Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Fantany ny Lalana’

‘Fantany ny Lalana’

NAHAVITA ny fanompoany teto an-tany i Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny talata 18 Martsa 2014, tamin’izy 79 taona. Natsangana amin’ny maty ho any an-danitra io rahalahin’i Kristy io, araka ny fanantenany.—Heb. 2:10-12; 1 Pet. 3:18.

Teraka tany Auburn any Etazonia i Guy Pierce tamin’ny 6 Novambra 1934, ary natao batisa tamin’ny 1955. Nanambady an’i Penny malalany izy tamin’ny 1977 ary nitaiza zanaka. Anisan’ny nahatonga azy ho toy ny ray be fitiavana izany. Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana izy sy Penny tamin’ny 1982. Notendrena ho mpiandraikitra ny faritra tany Etazonia izy tamin’ny 1986, ary nanao izany nandritra ny 11 taona.

Lasa anisan’ny fianakavian’ny Betelan’i Etazonia izy mivady tamin’ny 1997. Niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana ny Rahalahy Pierce, ary voatendry ho mpanampy ny Komitin’ny Mpiasa eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny 1998. Nampandrenesina tamin’ny fivoriana fanao isan-taona tamin’ny 2 Oktobra 1999, fa notendrena ho anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izy. Anisan’ny Komitin’ny Mpiasa, Komitin’ny Fanoratana, Komitin’ny Fampanontana, ary Komitin’ny Mpandrindra izy nandritra ireo taona faramparany.

Nahasarika olona samihafa fiaviana sy kolontsaina ny Rahalahy Pierce noho izy nitsikitsiky sy tia vazivazy. Ny tena itiavan’ny olona azy anefa dia izy be fitiavana, manetry tena, manaja ny lalàna sy ny toro lalan’ny Baiboly, ary tena mino an’i Jehovah. Nihevitra izy fa azo inoana kokoa ny hoe tsy hiposaka ny masoandro, noho ny hoe tsy ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah. Te hampahafantatra an’izany tamin’ny olona eran’izao tontolo izao izy.

Nazoto nanompo an’i Jehovah ny Rahalahy Pierce. Nifoha maraina be izy ary matetika no niasa hatramin’ny alina be. Nitety an’izao tontolo izao izy mba hampahery an’ireo rahalahy sy anabaviny. Tsy mba sahirana loatra izy fa nanam-potoana foana ho an’izay te hifandray aminy na nila torohevitra sy fanampiana, na mpianakavin’ny Betela io na olon-kafa. Mbola tsaroan’ny mpiara-manompo foana, na dia taona maro atỳ aoriana aza, fa tia nandray vahiny izy, tsara fanahy, ary nampahery tamin’ny alalan’ny Soratra Masina.

Namela vady sy zanaka enina ary zafikely sy zafiafy ilay rahalahy sady namana malalantsika. Nanana zanaka ara-panahy maro be koa izy. I Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahatenim-pandevenana tao amin’ny Betelan’i Brooklyn, tamin’ny asabotsy 22 Martsa 2014. Noresahiny tamin’izany ny fanantenan’ny Rahalahy Pierce ho any an-danitra, ary novakiny ireto tenin’i Jesosy ireto: “Ao an-tranon’ny Raiko misy fonenana maro. ... Rehefa handeha aho ka hanomana toerana ho anareo, dia ho avy indray ary handray anareo any amiko, ka izay misy ahy no hisy anareo koa. Ary fantatrareo ny lalana mankany amin’izay alehako.”—Jaona 14:2-4.

Marina fa halahelo be an’io rahalahintsika io isika. Faly anefa isika fa ‘fantany ny lalana’ mankany amin’ny ‘fonenany’ mandrakizay.