Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Tahin’i Jehovah Ireo Tia Manome

Tena Tahin’i Jehovah Ireo Tia Manome

NOMEN’NY Mpamorona fanomezana sarobidy ny olombelona satria nataony afaka misafidy. Tena tahiny izay mahafoy tena ka mifidy ny hanohana ny fivavahana marina sy izay manamasina ny anarany ary mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny fikasany. Tsy tiany raha mankatò azy noho ny tahotra na noho ny adidy fotsiny isika. Tena tiany kosa raha manompo azy an-tsitrapo isika, satria tena tia azy sy mankasitraka lalina azy.

Nasain’i Jehovah nanorina toeram-pivavahana, ohatra, ny Israelita, rehefa tany an-tany efitr’i Sinay. Hoy i Jehovah: “Mitondrà fanomezana ho an’i Jehovah avy ao aminareo. Aoka hitondra izany ho fanomezana ho an’i Jehovah ny olona rehetra atosiky ny fony.” (Eks. 35:5) Afaka nanome izay azony nomena ny tsirairay. Azo nampiasaina tsara mba hanatanterahana ny fikasan’i Jehovah ilay fanomezana an-tsitrapo, na inona izany na inona ary na betsaka ilay izy na kely. Ahoana no nataon’ny Israelita?

Nanao fanomezana “izay rehetra natosiky ny fony” sy “izay rehetra noterem-panahy”, na lahy na vavy. Nanome izay vokatry ny fony izy ireo mba hanohanana ny asan’i Jehovah, ka nitondra firavaka misy paingotra, kavina, peratra, volamena, volafotsy, varahina, kofehy manga, volonondry volomparasy somary mena, kofehy mena midorehitra, kofehy rongony tena tsara, volon’osy, hoditr’ondry nolokoana mena, hoditra faoky, hazo akasia, vatosoa, menaka balsama, ary menaka. “Ampy tsara ny akora ho an’ny asa rehetra hatao” tamin’ny farany, ary “nihoatra aza.”—Eks. 35:21-24, 27-29; 36:7.

Tsy ny fanomezana nentin’ireo nanohana ny fivavahana marina anefa no tena nahafaly an’i Jehovah, fa ilay izy ireo tia nanome. Natosiky ny fony koa izy ireo ka nahafoy fotoana sy hery. ‘Nanao kofehy ny vehivavy rehetra izay nanan-talenta sy natosiky ny fony’, anisan’izany ny kofehy vita “tamin’ny volon’osy.” Nomen’i Jehovah “fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ary fahaizana asa tanana isan-karazany” koa i Bezalila. Nomeny ny fahaizana nilaina mba hamitana ny asa rehetra nasainy natao izy sy Oholiaba.—Eks. 35:25, 26, 30-35.

Rehefa nasain’i Jehovah nitondra fanomezana ny Israelita, dia natoky tanteraka izy fa hanohana ny fivavahana marina ‘ny olona rehetra natosiky ny fony.’ Tena nitahy an’ireo olona tia nanome ireo i Jehovah, ka nomeny tari-dalana izy ireo ary faly be. Nasehon’i Jehovah tamin’izany fa afaka matoky tanteraka ny vahoakany hoe hotahiny izy ireo rehefa tia manome, ka hanana ny fahaizana sy ny zavatra hafa ilaina mba hanatanterahana ny sitrapony. (Sal. 34:9) Azo antoka fa hotahin’i Jehovah koa ianao rehefa tia manome ka tsy mitsitsy tena amin’ny fanompoana azy.