Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mila Miaritra Ianareo”

“Mila Miaritra Ianareo”

TEZITRA be mihitsy ny vadin’i Anita, * rehefa lasa Vavolombelon’i Jehovah izy. Hoy i Anita: “Tsy navelany hivory aho sady tsy navelany hanonona ny anaran’Andriamanitra mihitsy aza. Vao maheno hoe Jehovah fotsiny izy dia efa romotra be.”

Olana be ho an’i Anita koa ny nampianatra an-janany momba an’i Jehovah. Hoy izy: “Tsy nahazo nanompo an’i Jehovah mihitsy izahay. Tsy nahazo nampianatra ny zanako aho sady tsy nahazo nitondra azy ireo nivory.”

Hita avy amin’io tantara io fa mety ho tena sarotra amin’ny Kristianina iray ny tsy hivadika amin’i Jehovah, rehefa misy tsy tia ny fivavahany ao an-tranony. Mety ho fitsapana hafa koa anefa no mahazo anao. Manana aretina mitaiza angamba ianao, na maty vady na zanaka, na koa nisy mpianakavinao niala tamin’i Jehovah. Inona àry no hanampy anao tsy hivadika?

Inona no hataonao rehefa misy fitsapana? Hoy ny apostoly Paoly: “Mila miaritra ianareo.” (Heb. 10:36) Inona anefa no hanampy anao hiaritra?

MIVAVAHA FOANA AMIN’I JEHOVAH

Tena ilaina ny mivavaka raha te hahazo hery hiaretana. Eritrereto ny nanjo ny anabavy iray atao hoe Ana. Efa 30 taona nanambadiana izy. Maty tampoka anefa ny vadiny, indray alatsinainy tolakandro. Hoy izy: “Nandeha niasa izy dia tany no maty. Vao 52 taona anefa izy.”

Inona no nanampy an’i Ana hiatrika an’izany? Niasa izy ka mba somary verivery dia. Nila nifantoka tsara mantsy izy tamin’ilay asa. Mbola nalahelo be foana anefa izy. Hoy izy: “Noresahiko tamin’i Jehovah daholo izay tao am-poko. Niangavy azy aho mba hanampy ahy hahazaka ny fahoriako.” Resy lahatra izy hoe nihaino azy i Jehovah satria hoy izy: “Andriamanitra ihany no nahavita nampionona ahy sy nampilamina ny saiko. Tena mino aho hoe mbola hatsangany amin’ny maty ny vadiko.”—Fil. 4:6, 7.

Mampanantena ilay “Mpihaino vavaka” fa hanome izay ilain’ny mpanompony izy, mba hanampiana azy ireo tsy hivadika. (Sal. 65:2) Tsy mampahery anao ve izany? Tsy manome toky anao ve izany hoe hahavita hiaritra koa ianao?

MIARAHA FOANA AMIN’NY FIANGONANA

Ampiasain’i Jehovah hanampiana ny mpanompony ny fiangonana kristianina. Niaritra fanenjehana mivaivay, ohatra, ny fiangonana tany Tesalonika. Nampirisika azy ireo àry i Paoly mba ‘hifampionona sy hifampahery hatrany toy ny efa nataon’izy ireo.’ (1 Tes. 2:14; 5:11) Nifanerasera sy nifanampy ary nifankatia ny Kristianina tany Tesalonika, ka nahavita niaritra fitsapana. Modely tsara ho antsika izy ireo. Inona àry no azontsika atao mba tsy hivadika?

Ataovy namana akaiky ny olona eo anivon’ny fiangonana. Hifampahery ianareo amin’izay, indrindra rehefa ao anatin’ny sarotra. (Rom. 14:19) Niaritra fitsapana maro i Paoly, ary nanome azy hery hiaretana i Jehovah. Ny mpiray finoana no nampiasainy hampahery azy indraindray. Hoy, ohatra, i Paoly momba ny mpiara-manompo taminy tao amin’ny fiangonan’i Kolosia: ‘Ireo no nanampy sy nankahery ahy.’ (Kol. 4:10, 11) Tia an’i Paoly izy ireo ka nampahery sy nanatanjaka azy rehefa nila an’izany izy. Azo antoka fa efa nisy nampahery sy nanampy anao koa tao amin’ny fiangonanareo.

MIRESAHA AMIN’NY ANTI-PANAHY

Nataon’i Jehovah hanampy antsika koa ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonana. Matotra izy ireo ka ‘toy ny fierena amin’ny rivotra sy fialofana amin’ny oram-baratra, sady toy ny rano mikoriana any amin’ny tany karakaina, ary toy ny aloky ny vatolampy lehibe any amin’ny tany ngazana.’ (Isaia 32:2) Tena mampahery izany! Tia antsika i Jehovah matoa nanendry anti-panahy. Manatona azy ireny àry ve ianao rehefa manana olana? Mampahery sy manohana antsika izy ireny ka mahavita miaritra isika.

Tsy mpanao fahagagana anefa ny anti-panahy. Tsy lavorary izy ireo ary ‘olombelona tahaka antsika ihany.’ (Asa. 14:15) Afaka mivavaka ho anao anefa izy ireo, ary tena hahasoa anao izany. (Jak. 5:14, 15) Efa ela, ohatra, ny rahalahy iray any Italia no narary. Malemy hozatra izy ary miharatsy ilay aretiny. Hoy izy: “Nahavita niaritra aho satria tsapako hoe tia ahy ny anti-panahy. Mitsidika ahy foana koa izy ireo.” Nataon’i Jehovah hanampy antsika àry ny anti-panahy, ka aza misalasala miresaka amin’izy ireny!

MIEZAHA FOANA HANOMPO AN’I JEHOVAH

Misy zavatra hafa koa hanampy anao hiaritra. Aza atao tsirambina ny fanompoana an’i Jehovah. Voan’ny kansera, ohatra, ny rahalahy iray atao hoe John tamin’izy 39 taona, ary tsy fahita firy ilay aretiny. Hoy izy: “Mbola tanora aho tamin’izay ka nihevitra hoe tsy rariny ilay izy.” Vao telo taona koa ny zanany. Hoy ihany izy: “Tsy ny zanakay ihany no tsy maintsy nokarakarain’ny vadiko fa izaho koa. Tsy vitan’izay fa mbola izy koa no nikarakara ny fitsaboana ahy.” Mafy be ny fitsaboana natao tamin’i John ka reraka be izy sady naloiloy. Niampy indray ny olana avy eo satria narary ny dadany ary efa ho faty ka nila mpikarakara.

Nahoana izy mianakavy no nahavita niaritra? Hoy i John: “Tsy nataonay tsirambina mihitsy ny fanompoana an’i Jehovah, na dia reraka be aza aho. Nivory foana izahay, dia nanompo isan-kerinandro. Nanao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana foana koa izahay, na dia tsy mora aza izany indraindray.” Tsapany fa tena nanampy azy hiaritra izany rehetra izany. Izao àry no teniny ho an’izay miaritra fitsapana: “Taitra be sady miady saina ianao amin’ny voalohany, fa avy eo hahatsapa hoe omen’i Jehovah hery sady karakarainy. Manampy ahy izy, ka matokia fa hanampy anao koa.”

Hahavita hiaritra ny fitsapana mahazo antsika, na mety hahazo antsika, isika satria manohana antsika i Jehovah. Mivavaha foana, miezaha hinamana akaiky amin’ny olona eo anivon’ny fiangonana, miresaha amin’ny anti-panahy, ary aza atao tsirambina ny fanompoana an’i Jehovah. Raha manao izany ianao, dia hahavita hanaraka an’ilay tenin’i Paoly hoe: “Mila miaritra ianareo.”

^ feh. 2 Novana ny anarana sasany.