TANTARAM-PIAINANA
Mbola Tia An’i Jehovah toy ny Tamin’ny Voalohany Aho ka Nahavita Niaritra
TEO am-pandriana tao amin’ny Hopitaly Ben’i Valley Forge, any Phoenixville, eto Etazonia aho, tamin’ny Jona 1970 tany ho any. Nisy mpitsabo mpanampy nijery ny tosidrako, isaky ny antsasak’adiny. Miaramila aho, ary tratran’ny areti-mifindra mahery vaika. Hita hoe natahotra ilay mpitsabo mpanampy, izay zokiko kely fotsiny. Nidina foana ny tosidrako, ka hoy aho: “Mbola tsy nahita olona niala aina angaha ianao?” Nivaloarika izy sady namaly hoe: “Mbola tsy nahita aho.” Vao 20 taona aho tamin’izay.
Nanjombona ny hoaviko. Fa nahoana aho no niditra hopitaly? Aleo hotantaraiko ny fiainako.
TANY AN’ADY
Mpikarakara efitra fandidiana sy mpanampy ny mpandidy aho, nandritra ny ady tany Vietnam. Tamin’izay aho no narary. Tia nikarakara marary sy maratra aho, ary te ho lasa mpandidy. Tamin’ny Jolay 1969 aho no tonga tany Vietnam. Tsy tonga dia niasa aho fa nasaina niandry herinandro toy ny miaramila hafa vao tonga, mba ho zatra amin’ny fiovan’ny ora sy ny hafanam-be.
Niasa tao amin’ny hopitaly fandidiana, tany Mékong any Dong Tam, aho. Vao niasa aho, dia tonga ny helikoptera be dia be feno miaramila maratra sy maty. Tena tia tanindrazana aho sady tia miasa ka tonga dia nanampy. Nokarakaraina ireo naratra, ary nentina haingana tao anaty kaontenera nisy fampangatsiahan-drivotra. Tao no toerana fandidiana. Nisesika tao daholo ilay dokotera mpandidy sy ilay mpanao fanatoranana ary ny mpitsabo mpanampy roa, ka nanao izay vitany mba hamonjena an’ireo naratra. Tsikaritro hoe nisy gony mainty ngezabe maromaro tsy navoaka avy tao anaty helikoptera. Nisy nilaza tamiko hoe rantsambatana miaramila potika tany an’ady no tao. Izany no niainako tany.
NITADY AN’ANDRIAMANITRA
Efa nahare ny fahamarinana torin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, tamin’izaho tanora. Nianatra Baiboly tamin’izy ireo ny reniko, ary
nanatrika teo aho sady nihaino tsara. Tsy tonga hatramin’ny batisa anefa izy. Nahita Efitrano Fanjakana izaho sy ny raikeliko tamin’izany, ary nanontaniako izy hoe: “Fa inona ny ao?” Hoy izy: “Tsy ilaina manatonatona an’ireny olona ireny!” Nankatò azy aho satria tiako izy sady natokisako. Tsy nifandray tamin’ny Vavolombelona intsony àry aho.Tsapako hoe nila an’Andriamanitra aho rehefa avy tany Vietnam. Lasa mafy fo aho noho ny zavatra niainako tany. Hoatran’ny tsy tena azon’ny olona ny zava-nisy tany. Nisy olona nidina an-dalambe ary niantsoantso hoe mpamono zaza ny tafika amerikanina. Voalaza mantsy fa nisy zaza tsy manan-tsiny naripaka tamin’ilay ady.
Te hifandray amin’Andriamanitra aho ka nitety fivavahana. Efa tia an’Andriamanitra foana aho nefa tsy nahafa-po ahy ny zavatra hitako tany. Nankany amin’ny trano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Delray Beach, any Floride, àry aho indray alahady, tamin’ny Febroary 1971.
Efa ho vita ny lahateny ho an’ny besinimaro tamin’izaho tonga, ka nijanona nihaino ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana aho. Tsy tadidiko intsony ilay foto-kevitra nianarana. Gaga anefa aho fa nikaroka andinin-teny tao amin’ny Baiboly ny ankizikely. Nihaino tsara aho sady nandinika. Nisy rahalahy mahafinaritra nanatona ahy rehefa hody aho. Jim Gardner no anarany ary 80 taona teo ho eo izy. Nomeny an’ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay aho sady hoy izy: “Ity misy boky ho anao raha tianao.” Nifanao fotoana izahay hoe hianatra Baiboly ny alakamisy maraina.
Niasa alina aho tamin’io alahady io, tao amin’ny efitra fitsaboana vonjy aina tany amin’ny hopitaly iray tany Boca Raton, any Floride. Tamin’ny 11.00 alina ka hatramin’ny 7.00 maraina ny anjarako. Nilamindamina tamin’izay, ka afaka namaky an’ilay boky Fahamarinana aho. Nanatona ahy ny mpitsabo mpanampy iray, ary nosintoniny ilay boky. Nojereny ny fonony sady nivazavaza izy hoe: ‘Fa angaha ianao lasa Vavolombelon’i Jehovah koa?’ Nosintoniko ilay izy, sady hoy aho: “Vao eto amin’ny antsasany izao aho, nefa mety ho lasa Vavolombelon’i Jehovah mihitsy!” Lasa izy ary voavakiko tamin’iny alina iny ilay boky.
Nanontaniako ny Rahalahy Gardner tamin’izahay vao hianatra hoe: “Inona no hianarantsika?” Hoy izy: “Ilay boky nomeko anao.” Dia hoy aho: “Ilay izy aza efa voavakiko!” Namaly moramora izy hoe: “Andao àry hianarantsika ny toko voalohany e.” Gaga aho fa mbola betsaka ny zavatra tsy haiko. Nasainy nijery andininy maro
tao amin’ny Baiboliko aho. Ela ny ela ka fantatro i Jehovah, ilay tena Andriamanitra. Nahavita toko telo izahay tamin’iny. Nianatra toko telo isaky ny alakamisy maraina izahay, ary tena tiako ilay fianarana. Nanana tombony aho nampianarin’io rahalahy voahosotra io. Nifankahalala izy sy Charles Russell, ary Jim no fiantsoako azy.Nekena ho mpitory ny vaovao tsara aho, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana. Maro ny zavatra nampanahy ahy ka nanampy ahy i Jim. Nampahatahotra ahy, ohatra, ny nitory isan-trano. (Asa. 20:20) Lasa tia nitory anefa aho rehefa niaraka tamin’i Jim. Io amiko no tombontsoa lehibe indrindra. Tena faly aho miara-miasa amin’Andriamanitra.—1 Kor. 3:9.
NY NITIAVAKO VOALOHANY AN’I JEHOVAH
Misy zava-nitranga manokana tiako horesahina ity. Tamin’izay aho no tia voalohany an’i Jehovah. (Apok. 2:4) Io fitiavana io no manampy ahy hanadino ny zavatra niainako tany an’ady sy hiatrika fitsapana hafa.—Isaia 65:17.
Ny fitiavako an’i Jehovah no manampy ahy hanadino ny zavatra niainako tany an’ady sy hiatrika fitsapana hafa
Tamin’ny 1971 ilay zava-nitranga. Vao noroahin’ny ray aman-dreniko aho, satria tsy mila Vavolombelon’i Jehovah ao an-tanànany, hono, ny raikeliko! Tsy nanam-bola firy aho tamin’izany. Isan-tapa-bolana aho no nandray karama, ary vao nividianako akanjo hoentina mitory ny ankamaroan’ny volako. Te hanome voninahitra an’i Jehovah mantsy aho. Nanana tahiry ihany aho saingy tany amin’ny banky tany Michigan, toerana nahalehibe ahy, ilay izy. Tao anatin’ny fiarako àry aho no nipetraka nandritra ny andro vitsivitsy. Teny amin’ny fivarotan-dasantsy aho no niharatra sy nisasa.
Tonga aloha be tao amin’ny Efitrano Fanjakana aho, indray andro. Avy niasa alina aho, ary hanatrika fivoriana alohan’ny fanompoana. Niandry tao ambadik’ilay efitrano aho ary tsy nisy nahita. Nitamberina tao an-tsaiko indray ny fiainako tany Vietnam. Hoatran’ny hitako ilay ra nandriaka sy ra nivaingana, ary reko ny fofon’olona may. Reko sy hitako koa ireo tovolahy namerimberina hoe: “Ho avotra ihany ve aho?” Fantatro fa ho faty izy ireo nefa tsy nasehoko tamin’ny endriko izany fa nanao izay vitako aho hampaherezana azy ireo. Feno be ny foko nieritreritra an’izany rehetra izany.
Niezaka mafy aho ho tia an’i Jehovah foana, indrindra rehefa misy fitsapana sy olana
Nivavaka aho ary nirotsaka be ny ranomasoko. (Sal. 56:8) Nanomboka nisaintsaina momba ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty aho. Tonga saina aho hoe hanangana ny maty i Jehovah ka ho tantara sisa ireny famonoana olona ireny sy ny ratram-po naterak’izany tamiko sy tamin’ny hafa. Hovelominy indray ireny tovolahy ireny, ka ho afaka hianatra ny marina momba azy. (Asa. 24:15) Lasa tena tia an’i Jehovah aho tamin’io andro io, ary latsa-paka tao am-poko izany. Mbola tsaroako foana io fotoana voalohany nitiavako an’i Jehovah io. Niezaka mafy aho nanomboka teo mba ho tia azy foana, indrindra rehefa misy fitsapana sy olana.
TSARA FANAHY AMIKO I JEHOVAH
Mahavita zavatra mahatsiravina ny olona rehefa misy ady ary nanao an’izany koa aho. Manampy ahy anefa ny misaintsaina ny roa amin’ireo andinin-teny tiako indrindra. Ny Apokalypsy 12:10, 11 ny voalohany. Voalaza ao fa resy ny Devoly noho ny hafatra torintsika sy noho ny ran’ny Zanak’ondry. Ny Galatianina 2:20 kosa ny faharoa. Fantatro amin’io andininy io fa maty “ho ahy” i Kristy Jesosy. Mamela ny heloko i Jehovah noho ny ra nalatsak’i Jesosy. Lasa nadio ny eritreritro rehefa nahalala an’izany. Lasa nazoto koa aho nanao izay vitako hanampiana ny hafa hahalala ny marina momba an’i Jehovah, ilay Andriamanitra mamindra fo.—Heb. 9:14.
Rehefa mitodika ny lasa aho dia tena mankasitraka an’i Jehovah, noho izy mikarakara ahy foana. Nampifandraisin’i Jim tamin’ny anabavy iray manana trano ahofa, ohatra, aho, raha vao fantany hoe nipetraka tao anaty fiara. Tena mino aho fa nampiasa an’i Jim sy io anabavy malala io i Jehovah mba hanome ahy trano mety tsara. Tena tsara fanahy i Jehovah ary mikarakara ny mpanompony tsy mivadika.
NAFANA FO FA TSY NAHAY NANDANJALANJA
Tsy maintsy nankany Michigan aho tamin’ny Mey 1971. Nofenoiko boky ny fiarako talohan’ny hialako tao amin’ny Fiangonana Delray Beach tany Floride, ary nianavaratra aho. Mbola tsy nisasaka ny lalana dia efa lany ireo boky. Nazoto nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana aho teny amin’izay nandalovako, anisan’izany ny fonja. Nomeko taratasy mivalona hatramin’ny olona tany amin’ny toeram-pivoahana teny an-dalana. Asa raha mba nisy naniry ihany ireny voa nafafiko ireny!—1 Kor. 3:6, 7.
Tsoriko anefa fa tsy nahay nandanjalanja aho tamin’izaho vao nahalala ny fahamarinana, indrindra rehefa niresaka tamin’ny havako. Niredareda ilay fitiavako an’i Jehovah ka nazoto nitory tamin’izy ireo aho, nefa nivantambantana loatra. Tena tiako i John sy Ron rahalahiko, ka notereko hihaino ahy. Tsy maintsy niala tsiny tamin’izy ireo aho tatỳ aoriana. Mbola mivavaka foana anefa aho mba haneken’izy ireo ny fahamarinana. Mampianatra ahy foana i Jehovah ka lasa mahay mandanjalanja kokoa aho rehefa mitory sy mampianatra Baiboly.—Kol. 4:6.
IREO OLONA TIAKO
Tena tia an’i Jehovah aho, nefa misy olon-kafa tiako koa. I Susan vady malalako no tiako indrindra amin’izy ireny. Hitako hoe nila namana aho mba hanampy ahy hahavita ny asan’ilay Fanjakana. Matanjaka ara-panahy i Susan. Tsaroako ilay izaho nitsidika azy, tamin’izahay mpifamofo. Nipetrapetraka teo anoloan’ny tranon’ny ray aman-dreniny izy tamin’izay, ary namaky Ny Tilikambo Fiambenana. Gaga aho satria tsy lahatsoratra fianarana ilay izy nefa novakiny daholo ny andinin-teny voatonona tao. Niaiky aho hoe: ‘Tena tia an’i Jehovah kosa izy a!’ Nivady izahay tamin’ny Desambra 1971, ary faly be aho hatramin’izao satria manohana ahy foana izy. Fa ny tena itiavako azy dia izao: I Jehovah no tiany kokoa noho izaho.
Jesse sy Paul no anaran’ny zanakay. Nanampy azy roa lahy koa i Jehovah rehefa nihalehibe izy ireo. (1 Sam. 3:19) Reharehanay izy mirahalahy satria manompo an’i Jehovah. Tsy mivadika aminy mihitsy izy ireo satria mbola tia azy toy ny tamin’ny voalohany. Efa 20 taona mahery izao izy mirahalahy no manompo manontolo andro. Mirehareha koa aho manana vinantovavy roa mahafatifaty, dia i Stephanie sy Racquel. Raisiko ho toy ny zanako mihitsy izy roa. Samy matotra ara-panahy sy tia an’i Jehovah amin’ny fony manontolo ny vinantoko.—Efes. 6:6.
Nanompo 16 taona tany Rhode Island aho taorian’ny batisako, ary nahazo namana mahafinaritra. Tiako be ny niara-nanompo tamin’ny anti-panahy tany. Teo koa ireo mpiandraikitra mpitety faritany, na dia tsy ho voatanisako eto daholo aza ny anarany. Modely ho ahy izy ireny. Mbola tia an’i Jehovah toy ny tamin’ny voalohany ireny rahalahy rehetra ireny, ka tombontsoa be ho ahy ny niara-niasa taminy. Nila mpitory maro kokoa tany Caroline Avaratra ka nifindra tany izahay tamin’ny 1987. Nahazo namana mahafinaritra koa izahay tany. *
Nanaiky hanompo tany amin’ny Betelan’i Patterson, eto Etazonia, izahay mivady, tamin’ny Aogositra 2002. Tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana aho no niasa fa i Susan tao amin’ny fanasan-damba. Tiany be ny niasa tao! Nahazo tombontsoa ho anisan’ny Filan-kevi-pitantanana aho tamin’ny Aogositra 2005. Nahatsiaro aho hoe tsy mendrika an’izany. I Susan indray sahiran-tsaina rehefa nieritreritra hoe andraikitra sy asa be ilay izy, ary tsy maintsy hanao dia lavitra foana izahay. Tsy mahazo aina mihitsy i Susan rehefa mandeha fiaramanidina, nefa mandeha matetika izahay. Nohazavainy fa nilaza zavatra nampahery azy ny vadin’ireo rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, ka tapa-kevitra ny hanohana ahy foana izy raha mbola azony atao. Manohana ahy tokoa izy, ka tena tiako.
Misy sary be dia be sarobidy amiko ato amin’ny biraoko. Mampahatsiahy ahy izy ireny fa tena mahafinaritra ny fiainako. Efa nahazo valisoa maro aho satria niezaka mafy ho tia foana an’i Jehovah, toy ny tamin’ny voalohany.