Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Mifandray Akaiky Amin’i Jehovah ve Ianao?

Tena Mifandray Akaiky Amin’i Jehovah ve Ianao?

Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”JAK. 4:8.

1. Nahoana isika no mila miezaka mba ho tena akaiky an’i Jehovah foana?

MIFANDRAY akaiky amin’Andriamanitra ianao, raha nanokan-tena ho azy sy Vavolombelony vita batisa. Tena sarobidy izany. Mety ho simba anefa io fifandraisana io, noho ny tontolon’i Satana sy noho isika tsy lavorary. Mety hitranga amin’ny Kristianina rehetra izany. Tokony hiezaka àry isika mba ho tena akaiky an’i Jehovah.

2. Inona no hanampy antsika hifandray kokoa amin’i Jehovah?

2 Tena mifandray akaiky amin’i Jehovah ve ianao? Tianao ve ny ho akaiky kokoa azy? Inona no azonao atao? Hoy ny Jakoba 4:8: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” Mariho fa samy manao zavatra ny andaniny sy ny ankilany. Manakaiky kokoa antsika i Jehovah rehefa miezaka manakaiky azy isika. Hifandray kokoa aminy isika rehefa manao izany matetika. Lasa tena misy amintsika izy vokatr’izany, ka ho hitantsika fa marina ilay tenin’i Jesosy hoe: ‘Tena misy ilay naniraka ahy. Izaho mahalala azy.’ (Jaona 7:28, 29) Inona avy àry no tokony hataontsika mba ho akaiky kokoa an’i Jehovah isika?

Ahoana no ifandraisanao amin’Andriamanitra? (Fehintsoratra 3)

3. Ahoana no ifandraisantsika amin’i Jehovah?

3 Tena ilaina ny mifandray tsy tapaka amin’i Jehovah raha te ho akaiky azy. Ahoana àry no ifandraisanao aminy? Eritrereto hoe manana namana mipetraka lavitra anao ianao. Ahoana no ifandraisanao aminy? Azo inoana fa mifanoratra na mifampiantso an-telefaonina matetika ianareo. Miresaka amin’i Jehovah koa ianao rehefa mivavaka aminy matetika. (Vakio ny Salamo 142:2.) Ary toy ny hoe mamela azy hiresaka aminao ianao, rehefa mamaky tsy tapaka ny Teniny sy misaintsaina azy io. (Vakio ny Isaia 30:20, 21.) Hodinihintsika izao hoe nahoana ireo fomba roa ireo no mahatonga antsika ho akaiky kokoa azy ka hatoky kokoa hoe misy izy.

MIRESAKA AMINAO I JEHOVAH REHEFA MIANATRA BAIBOLY IANAO

4, 5. Ahoana no iresahan’i Jehovah aminao rehefa mianatra ny Teniny ianao? Manomeza ohatra.

4 Fantatsika fa hafatr’Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra ny Baiboly. Resahina ao koa anefa hoe inona no azonao atao mba ho akaiky kokoa azy. Diniho hoe inona no tsapanao momba izay vakinao, rehefa mamaky sy mianatra Baiboly tsy tapaka ianao. Saintsaino koa hoe ahoana no ampiharana izay nianaranao. Mamela an’i Jehovah hiresaka aminao ianao raha manao an’ireo, ka vao mainka ho akaiky kokoa azy.—Heb. 4:12; Jak. 1:23-25.

5 Vakio ary saintsaino, ohatra, ilay tenin’i Jesosy hoe: “Aza manangona harena ho anareo intsony etỳ an-tany.” Ho tsapanao fa midera anao i Jehovah raha efa manao loha laharana an’ilay Fanjakana ianao. Ahoana raha hitanao fa mbola ilainao ny manatsotra fiainana sy mifantoka kokoa amin’ny asan’ilay Fanjakana? Toy ny milaza aminao i Jehovah amin’izay hoe inona no tokony hataonao mba ho akaiky kokoa azy ianao.—Mat. 6:19, 20.

6, 7. a) Manao ahoana ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny fitiavany antsika, rehefa mianatra Baiboly isika? b) Inona no tokony ho tanjontsika rehefa mianatra?

6 Tsy manatsara ny fomba fiainantsika fotsiny ny fianarana Baiboly. Manampy antsika koa izany mba hahalala kokoa ny zavatra ataon’i Jehovah sy ny toetrany. Lasa tia azy kokoa isika vokatr’izany, ka hitombo ny fitiavany antsika. Hampifanakaiky antsika aminy izany.—Vakio ny 1 Korintianina 8:3.

7 Tokony hanana tanjona tsara anefa isika rehefa mianatra, raha te ho akaiky kokoa an’i Jehovah. Hoy ny Jaona 17:3: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” Ny “hahalala” kokoa an’i Jehovah àry no tena tokony ho tanjontsika, fa tsy ny hampitombo fahalalana fotsiny.—Vakio ny Eksodosy 33:13; Sal. 25:4.

8. a) Inona no mety hampieritreritra antsika rehefa mamaky ny 2 Mpanjaka 15:1-5 isika? b) Raha mahafantatra an’i Jehovah isika, nahoana isika no tsy hieritreritra hoe tsy mety ny ataony?

8 Mety tsy ho azontsika ny zavatra sasany resahin’ny Baiboly fa nataon’i Jehovah. Tsy hampiady saina be antsika anefa izany, rehefa mahalala azy kokoa sy lasa namany akaiky isika. Ahoana, ohatra, no fahitanao an’izay nataony tamin’i Azaria mpanjakan’ny Joda? (2 Mpanj. 15:1-5) Mariho fa “nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah izy”, na dia ‘mbola nanao sorona sy nanolotra setroka ho sorona teny amin’ny toerana avo’ aza ny olona. “Namely” azy anefa i Jehovah, ka “boka mandra-pahafatiny izy.” Nahoana? Tsy mamaly izany ilay fitantarana. Tokony hampiady saina antsika ve izany, na hahatonga antsika hieritreritra fa nanasazy an’i Azaria tsy amin’antony i Jehovah? Tsy tokony ho izany, raha mahalala tsara an’i Jehovah isika. Fantatsika fa manasazy “araka ny antonony” foana izy. (Jer. 30:11) Manome toky antsika izany fa ara-drariny ny fitsarany, na dia tsy fantatsika aza ny antony namelezany an’i Azaria.

9. Inona no tsipiriany manampy antsika hahita ny antony namelezan’i Jehovah an’i Azaria?

9 Misy tsipiriany hafa momba ny tantaran’i Azaria anefa ao amin’ny Baiboly. Antsoina hoe Ozia Mpanjaka koa izy. (2 Mpanj. 15:7, 32) Hitantsika ao amin’ny 2 Tantara 26:3-5, 16-21 fa nanao izay tsara teo imason’i Jehovah i Ozia nandritra ny fotoana kelikely. ‘Nirehareha anefa ny fony’ tatỳ aoriana, “ka nitondra fahavoazana ho an’ny tenany izany.” Sahisahy ratsy izy ka nanao ny asan’ny mpisorona, nefa tsy tokony hanao izany. Mpisorona 81 no efa nisakana azy sy niezaka nanitsy azy. Hita anefa hoe lasa niavonavona be izy satria “tezitra mafy” tamin’izy ireo. Tsy mahagaga raha nataon’i Jehovah boka izy.

10. Nahoana isika no tsy tokony hitady fanazavana momba izay rehetra ataon’i Jehovah? Inona no hanampy antsika hatoky hoe rariny ny ataony?

10 Inona no lesona lehibe ianarantsika avy amin’izany? Marina fa nisy tsipiriany fanampiny nanampy antsika, tamin’ilay tantaran’i Azaria. Ahoana anefa rehefa tsy misy tsipiriany toy izany ao amin’ny Baiboly? Hisalasala ve ianao amin’izay raha rariny na tsia ny ataon’Andriamanitra? Sa ianao hieritreritra hoe ampy ny fanazavana ao amin’ny Baiboly, ka azo itokisana fa manao ny rariny foana i Jehovah ary izy no tena mahalala ny atao hoe tsara sy ratsy? (Deot. 32:4) Ho tia kokoa an’i Jehovah sy hankasitraka kokoa ny zavatra ataony sy ny toetrany isika, arakaraka ny hahafantarantsika azy. Tsy hila fanazavana momba izay rehetra ataony isika amin’izay. Hitombo izany fankasitrahana izany, rehefa miezaka mianatra sy misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra ianao, ka mahita ny fomba nifandraisany tamin’ny olona. (Sal. 77:12, 13) Vao mainka hifandray akaiky amin’i Jehovah ianao amin’izay.

MIRESAKA AMIN’I JEHOVAH IANAO REHEFA MIVAVAKA

11-13. Ahoana no ahalalanao fa mihaino vavaka i Jehovah? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

11 Lasa akaiky an’i Jehovah isika rehefa mivavaka. Midera sy misaotra azy isika ary mangataka ny tari-dalany. (Sal. 32:8) Tsy maintsy matoky anefa ianao hoe mihaino ny vavakao izy, raha tianao ny hifandray akaiky aminy.

12 Misy mihevitra fa manamaivamaivana ny saina fotsiny ny vavaka. Milaza izy ireny fa matoa ianao mihevitra hoe mivaly ny vavakao, dia satria voalazanao izay tany an-tsainao, lasa fantatrao ilay olana, ary avy eo ny sainao mikaroka vahaolana. Misy vokany tsara toy izany tokoa ny vavaka. Ahoana anefa no ahalalanao fa tena henon’i Jehovah ny vavaka vokatry ny fo lazainao?

13 Diniho izao: Nahita ny fomba namalian’i Jehovah ny vavaky ny mpanompony tetỳ an-tany i Jesosy, talohan’ny naha olombelona azy. Rehefa lasa olombelona indray izy, dia nivavaka ka namboraka ny fihetseham-pony tamin’ilay Rainy tany an-danitra. Nivavaka nandritra ny alina mihitsy aza izy, indray mandeha. Ho nanao izany ve izy raha nihevitra fa tsy tena mihaino i Jehovah? (Lioka 6:12; 22:40-46) Ho nampianatra ny mpianany hivavaka ve izy raha nihevitra fa natao handaminana ny saina fotsiny ny vavaka? Fantatr’i Jesosy fa tena mihaino vavaka i Jehovah. Hoy izy indray mandeha: “Misaotra anao aho, Ray ô, fa efa nihaino ahy ianao. Fantatro fa mihaino ahy foana ianao.” Afaka matoky koa isika hoe “Mpihaino vavaka” i Jehovah.—Jaona 11:41, 42; Sal. 65:2.

14, 15. a) Nahoana no mahasoa ny vavaka voafaritra tsara? b) Nahoana ny vavaka no nanampy ny anabavy iray ho akaiky kokoa an’i Jehovah?

14 Mety tsy hiharihary be ny fomba amalian’i Jehovah ny vavakao. Ho tsapanao kokoa anefa hoe mamaly ny vavakao izy, raha voafaritra tsara ny zavatra angatahinao aminy. Hatoky kokoa ianao rehefa mahazo valim-bavaka fa tena misy i Jehovah. Vao mainka izy hanakaiky anao, arakaraka ny amborahanao aminy ny fanahianao lalina.

15 Diniho ny ohatr’i Kathy. * Nanompo matetika izy nefa tsy nankafy an’izany. Hoy izy: “Tsy tia manompo aho taloha. Tena tsy tiako mihitsy ilay izy! Nilaza tamiko ny anti-panahy iray tamin’izaho nisotro ronono fa afaka ny ho mpisava lalana maharitra aho. Nomeny taratasy fangatahana mihitsy aza aho. Nirotsaka ho mpisava lalana àry aho, sady nivavaka isan’andro tamin’i Jehovah mba ho tia manompo.” Namaly ny vavaka nataony ve i Jehovah? Hoy izy: “Telo taona amin’ity aho izao no mpisava lalana. Mihamahay mitory kokoa aho satria manompo bebe kokoa sady miana-javatra amin’ny rahavavy hafa. Tsy hoe mankafy ny fanompoana fotsiny aho izao, fa tiako be mihitsy ilay izy. Lasa akaiky kokoa an’i Jehovah noho ny hatramin’izay koa aho.” Tena nanampy an’i Kathy hifandray akaiky amin’i Jehovah ny vavaka.

ATAOVY NY ANJARANAO

16, 17. a) Inona no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika ny hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah foana? b) Inona no horesahin’ny lahatsoratra manaraka?

16 Mitohy mandritra ny androm-piainana ny ezaka atao mba hifandraisana akaiky kokoa amin’i Jehovah. Tsy maintsy manao zavatra mba hifandraisana akaiky aminy isika, raha tiantsika hifandray akaiky amintsika izy. Aoka àry isika hifandray tsy tapaka amin’Andriamanitra, ka hianatra Baiboly sy hivavaka. Vao mainka ho akaiky kokoa an’i Jehovah foana isika raha manao izany, ka hahavita hiaritra fitsapana.

Mitohy mandritra ny androm-piainana ny ezaka atao mba hifandraisana akaiky kokoa amin’i Jehovah (Fehintsoratra 16, 17)

17 Tena tsy mora anefa rehefa tsy mivaha ny olana mahazo antsika, nefa efa mivavaka mafy isika. Mety hampihena ny fatokisantsika an’i Jehovah izany. Mety hieritreritra isika hoe: ‘Tena mihaino ny vavaka ataoko àry ve i Jehovah? Mba mihevitra ahy ho tena namany ve izy?’ Ahoana no hiatrehantsika an’izany sy hatokisantsika foana fa tena akaiky antsika i Jehovah? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 15 Novana ny anarana.