Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Matokia Foana An’i Jehovah

Matokia Foana An’i Jehovah

Matokia azy foana, rey olona!SAL. 62:8.

1-3. Nahoana i Paoly no lasa natoky kokoa an’i Jehovah? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

LOZA ny nanjo ny Kristianina tany Roma. Nenjehina mafy izy ireo, satria nendrikendrehina ho nandoro ny tanàna tamin’ny taona 64 sady nolazaina fa mpankahala olona. Nety ho voasambotra sy nampijalijalina foana ianao, raha Kristianina tamin’izany. Nety ho efa nisy mpiray finoana taminao noviravirain’ny biby, na nofantsihana teo amin’ny tsato-kazo sy nodorana velona mba hanazava tamin’ny alina.

2 Izany no zava-nisy tamin’ny apostoly Paoly nigadra fanindroany tao Roma. Hisy Kristianina hanampy azy ve? Nety ho nampanahy an’i Paoly izany tamin’ny voalohany, satria hoy izy tamin’i Timoty: “Rehefa nilaza ny fiarovan-tenako voalohany aho, dia tsy mba nisy tonga nanotrona ahy, fa nandao ahy daholo izy rehetra. Enga anie tsy hatao ho helony izany!” Niaiky anefa izy fa tsy niady irery. Hoy izy: “Ny Tompo kosa nijoro teo anilako ka nankahery ahy.” Nomen’i Jesosy ny hery nilainy izy ary tena nahasoa azy izany. ‘Nafahana avy tamin’ny vavan’ny liona’ izy vokatr’izany.—2 Tim. 4:16, 17. *

3 Tsy maintsy ho nampahery an’i Paoly ny nieritreritra an’izany. Lasa natoky izy fa hampahery azy i Jehovah ka ho vitany ny hiatrika ny fitsapana nanjo azy tamin’io sy izay mbola mety hitranga. Tonga dia nilaza izy hoe: “Hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra ny Tompo.” (2 Tim. 4:18) Hitan’i Paoly tokoa fa tena manampy i Jehovah sy ny Zanany, na dia rehefa tsy afaka manao izany aza ny olona.

RAHOVIANA NO MILA  ‘MATOKY AN’I JEHOVAH’?

4, 5. a) Iza no afaka manampy anao foana? b) Inona no hanampy anao hifandray kokoa amin’i Jehovah?

4 Efa nahatsiaro ve ianao hoe niady irery tamin’ny olana nahazo anao? Tsy nanana asa angamba ianao, na nanana olana tany am-pianarana, na narary, na nanana olana hafa nahakivy anao. Nety ho nitady fanampiana ianao, nefa diso fanantenana satria tsy tena nanampy anao ny hafa. Tsy voavahan’ny olombelona tokoa ny olana sasany. Tena mandaitra ve ilay torohevitry ny Baiboly mba ‘hatoky an’i Jehovah’, amin’ireny fotoana ireny? (Ohab. 3:5, 6) Izany tokoa. Tena manampy i Jehovah, araka ny asehon’ny tantara maro ao amin’ny Baiboly.

5 Aza tezitra àry raha tsy tena mahavita manampy anao ny olona. Tahafo i Paoly ka hararaoty izany mba hampisehoana fa miantehitra tanteraka amin’i Jehovah ianao. Ho tsapanao amin’izay fa tena miahy sy mikarakara anao izy. Vao mainka hatoky azy ianao vokatr’izany sady hifandray kokoa aminy.

TENA ILAINA NY MATOKY AN’I JEHOVAH

6. Nahoana no mety ho tena sarotra ny matoky an’i Jehovah rehefa misy olana?

6 Mety hiresaka amin’i Jehovah an’izay mampahory anao ianao, ary hanao izay azo atao mba handaminana an’ilay olana. Afaka ny hatoky ve ianao avy eo fa hanampy anao izy, ka hilamin-tsaina ianao? Izany tokoa! (Vakio ny Salamo 62:8; 1 Petera 5:7.) Tena ilaina ny mianatra mitoky amin’i Jehovah raha te hifandray aminy. Mety ho sarotra anefa ny hatoky hoe hanome izay ilainao izy. Nahoana? Angamba satria tsy mamaly vavaka avy hatrany izy indraindray.—Sal. 13:1, 2; 74:10; 89:46; 90:13; Hab. 1:2.

7. Nahoana no tsy valian’i Jehovah avy hatrany ny vavaka indraindray?

7 Nahoana no tsy valian’i Jehovah eo no ho eo daholo izay angatahintsika? Milaza ny Baiboly fa toy ny raim-pianakaviana i Jehovah. (Sal. 103:13) Tsy afaka manantena ny ankizy hoe homen’ny dadany azy eo no ho eo daholo izay angatahiny. Haitraitra fotsiny ny zavatra angatahin’ny ankizy indraindray. Misy indray tsy azo omena azy raha tsy amin’ny fotoana mety. Misy koa tsy tena mahasoa azy na tsy tena mahasoa ny hafa. Hiova koa ny fifandraisana raha omen’ny dadany ny ankizy avy hatrany izay rehetra tadiaviny, satria lasa mpanompon’ilay ankizy izy. Matoa àry i Jehovah miandry vao mamaly ny vavaka ataontsika, dia izay angamba no hitany fa mahasoa antsika indrindra. Afaka manao izany izy satria Mpamorona hendry sy Tompo be fitiavana ary Raintsika any an-danitra. Lasa toy ny hoe isika indray no mibaiko azy, raha omeny antsika avy hatrany izay rehetra angatahintsika.—Ampitahao amin’ny Isaia 29:16; 45:9.

8. Inona no ampanantenain’i Jehovah antsika?

8 Tadidio koa fa fantatr’i Jehovah tsara hoe inona no zakantsika sy tsy zakantsika. (Sal. 103:14) Tsy avelany hiady irery àry isika rehefa manana olana fa ampiany. Mety hahatsapa isika indraindray hoe tsy mahavita miaritra intsony. Manome toky anefa i Jehovah fa tsy havelany hiaritra fijaliana tsy ho zakantsika mihitsy isika. Azo antoka fa ‘hanisy lalan-kivoahana’ izy. (Vakio ny 1 Korintianina 10:13.) Afaka matoky àry isika hoe fantany ny fetra farany ahafahantsika miaritra.

9. Inona no tokony hataontsika raha tsy mivaly avy hatrany ny vavaka ataontsika?

9 Miandrasa an’i Jehovah, raha tsy mivaha avy hatrany ny olana mahazo anao rehefa avy mivavaka ianao. Izy no mahalala ny fotoana tena mety hanampiana anao. Tadidio fa na izy aza mba miandry, satria efa te hanampy antsika mafy. Milaza ny Isaia 30:18 fa miandry amim-paharetana ny fotoana hahafahany ‘hiantra antsika i Jehovah, ka hitsangana mba hamindra fo amintsika. Fa Andriamanitry ny rariny izy, ka sambatra izay rehetra miandry azy.’

NY “VAVAN’NY LIONA”

10-12. a) Nahoana no mety ho tena mafy ny manjo ny Kristianina mikarakara mpianakavy manana aretina mitaiza? b) Nahoana no mihamifandray amin’i Jehovah isika rehefa matoky azy ao anatin’ny sarotra? Hazavao amin’ny ohatra.

10 Mety hitovy amin’i Paoly ianao rehefa manana olana lehibe. Angamba ianao mahatsiaro ho toy ny hoe efa ao ‘am-bavan’ny liona’ na efa kely sisa dia ho laniny. Tena sarotra ny mitoky amin’i Jehovah amin’ny fotoana toy ireny nefa tena ilaina. Eritrereto hoe manana aretina mitaiza ny mpianakavinao, ary ianao no mikarakara azy. Nangataka fahendrena sy hery tamin’i Jehovah angamba ianao. * Rehefa avy nanao izay rehetra azo atao ianao, tsy hilamin-tsaina kokoa ve ianao rehefa mahafantatra hoe mitsinjo anao ny mason’i Jehovah ary hanome izay ilainao mba hiaretana izy?—Sal. 32:8.

11 Mety hahatsapa anefa ianao hoe hoatran’ny tsy manampy anao i Jehovah. Mifanohitra angamba ny zavatra lazain’ny dokotera. Mety ho toy ny hoe manampy trotraka ny fahorianao koa ny havana antenainao hampahery. Mangataha foana hery amin’i Jehovah ary miezaha hatrany mba ho akaiky kokoa azy. (Vakio ny 1 Samoela 30:3, 6.) Vao mainka hifandray kokoa aminy ianao rehefa mahazo ny fanampiany.

12 Tsapan’i Linda * hoe marina izany, rehefa avy nikarakara ny ray aman-dreniny narary izy, nandritra ireo taona talohan’ny nahafatesan’izy ireo. Hoy izy: “Matetika no tsy hitanay mivady sy ny anadahiko izay hatao. Tsy afa-nanoatra izahay indraindray. Hitanay anefa rehefa mitodika ny lasa izahay fa tena nanampy i Jehovah. Nanatanjaka anay izy ary nanome an’izay tena nilainay, na dia toa tapi-dalan-kaleha aza izahay indraindray.”

13. Nahoana ny fitokisana tamin’i Jehovah no nanampy anabavy iray hiatrika olana nisesisesy?

13 Ilaina koa ny mitoky tanteraka amin’i Jehovah rehefa miatrika olana tena mampahory. Nisarahan’ny vadiny tsy Vavolombelona, ohatra, i Rhonda. Tamin’izay koa no hita fa voan’ny aretina mahafaty ny anadahiny. Maty ny vadin’ilay anadahiny, volana vitsivitsy taorian’izay. Nahakivy an’i Rhonda izany rehetra izany. Nanomboka nisinda ny hakiviany tatỳ aoriana, ka nirotsaka ho mpisava lalana maharitra izy. Maty indray ny reniny taoriana kelin’izay. Inona no nanampy an’i Rhonda hahazaka izany? Hoy izy: “Niresaka tamin’i Jehovah isan’andro aho, na dia rehefa handray fanapahan-kevitra madinika aza. Lasa tsapako fa tena misy izy. Nanampy ahy izany mba hiantehitra taminy fa tsy tamin’ny tenako na tamin’ny olon-kafa. Tena nanampy ahy izy, ka nahazo izay rehetra nilaiko aho. Lasa tsapako fa niara-niasa tamin’i Jehovah aho.”

Na eo anivon’ny fianakaviana aza mety hisy olana hahatonga antsika tsy hifandray tsara amin’i Jehovah (Fehintsoratra 14-16)

14. Inona no azon’ny Kristianina tsy mivadika atokisana raha manana mpianakavy voaroaka izy?

14 Aoka indray hatao hoe voaroaka ny mpianakavinao. Fantatrao ny fitsipiky ny Baiboly momba ny voaroaka. (1 Kor. 5:11; 2 Jaona 10) Mety ho hitanao anefa indraindray fa tena sarotra ny mankatò an’izany, ary mety hihevitra ianao hoe tsy ho vitanao ilay izy. * Hatoky ve ianao fa homen’ilay Rainao any an-danitra hery mba ho tapa-kevitra hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly momba ny voaroaka? Nahoana raha hararaotina mba hifandraisana kokoa amin’i Jehovah izany?

15. Nahoana i Adama no tsy nankatò ny didin’i Jehovah tao Edena?

15 Eritrereto i Adama lehilahy voalohany. Tena nieritreritra ve izy hoe ho velona foana na dia tsy nankatò an’i Jehovah aza? Tsia, satria milaza ny Baiboly fa ‘tsy i Adama no voafitaka.’ (1 Tim. 2:14) Nahoana àry izy no tsy nankatò? Azo antoka fa ny fitiavany an’i Eva vadiny no nahatonga an’i Adama hihinana tamin’ilay voankazo nomeny azy. Naleony nihaino ny feon’i Eva toy izay hihaino ny feon’i Jehovah Andriamaniny.—Gen. 3:6, 17.

16. Iza no tokony ho tiantsika indrindra, ary nahoana?

16 Midika ve izany fa tsy mety raha tena tiantsika ny havantsika? Tsy izany! I Jehovah anefa no tokony ho tiantsika indrindra. (Vakio ny Matio 22:37, 38.) Tena hahasoa ny havantsika izany, na manompo an’i Jehovah izy izao na tsia. Miezaha foana àry ho tia kokoa an’i Jehovah sy hatoky kokoa azy. Mivavaha aminy ka lazao daholo ny ao am-ponao, raha malahelo be ianao satria voaroaka ny havanao. * (Rom. 12:12; Fil. 4:6, 7) Hararaoty izany toe-javatra mampahory izany mba hifandraisana kokoa amin’i Jehovah. Hiantehitra aminy ianao amin’izay ary hatoky fa ny mankatò azy no mahasoa indrindra.

INONA NO AZO ATAO EO AM-PIANDRASANA AN’I JEHOVAH?

Asehoy fa matoky an’i Jehovah ianao ka miezaha ho be atao amin’ny asany (Fehintsoratra 17)

17. Inona no azo antoka fa hataon’i Jehovah, raha be atao foana amin’ny fitoriana isika?

17 Nahoana i Paoly no “nafahana avy tamin’ny vavan’ny liona”? Hoy izy: “Mba hotanterahina an-tsakany sy an-davany amin’ny alalako ny asa fitoriana, ary mba handre izany ny firenena rehetra.” (2 Tim. 4:17) Matoky isika fa tsy maintsy homen’i Jehovah an’izay rehetra ilaintsika, raha be atao amin’ny fitoriana toa an’i Paoly. (Mat. 6:33) ‘Nanankinana ny vaovao tsara’ isika mpitory ilay Fanjakana, ary raisin’i Jehovah ho ‘mpiara-miasa aminy.’ (1 Tes. 2:4; 1 Kor. 3:9) Ho mora kokoa amintsika ny hiandry ny fanampiany raha mazoto manao ny asany isika.

18. Inona no hanampy antsika hatoky an’i Jehovah sy hifandray kokoa aminy?

18 Miezaha àry mba hifandray kokoa amin’i Jehovah isan’andro. Hararaoty mba hifandraisana kokoa aminy ireo zavatra mampitebiteby anao. Mazotoa mianatra ny Teniny, mivavaha tsy tapaka, ary aoka ianao ho be atao amin’ny fanompoana. Afaka matoky ianao amin’izay fa hanampy anao i Jehovah, ka ho vitanao ny hiaritra ny olana mahazo anao ankehitriny sy izay hitranga amin’ny hoavy.

^ feh. 2 Nety ho ara-bakiteny na an’ohatra ilay “vavan’ny liona.”

^ feh. 10 Efa nisy lahatsoratra natao hanampiana ny Kristianina marary sy ireo mikarakara marary. Jereo ny Mifohaza! 8 Jona 2000 sy 8 Febroary 2001.

^ feh. 12 Novana ireo anarana.

^ feh. 14 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Nahoana no Porofon’ny Fitiavana ny Fandroahana?”, ato amin’ity gazety ity.

^ feh. 16 Efa nisy lahatsoratra natao hanampiana an’ireo manana havana niala tamin’i Jehovah. Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 2006, pejy 17-21 sy 15 Janoary 2007, pejy 17-20.