Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola Hitsimoka Indray ve ny Hazo Raha Tapahina?

Mbola Hitsimoka Indray ve ny Hazo Raha Tapahina?

TSY dia manaitra noho ny hazo sedera mijoalajoala any Libanona angamba ny hazo oliva, amin’izato vatany miolakolaka sy marokoroko. Mahavariana anefa fa mafy toto ny hazo oliva. Mahatratra 1 000 taona eo ho eo ny sasany aminy. Misandrahaka be ny fakany ka afaka ny ho velona indray ilay hazo, na dia potika aza ny vatany. Mitsimoka izy raha mbola velona ny fakany.

Nino i Joba fa mbola ho velona indray izy na dia tsy maintsy ho faty aza. (Joba 14:13-15) Niresaka momba ny hazo izy mba hampisehoana fa natoky hoe afaka manangana azy Andriamanitra. Hazo oliva angamba no noresahiny. Hoy izy: “Mbola misy fanantenana na ho an’ny hazo aza. Raha tapaka mantsy izy, dia mbola hitsimoka indray.” Velona indray ny fototry ny hazo oliva efa maina, rehefa avy ny orana aorian’ny hain-tany mafy. Misy tsimoka mipoitra avy amin’ny fakany, ka lasa misy “rantsana toy ny zavamaniry vao mitsiry” ilay hazo.—Joba 14:7-9.

Tsy andrin’ny mpamboly ny hampitsimoka ny hazo oliva notapahina. Toy izany koa fa maniry mafy ny hamelona indray an’ireo mpanompony nodimandry sy ny olona maro hafa i Jehovah Andriamanitra. (Mat. 22:31, 32; Jaona 5:28, 29; Asa. 24:15) Ho faly be isika hiarahaba an’ireo hatsangana amin’ny maty sy hahita azy ireo hankafy fiainana mahafinaritra indray.