Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Novakinao tsara ve ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly an’ireto fanontaniana ireto:

Mety amin’ny Kristianina ve ny mandoro faty?

Safidin’ny tsirairay izany. Tsy miresaka mivantana momba an’io fanao io ny Baiboly, nefa tsara homarihina fa nodorana vao nalevina ny fatin’i Saoly Mpanjaka sy Jonatana zanany lahy. (1 Sam. 31:2, 8-13)—15/6, pejy 7.

Nahoana isika no afaka matoky fa tsy avy amin’Andriamanitra ny faharatsiana?

Manao ny rariny amin’ny lalany rehetra i Jehovah. Marina sy mendri-pitokisana ary mahitsy izy. Be fitiavana sy mamindra fo koa izy. (Deot. 32:4; Sal. 145:17; Jak. 5:11)—1/7, pejy 4.

Inona no olana mety ho hitan’ireo manitatra faritany any an-tany hafa?

1) Miova ny fomba fiaina. 2) Manin-te hody. 3) Mila namana eo anivon’ilay fiangonana vaovao. Maro no nandresy an’ireo olana ireo ka nahazo fitahiana be dia be.—15/7, pejy 4-5.

Nahoana ny rahalahin’i Josefa no nampijaly azy?

Tian’i Jakoba kokoa i Josefa ka nomeny akanjo manokana. Nialona azy àry ny rahalahiny ka nivarotra azy ho andevo.—1/8, pejy 11-13.

Nahoana ireo taratasy mivalona vaovao no mora ampiasaina sy mety tsara mba hitoriana?

Mitovy daholo ny endrik’izy ireo. Mandrisika antsika hamaky andinin-teny ny tsirairay aminy sady misy fanontaniana ho an’ny olona. Na inona na inona valin-tenin’ny olona, dia azontsika aseho azy izay lazain’ny Baiboly ao amin’ny pejy manaraka. Misy fanontaniana hovaliana rehefa miverina mitsidika koa ao.—15/8, pejy 13-14.

Inona ny Peshitta Syriàka?

Tenim-paritra aramianina ny syriàka ary lasa nampiasaina be tamin’ny taonjato faharoa na fahatelo. Toa tamin’ny teny syriàka no nandikana voalohany ny Soratra Grika Kristianina, ary ny ampahany ihany no nadika. Lasa nantsoina hoe Peshitta ny Baiboly amin’ny teny syriàka.—1/9, pejy 13-14.

Ahoana no azonareo ray aman-dreny kristianina ikarakarana ny ondrinareo na ny zanakareo?

Henoy tsara ny zanakao mba hamantaranao azy. Fahano tsara izy eo amin’ny ara-panahy. Tariho amim-pitiavana izy, ohatra hoe rehefa tsy tena mino ny zavatra inoantsika.—15/9, pejy 18-21.

Inona no tsy hisy intsony rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra?

Aretina, fahafatesana, tsy fananana asa, ady, mosary, ary fahantrana.—1/10, pejy 6-7.

Inona ilay fifanekena ahafahan’ny olon-kafa hiara-manjaka amin’i Kristy?

Nanao fifanekena tamin’ireo mpianany tsy nivadika i Jesosy taorian’ny Paska farany niarahany tamin’ny apostoliny. Izany dia ny fifanekena ny amin’ilay Fanjakana. (Lioka 22:28-30) Nanome toky azy ireo izy io fa hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra izy ireo.—15/10, pejy 16-17.

Milazà ohatra roa ao amin’ny Baiboly, manaporofo fa tena misy i Satana.

Milaza ny Soratra Masina fa niresaka tamin’i Jesosy i Satana rehefa naka fanahy azy. Niresaka tamin’Andriamanitra koa i Satana tamin’ny andron’i Joba. Porofo izany fa tena misy izy.—1/11, pejy 4-5.

Iza ireo ‘olona mitondra ny anaran’i Jehovah’, resahin’i Jakoba ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:14?

Izany dia ireo Kristianina jiosy sy tsy jiosy, izay firenena nofidin’Andriamanitra mba ‘hanambara hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetran’ilay’ niantso azy ireo. (1 Pet. 2:9, 10)—15/11, pejy 24-25.

Aiza no misy an’i Timgad ary inona no toe-tsain’ny olona sasany tao?

Tanàna romanina lehibe tany Afrika Avaratra (Alzeria ankehitriny) i Timgad. Asehon’ity soratra hita tao ity ny toe-tsain’ny olona sasany tao: “Mihaza, Milona Rano, Milalao, Mifalifaly. Izany no Tena Fiainana!” Toy izany ny toe-tsaina resahin’ny 1 Korintianina 15:32.—1/12, pejy 8-10.