:3 fa nampidirina tao anaty sambofiara ireo biby “mba tsy ho lany taranaka eny ambonin’ny tany manontolo.” Voavonjy koa ny olombelona. Zava-dehibe tamin’ny zanak’i Noa ny lova ara-panahy nomen-drainy azy. Nanana tombontsoa hiaro ny olombelona sy hamerina ny fivavahana marina teto an-tany àry izy ireo.—Gen. 8:20; 9:18, 19.

10. Ahoana no nampisehoan’ny tanora hebreo efa-dahy fa nankasitrahany ny fahamarinana nampianarina azy?

10 Taonjato maromaro tatỳ aoriana, dia nisy tanora hebreo efa-dahy koa hita hoe nahafantatra an’izay tena zava-dehibe. Tsy iza izany fa i Hanania, Misaela, Azaria, ary Daniela. Nentina tany Babylona izy ireo tamin’ny 617 T.K. Tsara bika sy nahira-tsaina izy efa-dahy ka mora taminy ny nanaraka ny fomba fiainan’ny Babylonianina. Tsy nanao izany anefa izy ireo. Hita tamin’ny zavatra nataony hoe tsaroany ny lovany ara-panahy, izany hoe izay nampianarina azy. Nampihatra izay nampianarina azy tamin’ny mbola kely izy ireo ka nahazo fitahiana be dia be.—Vakio ny Daniela 1:8, 11-15, 20.

11. Nahoana no nahasoa ny hafa ny zavatra nampianarina an’i Jesosy?

11 I Jesosy Zanak’Andriamanitra no ohatra tsara indrindra. Be dia be ny zavatra nampianarin’ny Rainy azy. Tena sarobidy taminy izany, araka ilay teniny hoe: “Araka izay nampianarin’ny Ray ahy no ilazako izany.” (Jaona 8:28) Tiany handray soa avy tamin’izay nomena azy koa ny hafa. Hoy izy tamin’ny vahoaka: “Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa aho, fa izany no nanirahana ahy.” (Lioka 4:18, 43) Nampiany ireo nihaino azy mba hahita fa tsy tokony ho “anisan’izao tontolo izao” izy ireo. Tsy tia ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra mantsy ity tontolo ity.—Jaona 15:19.

ANKASITRAHO IZAY NOMENA ANAO

12. a) Nahoana no mihatra amin’ny tanora maro ankehitriny ny 2 Timoty 3:14-17? b) Inona no fanontaniana tokony hoeritreretin’ny tanora kristianina?

12 Mety ho notezain’ny ray aman-dreny tia an’i Jehovah koa ianao, toa an’ireo tovolahy noresahintsika teo. Mety hihatra aminao àry izay nolazain’ny Soratra Masina momba an’i Timoty. (Vakio ny 2 Timoty 3:14-17.) Ny ray aman-dreninao no “nampianatra” anao ny momba an’ilay tena Andriamanitra sy ny fomba ampifaliana azy. Mbola zazakely angamba ianao dia efa nampianarin’izy ireo. Azo antoka fa izany no “nampahahendry anao ho amin’ny famonjena, amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy Jesosy.” Izany koa no nanampy anao ho “ampy fitaovana tsara” mba hanompoana an’i Jehovah. Mankasitraka an’izay nomena anao àry ve ianao? Mety hilainao ny mandini-tena. Eritrereto, ohatra, hoe: ‘Inona no tsapako rehefa mieritreritra aho hoe anisan’ireo vavolombelona maro be tsy mivadika, sady anisan’ireo olona vitsy antsoin’Andriamanitra hoe namany? Ekeko ve fa tombontsoa lehibe ny mahafantatra ny fahamarinana?’

Inona no tsapanao rehefa mieritreritra ianao hoe anisan’ireo vavolombelona maro be tsy mivadika? (Fehintsoratra 9, 10, 12)

13, 14. Alaim-panahy hanao inona ny tanora sasany? Nahoana anefa no tsy hendry izay manao izany? Manomeza ohatra.

13 Mety tsy ho tsapan’ny tanora sasany notezain’ny ray aman-dreny kristianina fa tena tsy mitovy amin’ny paradisa ara-panahy misy antsika ny tontolo ratsin’i Satana. Misy aza angamba te hanandrana ny fiainan’ity tontolo ity. Hanao fanahy iniana ho voadonan’ny fiara ve anefa ianao mba hahitana raha mandratra na mety hahafaty ilay izy? Mazava ho azy fa tsia. Toy izany koa fa tsy voatery handeha ao amin’ny “honahonan’ny filibana” eto amin’ity tontolo ity isika, vao hahalala hoe fahoriana mangidy no vokatr’izany.—1 Pet. 4:4.

14 Notezaina tao amin’ny fahamarinana i Gener, izay mipetraka any Azia. Natao batisa izy tamin’izy 12 taona. Nanandrana ny fiainan’ity tontolo ity anefa izy tatỳ aoriana, satria mba te hahatsapa an’izany hoe ‘fahafahana.’ Nanomboka naditra izy ary nanafina an’izany. Nanaraka ny fanaon’ny namany izy tamin’izy 15 taona, ka nisotro toaka sy niteny ratsy. Hariva be izy matetika vao nody fa mbola nanao lalao video feno herisetra niaraka tamin’ny namany. Tsapany tatỳ aoriana fa tsy tena mahafa-po ny zavatra manintona eto amin’ity tontolo ity. Tena tsy nisy dikany ilay izy. Efa miaraka amin’ny fiangonana indray izy izao. Milaza izy fa mbola misy zavatra mahasarika azy eto amin’ity tontolo ity, nefa mbola betsaka lavitra noho ireny ny fitahiana omen’i Jehovah azy.

15. Inona no tokony hoeritreretin’ny tanora, na dia tsy Kristianina aza ny ray aman-dreniny?

15 Misy tanora tsy notezain’ny ray aman-dreny kristianina koa eo anivon’ny fiangonana. Raha anisan’izy ireny ianao, dia eritrereto ny tombontsoa sarobidy anananao noho ianao mahalala ny Mpamorona sy manompo azy. An’arivony tapitrisa ny olona eto an-tany. Tombontsoa lehibe àry ny anisan’ny olona notaomin’i Jehovah sy nampahafantariny ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. (Jaona 6:44, 45) Olona 1 isaky ny 1 000 eo ho eo no mahalala ny fahamarinana ary anisan’izany ianao. Tsy tokony hahafaly antsika rehetra ve izany, na ahoana na ahoana fomba nahitantsika ny fahamarinana? (Vakio ny 1 Korintianina 2:12.) Izany indrindra no tsapan’i Gener. Hoy izy: “Fa izaho moa no iza no fantatr’i Jehovah, ilay Tompon’izao rehetra izao?” (Sal. 8:4) Hoy koa ny anabavy iray avy any Azia: “Faly erỳ ny mpianatra rehefa fantatry ny mpampianatra azy. Mbola tsara lavitra noho izany anefa ny hoe fantatr’i Jehovah, ilay Mpampianatra Lehibe.”

INONA ÀRY NO HATAONAO?

16. Inona no safidy tsara tokony hataon’ny tanora kristianina ankehitriny?

16 Rehefa mieritreritra ny tombontsoa sarobidy anananao ianao, tsy vao mainka ve ianao tapa-kevitra ny ho anisan’ireo olona nifidy ny hanompo an’i Jehovah? Afaka ny ho anisan’ireo vavolombelony maro be tsy mivadika ianao amin’izay. Aleo lavitra manao an’izany, toy izay hanahaka ny ankamaroan’ny tanora, izay manaraka am-bokony fotsiny ny ataon’ity tontolo ho ringana ity.—2 Kor. 4:3, 4.

17-19. Nahoana no hendry ianao raha miezaka tsy manao ny fanaon’ity tontolo ity?

17 Marina fa mety ho sarotra ny tsy manao ny fanaon’ity tontolo ity. Fahendrena anefa izany. Eritrereto ny atleta iray mahafeno fepetra hanao Lalao Olympika. Azo antoka fa tsy tonga tamin’izany izy raha nanao ny fanaon’ny olona rehetra. Mety ho maro ny zavatra tsy maintsy najanony, satria mandany fotoana sy tsy ahafahany manao fanazaran-tena. Tsy nanao ny fanaon’ny olon-kafa anefa izy, ka nahavita fanazaran-tena betsaka kokoa ary nahatratra ny tanjony.

18 Tsy mieritreritra ny hoavy ity tontolo ity. Ho afaka “hifikitra mafy amin’ny tena fiainana” kosa ianao, raha mitsinjo lavitra ka tsy manao ny fanaony, izany hoe tsy maloto fitondran-tena na manao zavatra hafa mety hanimba ny fifandraisanao amin’i Jehovah. (1 Tim. 6:19) Hoy ilay anabavy noresahina tetsy aloha: “Tena ho afa-po ianao rehefa hariva, raha nijoro tamin’izay inoanao nandritra ny andro. Hita amin’izany hoe mahatohitra ny tontolon’i Satana ianao fa tsy manara-drian-drano fotsiny. Hoatran’ny hoe mahita an’i Jehovah Andriamanitra faly be sy mitsikitsiky aminao ianao, ka faly fa tsy nanao ny fanaon’ny olona!”

19 Tsy hisy dikany ny fiainanao raha izay hahasoa anao izao fotsiny no ifantohanao. (Mpito. 9:2, 10) Fantatrao ny antony ahavelomantsika sy ny hoe mbola ho afaka hiaina mandrakizay isika. Koa tsy aleonao ve manao safidy tsara mampisy dikany ny fiainanao, toy izay hanao “tahaka an’izao tontolo izao”?—Efes. 4:17; Mal. 3:18.

20, 21. Inona no azontsika antenaina raha manao safidy tsara isika, nefa inona no takin’i Jehovah amintsika?

20 Ho afa-po dieny izao isika raha manao safidy tsara, ary afaka manantena ny “handova ny tany” ka hiaina mandrakizay. Maro ny fitahiana omanin’i Jehovah ho antsika, ary betsaka lavitra noho izay eritreretintsika izany. (Mat. 5:5; 19:29; 25:34) Marina fa tsy omen’i Jehovah amin’izao fotsiny izany fa misy zavatra takiny, dia ny fankatoavana. (Vakio ny 1 Jaona 5:3, 4.) Tena handray soa anefa isika raha tsy mivadika aminy dieny izao.

21 Betsaka tokoa ny zavatra efa nomen’Andriamanitra antsika. Manana fahalalana marina ny Teniny isika ary mahafantatra ny marina momba azy sy ny fikasany. Manana tombontsoa hitondra ny anarany sy ho Vavolombelony koa isika. Mampanantena izy fa homba antsika. (Sal. 118:7) Enga anie isika rehetra, na tanora na antitra, mba hankasitraka an’i Jehovah ka hampiseho amin’ny fomba fiainantsika fa te hanome azy ny “voninahitra mandrakizay.”—Rom. 11:33-36; Sal. 33:12.