Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andao Hiara-miatrika ny Faran’ity Tontolo Tranainy Ity

Andao Hiara-miatrika ny Faran’ity Tontolo Tranainy Ity

“Rantsambatana mifampiankina isika.”EFES. 4:25.

1, 2. Inona no tian’Andriamanitra hataon’ny mpanompony, na tanora na antitra?

TANORA ve ianao? Matokia àry fa tena sarobidy ianao satria anisan’ny fandaminan’i Jehovah. Tanora ny maro amin’ireo atao batisa any amin’ny tany maro. Tena mampahery ny mahita tanora maro be manampy isa an’ireo efa nanapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah.

2 Azo inoana fa mahafinaritra anao ny miaraka amin’ny tanora hafa, raha tanora ianao. Tian’ny olona mitovy taona ny miara-manao zavatra. Tian’Andriamanitra hiaraka hanompo azy daholo anefa ny mpanompony, na tanora na antitra, ary na inona na inona zavatra iainany. Nanoratra ny apostoly Paoly hoe sitrapon’Andriamanitra ny “hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Tim. 2:3, 4) Milaza koa ny Apokalypsy 7:9 fa avy amin’ny “firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra” ny mpanompon’Andriamanitra.

3, 4. a) Inona no toe-tsain’ny tanora maro ankehitriny? b) Inona ilay toe-tsaina resahin’ny Efesianina 4:25?

3 Tena tsy mitovy amin’ny tanora eto amin’ity tontolo ity ny tanora manompo an’i Jehovah. Maro amin’ny tanora tsy manompo an’i Jehovah no tsy mieritreritra afa-tsy ny tenany sy izay ilainy. Misy mpikaroka miantso azy ireo hoe “Taranaka Tia Tena.” Hita amin’ny fiteniny sy ny fiakanjony hoe tsy manaja olon-dehibe izy ireo ary lazainy fa “tsy maharaka” izy ireny.

4 Miely hatraiza hatraiza izany toe-tsaina izany. Mila miezaka mafy àry ny tanora manompo an’i Jehovah mba tsy hanana an’io toe-tsaina io fa hanana ny fomba fihevitr’i Jehovah. Efa nampitandrina momba izany i Paoly tamin’ny taonjato voalohany. Nilaza izy fa ilaina ny manalavitra ‘ny toe-tsaina izay miasa ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana.’ (Vakio ny Efesianina 2:1-3.) Deraina ny tanora manalavitra izany toe-tsaina izany sy manompo an’i Jehovah miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavy rehetra. “Rantsambatana mifampiankina” mantsy isika, hoy i Paoly. (Efes. 4:25) Vao mainka ilaintsika ny miray saina, arakaraka ny anatonan’ny faran’ity tontolo tranainy ity. Handinika ohatra ao amin’ny Baiboly manamarina an’izany isika.

NIRAY HINA FOANA IZY IREO

5, 6. Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Lota sy ny zanany vavy?

5 Narovan’i Jehovah ny vahoakany fahiny rehefa niray hina sy nifanampy tao anatin’ny sarotra. Mandray lesona avy amin’ny tantaran’izy ireny isika, na tanora na antitra. Diniho, ohatra, izay nitranga tamin’i Lota.

6 Notandindomin-doza i Lota mianakavy satria horavana i Sodoma, tanànan’izy ireo. Nasain’ny anjelin’Andriamanitra niala tao sy nitady fialofana tany amin’ny faritra be tendrombohitra i Lota. Hoy ireo anjely: “Mandosira hamonjy ny ainao!” (Gen. 19:12-22) Nankatò i Lota sy ny zanany roa vavy ka niara-niala tao amin’ilay tanàna. Nampalahelo anefa fa tsy nankatò ny mpianakaviny sasany. Noheverin’ireo tovolahy fofombadin’ny zanany hoe “nivazivazy” i Lota. Namoy ny ainy izy ireo noho izany. (Gen. 19:14) I Lota sy ny zanany vavy ihany no tafavoaka velona satria nankatò sy niray hina.

7 Diniho koa izay nitranga rehefa niala tany Ejipta ny Israelita. Tsy nitsitokotoko nandeha tamin’izay lalana tiany fotsiny izy ireo. Rehefa avy ‘nanatsotra ny tanany teo ambonin’ny ranomasina’ i Mosesy ka nosarahin’i Jehovah ilay rano, dia tsy i Mosesy irery na izy sy ny olona vitsivitsy monja no namakivaky an’ilay rano. Ilay fiangonana manontolo kosa no niara-nanao izany ary narovan’i Jehovah izy ireo. (Eks. 14:21, 22, 29, 30) Niray saina izy ireo ary nisy “olona maro hafa firenena” koa niaraka taminy. (Eks. 12:38) Tsy azo inoana hoe nisy olona vitsivitsy, angamba tanora, nihataka tamin’ny besinimaro ka nandeha tany amin’izay lalana tiany. Adala izay nanao izany satria tsy ho narovan’i Jehovah.—1 Kor. 10:1.

8. Inona no mampiseho fa niray hina ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny andron’i Josafata?

8 Notafihin’ny “vahoaka be” avy tany amin’ny faritra manodidina ny vahoakan’Andriamanitra, tamin’ny andron’i Josafata Mpanjaka. (2 Tan. 20:1, 2) Tsy niantehitra tamin’ny heriny izy ireo mba handresena an’ilay fahavalo nampahatahotra fa nitoky tamin’i Jehovah. (Vakio ny 2 Tantara 20:3, 4.) Tsy samy naka ho azy sy nanao izay tiany fotsiny ny Israelita tsirairay. Hoy ny Baiboly: “Nijoro teo anatrehan’i Jehovah ny lehilahy rehetra tao Joda mbamin’ny vady aman-janany, hatramin’ny ankizy madinika.” (2 Tan. 20:13) Niray hina izy rehetra, na tanora na antitra, ary natoky an’i Jehovah sy nanaraka ny tari-dalany ka narovany. (2 Tan. 20:20-27) Azon’ny vahoakan’Andriamanitra tahafina tsara izany rehefa enjehina izy ireo.

9. Inona no ianarantsika avy amin’ny Kristianina voalohany?

9 Nalaza ho niray saina koa ny Kristianina voalohany. Maro, ohatra, ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy lasa Kristianina. Nifantoka tamin’ny “fampianaran’ny apostoly” izy rehetra, ary “nifampizara izay nananany, sy niara-nisakafo ary naharitra nivavaka.” (Asa. 2:42) Vao mainka hita hoe niray saina izy ireo rehefa nenjehina. Tena nila nifanampy izy ireo tamin’izay. (Asa. 4:23, 24) Tsy ekenao ve fa rehefa ao anatin’ny sarotra no tena mila mifanohana sy miray saina?

MIRAISA SAINA FA AKAIKY NY ANDRON’I JEHOVAH

10. Rahoviana no tena ilaina ny miray saina?

10 Ho tonga tsy ho ela ny fotoana manjombona indrindra amin’ny tantara. Niantso azy io hoe “andro maizina sy manjombona” i Joela mpaminany. (Joela 2:1, 2; Zef. 1:14) Tena tokony hiray saina ny vahoakan’Andriamanitra amin’io fotoana io. Tadidio ilay tenin’i Jesosy hoe: “Ho foana izay fanjakana miady an-trano.”—Mat. 12:25.

11. Inona no ianarantsika momba ny firaisan-tsaina, rehefa jerena ny Salamo 122:3, 4? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

11 Tena tokony hiray saina isika, rehefa ho tonga ilay fotoana manjombona eto amin’ity tontolo ity. Azo oharina amin’ny trano tao Jerosalema fahiny ny firaisan-tsaina tokony hisy eo amintsika. Nifanakaiky kely ireo trano ka nilaza ny mpanao salamo iray fa “tafakambana tsara ho iray” i Jerosalema. Afaka nifanampy sy nifampiaro àry ny mponina. Rehefa niresaka momba an’ireo trano nifanakaiky koa ilay mpanao salamo, dia nety ho te hilaza hoe niray saina ilay firenena manontolo na “ireo fokon’i Jah” rehetra, rehefa nanompo an’i Jehovah. (Vakio ny Salamo 122:3, 4.) Tokony ho “tafakambana tsara ho iray” koa isika dieny izao sy mandritra ireo fotoan-tsarotra ho avy.

12. Inona no hanampy antsika ho tafavoaka velona, rehefa hisy hanafika ny vahoakan’Andriamanitra?

12 Nahoana isika no tena tokony ho “tafakambana tsara” amin’io fotoana io? Milaza ny faminaniana ao amin’ny Ezekiela toko faha-38 fa hanafika ny vahoakan’Andriamanitra i “Goga avy any amin’ny tany Magoga.” Tsy tokony hisy havelantsika hampisaratsaraka antsika mihitsy amin’izay fotoana izay. Tena tsy mety koa amin’izay ny mitady fanampiana amin’ity tontolo ity. Mila mifikitra amin’ireo rahalahy sy anabavintsika kosa isika. Marina fa tsy ampy ny hoe anisan’ny vahoakan’i Jehovah raha te ho voavonjy. Ireo miantso ny anaran’i Jehovah ihany mantsy no hovonjen’i Jehovah sy ny Zanany, amin’io fotoana mampidi-doza io. (Joela 2:32; Mat. 28:20) Tsy azo eritreretina mihitsy anefa hoe ho voavonjy ireo manao izay saim-pantany fotsiny fa tsy miray hina amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra.—Mika 2:12.

13. Inona no azon’ny tanora ianarana avy amin’ireo ohatra nodinihintsika hatreto?

13 Tsy hendry àry isika raha manaraka ny ataon’ny tanora sasany, izay tia mitokantokana na tsy tia miaraka afa-tsy amin’ny tanora. Efa mihamanakaiky ny farany ary tena mila mifanampy isika rehetra amin’izay, na tanora na antitra. Mila mianatra miray saina àry isika dieny izao, satria hiankinan’ny aina izany amin’ny hoavy.

“RANTSAMBATANA  MIFAMPIANKINA ISIKA”

14, 15. a) Nahoana isika no ampiofanin’i Jehovah mba hiray saina dieny izao? b) Inona no torohevitra omen’i Jehovah mba hanampiana antsika hiray saina?

14 Manampy antsika ‘hanompo azy amim-piraisan-kina’ i Jehovah. (Zef. 3:8, 9) Ampiofaniny isika mba hahay hiaina mifanaraka amin’ny fikasany mandrakizay, anisan’izany “ny fanangonana indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra.” (Vakio ny Efesianina 1:9, 10.) Tian’i Jehovah hiara-manompo azy toy ny fianakaviana iray ny zavaboary rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, ary tsy maintsy ho vitany ny hanatanteraka izany. Raha tanora àry ianao, tsy hitanao ve fa ilaina ny miaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah?

15 Mampiofana antsika mba hiray saina dieny izao i Jehovah, satria tiany hiray saina mandrakizay isika. Imbetsaka ny Soratra Masina no mampirisika antsika mba “hifampiahy”, “hifaneho firaiketam-po lalina”, ‘hifampionona mandrakariva’, ary ‘hifampahery.’ (1 Kor. 12:25; Rom. 12:10; 1 Tes. 4:18; 5:11) Fantatr’i Jehovah fa tsy lavorary isika ka tsy mora amintsika indraindray ny miray saina. Manoro hevitra antsika àry izy mba hiezaka “hifamela heloka tanteraka.”—Efes. 4:32.

16, 17. a) Inona no antony iray ivoriantsika? b) Inona no azon’ny tanora ianarana avy amin’i Jesosy?

16 Mampianatra antsika hiray saina koa i Jehovah amin’ny alalan’ny fivoriana. Matetika isika no mamaky ilay fampirisihana ao amin’ny Hebreo 10:24, 25. Izao no antony iray ivoriantsika: “Hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara.” Mariho koa anefa fa asaina mivory isika mba ‘hifampahery, indrindra fa hitantsika hoe manakaiky ny andro.’

17 Tena tia nivory i Jesosy ka modely ho antsika. Nandeha namonjy fivoriambe niaraka tamin’ny ray aman-dreniny izy, tamin’izy 12 taona. Nisy fotoana tsy nahitana azy tamin’io, nefa tsy hoe lasa niaraka tamin’ny tanora hafa izy. Hitan’i Josefa sy Maria tao amin’ny tempoly kosa izy, ary niresaka momba ny Soratra Masina izy sy ny mpampianatra tao.—Lioka 2:45-47.

18. Nahoana ny vavaka no mampiray saina antsika?

18 Afaka mifampivavaka koa isika, ankoatra ny hoe mifankatia sy mivory mba hampitombo ny firaisan-tsaina. Ilaina ny manao vavaka voafaritra tsara ho an’ny hafa. Mampahatsiahy antsika izany hoe miahy azy ireny isika. Tsy ny olon-dehibe ihany no tokony hanao izany. Raha tanora ianao, manao an’ireo zavatra ireo ve ianao mba hifandraisana akaiky kokoa amin’ny mpiara-manompo? Raha manao izany ianao dia ho azo antoka fa tsy ho tafaraka amin’ity tontolo tranainy ity rehefa horinganina izy ity.

Isika rehetra no afaka mivavaka ho an’ireo rahalahy sy anabavy (Fehintsoratra 18)

ASEHOY FA “RANTSAMBATANA MIFAMPIANKINA” ISIKA

19-21. a) Rahoviana isika no tena afaka mampiseho hoe “rantsambatana mifampiankina” isika? Manomeza ohatra. b) Inona no ianaranao avy amin’ireo rahalahy nifanampy rehefa nisy loza?

19 Efa arahin’ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny ilay toro lalana ao amin’ny Romanina 12:5 hoe: ‘Rantsambatana mifampiankina isika.’ Miharihary izany rehefa misy loza. Nisy rivo-doza nahatonga tondra-drano be tany amin’ny Nosy Mindanao any Philippines, tamin’ny Desambra 2011. Trano 40 000 mahery no dibo-drano tao anatin’ny iray alina ary an’ny rahalahintsika ny maro taminy. Nanao tatitra anefa ny biraon’ny sampana hoe “mbola tsy nanomboka ny asan’ireo komitin’ny vonjy rano vaky, dia efa nandefa fanampiana ireo rahalahy tany amin’ny faritra hafa.”

20 Maro koa ny rahalahy sy anabavy namoy zavatra be dia be, rehefa nisy horohoron-tany lehibe sy tsunami tany amin’ny faritra atsinanan’i Japon. Saika tsy nisy niangana ny fananan’ny mpiara-manompo sasany. Rava ny tranon’i Yoshiko, tany amin’ny 40 kilaometatra teo ho eo miala ny Efitrano Fanjakana. Hoy izy: “Gaga izahay rehefa nahalala fa tonga nitady anay ny mpiandraikitra ny faritra sy ny ranadahy iray, ny ampitson’ilay loza.” Nitsikitsiky izy avy eo niteny hoe: “Tena faly izahay fa nikarakara tsara anay teo amin’ny ara-panahy ny fiangonana. Nahazo akanjo mafana, kiraro, kitapo, ary akanjo fentina matory koa izahay!” Hoy ny rahalahy iray anisan’ny komitin’ny vonjy rano vaky: “Niray hina daholo ny mpiara-manompo eran’i Japon, ka nifanampy. Tonga avy tany Etazonia mihitsy ny mpiara-manompo sasany. Nanontaniana izy ireo hoe nahoana no nanao dia lavitra toy izany. Hoy izy ireo: ‘Iray ihany izahay sy ny mpiara-manompo aminay eto Japon ary mila fanampiana izy ireo.’ ” Tsy faly ve ianao hoe anisan’ny fandaminana misy olona tena mifankatia? Matokia fa tena faly i Jehovah mahita izany firaisan-tsaina izany.

21 Raha miray saina isika dieny izao, dia ho afaka hiara-miatrika ny olana amin’ny hoavy, na dia tafasaraka amin’ny mpiara-manompo any an-tany hafa aza. Azo inoana fa ho tojo zava-tsarotra isika satria hiharatsy hatrany ity tontolo tranainy ity. Ho afaka hiatrika an’izany anefa isika raha izao dia efa miray saina. Tafavoaka velona tamin’ny rivo-doza iray tany Japon i Fumiko. Hoy izy: “Tena efa akaiky ny farany. Mila manampy foana an’ireo mpiray finoana amintsika isika eo am-piandrasana ilay fotoana tsy hisian’ny loza intsony.”

22. Inona no soa horaisintsika amin’ny hoavy raha miray saina isika?

22 Azo lazaina hoe miomana mba ho tafavoaka velona amin’ny faran’ity tontolo voazarazara ity ireo tanora sy zokiolona miezaka miray saina dieny izao. Hamonjy ny vahoakany i Jehovah amin’izay fotoana izay, toy ny efa nataony taloha. (Isaia 52:9, 10) Tadidio foana fa ho anisan’ireo ho voavonjy ianao raha miezaka miaraka amin’ny vahoakan’Andriamanitra, izay miray saina. Hanampy antsika koa ny fankasitrahana an’izay efa ananantsika. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.