Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Ampiofanan’ny Anti-panahy ny Hafa mba Hahafeno Fepetra?

Ahoana no Ampiofanan’ny Anti-panahy ny Hafa mba Hahafeno Fepetra?

Atolory an’ireo lehilahy mendri-pitokisana izay renao tamiko.’2 TIM. 2:2.

1. a) Inona no fantatry ny mpanompon’Andriamanitra hatramin’ny ela? Nahoana koa isika no mila fampiofanana? b) Inona no hodinihintsika ato?

EFA ela ny mpanompon’Andriamanitra no nahalala fa mahomby ny olona rehefa ampiofanina. Nanangona ny “olony voaofana”, ohatra, i Abrama ka nanafaka an’i Lota izy ireo ary nahomby. (Gen. 14:14-16) “Nampianarina hihira ho an’i Jehovah” koa ny mpihira ho an’ny tranon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka ka nidera an’i Jehovah. (1 Tan. 25:7) Isika kosa manohitra an’i Satana sy ny tontolony, sady miezaka mafy hidera an’i Jehovah. (Efes. 6:11-13; Heb. 13:15, 16) Mila fampiofanana toy ny mpanompon’i Jehovah fahiny koa isika raha te hahomby. Ny anti-panahy no asain’i Jehovah mampiofana eo anivon’ny fiangonana. (2 Tim. 2:2) Ahoana no ampiofanan’ny anti-panahy za-draharaha an’ireo rahalahy, mba hahafenoany fepetra hikarakara ny andian’ondry?

AMPIO HO TIA KOKOA AN’I JEHOVAH IZY

2. Inona no mety hataon’ny anti-panahy amin’ny rahalahy iray alohan’ny ampianarany azy zava-baovao, ary nahoana?

2 Toy ny mpamboly ny anti-panahy. Raha tiana hamokatra kokoa ny tany, dia mety hilain’ny mpamboly ny manisy zezika alohan’ny hamafazana voa. Mety ho hitan’ny anti-panahy koa fa mila iresahana hevitra avy ao amin’ny Baiboly ny rahalahy iray tsy za-draharaha, izay vao ampianarina zava-baovao. Ho vonona kokoa handray fampiofanana izy amin’izay.—1 Tim. 4:6.

3. a) Ahoana no azo ampiasana ny Marka 12:29, 30 rehefa miresaka amin’ny olona iray ampiofanina? b) Inona no mety ho vokatry ny vavaky ny anti-panahy ho an’ny rahalahy ampiofaniny?

3 Fantaro hoe inona no vokatry ny fahamarinana eo amin’ny fisainan’ilay rahalahy sy ny zavatra ataony. Anontanio, ohatra, izy hoe: ‘Rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah ianao, inona no vokatr’izany eo amin’ny fanapahan-kevitrao?’ Mety ho afaka hiresaka ny fomba anompoana an’i Jehovah amin’ny fo manontolo ianareo avy eo. (Vakio ny Marka 12:29, 30.) Afaka mivavaka ianareo aorian’izay. Angataho i Jehovah hanome an’ilay rahalahy ny fanahy masina ilainy mba hahavitany ny fiofanany. Tena hampahery azy ny maheno anao manao vavaka vokatry ny fo ho azy.

4. a) Milazà tantara ara-baiboly manampy ny olona miofana mba handroso. b) Inona no tanjon’ny anti-panahy rehefa mampiofana ny hafa izy?

4 Miresaha tantara ara-baiboly eo am-piandohan’ilay fiofanana. Mifidiana tantara manampy azy hahita fa ilaina ny mazoto sy mendri-pitokisana ary manetry tena. (1 Mpanj. 19:19-21; Neh. 7:2; 13:13; Asa. 18:24-26) Toy ny ilan’ny tany zezika, dia tena ilaina ireo toetra ireo raha tiana handroso haingana ilay miofana. Nilaza i Jean-Claude, anti-panahy any Frantsa, fa ny hanampy an’ireo rahalahy ampiofaniny mba hahay handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny Baiboly no tanjony. Hoy izy: ‘Mitady hirika aho mba hiarahanay mamaky andinin-teny iray, izay hanampy azy hahita “zava-mahagaga” ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.’ (Sal. 119:18) Inona koa no azo atao?

AMPIO IZY HANANA TANJONA ARY HAZAVAO NY ANTONY ANAOVANA ZAVATRA IRAY

5. a) Nahoana ny anti-panahy no mila miresaka tanjona ara-panahy amin’ireo ampiofaniny? b) Nahoana no ilaina ny mampiofana an’ireo mbola kely? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

5 Anontanio ilay ampiofaninao hoe inona no tanjony ara-panahy. Ampio hanana tanjona iray azo tratrarina izy raha tsy manana. Azonao resahina koa ny tanjona iray notratrarinao taloha sy ny hafalianao rehefa nahatratra an’ilay izy. Toa tsotsotra izany nefa mandaitra. Aoka ianao hafana fo rehefa miresaka an’izany. Hoy i Victor, anti-panahy mpisava lalana atsy Afrika: “Nisy anti-panahy nanontany ahy momba ny tanjoko, tamin’izaho mbola kely. Lasa nieritreritra tsara momba ny fanompoako àry aho.” Nantitranterin’ireo anti-panahy za-draharaha koa fa ilaina ny mampiofana an’ireo rahalahy dieny izy mbola kely, angamba amin’izy 13 taona eo ho eo. Azo omena andraikitra mety amin’ny taonany izy. Hanampy ny tanora hifantoka amin’ny tanjona ara-panahy ireny fampiofanana ireny, na dia rehefa mihalehibe aza izy ka maro ny zavatra mety hahavariana azy.—Vakio ny Salamo 71:5, 17. *

Hazavao aminy ny antony anaovana zavatra iray, ary derao izy amin’ny ezaka ataony mba hanaovana izany (Fehintsoratra 5-8)

6. Inona no mampiavaka ny fampiofanan’i Jesosy?

6 Handrisika an’ilay rahalahy hanompo ny hafa koa ianao, raha manazava aminy izay tokony hataony sy ny antony anaovana izany. Manahaka an’ilay Mpampianatra Lehibe ianao amin’izany. Nilaza ny antony ankatoavana, ohatra, i Jesosy talohan’ny nanirahany ny apostoly hanao mpianatra. Hoy izy: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” Avy eo izy vao nilaza hoe: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” (Mat. 28:18, 19) Ahoana no azonao anahafana azy?

7, 8. a) Ahoana no azo anahafana ny fomba fampiofanan’i Jesosy? b) Nahoana no tena ilaina ny teny fiderana? d) Milazà soso-kevitra hanampy ny anti-panahy hampiofana ny hafa. (Jereo ilay efajoro hoe “ Fomba Ampiofanana.”)

7 Rehefa misy zavatra asainao ataon’ilay olona ampiofaninao, dia hazavao ny antony ara-baiboly anaovana an’ilay izy. Hampianatra azy hankatò toro lalana izany. Aoka hatao hoe angatahinao izy mba hanadio ny fidirana amin’ny Efitrano Fanjakana sy hanao izay hahatonga azy io tsy hampidi-doza. Azo resahina aminy ny Titosy 2:10 ary hazavaina hoe nahoana izany asa izany no “mandravaka ny fampianaran’Andriamanitra Mpamonjy antsika.” Ampirisiho koa izy hihevitra ny be taona eo anivon’ny fiangonana sy hieritreritra hoe nahoana ilay asa nasaina nataony no mahasoa azy ireny. Hanampy azy hifantoka kokoa amin’izay mahasoa ny olona izany fa tsy amin’ny fitsipika. Ho faly izy rehefa mahita fa mitondra soa ho an’ny rahalahy sy anabavy ny fanompoany azy ireo.

8 Tena ilaina koa ny midera azy rehefa miezaka mampihatra ny soso-kevitrao izy. Nahoana? Mampiroborobo ny zavamaniry ny rano. Toy izany koa fa mahatonga an’ilay olona ampiofanina handroso ny teny fiderana vokatry ny fo.—Ampitahao amin’ny Matio 3:17.

OLANA HAFA

9. a) Inona no olana atrehin’ny anti-panahy sasany any amin’ny tany manankarena? b) Nahoana no misy tanora tsy manao loha laharana ny fanompoana an’i Jehovah?

9 Miatrika olana hafa ny anti-panahy any amin’ny tany manankarena. Ahoana no ampirisihana ny rahalahy 20 taona mahery na 30 taona mahery mba handray anjara amin’ny asa eo anivon’ny fiangonana? Nanontaniana ny anti-panahy za-draharaha any amin’ny tany 20 eo ho eo hoe nahoana no miahotra handray andraikitra ny rahalahy tanora sasany. Namaly ny ankamaroany hoe tsy nampirisihina hanatratra tanjona ara-panahy ny sasany, tamin’izy mbola kely. Nisy aza mba te hanatratra izany, saingy nampirisihin’ny ray aman-dreniny hanao fianarana ambony na hifantoka amin’ny asa eo amin’ity tontolo ity. Tsy nataon’ireny tanora ireny loha laharana mihitsy ny fanompoana an’i Jehovah.—Mat. 10:24.

10, 11. a) Ahoana no azon’ny anti-panahy anampiana tsikelikely ny rahalahy iray mba hanova ny toe-tsainy? b) Inona no andinin-teny azon’ny anti-panahy iarahana midinika amin’ilay rahalahy, ary nahoana? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

10 Mitaky ezaka be sy faharetana ny manova ny toe-tsain’ny rahalahy iray, raha hoatran’ny hoe tsy mazoto handray andraikitra eo anivon’ny fiangonana izy. Azo atao anefa izany. Mahavita manitsy ny fanirin’ny zavamaniry sasany ny mpamboly rehefa manitsy tsikelikely ny tahony. Azonao ampiana tsikelikely koa ny rahalahy sasany mba hahitany hoe ilainy ny manova ny toe-tsainy ka ho vonona handray andraikitra. Ahoana no anaovana izany?

11 Manokàna fotoana hiarahana aminy, mba ho lasa namany. Ataovy fantany fa ilain’ny fiangonana izy. Rehefa mandeha ny fotoana, dia miaraha mandinika andininy vitsivitsy, mba hanampiana azy hisaintsaina ny fanokanan-tenany. (Mpito. 5:4; Isaia 6:8; Mat. 6:24, 33; Lioka 9:57-62; 1 Kor. 15:58; 2 Kor. 5:15; 13:5) Afaka manontany ianao hoe: ‘Inona no nampanantenainao an’i Jehovah tamin’ianao nanokan-tena ho azy?’ Miezaha hanohina ny fony ka manontania hoe: ‘Inona no tsapan’i Jehovah tamin’ianao natao batisa?’ (Ohab. 27:11) ‘Ary inona no tsapan’i Satana?’ (1 Pet. 5:8) Tadidio fa mety hisy vokany be amin’ilay rahalahy ny famakiana andininy voafidy tsara.—Vakio ny Hebreo 4:12. *

TOKONY HO MENDRI-PITOKISANA IREO AMPIOFANINA

12, 13. a) Nanao ahoana ny toe-tsain’i Elisa tamin’izy nampiofanina? b) Inona no valisoa nomen’i Jehovah an’i Elisa noho izy mendri-pitokisana?

12 Mila anareo ny fiangonana ry rahalahy tanora. Inona no toetra hanampy anareo mba hahomby amin’ny fanompoana an’i Jehovah? Handinika ny zava-nitranga tamin’ny olona iray nampiofanina fahiny isika, mba hamaliana izany.

13 Nasain’i Elia mpaminany ho mpanampy azy i Elisa, efa ho 3 000 taona lasa izay. Mbola tanora i Elisa tamin’izay. Nanaiky avy hatrany izy ka nanompo foana an’ilay zokiolona ary nanao asa ambany. (2 Mpanj. 3:11) Fantany rehefa avy niofana enin-taona teo ho eo izy, fa hifarana tsy ho ela ny asan’i Elia teo amin’ny Israely. Efa voaofana tsara i Elisa tamin’izay ary tsy navelan’i Elia hanaraka azy intsony. Intelo anefa i Elisa no niteny hoe: “Tsy handao anao aho.” Tapa-kevitra hiaraka tamin’ilay mpampiofana azy foana izy raha mbola azo atao. Namaly soa azy i Jehovah noho izy tsy nivadika sy mendri-pitokisana. Navelany hahita ny nandehanan’i Elia tamin’ny fomba mahagaga izy.—2 Mpanj. 2:1-12.

14. a) Ahoana no azon’ireo ampiofanina anahafana an’i Elisa? b) Nahoana no tena tokony ho mendri-pitokisana ireo ampiofanina?

14 Ahoana no azonao anahafana an’i Elisa? Ekeo avy hatrany izay asaina ataonao, na dia asa heverina ho ambany aza. Hevero ho namana ilay mpampiofana anao ary lazao azy fa tena ankasitrahanao ny ezaka ataony hanampiana anao. Toy ny milaza ianao amin’izany hoe: “Tsy handao anao aho.” Miezaha ho mendri-pitokisana ka ataovy daholo izay ampanaovina anao. Nahoana izany no tena ilaina? Rehefa hita hoe tsy mivadika sy mendri-pitokisana ianao vao hahazo toky ny anti-panahy hoe tian’i Jehovah hanankinana andraikitra fanampiny eo anivon’ny fiangonana ianao.—Sal. 101:6; vakio ny 2 Timoty 2:2.

HAJAO ILAY MPAMPIOFANA ANAO

15, 16. a) Ahoana no ahitana fa nanaja ny mpampiofana azy i Elisa? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no nataon’i Elisa ka nahatonga ny mpaminany hafa hatoky azy?

15 Hita amin’ny tantaran’i Elisa koa fa mila manaja an’ireo anti-panahy za-draharaha ireo rahalahy. Nankany amin’ny Reniranon’i Jordana i Elia sy Elisa rehefa avy nitsidika mpaminany tao Jeriko. ‘Nesorin’i Elia ilay akanjona mpaminany nanaovany ary navalony ka nikapohany ny rano. Dia nisaraka ny rano.’ Niampita tamin’ny tany maina izy ireo ary mbola “niresaka teny am-pandehanana.” Tsy nieritreritra i Elisa hoe efa hainy amin’izay ny zava-drehetra. Nandray am-po ny teny tsirairay nolazain’i Elia izy, mandra-pahalasan’i Elia. Niakatra tany amin’ny lanitra tao anaty tafio-drivotra i Elia taorian’izay. Niverina teo Jordana i Elisa ka nikapoka ny rano tamin’ny akanjon’i Elia ary niteny hoe: “Aiza i Jehovah Andriamanitr’i Elia?” Dia nisaraka indray ny rano.—2 Mpanj. 2:8-14.

16 Voamarikao ve fa nitovy tsy nisy valaka tamin’ny fahagagana farany nataon’i Elia ny fahagagana voalohany nataon’i Elisa? Nahoana izany no mahaliana? Hita amin’izany fa tsy nieritreritra i Elisa hoe efa izy izao no nandimby an’i Elia ka nila nanao fanovana avy hatrany izy. Nasehony kosa fa nanaja an’ilay mpampiofana azy izy, ka nitovy tamin’ny nataon’i Elia ihany no nataony. Lasa natoky azy àry ny mpaminany hafa. (2 Mpanj. 2:15) Naminany nandritra ny 60 taona i Elisa, ary nampanaovin’i Jehovah fahagagana betsaka noho ny nataon’i Elia aza izy. Inona no azon’ireo ampiofanina ianarana avy amin’izany?

17. a) Inona no azon’ireo ampiofanina atao mba hanahafana an’i Elisa? b) Ahoana no mety hampiasan’i Jehovah an’ireo nampiofanina, rehefa mandeha ny fotoana?

17 Aza mieritreritra hoe mila manova tanteraka ny fomba fiasa efa narahina ianao, raha vao mahazo andraikitra. Miankina amin’ny tari-dalan’ny fandaminan’i Jehovah sy izay ilain’ny fiangonana no anaovana fanovana, fa tsy noho ny fanirianao hanova zavatra fotsiny. Hita hoe nanaja an’i Elia i Elisa rehefa nanohy ny nataon’i Elia, ka lasa natoky azy ny mpaminany hafa. Toy izany koa fa manaja an’ireo anti-panahy za-draharaha ianao, raha manohy ny fomba fiasa miorina amin’ny Baiboly efa narahin’izy ireo. Hatoky anao koa amin’izay ny mpiara-manompo. (Vakio ny 1 Korintianina 4:17.) Azo antoka anefa fa handray anjara amin’izay fanovana hasain’ny fandaminana hatao eo anivon’ny fiangonana ianao rehefa mitombo traikefa. Hanampy ny fiangonana hiara-mandroso amin’ny fandaminan’i Jehovah foana izany. Toy ny nataony tamin’i Elisa, dia mety handrisika anao hanao asa lehibe kokoa noho ny nataon’ny mpampiofana anao i Jehovah, rehefa mandeha ny fotoana.—Jaona 14:12.

18. Nahoana no tena ilaina maika ny mampiofana rahalahy eo anivon’ny fiangonana?

18 Mino izahay fa handrisika anti-panahy maro kokoa mba hanokana fotoana hampiofanana ny hafa ny soso-kevitra tato sy tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha. Enga anie ireo rahalahy mahafeno fepetra ka hazoto handray fampiofanana, ary hahay hampiasa izany rehefa mikarakara ny ondrin’i Jehovah. Hanatanjaka ny fiangonana maneran-tany izany sady hanampy ny tsirairay mba tsy hivadika mandritra ny fotoan-tsarotra amin’ny hoavy.

^ feh. 5 Azon’ny anti-panahy atolotra ho mpanampy amin’ny fanompoana ny rahalahy tanora raha hita fa matotra sy manetry tena ary mahafeno ny fepetra ao amin’ny Baiboly, na dia mbola tsy 20 taona aza.—1 Tim. 3:8-10, 12; jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1989, pejy 29.