Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataovy An-tsaina hoe Tia Anao Foana i Jehovah

Ataovy An-tsaina hoe Tia Anao Foana i Jehovah

“Hosaintsainiko tokoa ny asanao rehetra.”—SAL. 77:12.

HIRA: 18, 61

1, 2. a) Nahoana ianao no resy lahatra fa tian’i Jehovah ny vahoakany? b) Inona no mampiavaka ny olombelona?

NAHOANA ianao no resy lahatra fa tian’i Jehovah ny vahoakany? Diniho ireto alohan’ny hamalianao izany: Efa an-taonany maro ny rahalahy sy anabavy no nanoro hevitra ny anabavy iray atao hoe Taylene mba hahay handanjalanja fa tsy hanao zavatra tsy ho vitany. Hoy i Taylene: “Tsy ho nanoro hevitra ahy foana hoatr’ireny i Jehovah raha tsy tia ahy.” Maty vady i Brigitte ary nitaiza irery ny zanany. Hoy izy: “Anisan’ny zavatra sarotra indrindra ny mitaiza zanaka eto amin’ity tontolon’i Satana ity, indrindra raha irery ianao. Resy lahatra anefa aho hoe tena tia ahy i Jehovah satria nanampy ahy foana izy rehefa nisy zavatra nampitomany sy nampalahelo ahy. Tsy navelany hiaritra zavatra fantany fa tsy ho zakako koa aho.” (1 Kor. 10:13) I Sandra kosa voan’ny aretina tsy misy fanafany. Namonjy fivoriambe izy indray mandeha ary niahy azy ny vadin’ny rahalahy iray be mpahalala. Hoy ny vadin’i Sandra: “Tsy nifankahalala izahay nefa tena tsara fanahy izy. Faly be izahay. Na zavatra kely fotsiny aza no ataon’ny rahalahy sy anabavy ho anay, dia efa tsapako hoe tena tia anay i Jehovah.”

2 Nataon’i Jehovah maniry hotiavina sy hitia ny olombelona rehefa noforoniny. Mety hieritreritra anefa isika hoe tsy tia antsika intsony i Jehovah. Nahoana? Diso fanantenana angamba isika, na marary, na sendra olana tampoka, na sahirana ara-bola, na tsy mahita vokatra amin’ny fanompoana. Mahatsapa ve ianao hoe tsy tian’i Jehovah intsony? Tadidio fa sarobidy aminy ianao. “Mitantana anao amin’ny tananao ankavanana” izy ary manampy anao foana. Tsy hanadino anao mihitsy izy raha tsy mivadika aminy ianao.—Isaia 41:13; 49:15.

3. Inona no hanampy antsika hatoky fa tia antsika foana i Jehovah?

3 Natoky ireo olona voatantara teo aloha ireo fa nanampy azy tamin’ny fotoan-tsarotra Andriamanitra. Afaka matoky koa isika fa manohana antsika foana Andriamanitra ary tia antsika. (Sal. 118:6, 7) Handinika zavatra efatra manaporofo an’izany isika ato: 1) Ny zavaboary, 2) ny Teniny, 3) ny vavaka, ary 4) ny vidim-panavotana. Raha misaintsaina ny zavatra tsara nataon’i Jehovah isika, dia vao mainka hankasitraka azy noho izy tia antsika foana.—Vakio ny Salamo 77:11, 12.

DINIHO NY ZAVATRA NOFORONIN’I JEHOVAH

4. Inona no ho vokany raha misaintsaina momba ny zavaboary isika?

4 Rehefa mandinika ny zavaboary isika, dia hahita fa tena tia antsika i Jehovah. (Rom. 1:20) Nataony mety tsara ny tontolo iainana ka afaka ny ho velona sy ho salama tsara isika. Tsy hoe nataony misy fotsiny anefa isika. Mila misakafo isika raha te ho velona. Nataon’i Jehovah misy zavamaniry maro be sy isan-karazany àry eto an-tany mba hataontsika sakafo. Nataony mahafinaritra sy mahafa-po antsika mihitsy aza ny misakafo. (Mpito. 9:7) Tena tia mandinika zavaboary i Catherine, anabavy any Kanada, indrindra rehefa lohataona. Hoy izy: “Tena mahavariana ahy daholo ny zavaboary. Nataon’i Jehovah mipoitra ho azy avy ao anaty tany, ohatra, ny zavamaniry. Mahalala ny toerana fodiany koa ny vorona rehefa miverina avy mifindra monina. Misy kôlibria kely izay, ohatra, mahatadidy foana an’ilay fasiako ny sakafony eo amin’ny varavarankelin’ny lakoziako. Tia antsika i Jehovah matoa nanao zavatra mahafinaritra be toy izany.” Mahafaly an’i Jehovah ny zavatra noforoniny ary tiany hankafy azy ireny koa isika.—Asa. 14:16, 17.

5. Inona no porofo fa tia antsika olombelona i Jehovah?

5 Noforonin’i Jehovah ho afaka hiasa koa ny olombelona. Nomeny asa mahafa-po izy ireo, mba ho afaka hankafy kokoa ny fiainana. (Mpito. 2:24) Nasainy hameno ny tany sy hikarakara azy io ny olona, ary nasainy hanjaka amin’ny zavamananaina hafa eto an-tany, anisan’izany ny hazandrano sy ny vorona. (Gen. 1:26-28) Tiany hanahaka azy koa isika ka nataony manana toetra tsara. (Efes. 5:1) Tia antsika tokoa i Jehovah!

ANKASITRAHO NY TENIN’ANDRIAMANITRA

6. Nahoana isika no tena tokony hankasitraka ny Tenin’Andriamanitra?

6 Nanome ny Teniny koa Andriamanitra satria tena tia antsika. Hita ao hoe iza marina izy ary manao ahoana izy rehefa mifandray amin’ny olombelona. Resahina ao, ohatra, hoe inona no nataony na dia nikomy taminy foana aza ny Israelita. Hoy ny Salamo 78:38: ‘Namindra fo izy, ary namela fahadisoana, ka tsy nandringana. Imbetsaka koa izy no nanindry ny fahatezerany, ka tsy namoaka ny fahavinirany rehetra.’ Mety ho tsapanao fa tia sy miahy anao i Jehovah, raha saintsaininao io andininy io. Matokia fa tena sarobidy aminy ianao.—Vakio ny 1 Petera 5:6, 7.

7. Nahoana no tokony ho sarobidy amintsika ny Baiboly?

7 Tena tokony ho sarobidy amintsika ny Baiboly satria amin’ny alalan’izy io i Jehovah no tena miresaka amintsika. Tena mila mifampiresaka tsara ny ray aman-dreny sy ny zanaka raha te hifankatia sy hifampatoky. Ary ahoana no ataon’i Jehovah amintsika? Marina fa mbola tsy nahita azy isika na nahare ny feony. Toy ny miteny amintsika anefa izy amin’ny alalan’ny Teniny, ka mila mihaino azy isika. (Isaia 30:20, 21) Nanokan-tena ho azy isika, ka te hitari-dalana antsika izy sady te hiaro antsika. Tiany hahalala azy sy hatoky azy koa isika.—Vakio ny Salamo 19:7-11; Ohabolana 1:33.

Marina fa nila nanarina i Josafata Mpanjaka. Hitan’i Jehovah anefa ny “zavatra tsara” tao aminy (Fehintsoratra 8, 9)

8, 9. Inona no tian’i Jehovah ho tsapantsika? Manomeza ohatra.

8 Tian’i Jehovah hahatsapa isika hoe tia antsika izy sady tsy mifantoka amin’ny fahadisoantsika. Mitady an’izay toetra tsara ao amintsika izy. (2 Tan. 16:9) Izany, ohatra, no nataony tamin’i Josafata mpanjakan’i Joda. Nanaonao foana i Josafata satria nanaiky handeha hiady hiaraka tamin’i Ahaba, ilay mpanjaka ratsy fanahy teo amin’ny Israely. Te hanavotra an’i Ramota-gileada teo an-tanan’ny Syrianina izy ireo. Nisy mpaminany sandoka 400 nanome toky an’i Ahaba hoe handresy izy. Nilaza anefa i Mikaia, mpaminanin’i Jehovah fa ho resy izy. Maty tany an’ady i Ahaba ary efa saika maty koa i Josafata. Tonga tany Jerosalema izy avy eo, ary nananatra azy mafy i Jeho zanak’i Hanany mpahita, noho izy nanampy an’i Ahaba. Hoy koa anefa i Jeho taminy: “Nisy zavatra tsara nataonao ihany.”—2 Tan. 18:4, 5, 18-22, 33, 34; 19:1-3.

9 Vao nanjaka kelikely i Josafata, dia nasainy nitety an’i Joda manontolo ny andriana sy Levita ary mpisorona mba hampianatra ny vahoaka ny Lalàn’i Jehovah. Tena nahomby ilay izy satria na ireo firenena manodidina aza lasa natahotra an’i Jehovah. (2 Tan. 17:3-10) Marina fa nanaonao foana i Josafata, nefa hitan’i Jehovah koa ny zavatra tsara nataony. Hitantsika avy amin’io tantara io fa ho tia antsika foana i Jehovah raha tena miezaka ny hampifaly azy isika, na dia tsy lavorary aza.

ATAOVY ZAVA-DEHIBE AMINAO NY VAVAKA

10, 11. a) Nahoana no zava-dehibe ny vavaka? b) Ahoana no mety hamalian’Andriamanitra ny vavaka ataontsika? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

10 Maka fotoana mba hihainoana an-janany ny ray be fitiavana. Tena miahy an-janany izy ka te hahalala an’izay any am-pony sy izay mampanahy azy. Mihaino antsika koa i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, rehefa mivavaka aminy isika. Tena tombontsoa àry ny mivavaka!

11 Afaka mivavaka foana isika na rahoviana na rahoviana. Namantsika i Jehovah ary vonona hihaino antsika foana. Hoy i Taylene, ilay voaresaka terỳ aloha: “Azonao resahina aminy daholo izay tianao horesahina.” Inona no ataon’i Jehovah rehefa lazaintsika aminy izay tena ao am-pontsika? Mety hanoro antsika andinin-teny na lahatsoratra ao amin’ny gazetintsika izy, na mety hampiasa mpiara-manompo mba hampahery antsika. Mihaino ny fitalahoantsika izy ary mahatakatra an’izay manjo antsika, na dia tsy misy olona mahatakatra an’ilay izy aza. Tia antsika foana i Jehovah matoa mamaly ny vavaka ataontsika.

12. Nahoana isika no tokony handinika an’ireo vavaka ao amin’ny Baiboly? Manomeza ohatra.

12 Maro ny lesona ianarantsika avy amin’ireo vavaka ao amin’ny Baiboly. Tena tsara àry indraindray ny mandinika azy ireny amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Hihatsara ny vavaka ataontsika raha misaintsaina ny vavaka avy amin’ny fo nataon’ny mpanompon’i Jehovah fahiny isika. Diniho, ohatra, ilay vavak’i Jona tamin’izy tao an-kibon’ilay trondro be. Nanenina mafy izy tamin’izay. (Jona 1:17–2:10) Eo koa ilay vavaka vokatry ny fo nataon’i Solomona, tamin’izy nitokana ny tempoly. (1 Mpanj. 8:22-53) Saintsaino koa ilay vavaka nampianarin’i Jesosy antsika. (Mat. 6:9-13) Ambonin’izany rehetra izany, dia “ampahafantaro an’Andriamanitra” foana ny fangatahanao. Inona no ho vokatr’izany? ‘Ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonao sy ny sainao.’ Vao mainka ianao amin’izay hankasitraka an’i Jehovah noho izy tia anao foana.—Fil. 4:6, 7.

ANKASITRAHO NY VIDIM-PANAVOTANA

13. Inona no soa azontsika noho ny vidim-panavotana?

13 Nanome ny vidim-panavotana i Jehovah mba “hahazoantsika fiainana”, na dia tsy mendrika an’izany aza isika. (1 Jaona 4:9) Hoy ny apostoly Paoly: “Maty ho an’ny ratsy fanahy i Kristy, tamin’ny fotoana voatondro. Mahalana vao misy manaiky ho faty ho an’ny olo-marina, fa angamba mety hisy ihany ho sahy ho faty ho an’ny olona tsara fanahy. Andriamanitra kosa anefa naneho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty ho antsika i Kristy.” (Rom. 5:6-8) Ny vidim-panavotana no porofo lehibe indrindra fa tia antsika i Jehovah. Lasa afaka mifandray akaiky aminy mantsy isika noho izy io.

14, 15. Inona no soa entin’ny vidim-panavotana ho an’ireo a) voahosotra, b) olona manantena hiaina eto an-tany?

14 Misy olona vitsivitsy mahatsapa fa tena miavaka ny fitiavan’i Jehovah azy. (Jaona 1:12, 13; 3:5-7) Voahosotry ny fanahy masina izy ireo ka lasa “zanak’Andriamanitra.” (Rom. 8:15, 16) Nilaza i Paoly fa ‘natsangana sy napetraka teo amin’ny toerana tanany any amin’ny faritry ny lanitra’ ny voahosotra, ‘noho izy tafaray amin’i Kristy Jesosy.’ (Efes. 2:6) Mahazo an’io toerana manokana io izy ireo satria ‘nasiana tombo-kasen’ny fanahy masina nampanantenaina, izay antoka mialoha ny amin’ny lovany.’ Izany dia ‘ilay fanantenana voatahiry any an-danitra ho azy ireo.’—Efes. 1:13, 14; Kol. 1:5.

15 Ary ahoana ireo olon-kafa maro be maneho finoana ny vidim-panavotana? Afaka ny ho naman’i Jehovah izy ireo, ary hatsangany ho zanany amin’ny farany ka hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Tia ny olona rehetra àry i Jehovah matoa nanome ny vidim-panavotana. (Jaona 3:16) Manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany ve ianao ka miezaka ny tsy hivadika amin’i Jehovah? Matokia fa hataony izay hahasambatra anao ao amin’ny tontolo vaovao. Ny vidim-panavotana tokoa àry no porofo lehibe indrindra fa tia antsika foana i Jehovah.

ASEHOY FA TIA AN’I JEHOVAH IANAO

16. Inona no ho vokany raha misaintsaina ny zavatra maro nataon’i Jehovah ho antsika isika?

16 Tsy ho voatanisantsika daholo ny porofo manamarina hoe tia antsika foana i Jehovah. Nihira i Davida mpanao salamo hoe: “Tena sarobidy amiko ny hevitrao! Andriamanitra ô, tena be dia be tokoa ny isan’ireny! Raha andramako isaina ireny, dia betsaka lavitra noho ny fasika.” (Sal. 139:17, 18) Nanao zavatra be dia be ho antsika i Jehovah satria te hikarakara antsika. Saintsaino foana ireny, dia hitombo ny fitiavanao azy. Hanao izay vitanao mba hanompoana azy ianao amin’izay.

17, 18. Inona avy no fomba azontsika ampisehoana fa tia an’Andriamanitra isika?

17 Maro ny zavatra azontsika atao mba hampisehoana fa tia an’i Jehovah isika. Tia azy sy ny mpiara-belona amintsika, ohatra, isika raha mazoto mitory momba ilay Fanjakana. (Mat. 24:14; 28:19, 20) Tena tia azy koa isika raha tsy mivadika aminy, rehefa miaritra fitsapana. (Vakio ny Salamo 84:11; Jakoba 1:2-5.) Ary ahoana raha tena mafy amintsika ilay fitsapana? Matokia fa hitan’Andriamanitra ny fijaliantsika, ary hanampy antsika izy satria sarobidy aminy isika.—Sal. 56:8.

18 Handinika ny zavatra noforonin’i Jehovah sy ny zavatra mahagaga hafa nataony isika raha tia azy. Hankasitraka ny Teniny koa isika ka hazoto hianatra azy io, ary hivavaka aminy mba ho akaiky azy kokoa. Vao mainka isika ho tia azy raha misaintsaina hoe nanome ny vidim-panavotana izy mba hanafoanana ny fahotantsika. (1 Jaona 2:1, 2) Betsaka ny zavatra azonao atao ankoatra an’ireo. Asehoy àry fa tia an’i Jehovah ianao noho izy tia anao foana.