Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manompoa An’i Jehovah na Amin’ny “Andro Mahory” Aza

Manompoa An’i Jehovah na Amin’ny “Andro Mahory” Aza

EFA 70 taona mahery i Ernest. * Nisento izy sady niteny hoe: “Marary foana aho, dia mihena andro aman’alina ny zavatra vitako.” Izany koa ve no mahazo anao? Angamba ianao efa mandroso taona ka tsy salama tsara intsony sady mihaosa. Mety ho tsapanao àry fa manjo anao mihitsy ilay voalazan’ny Mpitoriteny toko faha-12. Antsoina hoe “andro mahory” ny fahanterana, eo amin’ny andininy voalohany. Aza kivy anefa! Mbola afaka manompo an’i Jehovah foana ianao sady afaka ny ho falifaly.

MIEZAHA FOANA HANANA FINOANA MATANJAKA

Maro ny mpanompon’i Jehovah efa niaritra ny mafy toa anareo zokiolona. Tsy nahita intsony, ohatra, i Isaka sy Jakoba ary Ahia rehefa antitra. (Gen. 27:1; 48:10; 1 Mpanj. 14:4) I Davida Mpanjaka indray lasa “tsy nahatsiaro nafana.” (1 Mpanj. 1:1) I Barzilay kosa tsy afaka nankafy tsiron-kanina sy mozika intsony, na dia mpanankarem-be aza. (2 Sam. 19:32-35) I Abrahama sy Naomy indray samy maty vady.—Gen. 23:1, 2; Rota 1:3, 12.

Nahoana anefa izy ireo no tsy nivadika sy faly foana? Nino ny fampanantenan’i Jehovah i Abrahama, na dia efa be taona aza, ka ‘nahazo hery noho ny finoany.’ (Rom. 4:19, 20) Mila finoana matanjaka koa isika. Afaka ny hanana an’izany ianao na firy taona na firy taona, na mahay be na tsia, ary na inona na inona zavatra iainanao. Tena nino ny fampanantenan’i Jehovah, ohatra, i Jakoba, na dia efa osa sy jamba ary tsy afa-niala teo am-pandriana aza. (Gen. 48:1-4, 10; Heb. 11:21) Toy izany koa i Ina. Malemy hozatra izy ary 93 taona. Hoy izy: “Tsapako isan’andro hoe tena tahin’i Jehovah aho. Maka sary an-tsaina ny Paradisa koa aho isan’andro ka lasa matanja-tsaina.” Tena mety ny ataon’io anabavy io!

Hihamatanjaka ny finoantsika raha mivavaka sy mianatra Baiboly ary mivory isika. Nivavaka intelo isan’andro sy nandinika ny Tenin’Andriamanitra foana i Daniela mpaminany, izay efa be taona. (Dan. 6:10; 9:2) Be taona koa i Ana sady maty vady, nefa “tonga tsy tapaka tao amin’ny tempoly.” (Lioka 2:36, 37) Mivoria foana àry raha mbola azo atao ary mandraisa anjara imbetsaka araka izay vitanao. Hanatanjaka ny finoanao izany sady hampahery ny hafa. Mivavaha koa fa tian’i Jehovah foana ny mihaino anao, na dia voafetra aza ny zava-bitanao.—Ohab. 15:8.

Miezaha hifampahery amin’ny hafa

Misy aminareo mba te hahita tsara satria te hamaky teny, na te havitribitrika satria te hivory. Mahatsapa anefa ianareo hoe tsy afa-manoatra. Inona no vahaolana? Diniho izay azonao atao ary ataovy izany. Maro no mihaino fivoriana amin’ny telefaonina satria tsy afaka mivory. Tsy mahita tsara kosa i Angela, anabavy iray 79 taona. Anaovana pirinty ngezabe an’ireo lahatsoratra ilaina amin’ny fivoriana àry izy ka iny no omaniny.

Misy zavatra anananao koa fa tsy ananan’olona firy. Tsy inona izany fa ny fotoana. Nahoana àry raha mihaino tantara na boky na lahateny na Baiboly noraisim-peo? Azo atao koa ny mitelefaonina mpiara-manompo mba hiresaka hevitra ara-baiboly sy ‘hifampahery.’—Rom. 1:11, 12.

MAZOTOA FOANA MANOMPO

Torio ny vaovao tsara

Hoy i Christa, anabavy 85 taona eo ho eo: “Mafy be ilay hoe tsy mahavita zavatra firy intsony.” Inona àry no azon’ny be taona atao mba ho faly foana? Hoy i Peter, 75 taona: “Aza variana mamisavisa an’izay tsy vitanao intsony fa ankafizo izay mbola azonao atao.”

Inona, ohatra, no mbola azonao atao mba hitoriana? Efa 80 taona mahery i Heidi ary tsy afaka mitory isan-trano intsony. Nianatra nanoratra taratasy tamin’ny ordinatera àry izy. Misy koa zokiolona mankeny amin’ny zaridainam-panjakana na fiandrasana bisy ary mitory eny. Ary raha any amin’ny trano fitaizana be antitra ianao? Ataovy faritaninao ilay toerana, ka mitoria amin’ny mpikarakara anao na ny olon-kafa ao.

Mazotoa mandray vahiny

Tena nanohana ny fivavahana marina i Davida, tamin’izy efa zokiolona. Nanome zavatra be dia be mba hanorenana ny tempoly izy sady nanentana ny olona hanao toy izany koa. (1 Tan. 28:11–29:5) Ataovy àry izay azonao atao mba hanohanana ny asa fitoriana eran-tany. Nahoana, ohatra, raha omena fanomezana kely, na ody ambavafo, na teny fiderana ny mpisava lalana na mpitory hafa eo anivon’ny fiangonanao? Mivavaha koa ho an’ny tanora, fianakaviana, mpanompo manontolo andro, olona marary, ary ireo be andraikitra.

Sarobidy amin’ilay Raintsika any an-danitra ianao sy ny fanompoana ataonao. Tsy hanary anao mihitsy izy. (Sal. 71:9) Tena tia anao izy. Tsy ho ela isika dia tsy hijaly na ho ory intsony, na dia mandroso taona aza. Hatanjaka sy ho salama tsara isika ka hahavita hanompo mandrakizay an’i Jehovah, ilay Andriamanitra be fitiavana.

^ feh. 2 Novana ny anarana sasany.