Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tia Olona Izy

Tia Olona Izy

“Tena tiako izay rehetra mombamomba ny zanak’olombelona.”—OHAB. 8:31.

1, 2. Inona no porofo fa tena tian’i Jesosy ny olombelona?

TSY misy manam-pahendrena noho i Jehovah. Ny zavatra nataon’ilay Zanany lahimatoa no tena ahitana an’izany. Antsoina hoe fahendrena sy “mpiasa tena mahay” teo anilany io zanany io. Tena faly i Jesosy rehefa nahita ny Rainy “nanao ny lanitra” sy “namoaka didy mba hisian’ny fototry ny tany.” Ny “zanak’olombelona” anefa no tian’i Jesosy indrindra amin’ny zavaboary rehetra. (Ohab. 8:22-31) Efa ela be talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany àry ilay Zanak’Andriamanitra lahimatoa no niraiki-po tamin’ny olombelona.

2 Noporofoin’i Jesosy, tatỳ aoriana, fa tsy mivadika amin’ny Rainy izy sady tena tia azy sy ny olombelona. Nanaiky an-tsitrapo ‘hamoy ny zava-drehetra’ tany an-danitra àry izy ka nanjary nitovy tamin’ny olombelona. Nataony izany satria te hanome ny ainy ho “vidim-panavotana ho takalon’ny maro” izy. (Fil. 2:5-8; Mat. 20:28) Hita tokoa fa tiany ny olombelona! Vao mainka niharihary izany rehefa nomen’i Jehovah hery hanaovana fahagagana izy tetỳ an-tany. Nasehony tamin’ireny fahagagana ireny koa fa tsy ho ela izy dia hanao zavatra tsara be eran-tany.

3. Inona no horesahintsika ato?

3 ‘Nitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra’ koa i Jesosy tetỳ an-tany. (Lioka 4:43) Fantany fa io Fanjakana io no hanamasina ny anaran’ny Rainy sy hanafoana ny olana rehetra mahazo ny olombelona. Sady nitory àry izy no nanao fahagagana, ka hita fa tiany tokoa ny olombelona. Nahoana isika no tokony hahafantatra an’izany? Satria hanampy antsika hatoky izany fa mbola hiova ny fiainantsika amin’ny hoavy. Hiresaka fahagagana efatra nataon’i Jesosy isika izao.

NANANA HERY HANASITRANANA IZY

4. Inona no nitranga rehefa nihaona tamin’ny lehilahy boka iray i Jesosy?

4 Efa nanompo elaela teto an-tany i Jesosy tamin’izay, ary nitory tany amin’ny faritr’i Galilia. Nahita lehilahy nampalahelo be izy tany. (Mar. 1:39, 40) Boka izy io. Aretina faran’izay ratsy ny habokana. Efa nihombo be ny aretin’ilay lehilahy matoa nilaza i Lioka dokotera fa “rakotry ny habokana” izy io. (Lioka 5:12) ‘Niankohoka ilay lehilahy raha vao nahita an’i Jesosy, ka niangavy hoe: “Tompo ô, raha mba sitrakao fotsiny mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.”’ Nino izy hoe nanana hery hanasitranana azy i Jesosy. Tiany ho fantatra anefa hoe te hanasitrana azy ve izy. Inona no nataon’i Jesosy rehefa nitalaho taminy ilay lehilahy? Inona no tao an-tsain’i Jesosy rehefa nahita azy? Azo inoana mantsy fa simba be ny tarehiny. Hanao hoatran’ny Fariseo, izay nanilikilika ny boka, ve i Jesosy? Inona no ho nataonao raha ianao no teo?

5. Nahoana i Jesosy no niteny hoe: “Sitrako tokoa”?

5 Angamba tsy niantsoantso ilay lehilahy hoe: “Maloto e! Maloto e!” Tokony ho nanao an’izany izy, raha jerena ny Lalàn’i Mosesy. (Lev. 13:43-46) Tsy tezitra taminy anefa i Jesosy fa nalahelo ka te hanasitrana azy. Tsy tena fantatsika izay tao an-tsain’i Jesosy. Fantatsika kosa ny tao am-pony. Nangoraka an’ilay lehilahy izy, ka nanao zavatra tsy mampino. Natsotrany ny tanany ka nokasihiny ilay lehilahy, ary hoy izy: “Sitrako tokoa. Madiova ianao.” Nalemy fanahy sady tsy nisalasala izy rehefa niteny an’izany. ‘Afaka tamin’ilay lehilahy avy hatrany ny habokana.’ (Lioka 5:13) Nahazo hery avy tamin’i Jehovah i Jesosy matoa nahavita an’io fahagagana io sy nampiseho fa tena tia olona.—Lioka 5:17.

6. Inona no nampiavaka ny fahagagana nataon’i Jesosy, ary inona no ianarantsika avy amin’izy ireny?

6 Nanao fahagagana miavaka sy isan-karazany i Jesosy, noho ny hery nomen’i Jehovah azy. Tsy ny habokana ihany no nositraniny fa ny karazana aretina sy kilema rehetra. Hoy ny Baiboly: “Talanjona ny vahoaka rehefa nahita ny moana niteny sy ny nalemy tongotra nandeha ary ny jamba nahita.” (Mat. 15:31) Tsy nila nanao fandidiana i Jesosy fa nositraniny tamin’izao fotsiny izay taova na faritra nila nositranina. Teo no ho eo ihany ilay olona dia sitrana. Nisy aza tonga dia sitrana na dia tsy nankany aminy akory aza i Jesosy! (Jaona 4:46-54) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy hoe manana hery hanasitranana fotsiny i Jesosy, ilay Mpanjakantsika, fa te hanafoana ny aretina sy kilema koa. Matoky àry isika fa ho tanteraka ilay faminaniana hoe: “Hangoraka ny olona ambany sy ny mahantra izy.” (Sal. 72:13) Tena te hanampy an’izay rehetra mijaly i Jesosy ka hanao izany izy ao amin’ny tontolo vaovao.

“MITSANGÀNA, BATAO NY FANDRIANANAO KA MANDEHANA”

7, 8. Nahoana i Jesosy no tafahaona tamin’ny lehilahy iray nalemy tao amin’ny dobon’i Betesda?

7 Nandeha nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra tany Jodia i Jesosy, volana vitsivitsy taorian’ny nanasitranany an’ilay lehilahy boka tany Galilia. Efa an’arivony ny olona nitoriany, ary nanohina ny fon’izy ireo ny zavatra nataony. Tena tian’i Jesosy ny nitory ny vaovao tsara tamin’ny mahantra sy nanambara fahafahana tamin’ny babo ary namehy ny ratran’ny torotoro fo.—Isaia 61:1, 2; Lioka 4:18-21.

8 Tonga ny volana Nisana, taoriana kelin’izay. Nankatò an-drainy i Jesosy ka nankany Jerosalema mba hankalaza ny Paska. Nisomebiseby ny tao an-tanàna satria be dia be ny olona tonga hankalaza an’io fety masina io. Nisy dobo atao hoe Betesda teo avaratra kelin’ny tempoly, ary nahita lehilahy narary i Jesosy teo.

9, 10. a) Nahoana ny olona no nankao amin’ilay dobon’i Betesda? b) Inona no nataon’i Jesosy teo amin’ilay dobo, ary inona no ianarantsika avy amin’izany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

9 Feno marary sy kilemaina teo amoron’ilay dobo. Fa inona no nalehan’izy ireo teo? Tsy hay izay antony fa nino izy ireo hoe ho sitrana izay marary miroboka ao raha vao mihetsika ilay rano. Eritrereto ange ny zava-nisy tamin’izay e! Tao ireo nanantena mafy ny ho sitrana. Ny hafa indray nitebiteby. Ny sasany kosa kivy be. Ary nahoana i Jesosy no nankeo, nefa izy sady tsy narary no tsy kilemaina? Satria tia olona izy ka nangoraka rehefa nahita lehilahy iray narary efa ela. Mbola tsy teraka akory i Jesosy dia efa narary izy io!—Vakio ny Jaona 5:5-9.

10 Nanontanian’i Jesosy ilay lehilahy raha te ho sitrana. Tonga dia nanaiky izy hoe tena te ho sitrana saingy nilaza fa tsy mba misy mibata azy ho ao anaty rano. Azonao an-tsaina ve ilay lehilahy nipitrapitra niteny an’izany? Nampanaovin’i Jesosy zavatra tsy nampoizina izy avy eo. Nasain’i Jesosy nibata ny fandrianany sy nandeha izy. Nobatainy tokoa ilay izy, dia nanomboka nandeha izy! Azontsika sary an-tsaina avy amin’izany sahady izay hataon’i Jesosy ao amin’ny tontolo vaovao. Hita koa hoe tena tia olona izy, ka izy mihitsy no nitady an’izay nijaly. Betsaka ankehitriny no kivy noho ny zava-dratsy mitranga eto amin’ity tontolo ity. Manahaka an’i Jesosy àry ve ianao, ka miezaka foana mitady azy ireny rehefa mitory?

“IZA NO NIKASIKA NY AKANJOKO TEO?”

11. Inona no porofo fa nangoraka an’izay narary i Jesosy, rehefa jerena ny Marka 5:25-34?

11 Vakio ny Marka 5:25-34. Narary nandritra ny 12 taona ny vehivavy iray, ary nahamenatra ny aretiny. Tsy nandeha tamin’ny laoniny ny fiainany, anisan’izany ny fanompoany an’Andriamanitra. Efa “nijaly mafy tamin’ny fitsaboana nataon’ny dokotera maro izy sady efa nandany ny fananany rehetra”, nefa vao mainka narary. Nahita hevitra anefa izy. Nataony izay hanatonana an’i Jesosy. Nisisika tao anaty vahoaka izy ka nikasika ny akanjony. (Lev. 15:19, 25) Tsapan’i Jesosy fa nisy hery niala taminy ka nanontany izy hoe iza ilay nikasika azy. “Natahotra sy tora-kovitra” ilay vehivavy, ka “nandohalika teo anatrehany, ary nilaza taminy ny marina rehetra.” Fantatr’i Jesosy fa i Jehovah no nanasitrana an’ilay vehivavy, ka tsara fanahy taminy izy ary niteny hoe: “Ny finoanao no nahasitrana anao, anaka. Mirary soa ho anao aho, ary ho sitrana amin’iny aretina nampijaly anao iny anie ianao!”

Noporofoin’i Jesosy tamin’ny fahagagana nataony fa tena te hanampy antsika izy, ary hitany izay manjo antsika (Fehintsoratra 11, 12)

12. a) Ahoana no fiheveranao an’i Jesosy rehefa avy nandinika ny zavatra nataony ianao? b) Inona no modely nomen’i Jesosy antsika?

12 Tsara fanahy tokoa i Jesosy! Tena mangoraka ny olona izy, indrindra fa ireo marary. Tian’i Satana hino isika hoe tsy misy mpitia sady tsy misy dikany. Noporofoin’i Jesosy tamin’ny fahagagana nataony anefa fa tena te hanampy antsika izy, ary hitany izay manjo antsika. Mpanjaka sy Mpisoronabe mahay mangoraka tokoa izy! (Heb. 4:15) Mety tsy ho takatsika ny manjo an’ireo manana aretina mitaiza, indrindra raha mbola tsy tratran’ilay izy isika. Mbola tsy narary mihitsy i Jesosy nefa nahay nangoraka an’izay narary. Miezaha àry hanahaka azy araka izay vitanao!—1 Pet. 3:8.

“NIROTSAKA NY RANOMASON’I JESOSY”

13. Inona no toetran’i Jesosy niharihary rehefa nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty izy?

13 Tena nalahelo i Jesosy rehefa nahita olona ory. “Nalahelo mafy”, ohatra, izy sady “ory dia ory” rehefa nahita olona nitomany, tamin’i Lazarosy maty. Efa fantany anefa fa tsy ho ela izy dia hanangana an’i Lazarosy amin’ny maty. (Vakio ny Jaona 11:33-36.) Nitomany i Jesosy, ary tsy nahamenatra azy izany. Hitan’izay nanatrika teo fa tena tia an’i Lazarosy sy ny fianakaviany izy. Tena nangoraka izy ka nampiasa ny hery nomen’Andriamanitra azy mba hananganana an’i Lazarosy.—Jaona 11:43, 44.

14, 15. a) Inona no porofo fa tena te hanafoana ny fijaliana Andriamanitra? b) Nahoana no mety tsara ilay teny hoe “fasana atao ho fahatsiarovana”?

14 Milaza ny Baiboly hoe “mitovy tanteraka amin’ny an’Andriamanitra ny maha izy” an’i Jesosy. (Heb. 1:3) Noporofoin’i Jesosy tamin’ny fahagagana nataony fa samy te hanafoana ny aretina sy ny fahafatesana izy sy ny Rainy. Mbola maro be ny olona tian’izy ireo hatsangana amin’ny maty. Hoy i Jesosy: ‘Ho avy ny fotoana, dia hivoaka izay rehetra any amin’ny fasana atao ho fahatsiarovana.’—Jaona 5:28, 29, f.a.p.

15 Mety tsara ilay teny hoe “fasana atao ho fahatsiarovana.” Ilay Andriamanitra Mahery Indrindra no namorona an’izao rehetra izao, ka tsaroany daholo ny tsipiriany momba ny olona tsirairay maty. Tsaroany hatramin’ny toetran’ilay olona, na efa voajanahary izany na tsia. (Isaia 40:26) Tsy hoe afaka mahatsiaro an’ireo olona efa maty fotsiny izy, fa izy mihitsy no te hahatsiaro azy ireny. Mbola maro be àry no hatsangana amin’ny maty ao amin’ny tontolo vaovao, toy ny efa nananganana an’i Lazarosy sy ny olon-kafa tamin’ny maty.

INONA NO IANARANAO AVY AMIN’IREO FAHAGAGANA IREO?

16. Inona no asa miavaka miandry antsika raha tsy mivadika mihitsy isika?

16 Ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe isika raha tsy mivadika mihitsy. Anisan’ny fahagagana miavaka indrindra hatramin’izay izany. Mbola hisy fahagagana maro aorian’ny Ady Hara-magedona. Ho salama tsara indray amin’izay ny olombelona. (Isaia 33:24; 35:5, 6; Apok. 21:4) Eritrereto ange e! Hahita olona hanary solomaso, tehina, seza misy kodiarana, ary ny toy izany ianao. Nahoana no hataon’i Jehovah salama tsara sy mavitrika ny olona, aorian’ny Hara-magedona? Satria hisy asa hampanaoviny azy ireo. Tian’Andriamanitra hovan’izy ireo ho Paradisa ny tany, izay fanomezana avy aminy.—Sal. 115:16.

17, 18. a) Inona no antony nanaovan’i Jesosy fahagagana? b) Nahoana ianao no tokony hiezaka ho tonga any amin’ny tontolo vaovao?

17 Vao mainka isika “vahoaka be” matoky fa ho foana ny aretina amin’ny hoavy, rehefa mandinika ny fahagagana nataon’ilay Zanaka lahimatoan’Andriamanitra. (Apok. 7:9) Hita koa fa tena tia antsika olombelona izy. (Jaona 10:11; 15:12, 13) Nahay nangoraka koa izy, ary porofo izany fa miahy ny mpanompony tsirairay i Jehovah.—Jaona 5:19.

18 Mbola miara-mitoloko sy miara-mijaly ary mety maty izao ny olombelona. (Rom. 8:22) Mila ny tontolo vaovao isika. Ho salama tsara isika ao, araka ny efa nampanantenain’Andriamanitra. Manome toky antsika ny Malakia 4:2 fa “hifalihavanja toy ny zanak’omby mifahy” isika amin’izay. Ho faly be isika satria ho lavorary ka tsy hisy zavatra hangeja antsika intsony. Ankasitraho àry i Jehovah ary matokia ny fampanantenany, ka ataovy izay azonao atao mba ho tonga any amin’ny tontolo vaovao ianao. Efa nanao fahagagana i Jesosy tetỳ an-tany. Midika izany fa hofoanany tanteraka ny fijalian’ny olombelona, amin’ny Fanjakana Arivo Taona. Tsy mampahery anao ve izany?