Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANTARO NY TANTARANTSIKA

“Fotoana Tena Sarobidy”

“Fotoana Tena Sarobidy”

Nanomboka nikaroka tao amin’ny Baiboly ny olona vitsivitsy tany Pittsburgh (Allegheny), any Etazonia, tamin’ny 1870. I Charles Russell no nitarika azy ireo. Nianatra momba ny vidim-panavotan’i Kristy izy ireo, ka takany fa mandray anjara be amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah izy io. Tena faly izy ireo nahalala fa izy io no mamonjy ny olona, anisan’izany ireo mbola tsy naheno momba an’i Jesosy. Nandrisika azy ireo hahatsiaro an’i Jesosy izany ka hankalaza ny nahafatesany isan-taona.—1 Kor. 11:23-26.

Namoaka Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona (anglisy) ny Rahalahy Russell. Nasongadina tao fa ny vidim-panavotana no fomba lehibe indrindra anehoan’Andriamanitra ny fitiavany. Nilaza io gazety io fa “fotoana tena sarobidy” ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Nampirisihiny ny mpamaky hankalaza azy io ao Pittsburgh na any an-toeran-kafa. “Ho tafaray am-po amin’ny Tompo” izy ireo amin’izay, hoy ilay gazety, “na roa izy ireo na telo no manana an’ilay finoana sarobidy”, ary “na dia iray aza.”

Nitombo isan-taona ny mpanatrika Fahatsiarovana tao Pittsburgh. Hoy ilay fanasana: “Horaisina amin’ny fo falifaly ianao.” Nazoto nampiantrano sy nanome sakafo an’ireo rahalahy sy anabavy ny Mpianatra ny Baiboly tao. Nisy fivoriambe naharitra andro maromaro nandritra ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana tamin’ny 1886. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana: “Tongava, ary aoka ny fonao ho feno fitiavana ny Tompo sy ny rahalahiny ary ny fahamarinany.”

Sary mampiseho ny fomba nampandalovana ny mofo sy divay tao amin’ny Tranolain’i Londres

Tonga nanatrika Fahatsiarovana tao Pittsburgh ireo mino ny vidim-panavotana, ary nandamina fivoriambe ho azy ireo ny Mpianatra ny Baiboly tao nandritra ny taona maro. Nihamaro ny Mpianatra ny Baiboly ka nitombo ny mpanatrika Fahatsiarovana sy ny toerana nanaovana azy io eran-tany. Tsaroan’i Ray Bopp, anisan’ny fiangonan’i Chicago, fa ora maromaro vao vita ny fampandalovana ny mofo sy divay, teo anelanelan’ny 1910 sy 1920. Saika ny rehetra mantsy no nihinana sy nisotro, nefa an-jatony no nanatrika.

Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana fa divay no nampiasain’i Jesosy tamin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Ranom-boaloboka na voaloboka nandrahoina anefa no nasain’ilay gazety nampiasaina, nandritra ny fotoana kelikely, mba tsy haka fanahy an’ireo miady mafy mba tsy hisotro toaka. Nomena divay ihany anefa ireo nihevitra fa “divay efa niotrika no tokony hampiasaina.” Takatry ny Mpianatra ny Baiboly tatỳ aoriana fa divay mena tsy misy fangarony no tena mifanitsy amin’ny ran’i Jesosy.

Nampitampitaina tany amin’ireo efitry ny fonja tany Nikaragoà io taratasy sy pensilihazo io, mba hanisana ny mpanatrika Fahatsiarovana

Afaka nisaintsaina lalina ny Kristianina rehefa nahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy. Toy ny nisaona ny mpanatrika tany amin’ny fiangonana sasany ka zara raha niteny rehefa vita ilay fankalazana. Nilaza anefa ilay boky hoe Jehovah (anglisy) izay navoaka tamin’ny 1934 fa tsy tokony “halahelo” noho ny nahafatesan’i Jesosy ny mpanatrika, fa tokony ho “faly” satria lasa Mpanjaka izy nanomboka tamin’ny 1914.

Rahalahy nankalaza Fahatsiarovana tao amin’ny toby fiasana an-terivozona tany Mordovie, any Rosia, tamin’ny 1957

Nisy vokany teo amin’ny fankalazana Fahatsiarovana ny fiovana lehibe tamin’ny 1935. Lasa nazava kokoa ny dikan’ny hoe “vahoaka be” ao amin’ny Apokalypsy 7:9. Talohan’izay dia noheverina fa Kristianina nanokan-tena ny “vahoaka be” saingy tsy dia be zotom-po. Lasa fantatra kosa fa mpanompon’i Jehovah tsy mivadika manantena hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany io vahoaka be io. Nandini-tena tsara i Russell Poggensee taorian’izay ary niaiky hoe: “Tsy nampiasa ny fanahiny masina mba hahatonga ahy hanantena hiaina any an-danitra i Jehovah.” Tsy nihinana ny mofo sy nisotro ny divay intsony àry izy sy ny olona maro tsy nivadika, nefa mbola nanatrika Fahatsiarovana.

Nisy ezaka manokana mba hitoriana nandritra an’ilay “fotoana tena sarobidy” ka afaka nampiseho fankasitrahana ny vidim-panavotana ny rehetra. Nampirisihin’ny Gazety (anglisy) tamin’ny 1932 ny Kristianina mba tsy ho “olo-masin’ny Fahatsiarovana” fotsiny, izany hoe mihinana ny mofo sy misotro ny divay nefa tsy ‘tena miasa’ na mitory ny fahamarinana. Nampirisika ny hanaovana mpisava lalana mpanampy ny Gazety tamin’ny 1934, ary nanontany hoe: “Hisy 1 000 hanao azy io ve amin’ny Fahatsiarovana?” Hoy ny Mpilaza Vaovao (anglisy) momba ny voahosotra: “Tsy ho feno ny fifalian’izy ireo raha tsy mijoro ho vavolombelon’ilay Fanjakana izy ireo.” Toy izany koa ireo nanantena hiaina eto an-tany, tatỳ aoriana. *

Nanoratra tononkalo sy hira momba ny Fahatsiarovana i Harold King, tamin’izy natokan-toerana

Ny Fahatsiarovana no alina masina indrindra amin’ny vahoakan’i Jehovah. Mankalaza azy io izy ireo na dia rehefa tsy mora aza izany. Nandeha an-tongotra 80 kilaometatra teo ho eo i Pearl English sy Ora rahavaviny tamin’ny 1930, mba hanatrika Fahatsiarovana. Ilay misionera atao hoe Harold King indray nanoratra tononkalo sy hira momba ny Fahatsiarovana, tamin’izy natokan-toerana tany am-ponja tany Chine. Karazana voaloboka mainty no nanaovany divay ary vary no nanaovany mofo. Nankalaza ny nahafatesan’i Jesosy ny Kristianina be herim-po tany Eoropa Atsinanana sy Amerika Afovoany ary Afrika, na nisy ady sy fandrarana aza. Fotoana sarobidy ny Fahatsiarovana ka mivory mba hanome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy isika amin’io, na aiza na aiza ary na inona na inona toe-javatra misy antsika.

^ feh. 10 Nantsoina hoe Mpilaza Vaovao ny Gazety tatỳ aoriana, ary antsoina hoe Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana izy io izao.